Hitanao Miseho ve ny Famantarana ny Fanatrehan’i Jesosy?
TSY misy olona maniry harary mafy na hiharan-doza. Izany no mahatonga ny olona hendry, handinika tsara ny famantarana loza sy hanao zavatra mifanaraka amin’izany, mba hisorohana ny fahavoazana mety hitranga. Niresaka famantarana miavaka iray tokony homarihintsika i Jesosy Kristy. Hisy fiantraikany eran-tany izy io, ary hisy vokany eo amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra. Tafiditra amin’izany ianao sy ny fianakavianao.
Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanaisotra ny faharatsiana sy hanova ny tany ho paradisa i Jesosy. Nahaliana ny mpianany izany, ka naniry hahafantatra izy ireo hoe rahoviana no ho tonga io Fanjakana io. Nanontany izy ireo hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?”—Matio 24:3.
Fantatr’i Jesosy fa taonjato maro aorian’ny hahafatesany sy hitsanganany amin’ny maty, vao handray ny seza fiandrianany any an-danitra izy, ka ho mpitondra ny olombelona rehetra. Tsy ho hitan’ny mason’ny olona ny fandraisany fahefana, ka nanome famantarana ho an’ny mpanara-dia azy izy mba hahalalan’izy ireo ny fotoanan’ny ‘fanatrehany’ sy ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Misy lafiny maromaro io famantarana io, ka izy ireo mitambatra no hamantarana ny fanatrehan’i Jesosy.
Samy nandrakitra an-tsoratra ny valin-tenin’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara i Matio sy Marka ary Lioka. (Matio toko faha-24 sy 25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21) Nanome tsipiriany momba ilay famantarana koa ny mpanoratra hafa ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4; Apokalypsy 6:1-8; 11:18) Tsy ho voazava eto avokoa ny tsipiriany rehetra amin’ilay famantarana nomen’i Jesosy, fa lafiny lehibe dimy ihany no hodinihintsika. Ho hitanao fa tena zava-dehibe ilay izy ary misy ifandraisany amin’ny fiainanao.—Jereo ny efajoro eo amin’ny pejy 6.
“Fiovana lehibe teo amin’ny tantara”
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena ary hisy fanjakana hamely fanjakana.” (Matio 24:7) Milaza ny gazetiboky alemà Der Spiegel, fa talohan’ny taona 1914 dia nino ny olona fa “hamirapiratra ny hoavy, ka hitombo ny fahalalahana sy ny harin-karena, ary hiroborobo ny fandrosoana.” Niova anefa ny zava-drehetra. Hoy ny gazety GEO: “Tena tsy nampoizina ny fipoahan’ilay ady tamin’ny Aogositra 1914, izay tsy nifarana raha tsy tamin’ny Novambra 1918. Nampitsimbadika ny tantaran’ny olombelona izy iny, ka hafa mihitsy ny zava-niseho nanomboka teo.” Miaramila 60 tapitrisa mahery avy any amin’ny kontinanta dimy, no nandray anjara tamin’ilay ady feno habibiana. Miaramila 6 000 isan’andro teo ho eo no maty. “Nitondra fiovana lehibe teo amin’ny tantara, ny taona 1914 ka hatramin’ny 1918.” Miaiky ny amin’izany ny mpahay tantara tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana izao, na dia samy hafa firehan-kevitra ara-politika aza izy ireo.
Nanova tanteraka ny fiainan’ny olombelona ny Ady Lehibe I, ary nanomboka teo ny andro faran’ity tontolo ity. Nihamaro ny ady sy ny asa fampihorohoroana taorian’izay, ary mbola ny omaly tsy miova ihany no iainantsika ankehitriny. Misy lafiny hafa amin’ilay famantarana koa hitantsika, ankoatra ny ady.
Mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany
“Hisy mosary.” (Matio 24:7) Tsy nisy sakafo tany Eoropa nandritra ny Ady Lehibe I, ary mbola mampijaly ny olombelona foana ny mosary hatramin’izao. Nanoratra ny zava-nitranga tany Rosia sy Ukraine tamin’ny 1933, i Alan Bullock, mpahay tantara. Hoy izy: “Vahoaka maro be mosarena no nirenireny tany ambanivohitra ... Nisy faty niavosa teny an-tsisin-dalana.” Nahita ilay mosary tany Henan, any Chine, tamin’ny 1943, i T. White, mpanao gazety. Hoy izy: ‘Hitako tamin’izany fa rehefa tonga ny mosary, dia ataon’ny olona sakafo daholo izay rehetra azo hanina sy totoina ary ahazoana hery. Lasa mihinana ny tsy fihinana mihitsy anefa izy rehefa rahonan’ny fahafatesana.’ Mampalahelo fa nisy mosary foana tatsy Afrika tao anatin’ireo taona faramparany. Notombanan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena, fa olona 840 tapitrisa eo ho eo eran-tany no zara raha manan-kohanina, na dia sahaza ho an’ny olona rehetra aza ny sakafo vokarina eto an-tany.
