-
Aoka isika hilamina hatrany mba hahatafitana velona sy hahitana ny fanjakana ariNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Desambra
-
-
Aoka isika hilamina hatrany mba hahatafitana velona sy hahitana ny fanjakana arivo taona
“Ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” — JAONA 10:16.
1. Azo oharina amin’ny inona moa ny arivo taona eo imason’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay?
JEHOVAH no nanome ny fahalalana ny amin’ny fotoana ho an’ny olombelona. Aminy, ilay Andriamanitra tsy mety maty, sy hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay, ny arivo taona dia toy ny iray andro, mandalo haingana dia haingana, toy ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina mihitsy aza. — Salamo 90:4; 2 Petera 3:8.
2. Nametra fe-potoana manao ahoana moa i Jehovah mba hitahiana ny olombelona rehetra?
2 Nametra andro ara-panoharana iray maharitra arivo taona Andriamanitra hitahiany ny fianakaviana rehetra amin’ny tany (Genesisy 12:3; 22:17, 18; Asa. 17:31). Ireo olombelona efa maty ary koa ireo izay velona ankehitriny dia anisan’ireo fianakaviana ireo. Amin’ny fomba ahoana no hitahian’Andriamanitra azy ireo? Amin’ny alalan’ny Fanjakany hotarihin’i Jesosy Kristy, ilay ‘Taranaky’ ny vadiny ara-panoharana. — Genesisy 3:15.
3. a) Tamin’ny ahoana moa no voatorotoro ny ombelahin-tongotr’ilay Taranaky ny vadin’Andriamanitra, kanefa tamin’ny fomba ahoana no nanasitranana izany ratra izany? b) Amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, inona moa no hataon’i Jesosy Kristy an’ilay menarana ara-panoharana?
3 Ny ombelahin-tongotra ara-panoharana an’ilay Taranaky ny vadin’Andriamanitra (ny fandaminany any an-danitra) dia voatorotoro fony Jesosy Kristy maty maritiora teo amin’ny hazo tamin’ny taona 33 ary nijanona tao am-pasana nandritra ny fe-potoana naharitra 3 andro. Tamin’ny andro fahatelo anefa, ilay Andriamanitra Tsitoha, ilay Mpanome ny fiainana, dia nanasitrana io ratra io tamin’ny fananganana ny Zanany mahatoky ho amin’ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any amin’ny faritra ara-panahy (1 Petera 3:18). Koa satria tsy ho faty mihitsy intsony i Jesosy, dia afaka ny hanjaka eo amin’ny olombelona mandritra ny arivo taona izy ary “hanorotoro” ny lohan’ilay menarana ara-panoharana, amin’ny fandringanana azy aorian’ny Fanjakana arivo taona. Ho fitahiana toy inona moa izany ho an’ny olombelona mahatoky izay hahazo ny fahatanterahana indray!
4. Karazam-pandaharana inona moa no tarihin’Andriamanitra mba hahasoa ny vahoakany?
4 Misy asa fandaminana lehibe iray tontosaina eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany mandritra “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” izay nanomboka tamin’ny faran’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914 (Matio 24:3, MN; Lioka 21:24). Io fandaharam-pandaminana alohan’ny Fanjakana arivo taona io dia avy amin’ny sitrapon’ilay Mpahay mandamin-javatra lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra, ary tarihiny. Araka ny porofoin’ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly, tamin’ny 1914, ny vadiny, izany hoe ny fandaminany any an-danitra azo oharina amin’ny vehivavy manambady iray, dia niteraka ny Fanjakany nampanantenaina tarihin’i Jesosy Kristy.
5. Fahaterahana inona moa no nambaran’ny Apokalypsy 12:5 mialoha, ary oviana no nohazavaina voalohany ny amin’izy io tao amin’ireo pejin’ny Ny Tilikambo Fiambenana?
5 Tamin’izay no tanteraka tamim-boninahitra ireto teny voarakitra ao Apokalypsy 12:5 ireto: “Niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’Andriamanitra, dia ho amin’ny seza fiandrianany.” Tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), tamin’ny Jona 1925, no nanazavana voalohany indrindra ny amin’ny fahaterahan’ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy, fahaterahana izay nasehon’ilay zaza vao nateraky ny vadin’Andriamanitra. Ny fahaterahan’io Fanjakana mesianika io, izay nitranga tany an-danitra tamin’ny 1914, dia tsy mitovy amin’ny fahateran’ilay “firenena” voaforon’ireo ‘zanak’i Ziona’ teto an-tany tamin’ny 1919. — Isaia 66:7, 8.
