-
Ny fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-badyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aprily
-
-
Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.”
-
-
Ny fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-badyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aprily
-
-
Ny vahoakan’ilay Mpanjaka dia ny Isiraelita izay, rehefa nampidirina tao amin’ny faneken’ny Lalàna tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nahazo ny fahafahana ho tonga “fanjakà-mpisorona”. Tamin’izany fotoana izany àry no natao ho azy ireo ny fanasana ho amin’ny fampakaram-bady.
Tamin’ny fararanon’ny 29 amin’ny fanisan-taona iraisana anefa vao re ny antso voalohany natao tamin’ireo izay nasaina, rehefa nanomboka ny asa fitoriana ilay Fanjakana i Jesosy sy ireo mpianany (ireo mpanompon’ny mpanjaka). Tsy naniry ho tonga anefa ireo Isiraelita ara-nofo izay nandray ny antso nataon’ireo mpanompo, nanomboka tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’ny taona 33.
-