“Hisy areti-mandringana ... any amin’ny toerana samy hafa.” (Lioka 21:11) Hoy ny gazety Süddeutsche Zeitung: “Olona 20 ka hatramin’ny 50 tapitrisa teo ho eo no matin’ny gripa espaniola tamin’ny 1918. Betsaka izany raha oharina amin’ny isan’ny maty tamin’ny Ady Lehibe I, na ny matin’ny pesta mainty”, ilay aretina namono olona 25 tapitrisa tamin’ny taonjato faha-14. Tsy tambo isaina koa taorian’izay ny matin’ny tazo, nendra, tioberkilaozy, polio, ary kôlerà. Ary mihoron-koditra ny olona ankehitriny, satria vao mainka miely ny SIDA. Mahagaga fa mbola misy foana ny aretina tsy ahitam-panafana, na dia mandroso be aza ny fitsaboana. Manaporofo amintsika izany fa vanim-potoana hafa mihitsy no iainantsika ankehitriny, satria mbola tsy nisy toy izany mihitsy teo amin’ny tantaran’ny olombelona.
“Horohoron-tany.” (Matio 24:7) Nahafaty olona ana hetsiny ny horohoron-tany, tato anatin’ny 100 taona. Voalazan’ny tatitra iray fa nahatratra 18 teo ho eo isan-taona, ny horohoron-tany nanimba trano sy nampivava ny tany, nanomboka tamin’ny 1914. Ary saika isan-taona, dia misy horohoron-tany mahery vaika kokoa, mamono olona sy mandrava trano. Be dia be foana ny maty na dia efa lasa lavitra aza ny teknolojia, satria eny amin’ny toerana fihetsehan’ny tany no misy ny ankamaroan’ny tanàna mihabe mponina.
Vaovao mahafaly!
Saika mampahory avokoa ny lafiny maro amin’ilay famantarana ny andro farany. Misy vaovao mahafaly koa anefa anisan’ilay famantarana noresahin’i Jesosy.
“Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Ho tontosa io asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana natombok’i Jesosy io, mandritra ny andro farany. Izany tokoa no zava-misy ankehitriny. Mitory an’ilay hafatra ara-baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mampianatra ny olona tso-po mba hampihatra izay ianarany eo amin’ny fiainany andavanandro. Vavolombelona enina tapitrisa mahery ankehitriny no mitory any amin’ny firenena 235 ary amin’ny fiteny 400 mahery.
Mariho fa tsy nilaza i Jesosy hoe tsy hisy handeha amin’ny laoniny ny zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao noho ny fahasarotan’ny fiainana. Tsy nilaza koa izy fa hitranga any amin’ny faritra rehetra eto an-tany ny lafiny tsirairay amin’ilay famantarana. Nilaza fisehoan-javatra maro hitranga kosa izy, ary ny fitambaran’ireo no hanome ilay famantarana izay ho hitan’ny olona na aiza na aiza misy azy.
Raha atao indray mijery ny zava-mitranga eran-tany, tsy ekenao ve fa hitantsika amin’izao fotoana izao ilay famantarana? Mahakasika anao sy ny fianakavianao ny zava-mitranga ankehitriny. Mety hanontany tena anefa ianao hoe: Nahoana no tsy miraharaha an’izany ny ankamaroan’ny olona?
Variana mitady izay hahasoa ny tenany
“Tsy Azo Ilomanosana Eto!”, “Alika Masiaka!”, “Tsy Azo Aleha!” Fahita ireo soratra fampitandremana ireo, nefa matetika no tsy raharahain’ny olona. Nahoana? Izay heverintsika fa hahasoa antsika matetika no mibaiko ny zavatra ataontsika. Mihevitra angamba isika, ohatra, fa tsy maintsy mandalo ao amin’ilay toerana tsy azo aleha, na mety te hilomano mafy eo amin’ilay faritra andrarana. Tsy hendry anefa isika raha tsy miraharaha fampitandremana.
