“Inona no ho Famantarana ny Fanatrehanao”?
“Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — MATIO 24:3, NW.
1, 2. Inona no mampiseho fa liana amin’ny hoavy ny olona?
NY ANKAMAROAN’NY olona dia liana ny amin’ny hoavy. Toy izany ve ianao? Ao amin’ny bokiny hoe Future Shock, ny Profesora Alvin Toffler dia nanamarika “ny fitomboana izaitsizy tampoka teo amin’ireo fandaminana manokan-tena ho an’ny fianarana momba ny hoavy”. Nanampy teny toy izao izy: ‘Hitantsika ny fiforonan’ny fikambanana mitodika any amin’ny hoavy; ny fipoiran’ny gazety momba ny hoavy any Angletera, Frantsa, Italia sy Alemaina ary Etazonia; ny fielezan’ireo lesona momba ny filazana mialoha ny hoavy, any amin’ny oniversite.’ Namarana ny teniny toy izao i Toffler: “Mazava ho azy fa tsy misy na dia iray aza afaka ‘mahafantatra’ ny hoavy amin’ny heviny feno tanteraka.”
2 Ny boky Signs of Things to Come dia milaza hoe: “Ny chiromancie [fandinihana ireo tsipika amin’ny felatanana], ny fijerena baolina kristaly, ny fanandroana miorina amin’ny fandinihana ireo kintana, ny filalaovana tarot [karazana karatra], ny I Ching [boky fanandroana tatsinanana], dia samy fomba somary be kojakojany ihany, hanomezana hevitra antsika momba izay mety hotahirizin’ny hoavintsika manokana.” Kanefa toy izay hitodika any amin’ireo fomba fiasan’olombelona, dia tokony hitodika any amin’ny loharano voamarina iray kosa isika — dia i Jehovah.
3. Nahoana no mety ny hitodihana any amin’Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ny amin’ny hoavy?
3 Nilaza toy izao ilay Andriamanitra marina: “Araka izay noheveriko no hatao aminy, ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy”. (Isaia 14:24, 27; 42:9). Eny, i Jehovah dia afaka nampahafantatra ny olombelona momba izay hitranga, ka nampiasa olona matetika mba ho mpitondra teny. Nanoratra toy izao ny iray tamin’ireny mpaminany ireny: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — Amosa 3:7, 8; 2 Petera 1:20, 21.
4, 5. a) Nahoana i Jesosy no afaka manampy raha ny amin’ny hoavy? b) Fanontaniana nisy lafiny maro inona no nataon’ireo apostoliny?
4 I Jesosy Kristy no mpaminany lehibe indrindran’Andriamanitra. (Hebreo 1:1, 2). Aoka isika hifantoka amin’ny iray amin’ireo faminaniana fototr’i Jesosy izay milaza mialoha zavatra mitranga manodidina antsika ankehitriny. Io faminaniana io koa dia manolotra ho antsika fahitan-javatra ny amin’izay hitranga tsy ho ela rehefa hifarana itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ, ka hanolo azy amin’ny paradisa an-tany iray Andriamanitra.
5 Noporofoin’i Jesosy fa mpaminany izy. (Marka 6:4; Lioka 13:33; 24:19; Jaona 4:19; 6:14; 9:17). Noho izany, dia takatra mora foana ny antony nanontanian’ireo apostoliny azy toy izao mikasika ny hoavy, rehefa niara-nipetraka taminy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, nitazana an’i Jerosalema, izy ireo: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, NW; Marka 13:4.
6. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny Matio 24 sy ny Marka 13 ary ny Lioka 21; ary fanontaniana inona no mahaliana antsika fatratra?
6 Hahita izany fanontanian’izy ireo izany sy ny valin-tenin’i Jesosy ianao ao amin’ny Matio 24 toko faha-24 sy Marka 13 toko faha-13 ary Lioka 21 toko faha-21.a Amin’ny lafiny maro, dia mifameno ireo fitantarana ireo, fa tsy mitovy tanteraka. I Lioka ihany, ohatra, no miresaka momba ny “areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:10, 11; Matio 24:7; Marka 13:8). Araka ny fandrindran-kevitra, dia tokony hanontany isika hoe: Moa ve i Jesosy nilaza mialoha ny fisehoan-javatra nandritra ny androm-piainan’ireo mpihaino azy fotsiny, sa kosa izy nampiditra ny androntsika sy izay hoentin’ny hoavy ho antsika?
