Toko Faha-11
Ny Andro Farany Izao!
1. Nahoana ny olona maro no mahatsiaro ho toa manary toky rehefa mandinika ny tarehin-javatra manerana izao tontolo izao, nefa aiza no ahitana fanazavana azo ianteherana ny amin’ny fisehoan-javatra manerana izao tontolo izao?
AHOANA no nahatongavan’ny tontolontsika misamboaravoara ho amin’izao ambaratonga izao? Aiza no hiafarantsika? Efa mba nanao fanontaniana toy izany ve ianao? Maro no mahatsiaro ho toa very hevitra rehefa mijery ny tarehin-javatra manerana izao tontolo izao. Ny zava-misy toy ny ady sy ny aretina ary ny heloka bevava dia mahatonga ny olona hanontany tena ny amin’izay havoaky ny ampitso. Ireo mpitarika ao amin’ireo fitondram-panjakana dia tsy manolotra fanantenana firy. Kanefa misy fanazavana azo ianteherana momba izao andro mahory izao, omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Ny Baiboly dia manampy antsika amin’ny fomba azo ianteherana mba hahita izay misy antsika eo amin’ny fandehan’ny fotoana. Asehony amintsika fa amin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny no misy antsika. — 2 Timoty 3:1, NW.
2. Fanontaniana inona no nataon’ny mpianatr’i Jesosy taminy, ary ahoana no namaliany izany?
2 Diniho, ohatra, ny valin-teny nomen’i Jesosy momba ny fanontaniana sasany napoitran’ny mpianany. Telo andro talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, dia nanontany azy izy ireo hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?”a (Matio 24:3, NW ). Ho valiny, i Jesosy dia nilaza momba ny fisehoan-javatra sy tarehin-javatra voafaritra tsara hanerana izao tontolo izao, izay hampiseho mazava fa efa niditra tao amin’ny androny farany itỳ fandehan-javatra tsy matahotra an’Andriamanitra itỳ.
3. Nahoana ny toe-piainana eto an-tany no miharatsy nefa i Jesosy efa nanomboka nanapaka?
3 Araka ny naseho tao amin’ilay toko teo aloha, ny fandaharan-taonan’ny Baiboly dia mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra hoe efa nanomboka nanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana anefa no hetezan’izany? Nanjary niharatsy ny tarehin-javatra, fa tsy nihatsara. Raha ny tena izy, izany dia manoro amin’ny fomba mahery fa efa nanomboka nanapaka ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa nahoana? Ny Salamo 110:2 dia mampahafantatra amintsika fa hisy fotoana hanapahan’i Jesosy “eo amin’ny fahavalony”. Eny tokoa, ny asa voalohany nataony tamin’ny naha-Mpanjaka any an-danitra azy dia ny nandroaka an’i Satana sy ireo anjeliny demonia ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. (Apokalypsy 12:9). Inona no vokatr’izany? Izay nambaran’ny Apokalypsy 12:12 mialoha indrindra manao hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” Miaina ao amin’izany ‘andro kely sisa’ izany isika ankehitriny.
4. Inona avy no lafiny misongadina sasany amin’ny andro farany, ary inona no atoron’izany? (Jereo ilay faritra voafefy.)
4 Noho izany, dia tsy mahagaga raha nahavelom-pisainana ny valin-tenin’i Jesosy, rehefa nanontaniana izy hoe inona no ho famantarana ny fanatrehany sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Misy lafiny samihafa mahaforona ilay famantarana, hita ao amin’ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-102. Araka ny hitanao eo, ireo apostoly kristiana, i Paoly sy i Petera ary i Jaona, dia manome antsika tsipiriany fanampiny momba ny andro farany. Marina aloha fa tarehin-javatra mahory no tafiditra ao amin’ny ankamaroan’ireo lafiny misongadina amin’ilay famantarana sy amin’ny andro farany. Na dia izany aza, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo dia tokony hampiaiky antsika fa efa manakaiky ny fiafarany itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Andeha isika hijery akaiky ny lafiny misongadina indrindra amin’ny andro farany.
