Ataovy Izay Hahombiazan’ny Fiainanareo!
“Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy (...). [Izay rehetra ataony dia hahomby avokoa, NW ].” — SALAMO 1:1, 3.
1. a) Ahoana no fiheveran’ny tanora maro eo amin’izao tontolo izao ny atao hoe fahombiazana? b) Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny olona mahomby?
FAHOMBIAZANA — inona no hevitr’io teny io ho anao? “Ny zava-kendreko lehibe indrindra dia ny hahomby amin’ny fandraharahana”, hoy ny tovolahy iray. Hoy kosa ny tovovavy iray: “Ny nofinofiko lehibe indrindra dia ny hanana tokantrano sambatra.” Hoy anefa ny tovovavy hafa iray: “Izao fotsiny ny nofinofiko: ny hanana trano tsara iray sy fiara tsara iray (...). Ny tenako ihany no fantatro.” Izao anefa no olana: tsy ny vola na ny tokantrano na ny asa ahazoam-bola be akory aza no anombanana ny atao hoe tena fahombiazana. Izao no vakintsika ao amin’ny Salamo 1:1-3: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, (...) ny lalàn’i Jehovah no sitrany (...). [Izay rehetra ataony dia hahomby avokoa, NW ].”
2. Aiza no ahitana ny tena fahombiazana, ary inona no hany fomba hahitana izany?
2 Eto ny Baiboly dia mampanantena zavatra tsy azon’olona na iza na iza atolotra, dia ny fahombiazana marina! Tsy miresaka ny amin’ny tombony ara-bola anefa ny Baiboly. Izao mantsy no fampitandremany: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”. (1 Timoty 6:10). Ny fampifaliana an’Andriamanitra, tafiditra amin’izany ny fanarahana ny lalàny, no ahitana ny tena fahombiazana. Izany ihany no mitondra ny tena fahafaham-po sy ny fahasambarana marina! Angamba toa tsy manintona anao izany hoe eo ambanin’ny lalàn’i Jehovah sy ilazana izay tokony hataonao izany. Nilaza toy izao anefa i Jesosy: “Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”. (Matio 5:3, NW ). Na takatrao izany na tsia, dia noforonina hila zavatra ara-panahy ianao, anisan’izany ny filana latsa-paka lalina ny hahafantatra an’Andriamanitra sy ny hahatakatra hoe inona no fikasany. Noho izany, dia tsy afaka ny hahita ny tena fahasambarana ianao, raha tsy manome fahafaham-po io filana io ka manaraka ny “lalàn’i Jehovah”.
Ny antony ilantsika ny lalàn’Andriamanitra
3. Nahoana isika no tokony ho faly hamela an’i Jehovah ‘hahalavorary ny diantsika’?
3 Izao no nosoratan’i Jeremia mpaminany: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Marina izany ny amin’ny olombelona rehetra, na antitra na tanora. Tsy vitan’ny hoe tsy ampy fahendrena sy tsy za-draharaha ary tsy ampy fahalalana mba hahalavorary ny diantsika isika, fa tsy manan-jo hanao izany tsotra izao koa. Hoy ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” I Jehovah no “loharanon’aina”, noho izy Mpamorona antsika. (Salamo 36:9). Noho izany, dia mahafantatra tsara kokoa noho ny olon-kafa rehetra ny amin’ny fomba tokony hampiasantsika ny fiainantsika izy. Koa nanao lalàna àry izy, tsy hoe mba hanesorana amintsika ny fifaliana, fa mba hanampiana antsika hahita soa. (Isaia 48:17). Odio tsy fantatra ange ny lalàn’Andriamanitra e, dia tsy hahita fahombiazana mihitsy ianao.
4. Nahoana ny tanora maro aoka izany no manimba ny fiainany?
4 Ohatra, efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny tanora maro aoka izany no manimba ny fiainany amin’ny zava-mahadomelina sy ny fijangajangana ary ny faharatsiam-pitondran-tena hafa? Izao no fanazavan’ny Salamo 36:1, 2: “Ny ota milaza ato am-poko ny amin’ny ratsy fanahy hoe: Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra ao aminy. Fa miarahaba tena izy ny amin’ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.” Koa satria tsy manana “fahatahorana an’Andriamanitra” mahasoa, ny tanora maro, dia mamita-tena izy ireo amin’ny fiheverana fa tsy hisy vokany ny fitondran-tena misangy loza. Tsy maintsy hiatrika izao foto-pitsipika tsy miova izao anefa izy ireo, amin’ny farany: “Izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.” — Galatiana 6:7, 8.