Naniry hahafantatra ireo apostoly
7. Inona indrindra no nanontanian’ireo apostoly, kanefa nahafaoka hatraiza ny valin-tenin’i Jesosy?
7 Andro vitsivitsy talohan’ny namonoana azy, dia nanambara i Jesosy fa efa nolavin’Andriamanitra i Jerosalema, renivohitry ny Jiosy. Horavana ilay tanàna sy ny tempoliny malaza. Ny sasany tamin’ireo apostoliny àry dia nangataka ‘famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 23:37–24:3, NW ). Tsy isalasalana fa tao an-tsain’izy ireo voalohany indrindra ny fandehan-javatra jiosy sy i Jerosalema, satria tsy takany ny halehiben’izay ho avy. Kanefa, tamin’ny famaliana azy ireo, i Jesosy dia nijery ny tany ambadika lavitr’izay nitranga mandra-pahatongan’ny taona 70 am.f.i. sy nandritra io taona io, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romana. — Lioka 19:11; Asan’ny Apostoly 1:6, 7.
8. Inona avy no fitrangan-javatra sasany izay nambaran’i Jesosy mialoha?
8 Araka izay azonao vakina ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara telo, i Jesosy dia niresaka momba ny firenena hamely firenena, ny fanjakana hamely fanjakana, ny mosary, ny horohoron-tany, fahitan-javatra mahatahotra, sy famantarana avy any an-danitra. Nandritra ireo taona teo anelanelan’ny nanomezan’i Jesosy izany famantarana izany (33 am.f.i.) sy ny fanafoanana an’i Jerosalema (66-70 am.f.i.), dia hisy mpaminany sandoka sy Kristy sandoka. Ireo Jiosy dia hanenjika ny Kristiana, izay nitory ny hafatr’i Jesosy.
9. Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?
9 Tena nitranga tokoa ireo lafiny amin’ilay famantarana ireo, araka ny hamarinin’i Flavius Josephus, mpanoratra tantara. Nanoratra izy fa, talohan’ny nanafihan’ny Romana mihitsy aza, dia efa nisy Mesia sandoka maro nioko hanao fikomiana. Nisy horohoron-tany nahatsiravina tany Jodia sy tany an-toeran-kafa. Nisy ady nipoaka tany amin’ny faritra samihafa tamin’ny Empira Romana. Nisy mosary lehibe ve? Eny tokoa. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:27-30.) Ahoana ny amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana? Tamin’ny taona 60 na 61 am.f.i., rehefa nosoratana ny bokin’ny Kolosiana, “ny fanantenana avy amin’ny filazantsara [“vaovao tsara”, NW ]” momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa re hatraiza hatraiza tany Afrika sy Azia ary Eoropa.b — Kolosiana 1:23.
“Avy Eo” ny farany
10. Nahoana isika no tokony handinika akaiky ilay teny grika hoe toʹte, ary inona no heviny?
10 Tamin’ny lafiny sasany, i Jesosy dia nampiseho ireo fisehoan-javatra ho toy ny nitranga nisesy. Hoy izy: “Hotorina (...) itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ (...) ary avy eo dia ho tonga ny farany.” Ireo Baiboly amin’ny fiteny anglisy matetika dia mampiasa ny hoe “avy eo” amin’ny heviny tsotra hoe “noho izany” na “kanefa”. (Marka 4:15, 17; 13:23). Ao amin’ny Matio 24:14 (NW ) anefa, ny hoe “avy eo” dia mifototra amin’ilay mpamaritra matoanteny grika hoe toʹte.c Ireo manam-pahaizana momba ny teny grika dia manazava fa ny hoe toʹte dia “mpamaritra matoanteny manondro, izay mifandray amin’ny fotoana” ampiasaina “mba hampidirana izay avy manaraka araka ny fotoana”, na “mba hampidirana fisehoan-javatra manaraka iray”. I Jesosy àry dia naminany fa hisy ny fitoriana ilay Fanjakana ary avy eo (‘aorian’izany’, na ‘manaraka izany’) dia ho tonga “ny farany”. Farany inona?
