Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany
“Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha (...) fa izay maharitra [“niaritra”, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” — MARKA 13:10, 13.
1. Nahoana isika no tokony hiaritra sy hanana herim-po?
TSY maintsy miaritra isika — eo anivon’ny taranaka iray tsy mino sy mivadika! Nanomboka tamin’ny 1914, dia nisy taranaka iray nanjary simba, tsy nisy hafa tamin’ny andron’i Jesosy. Ary amin’izao andro izao ny fahasimbana ara-pitondran-tena dia eo amin’ny ambaratonga maneran-tany. Amin’izao “andro farany” izao, dia mampahory ny olombelona ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ nolazalazain’ny apostoly Paoly. ‘Ireo ratsy fanahy sy mpisoloky dia manohy mandroso miharatsy kokoa hatrany’. Mazava fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy”, dia i Satana Devoly, izay manao ny fiezahany farany ankehitriny mba hanimbana ny tany. Kanefa mahereza! Misy “fahoriana lehibe” iray mihamanakaiky izay hitondra fanamaivanana maharitra ho an’ny olona rehetra tia ny fahamarinana. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 7:14.
2. Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’ny 1914?
2 Soa ihany fa nanome fiandrianana an’i Jesosy Kristy Tompo tany an-danitra i Jehovah izao, ho fanomanana ny fanesorana an’ireo fahavalon’ny olombelona mampahory azy. (Apokalypsy 11:15). Toy ny tamin’ny fiavian’ny Mesia voalohany, dia toy izany koa fa tanteraka amin’itỳ taonjato itỳ ny faminaniana miavaka iray nosoratan’i Daniela. Ao amin’ny Daniela 4:13, 14, 29, dia ilazana isika ny amin’ny fampiatoana ny fitondrana ara-drarin’ny mpanjaka iray manerana ny tany mandritra ny fe-potoana haharitra “fetr’andro fito”. Amin’ny fahatanterahany lehibe, ireo fetr’andro fito ireo dia mirasanda amin’ny fito taona ara-baiboly misy 360 ‘andro’ avy ny taona tsirairay, na 2 520 taona amin’ny fitambarany.a Niantomboka tamin’ny 607 al.f.i. izy ireo, fony nanomboka nanitsaka ny fanjakan’ny Isiraely teo ambanin’ny tongony i Babylona, ka niafara tamin’ny 1914 am.f.i., ilay taona nanomezana fiandrianana an’i Jesosy tany an-danitra amin’ny maha-Mpanjakan’ny olombelona azy ara-drariny. Tamin’izay no nifarana ilay “fotoana voatondro ho an’ireo firenena”. (Lioka 21:24, NW ). Tsy nety nanaiky an’ilay Fanjakana Mesianika vao nahazo toerana anefa ireo firenena. — Salamo 2:1-6, 10-12; 110:1, 2.
3, 4. a) Inona no fampitahana azo atao ny amin’ireo fisehoan-javatra tamin’ny taonjato voalohany sy ny amin’ireo fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao? b) Fanontaniana inona avy mifandray tsara amin’izany no azo apetraka?
3 Arakaraka ny nanatonan’ny herinandron-taona faha-70 (29-36 am.f.i.), ary avy eo indray, arakaraka ny nanakekezan’ny taona 1914, dia nanampo ny fahatongavan’ny Mesia ny vahoaka matahotra an’Andriamanitra. Ary tonga tokoa izy! Tamin’ny tarehin-javatra tsirairay anefa, dia hafa noho izay nampoizina ny fomba nisehoany. Tamin’ny tarehin-javatra tsirairay koa, taorian’ny fe-potoana somary fohy, dia niharan’ny didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra tamin’ny farany ny “taranaka” ratsy iray. — Matio 24:34.
4 Tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nomarihintsika ny fomba niafaran’ilay taranaka jiosy ratsy fanahy izay nitaky ny handatsahana ny ran’i Jesosy. Ahoana àry ny amin’ilay taranak’olombelona mitondra fandravana izay manohitra na minia tsy mahalala azy dieny ankehitriny? Rahoviana ny didim-pitsarana no hampiharina eo amin’io taranaka tsy mino io?
“Miambena hatrany”!
5. a) Noho ny antony marim-pototra inona no tsy ilantsika hahafantarana ny fotoan’ny ‘andro sy oran’i Jehovah’? b) Araka ny voalazan’i Marka, torohevitra mampiseho fahaiza-manavaka inona no namaranan’i Jesosy ny faminaniany?