‘Fanisana ny andro’
5, 6. a) Nahoana ny tanora no tokony ‘hanisa ny androny’, ary inona no hevitr’izany? b) Inona no hevitry ny hoe ‘mahatsiaro ny Mpanao antsika’?
5 Ahoana no ahafahanao manao izay hahombiazan’ny fiainanao ka ‘hijinjanao fiainana mandrakizay’? Izao no nosoratan’i Mosesy: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.” (Salamo 90:10). Mety ho mahalana vao mieritreritra ny amin’ny fahafatesana ianao, raha hieritreritra aza. Raha ny marina, dia tanora maro no mitondra tena toy ny hoe tsy ho faty mihitsy izy ireo. Isika anefa dia ampifanatrehin’i Mosesy amin’ilay zava-misy mahaketraka hoe fohy ny fiainana. Tsy misy antoka akory raha ho velona 70 na 80 taona isika, na tsia. “Ny fotoana sy ny sampona” dia mety hijinja hatramin’ny ain’ireo tanora sy tomady aza. (Mpitoriteny 9:11). Ahoana àry no hampiasanao ilay fiainana sarobidy anananao ankehitriny? Izao no vavaka nataon’i Mosesy: “Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry.” — Salamo 90:12.
6 Inona no hevitry ny hoe manisa ny andronao? Tsy midika akory izany hoe tokony hibahana ao an-tsainao ny hoe mety haharitra hafiriana ny hahavelomanao. Nivavaka i Mosesy mba hampianaran’i Jehovah ny olony ny fomba hampiasana ny andro sisa hiainan’izy ireo, ho fanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Moa ve ianao manisa ireo andron’ny fiainanao, izany hoe mihevitra ny andro tsirairay ho sarobidy, izay tokony hampiasaina mba hiderana an’Andriamanitra? Mampirisika ny tanora toy izao ny Baiboly: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana. Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao”. (Mpitoriteny 11:10–12:1). Tsy midika fotsiny hoe tsy manadino ny fisian’ny Mpamorona antsika ny hoe mahatsiaro azy. Niangavy an’i Jesosy toy izao ny mpanao heloka bevava iray: “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.” Tsy ny hahatsiarovan’i Jesosy ny anarany fotsiny no zavatra niriny, fa ny hanaovan’i Jesosy zavatra, dia ny hanangana azy amin’ny maty! (Lioka 23:42; ampitahao amin’ny Genesisy 40:14, 23; Joba 14:13.) Toy izany koa fa tafiditra amin’ny fahatsiarovana an’i Jehovah ny fanaovan-javatra, dia ny fampifaliana azy. Azo lazaina hoe mahatsiaro an’i Jehovah ve ianao?
Halaviro ny fialonana ny mpanao ratsy
7. Nahoana ny tanora sasany no mifidy ny hanadino ny Mpamorona azy? Manomeza ohatra.
7 Tanora maro no mifidy ny hanadino an’i Jehovah, satria heverin’izy ireo ho be fameperana loatra ny fahatongavana ho Vavolombelony. Tsaroan’ny rahalahy iray any Espaina toy izao izay tsapany fony izy zatovo: “Voasintona ho amin’izao tontolo izao aho, satria toa sarotra sy henjana ny fahamarinana. Izy io dia nidika hoe mipetraka, mianatra, mankany am-pivoriana, manao karavato; tsy tiako ny nanao ireo zavatra ireo.” Mahatsapa ho maty antoka ve ianao indraindray, satria manompo an’Andriamanitra? Angamba ho gaga ianao hahafantatra fa nahatsapa toy izany mihitsy koa ny iray tamin’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly. Sokafy ange ny Baibolinao e, ary vakio ny Salamo faha-73.
