Fiainana Indray Ireo Andro Farany Niainan’i Jesosy Teto An-tany
ANDRO fahafito tamin’ny volana Nisana jiosy, taona 33 am.f.i. tamin’izay. Alao sary an-tsaina ny tenanao nijery ireo zava-niseho tao amin’ny provansy roman’i Jodia. Niala tao Jeriko izay feno hazo nandrobona i Jesosy Kristy sy ny mpianany, ary nitozo nandeha an-tongotra nananika lalana iray be vovoka sady niolakolaka. Nisy mpanao dia maro hafa koa teny an-dalana hiakatra ho any Jerosalema, mba hankalaza ny Paska fanao isan-taona. Zavatra hafa ankoatra io fianihana namizana io anefa no nitana ny sain’ny mpianatr’i Kristy.
Efa ela no nanirian’ny Jiosy Mesia iray izay ho afaka hitondra fanamaivanana tamin’ny zioga romana. Maro no nino fa i Jesosy avy any Nazareta no ilay Mpamonjy nandrasana hatry ny ela. Telo taona sy tapany no niresahany momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nanasitrana ny marary sy namahana ny noana izy. Eny tokoa, nitondra fampiononana ho an’ny vahoaka izy. Sosotra anefa ireo mpitondra fivavahana rehefa namaky betroka azy ireo i Jesosy, ka tapa-kevitra ny hampamono azy. Kanefa, indro izy nandeha tamim-pahatapahan-kevitra teo anoloan’ny mpianany, niakatra ilay lalana ngazana. — Marka 10:32.
Rehefa nilentika tao ambadiky ny Tendrombohitra Oliva terỳ anoloana terỳ ny masoandro, dia tonga tao amin’ny vohitr’i Betania i Jesosy sy ireo mpiara-dia taminy, ka tao izy ireo no nandany ireo alina enina nanaraka. Tao ireo namana tsy foiny, dia i Lazarosy sy i Maria ary i Marta, mba handray azy ireo. Nitondra hatsiatsiaka nanamaivana tamin’ny hafanana naterak’ilay dia ny takariva, sady nanamarika ny fanombohan’ny Sabatan’ny 8 Nisana. — Jaona 12:1, 2.
Ny 9 Nisana
Somebiseby tamin’ny asa i Jerosalema taorian’ny Sabata. Mpitsidika an’arivony maro no efa nirohotra nankao amin’io tanàna io hamonjy ny Paska. Ilay tabataba rentsika anefa dia nihoatra noho ny nahazatra tamin’ny vanin-taona toy izao. Nivikiviky nidina an’ireo lalana tery nankany amin’ireo vavahadin’ny tanàna ny vahoaka betsaka ta hahafanta-javatra. Rehefa nisisika hivoaka an’ireo vavahady tomefy olona izy ireo, toy inona moa ny zavatra hitany! Nisy olona maro ravoravo nidina ny Tendrombohitra Oliva, teo amin’ilay lalana avy tany Betifaga. (Lioka 19:37). Inona no dikan’izany rehetra izany?
Indro i Jesosy avy any Nazareta tonga, nitaingina zana-boriky. Nisy olona namelatra lamba teo amin’ny lalana teo anoloany. Ny hafa nanofahofa rantsana palmie vao avy notapahina sady niantsoantso tamim-pifaliana hoe: “Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” — Jaona 12:12-15.
Rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ilay vahoaka, dia nijery ilay tanàna i Jesosy ka nihetsi-po mafy. Nanomboka nitomany izy, ary rentsika naminany fa horavana io tanàna io. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly i Jesosy, fotoana fohy taorian’izay, dia nampianatra ny vahoaka izy sady nanasitrana ny jamba sy ny kilemaina izay tonga teo aminy. — Matio 21:14; Lioka 19:41-44, 47.
Tsy nandalo fotsiny teo imason’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna izany. Toy inona moa ny hatezeran’izy ireo rehefa nahita ny zava-mahatalanjona nataon’i Jesosy sy ny hafalian’ireo vahoaka betsaka! Tsy hain’ny Fariseo ny nanafina ny hasosorany ka hoy ny fangatahany: “Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.” “Lazaiko aminareo”, hoy i Jesosy namaly, “raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” Talohan’ny hiaingany, dia nomarihin’i Jesosy ny raharaham-barotra natao tao amin’ny tempoly. — Lioka 19:39, 40; Matio 21:15, 16; Marka 11:11.
