Ny Fiheveran’ny Baiboly
Fanitsakitsaham-bady Hamela Heloka sa Tsy Hamela?
“RAHA (...) misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.” (Marka 11:25). Mampipoitra fanontaniana sarotra sasany ireo tenin’i Jesosy ireo raha ny amin’ny fanambadiana iray voakorontan’ny fanitsakitsaham-bady: Tsy maintsy mamela ny heloky ny vadiny sy mitsimbina ny fanambadiany ve ilay Kristiana tsy manan-tsiny?a Raha manapa-kevitra ny hisaraka izy, moa ve izy mahatandindomin-doza ny fifandraisany manokana amin’Andriamanitra? Aoka hojerentsika ny fomba anampian’ny Baiboly mba hamaliana ireo fanontaniana ireo.
Tsy maintsy mamela heloka foana ve ianao?
Moa ve ny tenin’i Jesosy hoe ‘raha misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony’, midika fa amin’ny tarehin-javatra rehetra — anisan’izany rehefa manitsakitsaka ny vady iray — dia voatery hamela heloka ny Kristiana iray? Tsy maintsy ho azo ny hevitry ny tenin’i Jesosy amin’ny fandinihana ny fanazavana hafa nataony momba ny famelan-keloka.
Ohatra, mianatra fotopoto-pitsipika lehibe iray momba ny famelan-keloka isika avy amin’ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 17:3, 4: “Fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.” (Izahay no manao sora-mandry.) Azo antoka fa amin’ny fitrangan’ny fahotana lehibe, ilay tafintohina dia ampirisihina hiezaka hamela heloka, raha misy fibebahana amim-pahatsorana. I Jehovah mihitsy no mihevitra ny raharaha amin’izany fomba izany; mba hahazoana ny famelan’Andriamanitra heloka, dia tsy maintsy mibebaka amim-pahatsorana isika. — Lioka 3:3; Asan’ny Apostoly 2:38; 8:22.
Asehon’izany koa anefa fa raha tsy mibebaka ny vady manitsakitsaka iray, tsy mety manaiky ny andraikitra noho ny fahotany, dia mora takatra raha mety hifidy ny tsy hamela heloka ilay vady tsy manan-tsiny. — Ampitahao amin’ny 1 Jaona 1:8, 9.
Famelan-keloka — Ahoana ny amin’ny vokatry ny fahotana?
Ahoana anefa raha mibebaka ilay mpanitsakitsa-bady? Rehefa misy fibebahana, dia misy fototra ho an’ny famelan-keloka. Kanefa moa ve ny famelan-keloka midika fa ho afaka amin’ny vokatra rehetran’ny lalan-dratsiny ilay nanao ratsy? Diniho ny ohatra sasany ny amin’ny famelan’i Jehovah heloka.
Rehefa nikomy ny Isiraelita taorian’ny nihainoana ireo mpisafo tany folo izay nanao tatitra ratsy momba ny tany Kanana, dia niangavy tamin’i Jehovah toy izao i Mosesy: “Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ity firenena ity”. Namaly i Jehovah hoe: “Efa navelako araka ny teninao izany.” Nidika ve izany fa afaka tamin’izay nety ho vokatry ny nataony ireo nanafintohina? Nanohy ny teniny toy izao i Jehovah: “Ireo lehilahy rehetra ireo, izay (...) tsy nihaino ny feoko, dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy”. (Nomery 14:19-23). Nanatanteraka ny teniny i Jehovah; io taranaka zokiny kokoa io — afa-tsy i Josoa sy i Kaleba — dia tsy nahita ny Tany Nampanantenaina. — Nomery 26:64, 65.
Mitovy amin’izany koa fa, rehefa niteny mafy an’i Davida Mpanjaka i Natana mpaminany, noho ny fahotany niaraka tamin’i Batseba, dia niaiky toy izao i Davida nibebaka: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” Niteny tamin’i Davida toy izao àry i Natana: “Jehovah efa nanaisotra ny helokao”. (2 Samoela 12:13). Kanefa, na dia namela ny helok’i Davida aza i Jehovah, dia nijaly noho ny vokatry ny fahotany i Davida nandritra ny andro sisa niainany. — 2 Samoela 12:9-14; jereo koa ny 2 Samoela, toko faha-24.
Ireo ohatra momba ny famelan’Andriamanitra heloka ireo dia manasongadina lesona lehibe iray: Tsy afaka manota isika ka hoe tsy iharan’ny sazy. (Galatiana 6:7, 8). Ny mpanota mibebaka iray, na dia mety hahazo famelan-keloka aza, dia tsy voatery ho afaka amin’ny vokatry ny lalan-dratsiny. Midika ve izany fa ilay vady tsy manan-tsiny dia mety hamela ny helok’ilay mpanitsakitsa-bady — fara faharatsiny amin’ny heviny hoe tsy hitahiry fahatezerana mafy — ary anefa mbola manapa-kevitra ny hisaraka aminy ihany?
