Mitondra Fiadanana ny Fahaterahan’i Jesosy
TSY ilay fampanantenana ‘fiadanana eo amin’ny olona ankasitrahana’ nolazaina tamin’ny mpiandry ondry ihany, no faminaniana mifandray amin’ny nahaterahan’i Jesosy. Nahazo hafatra avy amin’Andriamanitra momba an’i Jesosy koa i Maria sy Josefa vadiny, tamin’ny alalan’ny anjely. Hahazo sary an-tsaina kokoa ny nahaterahan’i Jesosy isika raha mandinika ireo hafatra ireo, ary hahatakatra ny hevitr’ilay fampanantenana fiadanana nolazain’ny anjely.
Notsidihin’ny anjely iray antsoina hoe Gabriela i Maria, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Mbola tsy nitoe-jaza izy tamin’izay. Niarahaba azy ilay anjely hoe: “Arahaba, ry ilay ankasitrahana indrindra. Jehovah momba anao.” Azonao sary an-tsaina angamba fa nahatonga an’i Maria ho taitra be izany, ary nety ho natahotra kely mihitsy izy. Inona no hevitr’izany fiarahabana izany?
Hoy i Gabriela: “Hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary hataonao hoe Jesosy ny anarany. Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” Nanontany i Maria hoe ahoana no hahabevohoka azy, nefa izy virjiny, izany hoe mbola tsy nanao firaisana tamin-dehilahy. Namaly i Gabriela fa ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra no hahatonga izany. Tsy ho toy ny zaza rehetra ilay zanany.—Lioka 1:28-35.
Mpanjaka nambara mialoha
Ilay tenin’i Gabriela dia tsy maintsy ho nanampy an’i Maria hahafantatra, fa ilay zaza haterany no ilay nambaran’ny mpaminany fahiny. Nilaza taminy io anjely io fa homen’i Jehovah “ny seza fiandrianan’i Davida rainy” ilay zanany lahy. Izany àry dia nahatonga an’i Maria, ary indrindra fa ireo Jiosy nahalala tsara ny Soratra Masina, hieritreritra momba ilay fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Davida, mpanjakan’ny Israely.
Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Davida, tamin’ny alalan’i Natana mpaminany: “Ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (2 Samoela 7:4, 16) Hoy koa i Jehovah momba an’i Davida: “Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ny lanitra. Ny taranany haharitra mandrakizay, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako.” (Salamo 89:20, 29, 35, 36) Tsy kisendrasendra àry raha taranak’i Davida i Maria sy Josefa.
Tsy ireo ihany no faminaniana miresaka momba an’ilay zanakalahy handova ny fanjakan’i Davida, ao amin’ny Soratra Hebreo. Mety ho fantatr’i Maria koa ilay faminanian’i Isaia hoe: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”—Isaia 9:5, 6.
Tsy ny hahaterahan’ny zazalahy iray amin’ny fomba mahagaga fotsiny anefa no nolazain’i Gabriela tamin’i Maria. Nilazana koa izy fa homena ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka ilay zanany, ary ho mpandova mandrakizay an’ilay Fanjakana naorin’Andriamanitra. Misy heviny tena lehibe ho antsika rehetra ny faminanian’i Gabriela momba ny anjara asan’i Jesosy amin’ny hoavy.
Nanapa-kevitra hisaraka tamin’i Maria fofombadiny i Josefa, rehefa nahalala fa bevohoka izy. Fantany hoe tsy zanany ilay zaza satria mbola tsy nanao firaisana tamin’i Maria mihitsy izy. Azonao alaina sary an-tsaina fa tsy maintsy ho tena sarotra tamin’i Josefa ny nino ny fanazavan’i Maria, momba ny nahabevohoka azy. Hoy ny Filazantsara: “Niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah, ka nilaza hoe: ‘Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa avy tamin’ny fanahy masina ny zaza ao an-kibony. Hiteraka zazalahy izy, ary tsy maintsy ataonao hoe Jesosy no anarany, fa izy no hamonjy ny fireneny ho afaka amin’ny fahotany.’ ”—Matio 1:20, 21.
Tsy lazain’ny Baiboly raha takatr’i Josefa ny fomba “hamonjen[’ilay zaza] ny fireneny ho afaka amin’ny fahotany.” Natoky anefa izy rehefa nandre ilay hafatra, fa tsy meloka ho nanao ratsy ny fofombadiny. Nanaraka ny tenin’ilay anjely izy, ka nitondra an’i Maria tao an-tranony. Toy ny hoe nampakatra azy ho vady izy rehefa nanao izany.
Manampy antsika hahazo ny hevitry ny tenin’ilay anjely ny fanazavana hafa ao amin’ny Soratra Masina. Taoriana kelin’ny namoronana ny olombelona, dia nisy anjely iray nikomy nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra. Asehon’ny Soratra Hebreo fa nilaza io mpikomy io hoe tsy ara-drariny ny fomba fitondran’i Jehovah Andriamanitra, ary hivadika aminy ny olona rehetra rehefa iharam-pitsapana. (Genesisy 3:2-5; Joba 1:6-12) Nivadika i Adama rehefa nanota. Nandova ota àry ny olona rehetra, ka izany no nahatonga ny fahafatesana. (Romanina 5:12; 6:23) Tsy nandova ota kosa i Jesosy rehefa teraka, satria tsy olombelona ny rainy. Nanolotra an-tsitrapo ny ainy lavorary izy mba hanavotana antsika, ary mitovy tanteraka amin’ilay aina nafoin’i Adama izy io. Afaka namonjy ny olombelona tamin’ny fahotana i Jesosy noho izany, sady nahatonga azy ireo hanana fanantenana hiaina mandrakizay.—1 Timoty 2:3-6; Titosy 3:6, 7; 1 Jaona 2:25.