Ny 10 Nisana
Tonga tao amin’ny tempoly aloha be i Jesosy. Ny omalin’io, dia sarotra taminy ny tsy hisafoaka noho ny fanararaotana nibaribary ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitra Rainy, mba hahazoana tombony ara-barotra. Tamim-pirehetam-po mafy àry no nanombohany nandroaka ireo izay nividy sy nivarotra tao amin’ny tempoly. Avy eo, dia nazerany ny latabatr’ireo mpanakalo vola feno fierenana sy ny fipetrahan’ireo mpivarotra voromahailala. “Efa voasoratra hoe”, hoy ny fihiakan’i Jesosy, “ ‘ny tranoko hatao hoe trano fivavahana’; fa hianareo kosa manao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’ ”. — Matio 21:12, 13.
Tsy tantin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna ary loholona ny asa sy ny fampianarana ampahibemaso nataon’i Jesosy. Tena nifofo ny ainy mihitsy izy ireo! Voasakan’ny vahoaka tsy hanao izany anefa izy ireo, satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesosy ny olona ka ‘nazoto dia nazoto nihaino azy’ hatrany. (Lioka 19:47, 48). Koa satria nihariva ny andro, dia faly i Jesosy sy ireo mpiara-dia taminy nanao ilay dia an-tongotra nahafinaritra, niverina tany Betania mba hiala sasatra tsara nandritra ny alina.
Ny 11 Nisana
Vao maraina be tamin’izay, ary efa nandeha teny amin’ilay lalana teo amin’ny Tendrombohitra Oliva nankany Jerosalema sahady, i Jesosy sy ny mpianany. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly izy ireo, dia mailaka ny hihaika an’i Jesosy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona. Tsaroan’izy ireo tsara ny zavatra nataony tamin’ireo mpanakalo vola sy mpivarotra tao amin’ny tempoly. Nanontany tamin-karatsiam-panahy toy izao ireo fahavalony ireo: “Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?” “Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha”, hoy ny nasetrin’i Jesosy, “ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?” Niara-nikaon-doha ireo mpanohitra ary nanjohy hevitra hoe: “Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona.” Sanganehana izy ireo ka namaly moramora hoe: “Tsy fantatray.” Namaly tamim-pahatoniana toy izao i Jesosy: “Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.” — Matio 21:23-27.
Izao dia nanandrana namandrika an’i Jesosy mba hitenenany zavatra izay ho azony ampiasaina mba hisamborana azy, ireo fahavalony. “Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?”, hoy izy ireo nanontany. “Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ny hetra”, hoy i Jesosy namaly. Hoy izy nanontany: “An’iza ity sary sy soratra ity?” “An’i Kaisara”, hoy izy ireo. Tsy nahateny izy ireo rehefa nanambara mazava ho ren’ny rehetra toy izao i Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” — Matio 22:15-22.
Rehefa avy nampangina ireo fahavalony tamin’ny alalan’ny fanaporofoan-kevitra tsy azo lavina i Jesosy, izao dia nanohy naneho ny tsy fankasitrahany azy ireo teo anoloan’ny vahoaka sy ny mpianany izy. Henoy izy nanameloka tsy tamin-tahotra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. “Aza mba manao araka ny asany”, hoy izy, “satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.” Tamin-kasahiana no nanambarany fitambaran-doza hihatra tamin’izy ireny, ka nilazany azy ireny ho mpitarika jamba sy mpihatsaravelatsihy. “Ry bibilava, taranaky ny menarana”, hoy i Jesosy, “hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?” — Matio 23:1-33.
Ireny fiampangana henjana ireny akory tsy nidika fa tsy tsapan’i Jesosy ireo lafin-toetra tsaran’ny hafa. Tatỳ aoriana izy dia nahita olona nandatsaka vola tao anatin’ireo vata fandatsahan-drakitry ny tempoly. Nampihetsi-po erỳ ny nahita vehivavy maty vady iray nandatsaka ny fivelomany rehetra — vola vy kely roa ambany vidy dia ambany vidy! Tamim-pankasitrahana nafana no nanazavan’i Jesosy fa, raha ny marina, dia io vehivavy io no nandatsaka be lavitra noho ireo nanao fanomezana tondraka “tamin’ny haben’ny fananany”. Noho ny fangoraham-pony niharo fitiavana, dia nankasitraka lalina izay nety ho azon’ny olona iray natao i Jesosy. — Lioka 21:1-4.