Famelan-keloka sy fisaraham-panambadiana
Nandritra ny fanompoany, dia intelo i Jesosy no niresaka momba ny fisaraham-panambadiana. (Matio 5:32; 19:3-9; Lioka 16:18). Mahaliana fa tsy niresaka ny amin’ny famelan-keloka i Jesosy, na dia indray mandeha aza, tao amin’ireo dinika rehetra ireo. Ohatra, araka ny hita ao amin’ny Matio 19:9, dia hoy izy: “Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka mampakatra ny hafa, dia [manitsakitsa-bady, NW ]”. Tamin’ny filazana hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany”, dia neken’i Jesosy fa hanome an’ilay vady tsy manan-tsiny zo, na ‘antony’ araka ny Soratra Masina, hisaraham-panambadiana ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Kanefa, tsy nilaza i Jesosy fa tokony hisaraka ilay tsy manan-tsiny. Na dia izany aza, dia te hilaza mazava izy fa afaka manao izany izy io.
Fehy iray izay mamatotra olona roa hikambana ny fanambadiana. (Romana 7:2). Kanefa rehefa tsy mahatoky ny iray amin’izy ireo, dia mety ho tapaka ilay fehy. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia miatrika fanapahan-kevitra roa, raha ny marina, ilay vady tsy manan-tsiny. Voalohany, tokony hamela heloka ve izy? Araka ny efa hitantsika, dia anton-javatra iray misy heviny eto ny hoe mibebaka amim-pahatsorana sa tsia, ilay mpanitsakitsa-bady. Rehefa misy fibebahana, dia mety hamela heloka ilay vady tsy manan-tsiny rehefa mandeha ny fotoana — fara faharatsiny amin’ny heviny hoe tsy hitahiry fahatezerana.
Ny fanapahan-kevitra faharoa dia hoe: Tokony hitady ny hisaraka ve izy? Nahoana no mipoitra io fanontaniana io raha toa ka namela ny helony izy?b Koa maninona moa raha toa ka manana fanahiana marim-pototra momba ny fiarovana ny tenany sy ny zanany izy, indrindra raha nitondra tamin’ny fomba ratsy ilay vadiny tamin’ny lasa? Na maninona moa raha toa ka misy ny tahotra sao ho voan’ny aretina mifindra avy amin’ny firaisana? Na maninona moa raha toa ka mahatsapa lalina izy fa noho ny fivadihan’ilay vadiny, dia tsy afaka matoky azy intsony izy raha ny amin’ny fifandraisana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady? Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia tena azo eritreretina ny hoe afaka mamela ny helok’ilay vadiny diso ilay vady tsy manan-tsiny (amin’ny heviny hoe tsy mitahiry fahatezerana), saingy mbola manapa-kevitra ny hisaraka aminy ihany izy satria tsy maniry ny hanohy hiara-miaina aminy. Ny tsy fitahirizana fahatezerana dia mety hanampy azy hanohy ny fiainany. Mety hanampy koa izany hihazonana ny fifampiraharahana tena ilaina amin’ny hoavy amin’ilay mpanitsakitsa-bady, ho misy fifanajana kokoa.
Ny hisarahana amin’ny vady tsy mahatoky na tsia dia fanapahan-kevitra manokana, fanapahan-kevitra iray izay tokony hataon’ilay vady tsy manan-tsiny aorian’ny andanjalanjana amim-pitandremana sy ao amin’ny vavaka ny anton-javatra tafiditra rehetra. (Salamo 55:22). Ny hafa dia tsy manana zo hanandrana handidy na hanery an’ilay vady tsy manan-tsiny hanapa-kevitra hisaraka na tsia. (Ampitahao amin’ny Galatiana 6:5.) Tadidio fa tsy nilaza i Jesosy hoe inona no tokony hataon’ilay vady tsy manan-tsiny. Mazava àry fa tsy hoe tsy faly amin’ireo izay mifidy ny hisara-panambadiana noho ny antony araka ny tokony ho izy avy amin’ny Soratra Masina, i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mihatra amin’ny fomba mitovy amin’ny vady tsy manan-tsiny, lehilahy na vehivavy kristiana, ny fotopoto-pitsipika dinihina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.
b Amin’ny fanohizana indray ny firaisana eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia hasehon’ilay vady tsy manan-tsiny fa nanapa-kevitra ny hihavana amin’ilay vadiny diso izy. Amin’izay izy dia hanafoana izay mety ho antony araka ny Soratra Masina hisaraham-panambadiana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Life