LAFINY MISONGADINA AMIN’NY ANDRO FARANY
5, 6. Amin’ny ahoana ireo faminaniana momba ny ady sy ny mosary no tanteraka?
5 “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. (Matio 24:7; Apokalypsy 6:4). Ilay mpanoratra atao hoe Ernest Hemingway dia niantso ny Ady Lehibe Voalohany hoe “ny fandripahana olona goavana indrindra sy nandatsahan-dra be indrindra ary notantanana tamin’ny fomba ratsy indrindra nisy teto an-tany”. Araka ilay boky hoe The World in the Crucible—1914-1919, izy iny dia “ambaratongan’ady vaovao, dia ny ady feno tanteraka voalohany teo amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny olombelona. Ny faharetany sy ny hamafiny ary ny fitarany dia nihoatra izay rehetra fantatra talohan’izay na nampoizin’ny besinimaro”. Avy eo dia tonga ny Ady Lehibe Faharoa, izay voaporofo ho nandrava lavitra noho ny Ady Lehibe Voalohany. “Ny taonjato faharoapolo”, hoy ilay mpampianatra tantara atao hoe Hugh Thomas, “dia nanjakan’ny basy maro vava, ny B-52, ny baomba niokleary ary farany, dia ny bala afomanga. Voamariky ny ady nandatsahan-dra kokoa sy nandrava kokoa noho ireo tamin’ny taonjato hafa rehetra, izy itỳ.” Marina aloha fa be ny nolazaina momba ny fampihenana ny fitaovam-piadiana taorian’ny nifaranan’ny Ady Mangatsiaka. Na dia izany aza, ny tatitra iray dia manombana fa, aorian’ireo fampihenana naroso, dia mbola hisy lohan’ny baomba niokleary tokony ho 10 000 ka hatramin’ny 20 000 ho tavela — maherin’ny avo 900 heny noho ny fitambaran’ny fiadiana nampiasaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.
6 “Hisy mosary”. (Matio 24:7; Apokalypsy 6:5, 6, 8). Nanomboka tamin’ny 1914, dia nisy mosary lehibe 20 fara fahakeliny. Anisan’ny faritra voan’izany i Bangladesh, i Burundi, i Cambodge, i Etiopia, i Grèce, i Inde, i Nizeria, i Rosia, i Rwanda, i Sina, i Somalia ary i Soudan. Tsy ateraky ny tsy fisian’ny sakafo foana anefa ny mosary. “Ny tahirin-tsakafon’izao tontolo izao tato anatin’ireo am-polony taona faramparany dia nitombo haingana kokoa noho ny mponina eo aminy”, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny mpahay siansa momba ny fambolena sy ny toe-karena. “Noho izy ireo tavela ao anatin’ny fahantrana faraidiny anefa, (...) dia olona 800 tapitrisa fara fahakeliny no tsy afaka mividy izay ampy avy amin’ilay fahatondrahana mba hivoahana avy amin’ny tsy fahampian-tsakafo mitaiza.” Ny fitsabahana amin’ny politika no tafiditra amin’ny toe-javatra hafa. Ny Dr. Abdelgalil Elmekki, ao amin’ny Oniversiten’i Toronto, dia manonona ohatra roa nisian’ny olona an’arivony maro maty mosary nefa ny tanin’izy ireo nanondrana sakafo tsy toko tsy forohana. Ireo fitondram-panjakana dia toa niahy lavitra ny amin’ny hahazoana vola vahiny mba handoavana ny lany amin’ny ady ataony, noho ny amin’ny famahanana ny mponina eo aminy. Ny fanatsoahan-kevitry ny Dr. Elmekki? Ny mosary matetika dia “raharaha momba ny fizarana sy ny paika arahin’ny fitondram-panjakana”.