Nandao farany ny tempoly izao i Jesosy. Nanamarika ny hakanton’izy io ny sasany tamin’ny mpianany, satria “voaravaka vato tsara sy fanatitra” izy io. Gaga izy ireo rehefa namaly i Jesosy hoe: “Ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.” (Lioka 21:5, 6). Rehefa nanaraka an’i Jesosy nivoaka an’ilay tanàna tomefy olona ny apostoly, dia nanontany tena ny amin’izay nety ho tiany hambara izy ireo.
Taoriana kelin’izay dia nipetraka mba hankafy ny fiadanana sy ny filaminana teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy sy ny apostoliny. Teo am-pijeren’izy ireo ny hakanton’ny fahitana an’i Jerosalema sy ny tempoly, dia nangataka fanazavana ny amin’ilay faminaniana nanaitra nolazain’i Jesosy, i Petera sy i Jakoba ary i Andrea. “Lazao aminay”, hoy izy ireo, “izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 24:3; Marka 13:3, 4.
Ho valiny, dia nanome faminaniana tena niavaka tokoa ilay Mpampianatra Lehibe. Naminany momba ny ady lehibe sy horohoron-tany sy tsy fahampian-kanina ary areti-mandringana, izy. Nanambara mialoha koa i Jesosy fa hotorina manerana ny tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. “Amin’izany andro izany”, hoy ny fampitandremany, “dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” — Matio 24:7, 14, 21; Lioka 21:10, 11.
Nihaino tamim-pitandremana ireo apostoly efatra rehefa niresaka an’ireo lafin-javatra hafa momba ny ‘famantarana ny fihaviany’ i Jesosy. Nanantitrantitra ny amin’ny ilana ‘hiambina’ izy. Nahoana? “Fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo”, hoy izy. — Matio 24:42; Marka 13:33, 35, 37.
Andro iray tsy hay nohadinoina ho an’i Jesosy sy ny apostoliny io. Izy io, raha ny marina, no andro farany nanaovan’i Jesosy fanompoana ampahibemaso, talohan’ny nisamborana sy nitsarana ary namonoana azy ho faty. Koa satria efa hariva be ny andro, dia nanomboka niverina tamin’ilay halaviran-dalana kely nandalo ilay havoana ho any Betania, izy ireo.
Ny 12 sy 13 Nisana
Nandany ny 12 Nisana tamim-pilaminana niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy. Takany fa naniry mafy ny hamono azy ireo mpitondra fivavahana, kanefa tsy niriny ny hanembantsembanan’izy ireo ny fankalazany ny Paska ny ampitso harivan’io. (Marka 14:1, 2). Ny ampitso, 13 Nisana, dia sahirana tamin’ny fandaminana ireo zavatra farany ho amin’ny Paska ny olona. Tamin’ny fanombohan’ny tolakandro, dia naniraka an’i Petera sy i Jaona i Jesosy mba hanomana ny Paska ho azy ireo, tao amin’ny efitrano iray ambony rihana tao Jerosalema. (Marka 14:12-16; Lioka 22:8). Taloha kelin’ny hilentehan’ny masoandro, dia nihaona tamin’izy ireo tao i Jesosy sy ireo apostoly folo hafa, ho amin’ny fankalazan’izy ireo ny Paska farany.
Ny 14 Nisana, taorian’ny nilentehan’ny masoandro
Nanenika an’i Jerosalema ny hazavana malefaky ny somambisamby, rehefa niposaka teo ambonin’ny Tendrombohitra Oliva ny volam-penomanana. Tao amin’ny efitra lehibe iray nisy fanaka, i Jesosy sy ireo 12, dia nandry ilika teo amin’ny latabatra iray voaomana. “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho”, hoy izy. (Lioka 22:14, 15). Fotoana fohy taorian’izay, dia gaga ireo apostoly nahita an’i Jesosy nitsangana ary nametraka ny fitafiany ivelany. Naka lamba famaohana sy koveta nisy rano izy, ka nanomboka nanasa ny tongotr’izy ireo. Izany ka fianarana tsy hay nohadinoina, ny amin’ny fanompoana tamim-panetren-tena! — Jaona 13:2-15.