6. a) Asa nambaran’i Jesosy mialoha inona moa no tsy maintsy natomboka taorian’ny fahaterahan’ilay Fanjakana? b) Inona no tsy maintsy nataon’ireo mpanompon’i Jehovah mba hanatontosana io asa io, ary miseho ho manao ahoana izy ireo ankehitriny eo imason’izao tontolo izao?
6 Nahaforona zava-nitranga izay mendrika ny hambara amin’ny tany manontolo ny fahaterahan’ny Fanjakan’i Jehovah izay hampiasainy mba hanamarinana ny fiandrianany ara-dalàna manerana izao rehetra izao. Ary tonga ny fotoana hanatanterahana ireto tenin’i Jesosy mifandray amin’ireo porofon’ny fanatrehany tsy hita maso ireto: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14). Mba hahafahana mitory ao anatin’ny firaisan-tsaina sy amin’ny fomba mirindra maneran-tany, eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena, dia tsy isalasalana fa tsy maintsy nalamina ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Izany no fanirian’ny Watch Tower Bible and Tract Society, izay i Joseph Rutherford, prezidàny tamin’izay fotoana izay, no nisolo tena azy. Noho izany àry, taorian’ny ady, nanomboka tamin’ny 1919 raha ny marimarina kokoa, ireo mpanohana mahatoky ny Fikambanana dia tapa-kevitra ny hanao fandaminana, toy ny firenena voaorina indray, ary nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpahay mandamin-javatra lehibe indrindra, mba hitarika sy hitahy azy. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, na dia teo aza ny fanoherana mahery vaika nataon’ireo fasista sy ny fihetsiketsehana nazia notarihin’i Hitler ary ny Asa katolika, nanerana ny tany ny Vavolombelon’i Jehovah dia niseho ho tafaray teo anatrehan’izao tontolo izao izay nanohitra azy.
7. a) Fifandraisana manao ahoana moa no tsy maintsy arovan’ireo mpanompon’i Jehovah mihitsy eo amin’izy samy izy raha maniry ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo? b) Inona moa no nahafahan’i Noa sy ny fianakaviany ho tafita velona tamin’ny safodrano naneran-tany, ary tandindon’iza izy ireo?
7 Araka ny Baiboly, dia ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany, na ireo anisan’ny sisa voahosotra izany na ireo anisan’ny “olona betsaka”, no afaka manantena ny ho tafita velona amin’ny maha-fandaminana tafaray azy eo ambany fiarovan’ilay Mpahay mandamin-javatra lehibe indrindra, amin’ny fandringanana efa mananontanona an’izao fandehan-javatra ankehitriny voaheloka tapahin’i Satana Devoly izao (Apokalypsy 7:9, 17; 2 Korintiana 4:4). Izy ireo no hahaforona ilay “nofo” izay, araka ny nolazain’i Jesosy, dia hovonjena amin’ilay fahoriana mahatsiravina indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, hoy Jesosy, dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoany. Tao anatin’ilay sambo fiara, izay nitaky taona maro ny fanamboarana azy tamin’ny fomba nilamina, dia fanahy valo monja no tafita velona tamin’ny safodrano nanerana izao rehetra izao. Ireo tafita velona ireo dia nahaforona fianakaviana tafaray iray (Matio 24:22, 37-39; Lioka 17:26-30). Ny vadin’i Noa dia mifanitsy amin’ny ampakarin’i Kristy, ary ireo zanany lahy sy ireo vinantony vavy amin’ireo ‘ondry hafan’i Jesosy’, izay mahaforona olona betsaka tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ary tsy ho fantatsika ny isany amin’ny farany (Jaona 10:16). Mba hahatafitany velona sy hahitany ny Fanjakana arivo taona eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ilay Noa lehibe, ireo “ondry” ireo dia tsy maintsy milamina hatrany miaraka amin’ny sisa voahosotra, ireo “olom-boafidy” izay noho ny aminy no hanafohezana ireo andron’ny “fahoriana lehibe”. — Matio 24:21, 22.