Misy mpizaha tany matin’ny fihotsahan’ny ranomandry, ohatra, indraindray, any amin’ireo tendrombohitra any Aotrisy, Frantsa, Italia, ary Soisa. Tsy noraharahainy mantsy ny fampitandremana mba tsy hikorisa eny amin’ny faritra mampidi-doza. Nilaza ny gazety Süddeutsche Zeitung, fa maro amin’izy ireny no mihevitra hoe tsy misy fahafinaretana raha tsy misangy loza. Mampalahelo fa mitera-doza ny tsy firaharahana fampitandremana.
Inona avy no mahatonga ny olona tsy hiraharaha ilay famantarana nolazain’i Jesosy? Jamban’ny vola aman-karena angamba izy ireo, na donton’ny tsy firaikana na ny fisalasalana, na teren’ny fiainana dridralava, na gejain’ny tahotra sao ho afa-boninahitra. Mety hisy antony iray amin’ireo ve mahatonga anao tsy hiraharaha ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy? Tsy fahendrena kokoa ve ny miaiky fa miseho ilay famantarana, ary manao zavatra mifanaraka amin’izany?
Fiainana ao amin’ny paradisa an-tany
Mihabetsaka ny olona manaraka ny fampitandremana mifandray amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Nanoratra toy izao, ohatra, i Kristian, tovolahy manambady, mipetraka any Alemaina: “Tena mahakivy izao fiainana izao. Miaina amin’ny ‘andro farany’ tokoa isika.” Manokana fotoana be dia be hiresahana amin’ny hafa momba ny Fanjakan’ny Mesia izy sy ny vadiny. Monina any Alemaina koa i Frank sy ny vadiny, ary mampahery ny olona amin’ny firesahana ny vaovao tsara raketin’ny Baiboly. Hoy i Frank: “Manahy momba ny hoavy ny olona maro ankehitriny, noho ny toe-piainana eto an-tany. Miezaka mampahery azy ireo izahay, ka miresaka aminy momba ilay paradisa an-tany ampanantenain’ny Baiboly.” Manatanteraka lafiny iray amin’ilay famantarana noresahin’i Jesosy, i Kristian sy Frank, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Matio 24:14.
Rehefa hifarana ny andro farany, dia handringana ity tontolo tranainy ity sy ny olona manohana azy io i Jesosy. Ny Fanjakan’ny Mesia no hitondra ny tany aorian’izay, ary hanova azy ho Paradisa, araka ny nambara mialoha. Tsy harary na ho faty intsony ny olona, ary ny maty hatsangana hiaina eto an-tany. Izany fanantenana kanto izany no miandry ny olona miaiky fa miseho ilay famantarana. Tsy fahendrena tokoa ve ny mianatra bebe kokoa momba ilay famantarana, sy izay tsy maintsy atao mba hahatafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ity? Tsy misy isalasalana fa tokony hanao izany maika dia maika ny olona rehetra.—Jaona 17:3.
[Teny notsongaina, pejy 4]
Nilaza fisehoan-javatra maro hitranga i Jesosy, ary ny fitambaran’ireo no hanome ilay famantarana izay ho hitan’ny olona na aiza na aiza misy azy
[Teny notsongaina, pejy 6]
Raha jerena ny zava-mitranga eran-tany, tsy ekenao ve fa efa miseho ilay famantarana?
[Efajoro/Sary, pejy 6]
FAMANTARANA NY ANDRO FARANY
Ady mbola tsy nisy toa azy.—Matio 24:7; Apokalypsy 6:4
Mosary.—Matio 24:7; Apokalypsy 6:5, 6, 8
Areti-mandringana.—Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8
Mitombo ny fandikan-dalàna.—Matio 24:12
Horohoron-tany.—Matio 24:7
Fotoan-tsarotra tsy mora setraina.—2 Timoty 3:1
Fitiavam-bola tafahoatra.—2 Timoty 3:2
Tsy mankatò ray aman-dreny.—2 Timoty 3:2
Tsy tia ny mpianakaviny.—2 Timoty 3:3
Tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.—2 Timoty 3:4
Tsy mahafehy tena.—2 Timoty 3:3
Tsy tia ny tsara.—2 Timoty 3:3
Tsy miraharaha ilay loza mananontanona.—Matio 24:39
Mandà ny porofon’ny andro farany ny mpaneso.—2 Petera 3:3, 4
Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany.—Matio 24:14
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
Miaramila tamin’ny Ady Lehibe I: Nalaina tao amin’ny boky The World War—A Pictorial History, 1919; fianakaviana mahantra: AP Photo/Aijaz Rahi; ankizy voan’ny polio: © OMS/P. Virot