8. Nahoana i Asafa no “nialona ny mpirehareha”?
8 Andeha hodinihintsika ny tsipiriany sasany ao amin’io salamo io. Hoy ny andininy faha-2 sy faha-3: “Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, satria nialoha ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” Nosoratan’i Asafa io salamo io, araka ilay teny mampiditra azy io. Levita mpitendry zavamaneno, izay niara-belona tamin’i Davida Mpanjaka, i Asafa. (1 Tantara 25:1, 2; 2 Tantara 29:30). Na dia nanana tombontsoa tsara dia tsara nanompo tao amin’ny tempolin’Andriamanitra aza i Asafa, dia nanjary “nialona” ireo olona nirehareha ny amin’ny fandikany lalàna, izy. Toa nandeha tsara ny zava-drehetra ho an’ireny olona ireny; toa nahita fiadanana sy filaminana izy ireny. Raha ny marina, dia ‘[nihoatra, NW ] ny hevitry ny fon’izy ireny’, ireo toa fahombiazany. (Andininy faha-5, 7). “Avo vava” izy ireny rehefa niresaka ny amin’ny zava-bitany, izany hoe nizahozaho erỳ. (Andininy faha-8). ‘Nanao vava nanakatra ny lanitra izy ireny, ary ny lelany nandeha nitety ny tany’, tsy nanaja na iza na iza, na ny tany an-danitra na ny teto an-tany. — Andininy faha-9.
9. Tamin’ny ahoana ny tanora kristianina sasany ankehitriny no nety hanjary hitovy fihetseham-po amin’i Asafa?
9 Angamba azo lazaina ho toy izany koa ny mpiara-mianatra aminao any an-tsekoly. Mety ho renao izy ireo mirehareha tsy amin-kenatra ny amin’ny fahasahisahiany manao firaisana, ny fikoranany tsy voafehy, sy ny fanaranam-pony amin’ny zava-pisotro misy alkaola sy ny zava-mahadomelina. Rehefa mampitaha ilay fiainany lazaina fa feno fahafinaretana sy ilay lalana tery tsy maintsy andehananao amin’ny maha Kristianina anao ianao, dia mety hahatsapa ho ‘mialona ny mpirehareha’ indraindray. (Matio 7:13, 14). Tonga hatramin’ny filazana toy izao mihitsy aza i Asafa: “Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasako ny tànako tamin’ny fahamarinana. Azom-pahoriana mandritra ny andro aho”. (Andininy faha-13, 14). Eny, nanomboka nisalasala ny amin’ny hasarobidin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fananana fiainana mahitsy, izy.
10, 11. a) Inona no nahatonga an’i Asafa hiova fihetsika? b) Amin’ny ahoana ny mpanao ratsy no “eo amin’izay mahasolafaka”? Manomeza ohatra.
10 Soa ihany fa tsy naharitra ela izany fahaketrahan’i Asafa izany. Vetivety dia nanjary takany, fa tsy inona akory ilay toa fiadanan’ny ratsy fanahy, fa sarintsarim-piadanana fotsiny, ary mihelina koa amin’izay! Hoy ny fihiakany: “Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy. Hià! rava indray mipì-maso izy! Levona izy, matin-java-mahatahotra izy!” (Andininy faha-18, 19). Maro amin’ireo tanora toa anao no “eo amin’izay mahasolafaka” toy izany koa. Na ho ela na ho haingana, dia hanody azy ireo ny fitondran-tenany tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra, ka ny vokany angamba dia fananana anaka tsy nirina, aretina azo avy amin’ny firaisana, eny, fampidirana am-ponja na fahafatesana mihitsy aza! Ny mbola ratsy kokoa, dia tafasaraka amin’Andriamanitra izy ireo. — Jakoba 4:4.
11 Ny tenan’ny tanora Vavolombelona iray any Espaina mihitsy no nahatakatra fa marina izany. Fony izy tanora, dia nanana fiainana roa sosona, satria niaraka be tamin’ny andian-jatovo iray tsy natahotra an’Andriamanitra, izy. Tsy ela izy dia nanjary raiki-pitia tamin’ny iray tamin’ireo zatovo ireo, izay mpidoroka zava-mahadomelina. Na dia tsy nanendry zava-mahadomelina aza ilay anabavy, dia nividy zava-mahadomelina ho an’ilay ankizilahy. “Nanampy azy hitsindrona ilay zava-mahadomelina mihitsy aza aho”, hoy ny fiekeny. Soa ihany fa nampiana io anabavy io, ka nanjary tonga saina ary tafaverina tamin’ny fahasalamany ara-panahy. Akory anefa ny hatairany rehefa nahafantatra, elaela tatỳ aoriana, fa matin’ny SIDA ilay ankizilahy niarahany, izay nampiasa zava-mahadomelina. Eny, “eo amin’izay mahasolafaka” ireo olona tsy matahotra an’Andriamanitra, araka ny voalazan’ilay mpanao salamo. Mety ho faty tampoka ny sasany, noho ny fomba fiainany baranahiny. Raha ny amin’ireo sisa kosa, raha tsy manova ny lalany izy ireo, dia hiatrika, amin’ny hoavy tsy ho ela, ny ‘fisehoan’i Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika’. — 2 Tesaloniana 1:7, 8.