7. Inona avy no zava-misy momba ny areti-mandringana amin’izao andro izao?
7 “Areti-mandringana”. (Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8). Ny gripy espaniola tamin’ny 1918-1919 dia naka ain’olona 21 tapitrisa fara fahakeliny. “Mbola tsy noravan’ny mpamono iray izay nahafaty olona be dia be aoka izany sady haingana aoka izany, na oviana na oviana teo amin’ny tantara, izao tontolo izao”, hoy ny nosoratan’i A. A. Hoehling ao amin’ny The Great Epidemic. Amin’izao andro izao, dia mbola mahazo vahana ihany ny areti-mandringana. Isan-taona, ny kansera dia mamono olona dimy tapitrisa, ny aretim-pivalanana dia maka ny ain’ny zazakely sy ny ankizy maherin’ny telo tapitrisa, ary ny raboka dia mamono olona telo tapitrisa. Ny fidiran’ny otrikaretina eo amin’ny taovam-pisefo, indrindra fa ny pnemonia, dia mamono zaza latsaka ny dimy taona 3,5 tapitrisa isan-taona. Ary mahazendana fa olona 2 500 tapitrisa — antsasaky ny mponina manerana izao tontolo izao — no mijaly noho ny aretina azo avy amin’ny tsy fahampian’ny rano na ny rano voaloto sy ny tsy fisian’ny fahadiovana. Ny SIDA dia mandrahona, toy ny fampahatsiahivana fanampiny fa ny olombelona, na dia eo aza ireo zava-bitany ara-pitsaboana lehibe, dia tsy afaka mamongotra ny areti-mandringana.
8. Ahoana no anaporofoan’ny olona fa “tia vola” izy ireo?
8 “Ny olona (...) ho tia vola”. (2 Timoty 3:2). Any amin’ny tany manerana izao tontolo izao, ny olona dia toa manam-paniriana tsy mety afa-po ny hahazo harena bebe kokoa ihany. Ny “fahombiazana” matetika dia faritana araka ny habetsahan’ny karama, ny “zava-bita” araka ny hamaroan’ny zavatra ananana. “Ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo dia hitohy ho ny iray amin’ireo hery manosika ny olona eo amin’ny fitambaran’olona amerikana (...) ary ho hery mihalehibe hatrany eo amin’ireo tsena lehibe hafa koa”, hoy ny nambaran’ny prezidà lefitry ny fikambanana iray momba ny dokam-barotra. Miseho any amin’ny misy anao koa ve izany?
9. Inona no azo lazaina momba ny tsy fankatoavana ny ray aman-dreny nambara mialoha?
9 “Tsy manoa ray sy reny”. (2 Timoty 3:2). Ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny hafa amin’ny andro ankehitriny dia manana porofo avy amin’ny fanandraman-javatra hitan’ny tenany manokana fa ankizy maro no tsy manaja sady tsy mankato. Ny fanaovan’ny sasany amin’ireny tanora ireny izany dia ho valin’ny fitondran-tena tsy metin’ny ray aman-dreniny, na ho fanahafana izany. Ankizy mitombo isa hatrany no mamoy ny finoany ny sekoly, ny lalàna, ny fivavahana ary ny ray aman-dreny — ary mikomy amin’ireo. “Toy ny fanarahana fironana iray”, hoy ny mpampianatra mainty molaly iray, “izy ireny dia toa tsy manana fanajana firy ho an’inona na inona.” Soa ihany anefa fa ankizy maro matahotra an’Andriamanitra no fakan-tahaka raha ny amin’ny fitondran-tena.
10, 11. Inona no porofo fa lozabe sy tsy manam-pitiavana ny olona?
