-
Mendrika Voninahitra sy Fanajana ny Vehivavy KristianaNy Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Jolay
-
-
“Na zovy na zovy no misao-bady [afa-tsy noho ny fijangajangana ihany] ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny
-
-
Mendrika Voninahitra sy Fanajana ny Vehivavy KristianaNy Tilikambo Fiambenana—1995 | 15 Jolay
-
-
Matio 19:3, 9). Ireo teny nolazaina tamin’ny fomba tsotra ireo dia nampiseho fanajana ny fahamendrehan’ny vehivavy. Ahoana izany?
11. Milaza inona momba ny fatoram-panambadiana ny tenin’i Jesosy hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany”?
11 Voalohany, tamin’ny teny hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany” (hita ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Matio), dia nasehon’i Jesosy fa ny fatoram-panambadiana dia tsy tokony hohamaivanina na hotapahina mora foana. Ny fampianaran’ny raby izay nanjaka tamin’izany dia namela ny fisaraham-panambadiana noho ny antony tsy dia nanao ahoana, toy ny sakafo ratsy nahandro nataon’ny vehivavy nanambady na ny firesahany tamin-dehilahy vahiny. Nekena mihitsy aza ny fisaraham-panambadiana raha nahita vehivavy nanintona kokoa teo imasony, ny lehilahy iray nanambady! Nanao izao fanamarihana izao ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Rehefa niteny toy ny nataony i Jesosy, dia (...) nanohana ireo vehivavy izy tamin’ny fitadiavana izay hamerenana ny fanambadiana tamin’ny toerana tokony ho nisy azy.” Ny fanambadiana tokoa dia tokony ho fifamatorana maharitra izay ahafahan’ny vehivavy mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy. — Marka 10:6-9.
-