5 Taorian’ny naminaniany fisehoan-javatra izay hanomana ny lalana ho amin’ny fotoan’ny “fahoriana lehibe” iray, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, ary na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:3-36; Marka 13:3-32). Tsy mila mahafantatra ny fotoana marina hitrangan’ireo fisehoan-javatra isika. Tsy maintsy ny fiambenana sy ny fambolena finoana matanjaka ary ny fanaovana zavatra be dia be hatrany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah — fa tsy ny fanaovana kajy daty iray — kosa no zavatra ifantohantsika. Namarana ny faminaniany lehibe tamin’ny filazana toy izao i Jesosy: “Mijere hatrany, mifohaza hatrany, satria tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. (...) Miambena hatrany (...) Izay lazaiko aminareo (...) dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Marka 13:33-37, NW ). Mamitsaka ao amin’ny haizin’izao tontolo izao ankehitriny ny loza. Tsy maintsy mifoha hatrany isika! — Romana 13:11-13.
6. a) Tokony hiorina mafy eo amin’inona ny finoantsika? b) Ahoana no azontsika ‘anisana ny androntsika’? d) Amin’ny fotony, inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “taranaka”?
6 Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy maneho fitandremana an’ireo faminaniana azo tamin’ny tsindrimandry mikasika izao andro faran’ny fandehan-javatra ratsy izao isika, fa tsy maintsy manorina mafy koa ny finoantsika, voalohany indrindra eo amin’ny sorona sarobidin’i Kristy Jesosy sy ireo fampanantenana mahatalanjon’Andriamanitra miorina eo ambonin’izy io. (Hebreo 6:17-19; 9:14; 1 Petera 1:18, 19, NW; 2 Petera 1:16-19). Dodona ny hahita ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ny vahoakan’i Jehovah, ka indraindray dia nanombantombana momba ny fotoana hipoahan’ny “fahoriana lehibe”, nampifandray azy io mihitsy aza tamin’ireo fanaovana kajy ny faharetan’ny androm-piainan’ny taranaka iray nanomboka tamin’ny 1914. Kanefa, ‘mahazo fo hendry’ isika, tsy amin’ny fanombantombanana momba ny hoe firy taona na andro no mahaforona ny taranaka iray, fa amin’ny fieritreretana kosa ny amin’ny fomba ‘anisantsika ny androntsika’ amin’ny fitondrana fiderana falifaly ho an’i Jehovah. (Salamo 90:12). Tsy manome fitsipika ny amin’ny fandrefesana fotoana ilay fitenenana hoe “taranaka”, araka ny nampiasan’i Jesosy azy, fa manisy firesahana kosa voalohany indrindra ny amin’ny vahoaka miara-belona amin’ny fe-potoana ara-tantara iray, miaraka amin’ireo lafiny mampiavaka amantarana azy.b
7. Inona no nosoratan’ny profesora amin’ny tantara iray momba “ny taranaky ny 1914”, ary ahoana no ifandraisan’izy io amin’ny faminanian’i Jesosy?
7 Mifanaraka amin’izay voalaza eo ambony, dia nanoratra toy izao tao amin’ny bokiny hoe The Generation of 1914, i Robert Wohl, profesora amin’ny tantara: “Tsy faritana amin’ny fetrany araka ny filaharan’ny fotoana ny taranaka ara-tantara iray (...). Tsy faritana amin’ny daty izy io.” Nohazavainy anefa fa ny Ady Lehibe Voalohany dia namorona “fahatsapana manafotra ny amin’ny fisarahana amin’ny lasa”, ary hoy ny teny nanampiny: “Ireo izay tafita velona tamin’ilay ady dia tsy afaka na oviana na oviana nanesotra tao an-tsainy ny hoe nifarana ny tontolo iray ary nanomboka ny hafa iray tamin’ny Aogositra 1914.” Toy inona moa ny fahamarinan’izany! Mifantoka amin’ny votoatin’ilay foto-kevitra io filazana io. Nahita fiovana mahatsiravina ‘itỳ taranak’olombelona itỳ’ nanomboka tamin’ny 1914. Nahita ny tany vonton’ny ran’ny olona an-tapitrisany maro izy io. Nipoaka maneran-tany ny ady, ny fandripahana foko, ny fampihorohoroana, ny heloka bevava, sy ny tsy fankatoavan-dalàna. Nanenika ny bolan-tany misy antsika ny mosary sy ny aretina ary ny faharatsiam-pitondran-tena. Toy izao no naminanian’i Jesosy azy: “Tahaka izany koa hianareo [ireo mpianany], raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” — Lioka 21:31, 32.