Ho tafita velona sy hahita ny Fanjakana arivo taona izy ireo
8. Fanoharana inona moa no namaranan’i Jesosy ny faminaniany ny amin’ny fanatrehany, ary, tamin’ny 1 Jona 1935, izay daty miavaka, fanazavana inona no nomena ny amin’izany?
8 Araka ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Matio, i Jesosy dia namarana ny faminaniany ny amin’ny famantarana ny fanatrehany tamin’ny fanoharana antsoina matetika hoe fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy. Io fanoharana io dia mihatra amin’izao androntsika izao, dia ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ankehitriny, izay nanomboka tamin’ny faran’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914 (Matio 25:31-46). Ny asabotsy 1 Jaona 1935 dia daty miavaka iray, satria fantatra tamin’izay fa ireo ondry voalazan’ny fanoharana dia mifanandrify amin’ireo anisan’ny olona betsaka. Tamin’io andro io, nandritra ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, dia mpanatrika 840 no natao batisa ho fampisehoana ny fanolorana ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ny ankamaroan’izy ireo dia nanao izany dingana izany rehefa avy nahare lahateny iray nifototra tamin’ny Apokalypsy 7:9-17 notononin’i Joseph Rutherford. Ny fanirian’izy ireo dia ny ho anisan’ny olona betsaka amin’ny ondry hafan’ilay Mpiandry tsara indrindra, ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ho avy, amin’ny faran’izao fandehan-javatra izao, ary ny hiaina eo ambanin’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka sady Mpiandry. Amin’ny farany, dia hahazo ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa izy ireo. — Matio 25:46; Lioka 23:43.
9. Nahoana moa ireo ondry no nasaina handova ny ‘fanjakana voaomana ho azy ireo’, ary amin’ny ahoana izy ireo no ho eo amin’ny toerana tsara indrindra mba hanao soa ho an’ireo rahalahin’ny Mpanjaka?
9 Nahoana ireo “ondry” ireo no ‘nasaina handova ny fanjakana izay voavoatra ho azy hatrizay nanorenana izao tontolo izao’? Izany, hoy ny Mpanjaka amin’izy ireo, dia satria izy ireo nanao soa tamin’ny ‘rahalahiny’, ary noho izany, nanao soa taminy. Antsoin’ilay Mpanjaka hoe ‘rahalahiny’ ny sisa amin’ireo rahalahiny ara-panahy izay mbola eto an-tany mandritra ny fifaranan’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Koa satria tonga andiany iray ihany miaraka amin’ireo rahalahin’i Jesosy Kristy, Mpanjaka sady Mpiandry, ireo ny “ondry”, izy ireo dia hifamatotra aminy mafy hatrany araka izay azo atao, ary ho eo amin’ny toerana faran’izay tsara indrindra mba hanao soa aminy. Na dia eo amin’ny lafiny ara-nofo aza, izy ireo dia hanampy ireo rahalahin’i Jesosy hitory maneran-tany ny hafatra momba ilay Fanjakana voaorina alohan’ny hahatongavan’ny farany. Izany no antony hankamamian’ireo ondry ny tombontsoa ananany, dia ny hilamina hatrany miaraka amin’ny sisa, ho andiany iray an’ilay Mpiandry iray ihany.
10. Midika ho inona moa ny ‘fandovan’ireo ondry ny fanjakana izay voavoatra ho azy hatrizay nanorenana izao tontolo izao’?
10 Ny fandovan’ireo ondry ireo ny ‘fanjakana voavoatra ho azy’ akory tsy midika fa hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy sy ireo rahalahiny any an-danitra mandritra ny arivo taona izy ireo. Raha vao eo am-piandohan’ny Fanjakana arivo taona tokoa, ireo ondry dia handova ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany. Noho izy ireo avy amin’i Adama sy Eva, io faritra eto an-tany izay hanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy io dia voavoatra ho azy ireo “hatrizay nanorenana izao tontolo izao” voaforon’ireo olombelona azo avotana. Ankoatr’izany, noho ireo ondry tonga zanaka eto an-tanin’ilay Mpanjaka, izay tonga ‘Rain’izy ireo mandrakizay’, no handovany faritra eto an-tany hotapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Isaia 9:5, 6.