11. Ahoana no nifantohan’i Jesosy tamin’ireo fisehoan-javatra nifamatotra mivantana tamin’ny fandravana an’i Jerosalema?
11 Ny fahatanterahana iray amin’ny faminanian’i Jesosy dia hita ao amin’ireo fisehoan-javatra izay nitarika ho amin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. Ireo ady sy horohoron-tany sy mosary ary ny toy izany, izay nolazain’i Jesosy mialoha, dia nitranga nandritra ny vanim-potoana iray naharitra telopolo taona. Manomboka amin’ny Matio 24:15 sy Marka 13:14 ary Lioka 21:20 anefa isika dia mamaky momba ireo fisehoan-javatra izay nifamatotra mivantana tamin’ny fandravana nitatao, rehefa mby teo am-baravarana ny farany. — Mariho ilay tsipika mitapatapaka tokana eo amin’ny tabilao.
12. Ahoana no nahatafiditra ny tafika romana tao amin’ny fahatanterahan’ny Matio 24:15?
12 Ho valin’ny fikomian’ny Jiosy tamin’ny taona 66 am.f.i., dia nanatona hanafika an’i Jerosalema ireo Romana notarihin’i Cestius Gallus, ka nanodidina io tanàna noheverin’ny Jiosy ho masina io. (Matio 5:35). Na dia teo aza ny valim-panafihan’ny Jiosy, dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna ny Romana. Tamin’izany no nanombohan’izy ireo ‘nitsangana teo amin’izay fitoerana masina’, araka ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:15 sy Marka 13:14. Avy eo dia nisy fitrangan-javatra iray nahagaga. Na dia efa nanodidina ilay tanàna aza ny Romana, dia nisintona tampoka izy ireo. Avy hatrany ireo Kristiana dia nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy, ary ilay fisintonan’ny Romana dia namela azy ireo handositra an’i Jodia nankany amin’ireo tendrombohitra tany ampitan’i Jordana. Milaza ny tantara fa nanao izany izy ireo.
13. Nahoana ny Kristiana no afaka nanaraka ilay fampitandreman’i Jesosy mba handositra?
13 Raha nisintona niala avy teo amin’ny manodidina an’i Jerosalema anefa ireo Romana, nahoana no nilaina ny fandosirana? Nasehon’ireo tenin’i Jesosy fa izay nitranga dia nanaporofo fa ‘efa mby akaiky ny fanafoanana an’i Jerosalema’. (Lioka 21:20, NW ). Eny, fanafoanana. Nilaza mialoha i Jesosy fa hisy ‘fahoriana izay mbola tsy nisy toa azy hatrany am-boalohany, sady tsy hisy intsony’. Telo taona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny taona 70 am.f.i., dia tena nahita “fahoriana lehibe” marina i Jerosalema avy tamin’ireo tafika romana notarihin’ny Jeneraly Titus. (Matio 24:21, NW; Marka 13:19). Nahoana anefa i Jesosy no nilazalaza io fahoriana io ho lehibe kokoa noho izay nisy talohany na nisy hatramin’izay?
14. Nahoana isika no afaka milaza fa izay nitranga tamin’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.f.i. dia “fahoriana lehibe” mbola tsy nisy toy izany talohany na hatramin’izay?
14 I Jerosalema dia nolevonin’ny Babyloniana tamin’ny taona 607 al.f.i., ary nahita ady nahatsiravina io tanàna io tao amin’izao taonjato misy antsika izao. Kanefa izay nitranga tamin’ny taona 70 am.f.i., dia tsy nanam-paharoa tamin’ny naha-fahoriana lehibe azy. Tao anatin’ny fanafihana naharitra dimy volana teo ho eo, ireo mpiadin’i Titus dia nandresy ny Jiosy. Namono teo amin’ny 1 100 000 taminy izy ireo, ary naka efa ho 100 000 ho babo. Ankoatra izany, dia nandrava an’i Jerosalema ireo Romana. Izany dia nanaporofo fa nifarana tamin’ny fomba raikitra ilay fandehan-javatra jiosy nisy ny fanompoam-pivavahana niorina tamin’ny tempoly, izay nekena taloha. (Hebreo 1:2). Eny, ireo fisehoan-javatra tamin’ny taona 70 am.f.i. dia azo heverina ara-drariny ho ‘fahoriana izay mbola tsy nisy toa azy [tao amin’io tanàna sy firenena ary fandehan-javatra io] hatrizay niandohan’izao tontolo izao, sady tsy hisy intsony’. — Matio 24:21.d
Bebe kokoa no tsy maintsy hanaraka, araka ny voambaran’ny faminaniana
15. a) Karazana fitrangan-javatra inona avy no nambaran’i Jesosy mialoha fa ho avy aorian’ilay fahoriana nanjo an’i Jerosalema? b) Raha heverina amin’ny Matio 24:23-28, dia inona no tsy maintsy tsoahintsika mikasika ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy?