Kanefa, fantatr’i Jesosy fa ny anankiray tamin’ireo lehilahy ireo — i Jodasy Iskariota — dia efa niomana mba hamadika azy tamin’ireo mpitondra fivavahana. Mora takatra raha nanjary nalahelo mafy izy. “Ny anankiray aminareo hamadika Ahy”, hoy ny nambarany. Vonton’alahelo noho izany ny apostoly. (Matio 26:21, 22). Taorian’ny nankalazana ny Paska dia hoy i Jesosy tamin’i Jodasy: “Izay ataonao dia ataovy faingana.” — Jaona 13:27.
Rehefa lasa i Jodasy, dia nanorina sakafo iray ho fahatsiarovana ny fahafatesany nananontanona, i Jesosy. Nandray mofo tsy nisy lalivay izy, nisaotra tao amin’ny vavaka, novakiny izy io, ary nandidy an’ireo 11 izy mba handray anjara tamin’izany. “Itỳ no tenako”, hoy izy, “izay homena ho anareo. Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy.” Avy eo, dia nandray kaopy nisy divay mena izy. Rehefa avy nanao fisaorana izy, dia nanolotra azy ireo ny kaopy, sady nilaza taminy mba hisotro tamin’izany. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” — Lioka 22:19, 20, NW; Matio 26:26-28.
Nandritra izany takariva nanan-tantara izany, dia nanome fianarana sarobidy maro an’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy, ka anisan’izany ny maha-zava-dehibe ny fitiavan-drahalahy. (Jaona 13:34, 35). Nanome toky azy ireo izy fa handray “mpanampy”, dia ny fanahy masina, izy ireo. Izy io no hampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazainy tamin’izy ireo. (Jaona 14:26, fanamarihana ambany pejy). Taoriana kokoa tamin’ilay takariva, dia tsy maintsy ho nahazo fampaherezana be dia be izy ireo tamin’ny fandrenesana an’i Jesosy nanao vavaka tamin-kafanam-po ho azy ireo. (Jaona, toko faha-17). Rehefa avy nihira fiderana izy ireo dia nandao ilay efitra ambony rihana ka nivoaka nanaraka an’i Jesosy tao amin’ny rivotra mangatsiaka tamin’ny alim-be.
Namakivaky ny Lohasahan’i Kidrona i Jesosy sy ny apostoliny, ary nizotra nankany amin’ny iray tamin’ireo toerana tian’izy ireo indrindra, dia ny zaridainan’i Getsemane. (Jaona 18:1, 2). Raha mbola niandry ny apostoliny, i Jesosy kosa dia nandeha lavidavitra mba hivavaka. Nihoatra noho izay azon’ny teny nolazalazaina ny fihenjanana ara-pihetseham-po tsapany, teo am-pangatahany fanampiana tamim-pahatsorana tamin’Andriamanitra. (Lioka 22:44). Faran’izay nahafadiranovana azy ny fieritreretana fotsiny ny fahafaham-baraka hihatra tamin’ilay Ray malalany tany an-danitra, raha tsy nahomby izy.
Vao vita mihitsy ny vavaka nataon’i Jesosy no indro tonga i Jodasy Iskariota, niaraka tamin’ny vahoaka nitondra sabatra sy langilangy ary fanilo. “Finaritra, Raby!”, hoy i Jodasy, nanoroka tamim-pitiavana an’i Jesosy. Izany no famantarana mba hisamboran’ireo lehilahy an’i Jesosy. Tsitapitapitrizay, dia nanatsoaka ny sabany i Petera ka nikapa ny sofin’ny mpanompon’ny mpisoronabe. “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao”, hoy i Jesosy raha mbola nanasitrana ny sofin’ilay lehilahy izy. “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” — Matio 26:47-52.
Haingana dia haingana ny fitrangan’ny zava-drehetra! Nosamborina i Jesosy ary nofatorana. Natahotra sy very hevitra ny apostoly, ka nandao ny Tompony ary nandositra. Nentina tany amin’i Anasy, mpisoronabe teo aloha, i Jesosy. Avy eo, dia nentina notsaraina tany amin’i Kaiafa, mpisoronabe am-perinasa, izy. Ny maraina vao nangiran-dratsy, dia niampanga lainga an’i Jesosy ho nanao blasfemia, ny Synedriona. Nanaraka izany, i Kaiafa dia nampandefa azy tany amin’i Pontio Pilato governora romana. Izy io dia nandefa an’i Jesosy tany amin’i Heroda Antipasy, mpanapaka an’i Galilia. Nanao an’i Jesosy ho fihomehezana i Heroda sy ny mpiambina azy. Avy eo, dia nalefa naverina tany amin’i Pilato indray izy. Nohamafisin’i Pilato ny tsy fananan’i Jesosy tsiny. Nanery azy hanameloka an’i Jesosy ho faty anefa ireo mpitondra fivavahana jiosy. Taorian’ny fampijaliana ara-batana sy ny fitenenan-dratsy be dia be natao tamin’i Jesosy, dia nentina tany Golgota izy, ary tany dia nofantsihana tsy nisy indrafo teo amin’ny hazo fijaliana, ka niaritra fahafatesana nampangirifiry. — Marka 14:50–15:39; Lioka 23:4-25.