11. Amin’ny fomba ahoana moa no ampisehoan’ireo ondry fa manohana ilay Fanjakana izy ireo, ary soa inona no raisin’izy ireo avy amin’izany?
11 Mifanohitra amin’ireo osy ara-panoharana, ireo ondry dia mampiseho ampahibemaso fa manohana ilay Fanjakana izy. Amin’ny ahoana? Amin’ny asa, fa tsy amin’ny teny fotsiny akory. Koa satria tsy hita maso any an-danitra ilay Mpanjaka, dia tsy afaka manao soa ho azy mivantana izy ireo mba hanehoana ny fanohanany ilay Fanjakany. Ireo rahalahiny ara-panahy izay mbola eto an-tany àry no asian’izy ireo soa. Na dia ankahalain’ireo osy sy iadiany ary enjehiny aza ireo ondry, dia ilazan’ilay Mpanjaka fa ‘tahin’ny Rainy’ izy ireo.
12. Hahazo tombontsoa handray an’iza moa ireo ondry, ary inona no noheverin’ny sasany anisan’ny sisa ny amin’izany?
12 Ny olona betsaka voaforon’ireo ondry izay manao soa amin’ireo rahalahy ara-panahin’ilay Mpanjaka dia ho faly rehefa ho tafita velona sy hahita ny Fanjakana arivo taona. Rehefa tonga ny fotoana voatendry ho amin’izany, dia handray ireo maty avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovana izy ireo (Jaona 5:28, 29, MN; 11:23-25). Ho anisan’ireo maty ireo ny patriarka sy mpaminany nahatoky izay niaritra fijaliana maro be mba hanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah sy “mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra”, izay mety hitranga aloha kokoa (Hebreo 11:35). Ho anisan’ireo lehilahy sy vehivavy be finoana hatsangana ireo, izay voatonona ao amin’ny Hebreo toko faha-11 ny sasantsasany aminy, dia azo inoana fa ho ao i Jaona mpanao batisa (Matio 11:11). Nisy tamin’ireo sisa voahosotra nihevitra fa ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe izy ka handray ireo olo-nahatoky ireo izay maty talohan’ny Pentekosta taona 33, rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireo. Hahazo izany tombontsoa izany àry ve ny kristiana voahosotra sasany?
13. Nahoana moa no tsy voatery ho eo ireo sisa voahosotra mba handray ireo hitsangana amin’ny maty eto an-tany sy hikarakara azy ireo?
13 Tsy voatery ho izany no izy. Ho ampy isa ireo olona betsaka ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe mba hikarakara ireo ho tafatsangana amin’ny maty sy hampahafantatra azy ireo ny “tany vaovao” hotarihin’ny “lanitra vaovao”. (2 Petera 3:13.) Dieny izao ny olona betsaka dia voalamina mba hanao io asa. Ireo rapaoro dia mampiseho fa latsaka ny 9 000 ny isan’ireo rahalahy ara-panahin’i Jesosy mbola velona eto an-tany ankehitriny. Na manao ahoana na manao ahoana, ireo izay ho tafita velona amin’izy ireo àry dia ho vitsy loatra mba hanatontosa ny asa fanomanana rehetra hatao alohan’ny fananganana ny maty amin’ny ankapobeny (Ezekiela 39:8-16). Izany àry dia ho fahafahana ho an’ny olona betsaka, izay miisa ho an-tapitrisany maro, hanatontosa asa tsara dia tsara. Izy ireo marina tokoa no tokony hahazo io tombontsoaio.
14. a) Ho fitsinjovana ny inona moa no andraisan’ny mpikambana maro amin’ny olona betsaka fiofanana, ary nahoana no maro be amin’izy ireo no tsy maintsy miantsoroka andraikitra dieny izao? b) Fisehoan-javatra inona avy moa no tsy maintsy hitranga tsy ho ela, ary asa inona no miandry ireo ondry hafa?