15 Kanefa i Jesosy dia tsy nametra ny faminaniany ho amin’ilay fahoriana tamin’ny taonjato voalohany. Asehon’ny Baiboly fa nisy zavatra be dia be tsy maintsy hanaraka iny fahoriana iny, araka ny hevitra atsipin’ny fampiasana ny hoe toʹte, na “avy eo”, ao amin’ny Matio 24:23 (NW ) sy Marka 13:21 (NW ). Inona no hitranga ao amin’ilay vanim-potoana nanaraka ny taona 70 am.f.i.? Aorian’ilay fahoriana nanjo ny fandehan-javatra jiosy, dia hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka maro kokoa hipoitra. (Ampitahao ny Marka 13:6 sy ny 13:21-23.) Ny tantara dia manamarina fa nisy olona maro toy izany nipoitra tao anatin’ireo taonjato nanomboka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., na dia tsy nahavita namitaka ireo olona izay manana fahitana ara-panahy maranitra sy mitady marina ny “fanatrehan’i Kristy”, aza izy ireo. (Matio 24:27, 28, NW ). Na dia izany aza, ireo fitrangan-javatra taorian’ny fahoriana lehibe tamin’ny taona 70 am.f.i. ireo dia mahaforona filazana iray fa i Jesosy dia nijery tany ambadik’iny fahoriana iny, izay fahatanterahana voalohany fotsiny.
16. Manampy lafiny inona amin’ny faminanian’i Jesosy ny Lioka 21:24, ary inona no hevitr’izany?
16 Raha mampitaha ny Matio 24:15-28 sy ny Marka 13:14-23 amin’ny Lioka 21:20-24 isika, dia hahita filazana faharoa fa ny faminanian’i Jesosy dia nahatratra hatratỳ ambadiky ny fandravana an’i Jerosalema. Tsarovy fa i Lioka irery no nanonona ireo areti-mandringana. Toy izany koa fa izy irery no namarana io tapany io tamin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.”e (Lioka 21:24). Nanaisotra ny mpanjaka farany teo amin’ny Jiosy ny Babyloniana tamin’ny taona 607 al.f.i., ary taorian’izay, i Jerosalema, izay nampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra, dia nohitsahina. (2 Mpanjaka 25:1-26; 1 Tantara 29:23; Ezekiela 21:30-32). Ao amin’ny Lioka 21:24, i Jesosy dia nilaza fa ilay tarehin-javatra dia haharitra hatrany amin’ny hoavy mandra-pahatongan’ny fotoana hanorenan’Andriamanitra Fanjakana iray indray.
17. Filazana fahatelo inona no ananantsika fa ny faminanian’i Jesosy dia tsy maintsy hahatratra ny hoavy mbola lavitra?
17 Intỳ misy filazana fahatelo izay anondroan’i Jesosy koa fahatanterahana iray mbola lavitra: Araka ny Soratra Masina, ny Mesia dia tokony ho faty sy hatsangana amin’ny maty, ary amin’izay dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy mandra-paniraky ny Rainy azy hanapaka. (Salamo 110:1, 2). I Jesosy dia niresaka tsy nivantana ny amin’ny hipetrahany eo an-tanana ankavanan’ny Rainy. (Marka 14:62). Nanamarina ny apostoly Paoly fa i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty dia teo an-tanana ankavanan’i Jehovah niandry ny fotoana hahatongavany ho Mpanjaka sy ho Mpanatanteraka ny Didim-pitsaran’Andriamanitra. — Romana 8:34; Kolosiana 3:1; Hebreo 10:12, 13.
18, 19. Inona no ifandraisan’ny Apokalypsy 6:2-8 amin’ilay faminaniana mifanitsy aminy ao amin’ireo Filazantsara?