12. Tamin’ny ahoana ny tanora iray any Japon no nanjary nahatakatra fa hadalana ny mialona ny mpanao ratsy?
12 Hadalana tokoa àry ny mialona an’ireo “izay tsy mahalala an’Andriamanitra”! Raha ny marina, dia ireo mahalala an’i Jehovah sy manana fanantenana ny hiaina mandrakizay no tokony hotsiriritina. Nanjary nahatakatra izany ny rahalahy tanora iray any Japon. Fony izy tanora, dia “naniry hahazo fahafahana bebe kokoa” izy. Hoy ny fanazavany: “Nihevitra aho fa maty antoka. Avy eo dia takatro hoe hanao ahoana ny fiainako raha tsy nahalala ny fahamarinana aho. Hitako ny tenako ho velona 70 na 80 taona, ary avy eo dia ho faty. Manolotra ny fanantenana ny hiaina mandrakizay anefa i Jehovah! Nanampy ahy hankasitraka izay tena nananako, ny fahatakarana izany.” Na izany aza, dia tsy mora velively ny mitoetra ho mahatoky, rehefa voahodidin’ny olona tsy manaraka ny lalàn’Andriamanitra ny tena. Inona avy no zavatra sasany azonao atao mba hanoherana ny faneren’izy ireo?
Tandremo ny olona ifaneraseranao!
13, 14. Nahoana no zava-dehibe ny hifantenana ny olona ifaneraserana?
13 Andeha isika hijery indray ilay filazalazana momba ny olona mahomby, araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 1:1-3, manao hoe: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary [izay rehetra ataony dia hahomby avokoa, NW ].”
14 Mariho, voalohany indrindra, fa mitana toerana lehibe ny olona ifaneraseranao. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” Tsy midika akory izany hoe tokony hangatsiaka ny fandraisana ny tanora tsy Vavolombelon’i Jehovah, na hoe tsy ho sariaka na tsy hahalala fomba aminy isika. Mampirisika antsika ho tia ny mpiara-belona amintsika sy ‘hihavana amin’ny olona rehetra’, ny Baiboly. (Romana 12:18; Matio 22:39). Mety hanjary ‘handeha eo amin’ny fisainan’ireo’ tsy manaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly anefa ianao, raha mifanerasera akaiky loatra amin’izy ireo.
Ireo soa entin’ny famakiana Baiboly
15. Ahoana no ahafahan’ny tanora mamboly faniriana mafy ny hamaky Baiboly?
15 Nomarihin’ilay mpanao salamo koa fa mahita fahafinaretana amin’ny famakiana ny lalàn’Andriamanitra “amin’ny feo iva andro aman’alina”, ilay olona mahomby. (Salamo 1:1, 2, NW ). Marina aloha fa tsy mora ny mamaky ny Baiboly, ary misy “zavatra saro-pantarina” ao anatiny. (2 Petera 3:16). Tsy voatery hanasatra sy hanorisory anefa ny famakiana Baiboly. Azo atao ny ‘manao izay hananana faniriana mafy ny ronono tsy misy fangarony’, izay ny Tenin’Andriamanitra. (1 Petera 2:2, NW ). Miezaha hamaky ampahany kely fotsiny isan’andro. Raha misy hevitra tsy azonao, dia manaova fikarohana. Aorian’izay, dia eritrereto izay vao avy novakinao. (Salamo 77:11, 12). Raha sahirana ianao mampifantoka ny sainao, dia miezaha hamaky “amin’ny feo iva”. Azo antoka fa hitombo ny fitiavanao mamaky Baiboly, rehefa mandeha ny fotoana. Izao no tsaroan’ny anabavy tanora iray any Brezila: “Toa lavitra foana i Jehovah tamiko. Tato anatin’ireo volana faramparany anefa izao, dia eo am-panatsarana ny fianarako manokana sy ny famakiako Baiboly aho. Tsapako izao fa mihamafy ny fifandraisako amin’i Jehovah. Mihamanjary tena misy izy amiko.”