14 Maro be amin’ireo anisan’ny olona betsaka no efa mahazo fiofanana mba hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny kongregasiona ary andraikitra mifandray amin’ny fandaharam-panorenana izay tanterahin’ny fandaminan’Andriamanitra maneran-tany. Mampahery ihany koa ny mahita lehilahy matotra ara-panahy hafa anisan’ny olona betsaka mandray andraikitra lehibe kokoa eo anivon’ny fandaminana izay tarihin’i Jehovah eto an-tany ankehitriny. Mihantitra izao ireo anisan’ny sisa voahosotra ary tsy afaka manatontosa asa betsaka toy ny taloha intsony. Ireo rahalahin’ilay Mpanjaka ireo dia mankasitraka ny fanampiana feno fitiavana avy amin’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa izay anisan’ny ondry hafa ary manana ireo toetra ara-panahy takina. Tsy ho ela intsony izao i Babylona Lehibe dia hesorina tsy ho eto an-tany intsony. Amin’izay, dia ho vita any an-danitra ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sy ny ampakariny, dia ireo 144 000 efa feno isa, araka ny asehon’ny Apokalypsy 19:1-8. Ireo ondry hafa, izay hahaforona tany vaovao eo ambany fitarihan’ny lanitra vaovao, dia hisolo tena ilay Mpanjaka amin’ny fanatanterahana asa fanorenana indray mahafinaritra mandra-pahatongan’ny tany manontolo ho paradisa misy mponina, ho fiderana an’i Jehovah. — Isaia 65:17; jereo Isaia 61:4-6.
15. Tombontsoa inona avy moa no antenain’ny vahoaka betsaka horaisina mandritra ny Fanjakana arivo taona?
15 Mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy, rehefa ho tafatsangana ireo maty voavotra, ireo anisan’ny olona betsaka izay ho tafita velona dia handray tombontsoa miavaka. Amin’izay izy ireo dia ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ilay Mpanjaka. Ny sasany amin’ireo zanakalahy ireo dia afaka ny hitana ny toeran’ny mpanapaka, toy ny naha-mpanapaka na andriana niandraikitra adidy samihafa an’ireo zanak’i Davida mpanjakaa. Izany dia mampahatsiahy antsika ny Salamo faha-45 izay natao ho fanomezam-boninahitra ilay “mpanjaka” voahosotr’i Jehovah.
16. Raha ny marina, iza moa no iresahan’ny Salamo faha-45, ary ahoana no ahafahantsika manaporofo izany?
16 Iza marina moa io mpanjaka resahin’ny Salamo faha-45 io? Tsy iza fa i Jesosy Kristy! Izany no miharihary ao amin’ny Hebreo 1:9, izay manonona ireto teny ao amin’ny Salamo 45:7 ireto: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.” I Jesosy Kristy nomem-boninahitra mihitsy àry no tena iantefan’ireto teny voarakitra ao amin’ny Salamo 45:16 ireto: “Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ny tany rehetra izy.”
17. Inona ary iza moa no heverin’i Jesosy Kristy Mpanjaka manokana?
17 Araka ny rariny àry fa mahaliana an’i Jesosy kokoa ny toerana hotanany amin’ny maha-Mpanjaka azy amin’ny hoavy noho ny fiainany tamin’ny lasa teto an-tany. Marina fa tsy hohadinoiny io lasa io, ary indrindra fa ireo razambeny olombelona izay voakasik’ilay fampanantenana nomen’i Jehovah, dia ny hitahy ireo fianakaviana rehetra amin’ny alalan’ny Taranak’i Abrahama. Ankehitriny, anefa, ny mahaliana azy voalohany indrindra dia ny fikasana ny amin’ny hoavy tsy ho ela naorin’i Jehovah Andriamanitra, Ilay nanendry azy ho mpanjaka. Ireo zanak’i Jesosy eto an-tany, indrindra fa ireo izay mahafeno ny fepetra takina mba hitanana ny toeran’ny mpanapaka eo ambany fitarihany, no hitana ny fiheverany indrindra — bebe kokoa noho ireo razambeny teto an-tany.
18. Araka ny fomba nandikany ny Salamo 45:16, amin’ny fomba ahoana moa no anasoritan’ny fandikan-teny sasantsasany fa hoheverin’i Jesosy kokoa noho ireo razambeny teto an-tany ireo ho zanany voatendry ho mpanapaka?