18 Mba hahazoana filazana fahefatra sady mampiaiky fa ny faminanian’i Jesosy momba ny fifaranan’ny fandehan-javatra dia mihatra hatratỳ aorian’ny taonjato voalohany, dia afaka manokatra ny Apokalypsy 6 toko faha-6, isika. Raha nanoratra am-polony taona maromaro taorian’ny taona 70 am.f.i. ny apostoly Jaona, dia nilazalaza sary mahery iray misy mpitaingin-tsoavaly eo am-panaovan-javatra. (Apokalypsy 6:2-8). Io sary ara-paminaniana ny amin’ny “Andron’ny Tompo” io — ny andron’ny fanatrehany — dia mampahafantatra ny taonjato faha-20 misy antsika ho fotoana iray hisian’ny ady miavaka (Ap 6:4 andininy faha-4) sy mosary mihanaka (Ap 6:5, 6 andininy faha-5 sy faha-6) ary “areti-mahafaty” (Ap 6:8 andininy faha-8, NW ). Mazava fa izany dia mifanitsy amin’izay nolazain’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara ary manaporofo fa ilay faminaniany dia manana fahatanterahana lehibe kokoa amin’izao ‘andron’ny Tompo’ izao. — Apokalypsy 1:10.
19 Ireo olona mahafanta-javatra dia manaiky fa ilay famantarana maro loha voalaza mialoha ao amin’ny Matio 24:7-14 sy ny Apokalypsy 6:2-8 dia niharihary hatramin’ny nipoahan’ny ady lehibe tamin’ny 1914. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanambara naneran-tany fa ny faminanian’i Jesosy amin’izao fotoana izao dia manana ny fahatanterahany faharoa sady lehibe kokoa, araka ny porofoin’ireo ady mampiseho habibiana, ireo horohoron-tany mandrava sy ireo mosary mandoza, ary ireo aretina mihanaka. Mikasika io hevitra farany io dia hoy ny U.S.News & World Report (27 Jolay 1992): “Ny areti-mandringana SIDA (...) dia mandefa ireo olona voany an-tapitrisany maro any amin’ny fahafatesany, ary tsy ho ela dia mety hanjary ny areti-mahafaty handaniana be indrindra sy mandoza indrindra nisy teo amin’ny tantara. Ny Peste Noire dia namono olona nijaly 25 tapitrisa tamin’ny taonjato faha-14. Kanefa rehefa tonga ny taona 2000, dia olona 30 ka hatramin’ny 110 tapitrisa no ho voan’ny VIH, ilay virosy miteraka ny SIDA. Sahabo ho 12 tapitrisa amin’izao fotoana izao no voan’izany. Tsy misy fanafodiny, hany ka miatrika fahafatesana azo antoka izy rehetra ireo.”
20. Mahafaoka inona ny fahatanterahana voalohan’ny Matio 24:4-22, kanefa fahatanterahany hafa inona no mazava?
20 Inona àry no tokony ho famaranan-tenintsika momba ny valin-tenin’i Jesosy tamin’ny zavatra nanontanian’ireo apostoly? Ny faminaniany dia nilaza mialoha tamin’ny fomba marina, zavatra izay nitarika hatramin’ny fandringanana an’i Jerosalema sady nahafaoka azy io. Ny faminaniany koa dia nanonona zavatra sasany izay hiseho taorian’ny taona 70 am.f.i. Kanefa ny ankamaroan’izany dia tokony hanana fahatanterahany faharoa sy lehibe kokoa amin’ny hoavy, ka hitarika ho amin’ny fahoriana lehibe izay hamarana itỳ fandehan-javatra ratsy ankehitriny itỳ. Izany dia midika fa ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:4-22 sy ireo mifanitsy aminy ao amin’ny Marka sy Lioka, dia tanteraka nanomboka tamin’ny taona 33 am.f.i. ka hatramin’ilay fahoriana tamin’ny taona 70 am.f.i. Kanefa ireo andinin-teny ireo ihany dia hanana fahatanterahana faharoa, izay hahafaoka fahoriana iray lehibe lavitra amin’ny hoavy. Io fahatanterahana lehibe kokoa io dia eo amintsika ankehitriny; afaka mahita izany isan’andro isika.f
Mitarika ho amin’inona?
21, 22. Aiza isika no mahita filazana ara-paminaniana fa misy fitrangan-javatra fanampiny tokony ho avy?