8. Ahoana no anantitranteran’ireo mpaminanin’i Jehovah ny ilana hifohazana hatrany?
8 Eny, antomotra ny fandresena fenon’ilay Fanjakana Mesianika! Misy tombony tokony ho azo àry ve amin’ny fitadiavana daty na amin’ny fanombantombanana momba ny faharetana ara-bakitenin’ny androm-piainan’ny “taranaka” iray? Tsy dia tsia! Milaza mazava toy izao ny Habakoka 2:3: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka [tsy ho diso aoriana, NW ].” Mihamanatona haingana kokoa ny andron’i Jehovah hanaovana ampamoaka. — Jeremia 25:31-33; Malakia 3:19.
9. Fisehoan-javatra inona avy, nanomboka tamin’ny 1914, no mampiseho fa fohy ny fotoana?
9 Rehefa nanomboka ny fanapahan’ny Fanjakan’i Kristy tamin’ny 1914, dia nazera tetỳ an-tany i Satana. Nidika ho “loza ho an’ny tany [izany] (...) fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa [fohy, NW ] ny androny”. (Apokalypsy 12:12). Fohy tokoa io fotoana io, raha ampitahaina amin’ireo an’arivony taona maro nanapahan’i Satana. Antomotra ilay Fanjakana, ary toy izany koa ny andro sy oran’i Jehovah hampiharana didim-pitsarana eo amin’itỳ taranaka ratsy fanahy itỳ! — Ohabolana 3:25; 10:24, 25.
Ilay “taranaka” ho lany
10. Amin’ny ahoana ilay hoe “itỳ taranaka itỳ” no tahaka ny taranaka tamin’ny andron’i Noa?
10 Andeha isika handinika akaiky kokoa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:34, 35 manao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany [itỳ taranaka itỳ, NW ] mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” Asehon’ny tenin’i Jesosy manaraka izany fa ‘tsy misy mahalala izany andro sy ora izany’. Ny mbola zava-dehibe lavitra, dia asehony fa tsy maintsy manalavitra ireo fandrika manodidina antsika eo amin’itỳ taranaka itỳ isika. Araka izany, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:36-39). Teto i Jesosy dia nampitaha ny taranaka tamin’ny androny tamin’ny taranaka tamin’ny andron’i Noa. — Genesisy 6:5, 9, NW, fanamarihana ambany pejy.
11. Inona no fampitahana “taranaka” nataon’i Jesosy, araka ny nolazain’i Matio sy i Lioka?
11 Tsy izay no fotoana voalohany nandrenesan’ireo apostoly an’i Jesosy nanao io fampitahana ‘taranaka’ io, satria andro vitsivitsy teo aloha kokoa, dia nilaza toy izao izy mikasika ny tenany: “Ny Zanak’olona (...) tsy maintsy mijaly mafy (...) ka holavin’ity taranaka ity. Ary tahaka ny tamin’ny andron’i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona”. (Lioka 17:24-26, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, dia manao fampitahana mitovy ny Matio toko faha-24 sy ny Lioka toko faha-17. Tamin’ny andron’i Noa, dia “ny nofo rehetra [izay] samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany” ka ringana tamin’ny Safo-drano no ilay hoe “ity taranaka ity”. Tamin’ny andron’i Jesosy, dia ny vahoaka jiosy mpivadi-pinoana izay nanda an’i Jesosy no ilay hoe “ity taranaka ity”. — Genesisy 6:11, 12; 7:1.
12, 13. a) Amin’izao andro izao, iza “itỳ taranaka itỳ” izay tsy maintsy ho lany? b) Ahoana no iatrehan’ny vahoakan’i Jehovah an’itỳ “taranaka meloka sy maditra” itỳ ankehitriny?
12 Noho izany, amin’ny fahatanterahana faran’ny faminanian’i Jesosy amin’izao andro izao, dia toa manisy firesahana ny amin’ireo vahoaka eto an-tany izay mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy kanefa tsy manitsy ny lalany, ilay hoe “itỳ taranaka itỳ”. Mifanohitra amin’izany, isika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy antsika, dia tsy manaiky hovolavolain’ny fomba fiainan’“itỳ taranaka itỳ”. Na dia eo amin’izao tontolo izao aza isika, dia tsy tokony ho namany, “fa antomotra ny andro”. (Apokalypsy 1:3; Jaona 17:16). Mananatra antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny [taranaka, NW ] meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”. — Filipiana 2:14, 15; Kolosiana 3:5-10; 1 Jaona 2:15-17.