18 Ny fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa dia manipika fa ireo zanany lahy tonga mpanapaka dia hoheverin’i Jesosy bebe kokoa noho ireo razambeny. Amin’izao fomba izao no andikan’ny sasantsasany amin’izy ireo ny Salamo 45:16: “Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao; hatsanganao ho mpanapaka amin’ny tany rehetra izy ireo.” (andininy faha-17, Kat.). “Haka ny toeran’ny rainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka maneran-tany izy ireo.” (andininy faha-17, Osty). “Eo amin’ny toeran’ny rainao, dia zanaka no teraka ho anao: hataonao mpanapaka amin’ny tany rehetra izy ireo.” — Septante.
19. Andraikitra inona avy moa no iantsorohan’ny sasantsasany amin’ireo anisan’ny olona betsaka ao amin’ny kongregasiona, ary ho amin’ny toerana inona no mety hanendren’i Jesosy Kristy Mpanjaka azy ireo mandritra ny Fanjakany arivo taona?
19 Mahafaly antsika indrindra ny manana ireo mpanapaka ho avy ireo eo anivontsika dieny izao. Izy ireo dia anisan’ny ondry hafa izay mihaino ny feon’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry tsara dia tsara, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1935, taona nanazavana ny andalan-teny ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17 tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington. Ankehitriny dia misy an’arivony maro amin’ireo olona betsaka amin’ny ondry hafa ireo no loholona, na mpiandraikitra, ao amin’ireo kongregasiona maherin’ny 57 670 misy ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 212. Raha milamina hatrany miaraka amin’ny sisa amin’ireo rahalahin’i Kristy ara-panahy izay mbola eto an-tany ireny lehilahy ireny, dia tena afaka ny ho tonga zanaka natsangan’ilay Mpanjaka, dia i Jesosy Kristy, eto an-tany, mandritra ny Fanjakany arivo taona ao amin’ny tany vaovao nampanantenaina (2 Petera 3:13). Amin’ny maha-izany azy no mety hanendrena azy ireny ho mpanapaka ao amin’ilay tany vaovao.
20. a) Hanao ahoana moa ny fihetsik’ilay Mpanjaka eo anatrehan’ireo izay hotendreny ho mpanapaka eto ambonin’ny tany? b) Olona iza avy moa no horaisin’ny olona betsaka, ary fahafahana inona moa no hatolotra azy ireo?
20 Amim-pahafinaretana no haneken’ilay Mpanjaka, dia i Jesosy Kristy, ireo mpanapaka vao notendrena ireo, toy ny anekeny ankehitriny ny asa fiambenana tontosain’ny ondry hafa mahatoky sasany ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny vahoaka betsaka anisan’ny ondry hafa rehetra — na ny lehilahy na ny vehivavy — dia hanana ny tombontsoa tsara dia tsara handray ireo maty rehetra izay handre ny feon’i Jesosy, hatsangana ary hanana ny fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana eo amin’ny tany voadio sy voaova ho paradisa (Jaona 5:28, 29). Ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty hahazo tombontsoa lehibe dia lehibe ireo ny razamben’i Jesosy Kristy voavotra, olona be finoana izay vonona ny hanaporofo ny fifikarany tamin’i Jehovah Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana noho ny fanantenana ny hahazo “fitsanganana tsara lavitra”. (Hebreo 11:35.) Ny fanandratana azy ireo ho amin’ny fahatanterahan’olombelona mandritra ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjakany sady Mpanavotra azy anefa, dia ho fanombohana fotsiny. Raha milamina hatrany izy ireo eo ambany fanapahan’i Jehovah Andriamanitra mandritra ny fitsapana farany handalovan’ny taranak’olombelona tonga tanteraka amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taona, dia hampiseho fa mendrika ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ary hahaforona ny tapany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. — Matio 25:31-46; Apokalypsy 20:1 ka hatramin’ny 21:1.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo 2 Samoela 8:18, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy, misy fakàn-teny, tamin’ny 1984, fanamarihana.
Ahoana no havalinao?
◻ Fe-potoana inona moa no noferan’i Jehovah mba hitahiana ny taranak’olombelona rehetra?
◻ Fifandraisana manao ahoana misy eo amintsika samy isika moa no tsy maintsy arovantsika tanteraka mba hahatafitana velona amin’ny fahoriana lehibe?
◻ Midika ho inona moa ny ‘handovan’ny ondry ny fanjakana voavoatra ho azy hatrizay nanorenana izao tontolo izao?
◻ Mandritra ny Fanjakana arivo taona, tombontsoa inona avy moa no mety horaisin’ny olona betsaka?