-
Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny BaibolyNy Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Aprily
-
-
Telo volana taorian’izay, dia nianatsimo i Cestius Gallus, governora romanina tany Syria. Nitondra miaramila 30 000 izy, mba hampandry tany. Tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo no tonga tao Jerosalema ilay tafika, ary vetivety dia tafiditra tany amin’ireo tanàna manodidina. Vitsy ireo Jiosy mpikomy, ka niafina tao an-tokotanin’ny tempoly voahodidina manda. Noravan’ny miaramila romanina tsikelikely anefa ilay manda. Tsiravina sady raiki-tahotra ny Jiosy noho izany! Tsy nampino mantsy hoe miaramila mpanompo sampy no nanimbazimba ny toerana masina indrindra tamin’ny Fivavahana Jiosy! Ireo Kristianina tao an-tanàna kosa nahatsiaro ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Raha vantany vao hitanareo mitsangana ao amin’ny toerana masina ilay zavatra maharikoriko, dia aoka izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra.’ (Matio 24:15, 16) Hino ny tenin’i Jesosy àry ve izy ireo, ka hankatò azy? Niankina tamin’izany mantsy ny hahavoavonjy ny ain’izy ireo. Ahoana anefa no fomba handosirany?
Niala tampoka tao Jerosalema i Cestius Gallus sy ny tafiny, nefa tsy fantatra ny antony. Nankany amoron-tsiraka izy ireo, ary nenjehin’ny Jiosy mpikomy. Nahagaga fa lasa tampoka teo ilay fahoriana nandrahona an’ilay tanàna! Nanaporofo ny finoany ny tenin’i Jesosy anefa ireo Kristianina, ka nandositra nankany Pela, tanàna tsy nisy ady. Any an-tendrombohitra izy io, any ampitan’ny Reniranon’i Jordana. Nety tsara ny fotoana nandosiran’izy ireo. Vetivety mantsy dia tafaverina tao Jerosalema ireo Jiosy mpikomy, ary notereny hiara-mikomy taminy ny olona tavela tao an-tanàna.a Tsy notandindomin-doza intsony ireo Kristianina rehefa tonga tany Pela. Tany izy ireo no niandry izay hitranga.
-
-
Mamonjy Aina ny Finoana ny Faminanian’ny BaibolyNy Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Aprily
-
-
a Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa nanenjika ny Romanina nandritra ny fito andro ireo Jiosy mpikomy, ary niverina tao Jerosalema.
-