Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fianarana mikasika ny fisaraham-panambadiana sy ny fitiavana ankizy
NANKANY Jerosalema mba hanatrika ny Paska tamin’ny taona 33 i Jesosy sy ny mpianany. Niampita an’i Jordana izy ary nanaraka ny lalana mamakivaky ny distrikan’i Pere. Efa nandalo tao amin’io faritra io i Jesosy herinandro vitsivitsy talohan’izay, nefa niangaviana izy tamin’izay mba hankany Jodia satria narary mafy i Lazarosy sakaizany. Raha mbola tany Pere izy dia niara-nidinika tamin’ireo Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana. Miverina amin’io foto-dresaka io indray izy ireo izao.
Nisy fomba fisainana samy hafa mikasika ny fisaraham-panambadiana teo amin’ireo Fariseo. Nilaza i Mosesy fa azon’ny lehilahy iray atao ny misaraka amin’ny vadiny raha “ahitany fahalotoana eo aminy”. Mieritreritra ny sasany fa raha tsy madio ihany izy vao azo atao izany. Mihevitra anefa ny hafa fa io “fahalotoana” io dia mahafaoka fahadisoana tena madinika. Noho izany, tamin’ny fikendrena ny hitsapa an’i Jesosy dia nanontany azy toy izao ny Fariseo: “Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangana azy na inona na inona?” Nino mafy izy ireo fa na inona na inona havalin’i Jesosy, dia ho sahirana izy amin’ireo izay tsy mitovy hevitra aminy.
Namaly tamin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra ilay fanontaniana i Jesosy, tsy tamin’ny fandokafana izay mety ho fisainan’olombelona anefa, fa tamin’ny fiankinana amin’izay nokendrena tamin’ny fanambadiana tany am-boalohany. “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.”
Nanazava i Jesosy fa ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany dia ny hifamatoran’ny mpivady fa tsy ny hisarahany. Raha izany no izy, hoy ny famalin’ny Fariseo, “Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”
Namaly Jesosy nanao hoe: “Ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.” Marina tokoa, fa fony Andriamanitra nametra ny modelin’ny fanambadiana tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia tsy nanomana ny fisaraham-panambadiana izy.
Nitodika tany amin’ireo Fariseo Jesosy ka nanohy toy izao: “Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana (grika, pornéïa), ihany ka mampakatra ny hafa, dia mijangajanga.” Nasehony tamin’izay fomba izay fa ny pornéïa, teny manondro fitondrantena mahamenatra eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy no hany anton’ny fisarahana eken’Andriamanitra.
Rehefa takany fa, noho io antony tokana azo isarahana io dia tokony ho firaisana maharitra ny fanambadiana, dia voatosika hiteny toy izao ireo mpianatra: “Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.” Tsy azo lavina fa tokony hieritreritra tsara ny amin’ny faharetan’ny fatoram-panambadiana izay rehetra mikasa hanambady!
Niresaka ny amin’ny fijanonana ho mpitovo i Jesosy avy eo. Nanazava izy fa misy tovolahy sasany teraka ho ionoka: tsy afaka manambady izy satria tsy nitombo ara-dalàna ny faritra maha-lahy azy. Ny hafa ionoka noho ny nataon’olona izay nanilatsilaka tamin’ny fomba tsy mifaditrovana ny faritra maha-lahy azy. Farany, mifehy ny faniriany hanambady sy hanana firaisana ny sasany mba hanokanan-tena amin’ny fomba feno kokoa ho an’ny raharaha mifandray amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Namarana toy izao i Jesosy: “Aoka handray izany [ny fijanonana ho mpitovo] izay mahay mandray.”
Nisy nanomboka nitondra zazakely teo aminy tamin’izay. Niteny mafy sady nitady handroaka azy ireo anefa ny mpianatra, tsy isalasalana fa noho ny faniriany hisoroka fihenjanana tsy ilaina ho an’i Jesosy. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra aminy akory.”
Endrey izany hatsaran’ny fianarana omen’i Jesosy eto! Mba hahazoana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tokony haneho fanetren-tena sy fahavononana hianatra sahala amin’ny zazakely isika. Asehon’ny ohatr’i Jesosy koa anefa ny maha-zava-dehibe, indrindra ho an’ny ray aman-dreny, ny handaniana fotoana miaraka amin’ireo zanany. Nasehon’i Jesosy àry ny fitiavany ny ankizy madinika tamin’ny fitrotroana sy fitsofan-drano azy. Matio 19:1-15; Deoteronomia 24:1; Lioka 16:18; Marka 10:1-16; Lioka 18:15-17.
◆ Fomba fijery samy hafa inona avy mikasika ny fisaraham-panambadiana moa no nananan’ireo Fariseo, ary noho izany, ahoana no nanandramany naka fanahy an’i Jesosy?
◆ Ahoana no namalian’i Jesosy ny Fariseo izay nitady haka fanahy azy, ary antony tokana azo isarahana inona no notononiny?
◆ Nahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no nilaza fa aleo tsy manambady, ary famporisihina inona no nataon’i Jesosy?
◆ Fianarana inona moa no nomen’i Jesosy antsika tamin’ny fifandraisany tamin’ireo ankizy kely?