10 “Lozabe”. (2 Timoty 3:3). Ny teny grika nadika hoe “lozabe” dia midika hoe ‘tsy voafolaka, dia, tsy manana fitserana sy fiaraha-miorin’olombelona’. Mifanentana tsara toy inona amin’ireo mpanao herisetra amin’izao andro izao moa izany! “Ny fiainana dia mampikorontana anaty aoka izany, feno zava-mampihorohoro voamariky ny fandatsahan-dra aoka izany, hany ka mila manana fom-biby vao afaka mamaky ny vaovao mivoaka isan’andro”, hoy ny lahatsoratra an-gazety iray. Nanamarika ny polisy mpiambina tranobe iray fa tanora maro no toa manakimpy ny masony eo anoloan’ny vokatry ny ataony. Hoy izy: “Eo ilay fiheverana hoe: ‘Tsy ahoako izay hitranga rahampitso. Halaiko anio izay ilaiko.’ ”
11 “Tsy manam-pitiavana”. (2 Timoty 3:3). Io fitenenana io dia nadika avy tamin’ny teny grika iray midika hoe “manana fo vato, tsy antra olona” ary milaza “tsy fananana firaiketam-po voajanahary, ho an’ny fianakaviana”. (The New International Dictionary of New Testament Theology). Eny, matetika no tsy eo ny firaiketam-po ao amin’ilay tontolo tokony hiroboroboany — ny ankohonana. Nanjary fahita ka mampikorontan-tsaina ireo tatitra momba ny fitondrana ratsy ny vady sy ny zanaka ary na dia ny ray aman-dreny be taona aza. Hoy ny teny nataon’ny ekipa mpanao fikarohana iray: “Ny herisetran’olombelona — na tehamaina izany na fanosehana, tsatok’antsy na fitifirana — dia mitranga matetika kokoa eo anivon’ny fianakaviana, noho ny any amin’ny toeran-kafa eo amin’ny fitambaran’olona misy antsika.”
12. Nahoana no azo lazaina fa tsy manana afa-tsy ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny olona?
12 “Manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. (2 Timoty 3:5). Manana hery hampiova ny fiainan’ny olona ho amin’ny tsara ny Baiboly. (Efesiana 4:22-24). Na dia izany aza, dia olona maro amin’izao andro izao no mampiasa ny fivavahany ho toy ny sarona fanafenany ny zavatra tsy marina ataony izay tsy mahafaly an’Andriamanitra. Alan’ireo filoha ara-pivavahana tsiny matetika ny lainga sy ny halatra ary ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Fivavahana maro no mitory ny fitiavana nefa manohana ny ady. “Tamin’ny anaran’ilay Mpamorona Fara Tampony”, hoy ny fanamarihan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazetiboky India Today, “ny olombelona dia nahatanteraka ny halozana nahatsiravina indrindra tamin’ireo zavaboary tahaka azy.” Raha ny marina aza, ireo fifandonana roa nandatsahan-dra be indrindra tato anatin’ireo taona faramparany — ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa — dia nipoaka teo anivon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana.
13. Inona no porofo fa simba ny tany?
13 “Manimba ny tany”. (Apokalypsy 11:18). Nisy mpahay siansa maherin’ny 1 600, anisan’izany ny olona 104 nahazo ny loka Nobel, avy tamin’ny tany rehetra, nanome ny fanohanany ho an’ny fampitandremana iray navoakan’ny Union of Concerned Scientists (UCS) (na “Fikambanan’ireo Mpahay Siansa Feno Fanahiana”), izay nanambara hoe: “Ny olombelona sy ny tontolo iainana voajanahary dia eo an-dalam-pifandonana. (...) Tsy hisy am-polony taona vitsivitsy akory, dia hafoy ny fahafahana hisakana ny loza mananontanona.” Nilaza ilay tatitra fa ny fanaon’ny olombelona izay mandrahona ny fiainana dia “mety hanova aoka izany izao tontolo izao, hany ka tsy ho afaka hampaharitra ny fiainana araka ny ahafantarantsika azy izy io”. Ny fihenan’ny ozone, ny fandotoana ny rano, ny fandripahana ny ala, ny famoizan’ny tany ny fahafahany hamokatra ary ny maha-lany tamingana ny karazam-biby sy zavamaniry maro no notononina ho zava-manahirana tsy maintsy alamina maika dia maika. “Ny fanakantsakanantsika ireo rafitra mifampidipiditra sy mifampiankin’ny fiainana”, hoy ny UCS, “dia mety hiteraka vokatra miely patrana, anisan’izany ny firodanan’ireo rafitra biolojika izay tsy dia azontsika loatra ny fandehany.”