21 I Jesosy dia tsy namarana ny faminaniany tamin’ny fanononana ireo mpaminany sandoka izay hanao asa mamitaka mandritra ny fotoana ela alohan’ny ‘hahatanterahan’ny andron’ny jentilisa’. (Lioka 21:24; Matio 24:23-26; Marka 13:21-23). Nanohy ny teniny izy tamin’ny filazana zavatra manaitra hafa hitranga, zavatra ho hita hanerana ny tany. Izany dia mifandray amin’ny fahatongavan’ny Zanak’olona amin’ny hery sy ny voninahitra. Ny Marka 13:24-27 dia mampiseho tsara ny tohin’ny faminaniany:
22 “Fa amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ny lanitra. Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. Ary amin’izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.”
23. Nahoana isika no afaka mitady ny fahatanterahan’ny Matio 24:29-31 atỳ aoriana ben’ny taonjato voalohany am.f.i.?
23 Ilay Zanak’olona, i Jesosy Kristy tafatsangana amin’ny maty, dia tsy tonga tamin’izany fomba feno fisehosehoana izany taorian’ny farany nandravana ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny taona 70 am.f.i. Azo antoka fa ny foko rehetra tamin’ny tany dia tsy nanaiky azy, araka ny marihin’ny Matio 24:30, sady tsy nanangona ireo Kristiana voahosotra avy tamin’ny tany rehetra ireo anjely any an-danitra tamin’izay. Rahoviana àry no ho tanteraka io tapany fanampiny amin’ny faminaniana mahatahotr’i Jesosy io? Moa ve izy io mahita fahatanterahana ao amin’izay mitranga manodidina antsika ankehitriny, sa kosa izy io manome fahitan-javatra avy amin’Andriamanitra momba ireo zavatra izay azontsika ampoizina amin’ny hoavy tsy ho ela? Azo antoka fa tokony haniry hahafantatra izany isika satria i Lioka dia nitana an-tsoratra ilay fananaran’i Jesosy hoe: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Azo jerena eo amin’ny tabilao ao amin’ny pejy faha-14 sy faha-15 ny tapany amin’ireo toko ireo; misy tsipika mitapatapaka manamarika ireo tapany mifanitsy.
b Mba hahazoana teny nalaina ara-tantara ny amin’ireo fisehoan-javatra ireo, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1970, pejy faha-493-495.
c Ny hoe toʹte dia miseho maherin’ny in-80 ao amin’ny Matio (in-9 ao amin’ny Mt 24toko faha-24), ary in-15 ao amin’ny bokin’i Lioka. I Marka dia nampiasa ny hoe toʹte inenina monja, kanefa ny efatra amin’izany dia nahatafiditra “ny famantarana”.
d Nanazava toy izao ilay mpanoratra anglisy atao hoe Matthew Henry: “Ny fandringanan’ny Kaldeana an’i Jerosalema dia nahatsiravina aoka izany, kanefa itỳ iray itỳ dia nihoatra azy io. Norahonan’ny fandripahana tanteraka (...) ny Jiosy rehetra tamin’io.”
e Olona maro no mahita ao amin’ny fitantaran’i Lioka, fifindran’ny zavatra nantitranterina aorian’ny Lioka 21:24. Ny Dr. Leon Morris dia nanamarika toy izao: “Manohy miresaka ny amin’ny andron’ny Jentilisa i Jesosy. (...) Araka ny hevitry ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana dia mifindra mankamin’ny fiavian’ny Zanak’olona izao ny saina.” Nanoratra toy izao ny Profesora R. Ginns: “Ny Fiavian’ny Zanak’olona — (Mt. 24:29-31; Mk. 13:24-27). Ny fanisiana fitenenana ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’ dia manome fampidiran-dresaka ho amin’io loha hevitra io; ny fahatsinjovana [ny an’i Lioka] izao dia lasa any ankoatra ny faharavan’i Jerosalema mankany amin’ny hoavy.”
f Nanoratra toy izao ny Profesora Walter L. Liefeld: “Azo antoka fa azo atao ny mihevitra fa ireo filazana mialoha nataon’i Jesosy dia nanakambana fisehoan-javatra roa ho iray: 1) ireo fisehoan-javatra tamin’ny taona 70 A.D. izay nahatafiditra ny tempoly ary 2) ireo izay hitranga amin’ny hoavy mbola lavitra, voalazalaza amin’ny teny ara-paminaniana kokoa.” Hoy ny fanazavana navoakan’i J. R. Dummelow: “Maro amin’ireo zava-manahirana lehibe indrindra amin’itỳ lahatsoratra lehibe itỳ no manjavona rehefa takatra fa, ao amin’izy io, ny Tompontsika dia tsy nanisy fitenenana ny amin’ny fisehoan-javatra iray fa roa, ary ny voalohany dia tandindon’ilay faharoa. (...) [Ny Lioka] 21:24 indrindra, izay miresaka ny amin’ny ‘andron’ny Jentilisa’, (...) dia mametraka elanelany tsy voafetra eo amin’ny fianjeran’i Jerosalema sy ny faran’izao tontolo izao.”