Izany no ho loza ratsy indrindra teo amin’ny tantara, raha toa ka namarana mandrakizay ny fiainan’i Jesosy ny fahafatesany. Soa ihany fa tsy izany no izy. Tamin’ny 16 Nisana, 33 am.f.i., dia talanjona ny mpianany nahita fa efa natsangana tamin’ny maty izy. Rehefa nandeha ny fotoana dia olona 500 mahery no afaka nanamarina fa velona indray i Jesosy. Afa-tsy izany koa, 40 andro taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, dia nisy antokona mpanara-dia nahatoky nahita azy niakatra tany an-danitra. — Asan’ny Apostoly 1:9-11; 1 Korintiana 15:3-8.
Ny fiainan’i Jesosy sy ianao
Amin’ny ahoana izany no mahakasika anao — eny tokoa, mahakasika antsika rehetra? Ny fanompoan’i Jesosy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia manandratra an’i Jehovah Andriamanitra, ary zava-dehibe eo amin’ny fanatanterahana ny fikasana lehiben’Andriamanitra. (Kolosiana 1:18-20). Tena zava-dehibe ho antsika izany zavatra izany amin’ny heviny hoe, afaka mahazo famelana ny helotsika isika, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary amin’izany dia afaka manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah Andriamanitra. — Jaona 14:6; 1 Jaona 2:1, 2.
Voakasika na dia ireo maty tamin’ny taranak’olombelona aza. Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty dia nanokatra ny lalana mba hamerenana azy ireny ho amin’ny fiainana indray, ao amin’ny tany zary paradisa nampanantenain’Andriamanitra. (Lioka 23:39-43; 1 Korintiana 15:20-22). Raha tianao ny hahalala bebe kokoa momba izany, dia manasa anao izahay hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, amin’ny 11 Aprily 1998, ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao.
[Efajoro, pejy 6]
“Zohy Fieren’ny Jiolahy”
NANANA antony ampy i Jesosy mba hilazana fa nanao ny tempolin’Andriamanitra ho “zohy fieren’ny jiolahy” ireo mpivarotra feno fierenana. (Matio 21:12, 13). Mba handoavana ny hetran’ny tempoly, dia tsy maintsy nanakalo ny vola vahininy ho vola azo nekena ho amin’izany, ireo Jiosy sy proselyta avy tany an-tany hafa. Nanazava i Alfred Edersheim tao amin’ilay bokiny hoe The Life and Times of Jesus the Messiah, fa ireo mpanakalo vola dia zatra nanao ny fandraharahany tany amin’ny provansy, tamin’ny 15 Adara, iray volana talohan’ny Paska. Nanomboka tamin’ny 25 Adara, dia nifindra nankany amin’ny faritry ny tempoly tao Jerosalema izy ireo, mba hanararaotra ny fahatongavan’ny Jiosy sy proselyta sesehena tao. Niroborobo ny fandraharahana nataon’ireo mpivarotra, noho ny fitakiana sarany tamin’ny vola rehetra natakalo. Ny firesahan’i Jesosy azy ireo ho toy ny jiolahy dia toa manondro fa tafahoatra aoka izany ny sarany notakin’izy ireo, hany ka nitsentsitra ny mahantra izy ireo, raha ny marina.
Tsy afaka nitondra ny biby hataony fanatitra ny olona sasany. Na iza na iza nanao toy izany, dia tsy maintsy nampanao fizahana an’ilay biby tao amin’ny tempoly — nandoavana sarany. Tsy naniry ny mety handavana ilay biby efa nentina avy any lavitra ny maro, ka naleony nividy biby iray “nekena” araka ny lalàn’ny fisoronana, tamin’ireo mpivarotra ratsy fitondran-tena tao amin’ny tempoly. “Voambaka be mihitsy ny tantsaha nahantra maro tao”, hoy ny manam-pahaizana iray.