13 Ny ‘fisehoantsika tahaka ny fanazavana’ dia mahafaoka, tsy ny fanehoana toetra kristiana madio fotsiny, fa ny zava-dehibe indrindra, dia ny fanatanterahana ny fanirahan’i Jesosy ara-paminaniana hoe: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Tsy misy olombelona afaka milaza hoe rahoviana no ho tonga ny farany, kanefa fantatsika fa ho tonga ny faran’“itỳ taranaka” voaforon’ny olona ratsy fanahy itỳ, raha vantany vao natao “hatramin’ny faran’ny tany”, hatramin’izay mahafa-po an’Andriamanitra, ny fanambarana. — Asan’ny Apostoly 1:8.
“Izany andro sy ora izany”
14. Fananarana inona no nomen’i Jesosy sy i Paoly raha ny amin’ny “andro sy ny fotoana”, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika?
14 Rehefa tanteraka hatramin’ny fetra kasain’i Jehovah ny fanambarana maneran-tany, dia amin’izay no “andro sy ora” noferany hanesorana itỳ fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao itỳ. Tsy mila mahafantatra mialoha ilay daty isika. Araka izany, tamin’ny fanarahana ny ohatr’i Jesosy, dia nananatra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: [‘Fiadanana sy filaminana!’, NW ] dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” Mariho ny teny nifantohan’i Paoly: ‘Rehefa manao izy ireo hoe’. Eny, rehefa misy firesahana “fiadanana sy filaminana”, amin’ny fotoana tsy ampoizina indrindra, dia hampiharina tampoka ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Mifanentana toy inona moa ny torohevitr’i Paoly hoe: “Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka [hitoetra ho mifoha, NW ] ka hahonon-tena”! — 1 Tesaloniana 5:1-3, 6; jereo koa ny andininy faha-7-11; Asan’ny Apostoly 1:7.
15, 16. a) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra fa lavitra kokoa noho izay mety ho ninoantsika ny Haramagedona? b) Ahoana no tsy maintsy hanandratana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela?
15 Moa ve io fomba fijerintsika marina kokoa momba “itỳ taranaka itỳ” io midika fa lavitra kokoa noho izay noheverintsika ny Haramagedona? Tsy izany velively! Na dia tsy nahafantatra na oviana na oviana ilay “andro sy ora” aza isika, dia nahafantatra azy io foana i Jehovah Andriamanitra, ary tsy miova izy. (Malakia 3:6). Miharihary fa mihamilentika kokoa manatona ny faharavana farany izao tontolo izao. Zava-dehibe kokoa mbola tsy nisy toy izany ny ilana hifohazana hatrany. Nampiharihary antsika “izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana” i Jehovah, ary tokony hanana fahatsapana tanteraka fahadodonana isika ho setrin’izany. — Apokalypsy 1:1; 11:18; 16:14, 16.
16 Arakaraka ny anatonan’ilay fotoana, dia mifohaza hatrany, satria madiva hitondra loza eo amin’ny fandehan-javatr’i Satana manontolo i Jehovah! (Jeremia 25:29-31). Hoy i Jehovah: “Hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” (Ezekiela 38:23). Akaiky io “andron’i Jehovah” fanapahan-javatra io! — Joela 1:15; 2:1, 2; Amosa 5:18-20; Zefania 2:2, 3.
“Lanitra vaovao sy tany vaovao” marina
17, 18. a) Araka ny voalazan’i Jesosy sy i Petera, ahoana no hahalany “itỳ taranaka itỳ”? b) Nahoana isika no tokony hiambina hatrany raha ny amin’ny fitondran-tena sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra?