16. Ahoana no andraisantsika soa bebe kokoa avy amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna?
16 Tena zava-dehibe koa ny fanatrehana ireo fivorian’ny kôngregasiôna, mba hitomboanao ara-panahy. Raha ‘mitandrina ny fihainoanao’ ianao, dia afaka ny hahazo fampaherezana be dia be. (Lioka 8:18). Tsapanao ho tsy dia mahaliana ve ny fivoriana indraindray? Raha izany no izy, dia manontania tena hoe: ‘Inona no ataoko mba hahatonga ireo fivoriana hahaliana? Mihaino tsara ve aho? Manomana ve aho? Manome valin-teny ve aho?’ Rehefa heverina, dia milaza amintsika ny Baiboly mba “hifampandinika mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara dia tsara, (...) [ka] hifampahery”. (Hebreo 10:24, 25, NW ). Tsy maintsy mandray anjara ianao mba hanaovana izany! Mazava ho azy fa tsy maintsy mianatra mialoha ianao, mba hahafahanao handray anjara. Niaiky toy izao ny anabavy tanora iray: “Tena mora kokoa ny mandray anjara amin’ireo fivoriana, rehefa manomana ny tena.”
Mitarika ho amin’ny fahombiazana ny fanarahana ny lalan’Andriamanitra
17. Amin’ny ahoana ny mpamaky Baiboly mazoto no “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona”?
17 Lazalazain’ilay mpanao salamo koa ho “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona”, ilay olona mahomby. Nety ho nanondro ny tatatra nitarihan-drano mba hanondrahana hazo fihinam-boa teo amin’ny saha iray, ilay hoe rano velona. (Isaia 44:4). Toy ny hoe mifandray amin’ny loharano tsy mety ritra toy izany, izay mamelona sady manome hery vao, ny olona mamaky ny Baiboly isan’andro. (Jeremia 17:8). Hahazo isan’andro ny tanjaka ilainao mba hizakana fisedrana sy fahasahiranana, ianao. Hanana ilay fahendrena ilainao mba hanapahan-kevitra amim-pahendrena ianao, rehefa avy nianatra ny fisainan’i Jehovah.
18. Inona no afaka miantoka ny fahombiazan’ny tanora iray eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
18 Indraindray dia mety ho toa sarotra ny manompo an’i Jehovah. Aza mihevitra na oviana na oviana anefa hoe sarotra loatra ilay izy, ka tsy ho azo atao. (Deoteronomia 30:11). Mampanantena anao ny Baiboly, fa ‘izay rehetra ataonao dia hahomby avokoa’ amin’ny farany, raha mbola ny hampifaly an’i Jehovah sy hampifaly ny fony koa no zava-kendrenao lehibe indrindra! (Ohabolana 27:11). Ary tadidio fa tsy irery akory ianao. Mahazo ny fanohanan’i Jehovah sy i Jesosy Kristy ianao. (Matio 28:20; Hebreo 13:5). Fantatr’izy ireo ny fanerena mihatra aminao, ary tsy hahafoy anao na oviana na oviana izy ireo. (Salamo 55:22). Manohana anao koa “ny fitambaran-drahalahy manontolo” sy ny ray aman-dreninao, raha matahotra an’Andriamanitra izy ireo. (1 Petera 2:17, NW ). Raha mahazo fanohanana toy izany ianao, ary eo koa ny fahatapahan-kevitrao sy ny ezaka ataonao, dia afaka ny hahita fiainana mahomby, tsy ankehitriny ihany, fa ho mandrakizay koa!
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Inona no atao hoe tena fahombiazana?
◻ Nahoana isika no mila an’i Jehovah mba hahalavorary ny diantsika?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora ‘manisa ny androny’?
◻ Nahoana no hadalana ny mialona ny mpanao ratsy?
◻ Amin’ny ahoana ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka no manampy ny tanora hahita fiainana mahomby?
[Sary, pejy 20]
Tanora maro no nanjary nanaraka fitondran-tena manimba, noho izy ireo tsy ampy “fahatahorana an’Andriamanitra” mahasoa
[Sary, pejy 22]
Matetika no hadinon’ny tanora fa hisy vokany ny zavatra ataony
[Sary, pejy 23]
Mambole fitiavana mamaky Baiboly
[Sary, pejy 23]
Hankafy bebe kokoa ireo fivoriana ianao, raha mandray anjara