Misy porofo mampiseho fa niahy manokana ny hihazonana ilay fandaharana momba ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly i Anasy, mpisoronabe taloha, sy ny fianakaviany. Miresaka ny amin’“ny Tsena [tao amin’ny tempoly] an’ireo zanakalahin’i Anasy” ny asa soratr’ireo raby. Ny vola azo avy tamin’ireo mpanakalo vola sy avy tamin’ny fivarotana biby tao amin’ny faritry ny tempoly no iray tamin’ireo loharano lehibe fidiram-bolan’izy ireny. Nilaza ny manam-pahaizana iray fa ny asa nataon’i Jesosy tamin’ny fandroahana ireo mpivarotra dia “tsy vitan’ny hoe nokendrena hamelezana ny lazan’ny mpisorona fotsiny fa hamelezana ny paosin’izy ireny koa”. Na inona na inona antony, dia azo inoana fa naniry ny hamono azy ireo fahavalony! — Lioka 19:45-48.
[Tabilao, pejy 4]
Ireo Andro Farany Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Olombelona
Nisana 33 am.f.i. Zava-niseho Lehilahy Niavaka Indrindra*
7 zoma Nanao dia avy tao Jeriko nankany Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany (Mifanitsy amin’ny alahady 5 Aprily 1998 ny 7 Nisana, na dia nanomboka ny hariva ka hatramin’ny hariva nanaraka aza ny andro hebreo) 101, feh. 1
8 zoma hariva Tonga tao Betania i Jesosy sy ny mpianany; nanomboka ny Sabata 101, feh. 2-4
asabotsy Sabata (Alatsinainy 6 Aprily 1998) 101, feh. 4
9 asabotsy hariva Sakafo niaraka tamin’i Simona boka; nanosotra an’i Jesosy tamin’ny narda i Maria; maro no tonga avy tany Jerosalema mba hahita sy handre an’i Jesosy 101, feh. 5-9
alahady Fidirana tamim-pandresena tao Jerosalema; nampianatra tao amin’ny tempoly 102
10 alatsinainy Dia vao maraina be nankany Jerosalema; nanadio ny tempoly; niteny avy tany an-danitra i Jehovah 103, 104
11 talata Tao Jerosalema, nampianatra tao amin’ny tempoly tamin’ny fampiasana fanoharana; nanameloka ny Fariseo; nanamarika ny fanomezana nataon’ny vehivavy maty vady iray; nanome famantarana momba ny fanatrehany ho avy 105 ka hatramin’ny 112, feh. 1
12 alarobia Andro nilamina niaraka tamin’ny mpianatra tao Betania; nanomana famadihana i Jodasy 112, feh. 2-4
13 alakamisy Nanomana ny Paska tao Jerosalema i Petera sy i Jaona; nanaraka azy ireo avy eo i Jesosy sy ny apostoly 10 hafa tamin’ny faran’ny tolakandro (Asabotsy 11 Aprily 1998) 112, feh. 5 ka hatramin’ny 113, feh. 1
14 alakamisy hariva Fankalazana ny Paska; nanasa ny tongotry ny apostoly i Jesosy; lasa nandeha mba hamadika an’i Jesosy i Jodasy; nanorina ny Fahatsiarovana ny fahafatesany i Kristy (Aorian’ny filentehan’ny masoandro, asabotsy 11 Aprily 1998) 113, feh. 2 ka hatramin’ny 117
Taorian’ny misasak’alina Famadihana sy fisamborana tao amin’ny zaridainan’i Getsemane; nandositra ny apostoly; fitsarana teo anatrehan’ny lohan’ny mpisorona sy ny Synedriona; nanda an’i Jesosy i Petera 118 ka hatramin’ny 120
zoma nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany Teo anatrehan’ny Synedriona indray; tany amin’i Pilato, avy eo tany amin’i Heroda, niverina indray tany amin’i Pilato; voaheloka ho faty; nohomboana; nalevina 121 ka hatramin’ny 127, feh. 7
15 asabotsy Sabata; nanome mpiambina ho an’ny fasan’i Jesosy i Pilato 127, feh. 8-10
16 alahady Natsangana tamin’ny maty i Jesosy 128
* Vita lisitra eto ny nomerao manondro ny toko ao amin’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Mba hahitana tabilao mirakitra ireo loharanon-kevitra misy an-tsipiriany araka ny Soratra Masina momba ny fanompoana farany nataon’i Jesosy, dia jereo “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy faha-290. Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ireo boky ireo.