Efa nasehon’i Jesosy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany izay hitranga, rehefa tsy hisy intsony ny ota. Nanasitrana aretina isan-karazany izy, ary nanangana ny maty mihitsy. (Matio 4:23; Jaona 11:1-44) Santatr’izay hataony amin’ny hoavy ireny fahagagana ireny. Hoy mihitsy izy: ‘Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feoko, dia hivoaka izy ireo.’—Jaona 5:28, 29.
Asehon’io fampanantenana io hoe nahoana no tena zava-dehibe amintsika ny nahaterahan’i Jesosy, ary indrindra fa ny nahafatesany. Nirahin’Andriamanitra ho amin’izao tontolo izao ny Zanany, mba “hamonjy izao tontolo izao ... amin’ny alalany”, hoy ny Jaona 3:17. Izany dia mampahatsiahy antsika ilay teny nolazaina tamin’ireo mpiandry ondry tamin’ilay alina nahaterahan’i Jesosy.
“Vaovao tsara” mitondra “fifaliana lehibe”
Nilaza “vaovao tsara” mitondra “fifaliana lehibe” ho an’ny olombelona tokoa ireo anjely, rehefa nanambara fa teraka ny ‘Mpamonjy, dia i Kristy Tompo.’ (Lioka 2:10, 11) Io zaza io no ho lasa Mesia, na ilay Mpaminany lehibe sy Mpitondra, nandrasan’ny vahoakan’Andriamanitra hatry ny ela. (Deoteronomia 18:18; Mika 5:1) Handray anjara lehibe amin’ny fanaporofoana ny zon’i Jehovah ho Mpanjakan’izao rehetra izao, ny fiainan’i Jesosy tamin’izy teto an-tany sy ny fahafatesany. Izany no nahatonga an’ireo anjely hilaza hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra.”—Lioka 2:14.
Nasehon’i Jesosy, ilay antsoin’ny Baiboly hoe “Adama farany”, fa azon’ny olona atao ny tsy mivadika amin’i Jehovah na dia ao anatin’ny fitsapana mafy indrindra aza. (1 Korintianina 15:45) Voaporofony àry fa mpandainga ratsy fanahy i Satana. Nahafaly an’ireo anjely nahatoky tany an-danitra izany.
Andeha hiverenantsika indray ilay fanontaniana hoe: “Ho tanteraka tokoa ve ilay tenin’ny anjely tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy?” Azo antoka ny amin’izany! Tena ilaina mantsy ny fiadanana mba hahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. Anisan’izany ny hamerenana azy io ho paradisa. Ny fitiavana sy ny tsy fivadihana no handrisika ny olona hanao zavatra amin’izay fotoana izay. Hesorina koa izay rehetra manakantsakana ny zon’i Jehovah hitondra, mba hahatanterahan’ny fikasany. Tsy vaovao tsara izany ho an’ireo miombon-kevitra amin’i Satana, izay milaza fa tsy mahasoa ny fitsipik’i Jehovah. Midika ho fandringanana azy ireo mantsy izany.—Salamo 37:11; Ohabolana 2:21, 22.
Mariho fa tsy niteny ireo anjely hoe hahazo fiadanana sy fankasitrahana ny olona rehetra. ‘Fiadanana eo amin’ny olona ankasitrahana’ kosa no nolazainy, izany hoe eo amin’ny olona ankasitrahan’Andriamanitra. Lasa mpianatr’i Jesosy mahatoky sady manahaka azy, ny lehilahy sy vehivavy tena maneho finoana an’i Jehovah. Vonona ny halala-tanana sy ho tsara fanahy amin’ny hafa izy ireo isan’andro, fa tsy mandritra ny andro vitsivitsy isan-taona fotsiny.
Ho tsara toetra foana ve ny tena Kristianina?
Misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona tsy hita isa ilay vaovao tsara notorin’i Jesosy. Maro no lasa manaraka ny toro lalana kristianina eo amin’izay rehetra ataony. Tsy nahalala afa-tsy ny tenany izy ireny taloha. Manjary mieritreritra anefa izy ireny izao hoe: ‘Inona no mety ho nataon’i Jesosy raha izy no teo amin’ny toerako?’ Ny sasany indray tsy nanao afa-tsy ny nikatsaka harena sy fahafinaretana, nefa lasa nahatakatra fa tena ilaina ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra sy miresaka izany amin’ny hafa. Miezaka ny halala-tanana sy ho tsara fanahy foana ny olona toy izany. Tsy izany ve no antenainao ho hita amin’ny tena Kristianina?
Miatoa kely, ary saintsaino ny maha zava-dehibe an’ilay hafatra momba ny fiadanana nolazain’ny anjely, ka manaova zavatra mifanaraka amin’izany. Azo antoka fa ho tsara lavitra ny fiainana eto an-tany raha izany no ataon’ny olona tso-po rehetra.
Manome toky an’ireo olona ankasitrahan’Andriamanitra ny faminaniana mifandray amin’ny nahaterahan’i Jesosy, fa ho afaka hiaina ao anatin’ny fiadanana mandrakizay izy ireo. Tsy izany koa ve no irinao? Afaka matoky isika fa ho tanteraka tokoa ilay faminaniana mahatalanjona momba ny fiadanana, izay nolazain’ny anjely tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Tsy teny tonontononina befahatany isaky ny Krismasy fotsiny ny hoe fiadanana fa tena hisy, ary haharitra mandrakizay.
[Sary, pejy 7]
Afaka ny ho tsara toetra ny Kristianina ary tokony ho toy izany foana