Tadidinao Ve?
◻ Ilay valin-tenin’i Jesosy tamin’ilay fanontaniana ao amin’ny Matio 24:3 dia nanana fahatanterahany inona hatramin’ny taona 70 am.f.i.?
◻ Amin’ny ahoana ny fampiasana ilay teny hoe toʹte no manampy antsika hahatakatra ny hevitry ny faminanian’i Jesosy?
◻ Amin’ny heviny ahoana no hoe nisy “fahoriana lehibe” izay mbola tsy nisy toy izany talohan’izay, tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Inona avy ireo lafiny manokana roa amin’ny faminanian’i Jesosy izay mahatafiditra antsika ankehitriny, asian’i Lioka fitenenana?
◻ Filazana inona avy no manondro fahatanterahana faharoa sy lehibe kokoa an’ilay faminaniana ao amin’ny Matio 24:4-22?
[Tabilao, pejy 14, 15]
4 “Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 5 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. 6 Ary handre ady sy filazana ady hianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
7 “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. 8 Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.
9 “[Avy eo, NW ] dia hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako. 10 [Avy eo koa, NW ] dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy. 11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. 12 Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. 13 Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. 14 Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
15 “Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izay fitoerana masina ‘ny fahavetavetan’ny fandravana,’ izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany), 16 [amin’izay, NW ] dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra; 17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony; 18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 19 Ary lozan’ny bevohoka sy ny mampinono amin’ireo andro ireo! 20 Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina na ho amin’ny Sabata no handosiranareo. 21 Fa [avy eo, NW ] dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. 22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
23 “[Avy eo, NW ] raha misy manao aminareo hoe: Indro, atỳ Kristy, na: Indro, arỳ; aza mino hianareo. 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. 25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany. 26 Ary amin’izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an’efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin’ny efi-trano Izy, aza mino. 27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona. 28 Fa izay itoeran’ny faty, dia any no hiangonan’ny voromahery.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
29 “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. 30 Ary [avy eo, NW ] dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, [ary avy eo, NW ] dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. 31 Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.”
5 “Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin’ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady hianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
8 “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ny fahoriana.
9 “Fa mitandrema hianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko hianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
14 “Fa raha hitanareo mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’ (aoka hisaina izay mamaky izany), [amin’izay, NW ] dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. 15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. 16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 17 Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! 18 Fa mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ny ririnina izany. 19 Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
21 “[Avy eo, koa, NW ] raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino hianareo. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany. 23 Fa mitandrema kosa hianareo; indro, efa voalazako taminareo rahateo ny zavatra rehetra.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
24 “Fa amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ny lanitra. 26 Ary amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary amin’izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.”
8 “Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka hianareo; fa maro no ho avy amin’ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. 9 Ary raha handre ady sy tabataba hianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’izay ny farany.
10 “[Avy eo dia, NW ] hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. 11 Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe any an-danitra.
12 “Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny synagoga sy ao an-trano-maizina, ka ho entina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hianareo noho ny anarako. 13 Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany. 14 Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo; 15 fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. 16 Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza hianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny. 17 Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako. 18 Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza. 19 Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
20 “Ary raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, [amin’izay, NW ] dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. 21 [Amin’izay, NW ] izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22 Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23 Fa lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ny tany ary fahatezerana amin’ity firenena ity. 24 Dia ho ringana amin’ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ny firenena rehetra,
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
ary Jerosalema hohitsahin’ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ny jentilisa.
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
- - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - - -
25 “Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. 27 Ary [avy eo, NW ] dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. 28 Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.”
[Sary, pejy 10]
Ilay fahoriana tamin’ny taona 70 am.f.i. no lehibe indrindra hitan’i Jerosalema sy ny fandehan-javatra jiosy