17 Mikasika ‘izany rehetra izany izay tsy maintsy ho tonga’, dia hoy i Jesosy: “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.” (Matio 24:34, 35). Azo inoana fa tao an-tsain’i Jesosy ny “lanitra sy ny tany” — ireo mpanapaka sy ireo tapahina — amin’ilay hoe “itỳ taranaka itỳ”. Nampiasa teny mitovy amin’izany ny apostoly Petera tamin’ny firesahana ny amin’“izao lanitra sy tany ankehitriny izao” izay ‘hazonina ho amin’ny afo ka tahirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy’. Nolazalazainy manaraka izany ny fomba ‘hahatongavan’ny andron’i Jehovah tahaka ny mpangalatra, ary amin’izany ny lanitra [fitondram-panjakana] dia ho lasa’ miaraka amin’ny fitambaran’olona, na “tany”, iray simba sy ireo asany feno fahotana. Avy eo ilay apostoly dia mampirisika antsika ho amin’ny “fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, [raha mbola] manantena [isika sady] mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” Inona no hanaraka izany? Mampitodika ny saintsika ho amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” i Petera. — 2 Petera 3:7, 10-13.c
18 Handrotsaka fitahiana eo amin’ny “tany vaovao”, dia ny fitambaran’olombelona, marina io “lanitra vaovao” io, dia ny fanapahan’ilay Fanjakana hoentin’i Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy. Mety ho anisan’io fitambaran’olona io ve ianao? Raha izany no izy, dia manana antony hifaliana ny amin’ilay hoavy lehibe efa antomotra ianao! — Isaia 65:17-19; Apokalypsy 21:1-5.
19. Tombontsoa lehibe inona no azontsika ananana dieny ankehitriny?
19 Eny, angonina dieny ankehitriny ny ‘taranak’olombelona’ marina iray. Amin’izao andro izao ny “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra dia manome ny fampianaran’Andriamanitra mifanaraka amin’ireo tenin’ny Salamo 78:1, 4 hoe: “Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin’ny tenin’ny vavako. (...) Fa hambarantsika amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.” (Matio 24:45-47, NW ). Tamin’ny 14 Aprily tamin’itỳ taona itỳ, tany amin’ny kongregasiona maherin’ny 75 500 sy tany 230 teo ho eo, dia olona maherin’ny 12 000 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy naneran-tany. Anisan’izy ireo ve ianao? Enga anie ianao ka hametraka ny finoanao eo amin’i Kristy Jesosy ary ‘hiantso ny anaran’i Jehovah mba hahazoana famonjena’. — Romana 10:10-13.
20. Koa satria “mihafohy ny fotoana sisa tavela”, ahoana no tsy maintsy hifohazantsika hatrany, ary miaraka amin’ny fahatsinjovana inona?
20 “Mihafohy ny fotoana sisa tavela”, hoy ny apostoly Paoly. Noho izany, dia izao no fotoana tokony hifohazana sy haha-be hatao foana hatrany eo amin’ny asan’i Jehovah, raha mbola miaritra fisedrana sy fankahalana aneren’ny taranak’olombelona ratsy fanahy iray isika. (1 Korintiana 7:29, NW; Matio 10:22; 24:13, 14). Aoka isika hiambina hatrany, handinika ireo zavatra rehetra nambara mialoha ao amin’ny Baiboly fa ho tonga amin’“ity taranaka ity”. (Lioka 21:31-33). Amin’ny fandosirana ireo zavatra ireo sy amin’ny fijoroana eo anatrehan’ny Zanak’olona, amin’ny fananana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia mety ho azontsika amin’ny farany ny lokan’ny fiainana mandrakizay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny “fetr’andro fito”, dia jereo ny pejy faha-127-139, 186-189 amin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo ny pejy faha-587 amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
c Jereo koa ny pejy faha-151-155 sy faha-179-180 amin’ny Le futur gouvernement universel — le Royaume de Dieu, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Fanontaniana ho Famerenana:
◻ Noho isika mahamarika ny fahatanterahan’ny Daniela 4:29, ahoana no tokony ‘hiambenantsika hatrany’ ankehitriny?
◻ Ahoana no ampahafantaran’ireo Filazantsaran’i Matio sy i Lioka an’“itỳ taranaka itỳ”?
◻ Eo am-piandrasantsika “izany andro sy ora izany”, inona no dinihintsika, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika?
◻ Tokony hampirisika antsika hanao inona ny fahatsinjovana “lanitra vaovao sy tany vaovao” marina?
[Sary, pejy 17]
Hahita fanamaivanana ny taranak’olombelona mijaly rehefa ho lany itỳ taranaka mahery setra, ratsy fanahy, itỳ
[Sary nahazoan-dalana]
Alexandra Boulat/Sipa Press
[Sary nahazoan-dalana]
Havia sy eto ambany: Luc Delahaye/Sipa Press
[Sary, pejy 18]
Akaiky dia akaiky ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” be voninahitra ho an’ny firazanan’olombelona rehetra