14. Ahoana no hahafahanao hanaporofo fa tanteraka amin’izao androntsika izao ny Matio 24:14?
14 “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ”. (Matio 24:14, NW ). Nanambara mialoha i Jesosy fa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia hotorina maneran-tany, ho fanaovana fanambarana amin’ny firenena rehetra. Noho ny fanampian’Andriamanitra sy ny fitahiany, dia Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro no manokana ora an’arivo tapitrisany maro ho amin’io asa fitoriana sy fanaovana mpianatra io. (Matio 28:19, 20). Eny, takatr’ireo Vavolombelona fa hivesatra trosan-dra izy ireo raha tsy manambara ny vaovao tsara. (Ezekiela 3:18, 19). Ravoravo anefa izy ireo satria isan-taona dia olona an’arivony maro no manaiky amim-pankasitrahana ny hafatra momba ilay Fanjakana ka mijoro amin’ny maha-Kristiana marina, izany hoe amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Tombontsoa tsy hay tombanana ny manompo an’i Jehovah sy mampiely araka izany ny fahalalana an’Andriamanitra. Ary rehefa ho avy notorina tamin’ny tany onenana manontolo io vaovao tsara io, dia ho tonga ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.
EKEO NY POROFO
15. Ahoana no hifaranan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny?
15 Ahoana no hiafaran’itỳ fandehan-javatra itỳ? Manambara mialoha ny Baiboly fa hisy “fahoriana lehibe” izay hanomboka amin’ny fanafihan’ny lafiny ara-politikan’itỳ tontolo itỳ an’i “Babylona Lehibe”, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Matio 24:21; Apokalypsy 17:5, 16). Nilaza i Jesosy fa, mandritra io fe-potoana io, “ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina”. (Matio 24:29). Izany dia mety hilaza zava-mahagaga eny amin’ny lanitra ara-bakiteny. Na ahoana na ahoana, ireo olo-malaza mamirapiratry ny tontolo ara-pivavahana dia halana sarona ka hofoanana. Avy eo i Satana, antsoina hoe “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, dia hampiasa an’ireo olombelona feno fahasimbana ara-pitondran-tena mba hanafika amin’ny fomba feno ny vahoakan’i Jehovah. Tsy hahomby anefa i Satana, satria hamonjy azy ireo Andriamanitra. (Ezekiela 38:1, 2, 14-23). “Ny fahoriana lehibe” dia hahatratra ny fara tampony amin’ny Haramagedona, dia “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Hanadio izay soritra tavela rehetra amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany izy io, ka hanokatra ny lalana hirotsahan’ny fitahiana tsy hanam-pahataperana eo amin’ny olombelona ho tafita velona. — Apokalypsy 7:9, 14; 11:15; 16:14, 16; 21:3, 4.
16. Ahoana no ahafantarantsika fa mihatra amin’ny fotoana misy antsika ireo lafiny misongadina amin’ny andro farany voalazan’ny faminaniana?
16 Raha mitokana, ny lafiny misongadina sasany amin’ireo faminaniana milazalaza ireo andro farany dia mety ho toa hihatra amin’ny fe-potoana hafa amin’ny tantara. Rehefa mikambana anefa ireo porofo voalazan’ny faminaniana, dia manondro tsara ny androntsika. Mba hampisehoana izany: Ireo tsipika mahaforona ny peta-tondron’ny olona iray dia mampiseho rafitra izay tsy afaka ny ho an’ny olon-kafa na iza na iza. Mitovy amin’izany koa fa ny andro farany dia manana rafitra miavaka, na fisehoan-javatra, izay azy ireo manokana. Izy ireny dia mahaforona “peta-tondro” izay tsy afaka ny ho an’ny fe-potoana hafa na inona na inona. Rehefa dinihina miaraka amin’ny fanondroana avy ao amin’ny Baiboly hoe manapaka ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ankehitriny, ny porofo dia manome fototra mafy orina hanatsoahana hevitra fa tena ny andro farany tokoa izao. Ambonin’izany, dia misy porofo mazava araka ny Soratra Masina fa horinganina tsy ho ela ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny.
17. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fahalalana fa ny andro farany izao?
17 Hanao ahoana ny fihetsikao eo anoloan’ny porofo fa ny andro farany izao? Diniho izao: Raha mananontanona ny rivo-doza masiaka sy mandrava iray, dia mandray fepetra fitandremana mialoha tsy misy hataka andro isika. Izay ambaran’ny Baiboly mialoha ho an’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ dia tokony hanosika antsika hanao zavatra. (Matio 16:1-3). Mahita mazava isika fa miaina amin’ny andro faran’ny fandehan-javatr’itỳ tontolo itỳ isika. Izany dia tokony hanosika antsika hanao izay fanitsiana rehetra ilaina mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra. (2 Petera 3:3, 10-12). Miresaka momba ny tenany ho ilay fiasana ho amin’ny famonjena i Jesosy, ka mandefa izao antso maika dia maika izao: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny [fihinanana tafahoatra, NW ] sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa hihatra amin’izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandra-kariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:34-36.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Misy Baiboly mampiasa ny teny hoe “izao tontolo izao”, fa tsy ny hoe “fandehan-javatra”. Ny Expository Dictionary of New Testament Words nataon’i W. E. Vine dia milaza fa ilay teny grika hoe ai·onʹ dia “midika hoe fe-potoana iray manana faharetana tsy voafetra, na fotoana raisina araka ny fifandraisany amin’izay mitranga amin’ilay fe-potoana.” Ny Greek and English Lexicon to the New Testament nataon’i Parkhurst (pejy 17) dia mampiditra ny teny hoe “itỳ fandehan-javatra itỳ” eo am-pandinihana ny fampiasana ny hoe ai·oʹnes (milaza maro) ao amin’ny Hebreo 1:2. Koa ny fandikana izany amin’ny hoe “fandehan-javatra” àry dia mifanaraka amin’ilay soratra grika tany am-boalohany.
TSAPAO NY FAHALALANAO
Inona no ambaran’ny Baiboly mialoha momba ireo fisehoan-javatra hanerana izao tontolo izao eo am-piandohan’ny fanapahan’i Kristy?
Inona avy no lafiny misongadina sasany amin’ny andro farany?
Inona no mampiaiky anao fa ny andro farany izao?
[Efajoro, pejy 102]
LAFINY MISONGADINA SASANY AMIN’NY ANDRO FARANY
• Ady mbola tsy nisy toa azy. — Matio 24:7; Apokalypsy 6:4.
• Mosary. — Matio 24:7; Apokalypsy 6:5, 6, 8.
• Areti-mandringana. — Lioka 21:11; Apokalypsy 6:8.
• Tsy fankatoavan-dalàna mihamitombo. — Matio 24:12, NW.
• Fanimbana ny tany. — Apokalypsy 11:18.
• Horohoron-tany. — Matio 24:7.
• Fotoan-tsarotra tsy mora setraina. — 2 Timoty 3:1, NW.
• Fitiavam-bola tafahoatra. — 2 Timoty 3:2.
• Tsy fankatoavana ray aman-dreny. — 2 Timoty 3:2
• Tsy fisian’ny fitiavana. — 2 Timoty 3:3.
• Fitiavana fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra. — 2 Timoty 3:4.
• Tsy fisian’ny fifehezan-tena. — 2 Timoty 3:3, NW.
• Tsy fitiavana ny tsara. — 2 Timoty 3:3.
• Tsy fanisiana fiheverana ny loza mananontanona. — Matio 24:39, NW.
• Mandà ny porofo ny amin’ny andro farany ny mpaniratsira. — 2 Petera 3:3, 4.
• Fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. — Matio 24:14.
[Sary, pejy 101]