Ny Fahasambarana Marina eo Am-panompoana An’i Jehovah
“Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpanampy azy sady manantena an’i Jehovah Andriamaniny.” — SALAMO 146:5.
1, 2. Inona no nolazaina momba ny atao hoe fahasambarana, ary milaza inona ho an’ny olona maro amin’izao andro izao moa ny fahasambarana?
INONA no atao hoe fahasambarana? Nanandrana namaritra azy io nandritra ny taonjato maro ireo mpanao rakibolana, filôzôfa ary teôlôjiana. Tsy nanome filazalazana iombonan’ny rehetra anefa izy ireo. Niaiky toy izao ny Firaketana britanika (anglisy): “Ny hoe ‘Fahasambarana’ dia iray amin’ireo voambolana sarotra soritana indrindra.” Toa midika ho zavatra hafa ho an’ny olona samy hafa, arakaraka ny fomba fijerin’ny tsirairay ny fiainana, ny fahasambarana.
2 Ho an’ny olona maro, ny fahasambarana dia mihodinkodina eo amin’ny fahasalamana, ny fananana ara-nofo ary ny fiarahana mahafinaritra. Misy anefa olona manana izany rehetra izany kanefa tsy sambatra. Ho an’ny lehilahy sy vehivavy nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra, ny Baiboly dia manome fiheverana momba ny fahasambarana izay hafa tanteraka noho ny fomba fihevitry ny ankamaroan’ny olona.
Fomba fihevitra hafa momba ny fahasambarana
3, 4. a) Iza no nambaran’i Jesosy ho sambatra? b) Inona no azo marihina momba ireo lafin-javatra mahatonga ho sambatra notononin’i Jesosy?
3 Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, i Jesosy Kristy dia tsy nilaza fa miankina amin’ny fahasalamana, ny fananana ara-nofo sy ny toy izany, ny fahasambarana. Nambarany ho tena sambatra marina ireo izay “mahatsapa ireo zavatra ilainy ara-panahy” ary ireo “noana sy mangetaheta ny fahamarinana”. Mifandray amin’ireo lafin-javatra roa ilaina mba hahazoana ny fahasambarana marina ireo ny fanambaran’i Jesosy toa mifanohitra manao hoe: “Sambatra ny malahelo, satria hampiononina izy ireo.” (Matio 5:3-6, NW). Miharihary fa tsy nilaza akory i Jesosy fa ho sambatra ho azy eo ny olona rehefa mahafoy olon-tiana iray. Niresaka ny amin’ireo izay malahelo noho ny maha-mpanota azy sy ny vokatr’izany, kosa izy.
4 Ny apostoly Paoly dia niresaka momba ny zavaboary olombelona izay misento ao anatin’ny fahotana noho ny fanantenana fa “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana”, izy ireo. (Romana 8:21, 22). Ireo olombelona manaiky ny fandaharana noraisin’i Jehovah mba hanavotana amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy, ka manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia mahazo fampiononana sy manjary sambatra marina. (Romana 4:6-8). Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra koa i Jesosy dia nanambara ho sambatra “ny malemy fanahy”, “ny miantra”, “ny madio am-po” ary “ny mpampihavana”. Nanome toky izy fa, na dia enjehina aza ireo mpandefitra ireo, dia tsy hamoy ny fahasambarany. (Matio 5:5-11). Mahaliana ny manamarika fa ireo lafin-javatra feno fahamendrehana izay mahatonga ho sambatra ireo dia mametraka ny manankarena sy ny mahantra ho eo amin’ny toerana mitovy ihany.
Ny fototry ny tena fahasambarana
5. Inona no fototry ny fahasambaran’ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena?
5 Tsy hita ao amin’ny harena ara-nofo ny loharanon’ny fahasambarana marina. Nilaza toy izao i Solomona, mpanjaka hendry: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” (Ohabolana 10:22). Ho an’ireo zavaboary manaiky ny fiandrianan’i Jehovah manerana izao rehetra izao, dia mifandray tsy azo sarahina amin’ny fitahian’Andriamanitra ny fahasambarana. Tena sambatra marina ny olona iray nanolo-tena ka manana ary mahatsapa ny fitahian’i Jehovah eo amin’ny tenany. Raha raisina araka ny Baiboly, ny fahasambarana dia fahatsapana fahafahampo, fahatsiarovana ho nahazo sy nahavita izay ilaina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
6. Inona no takina amin’ny vahoakan’i Jehovah mba hahasambatra azy ireo marina?
6 Ny fahasambarana marina dia miankina amin’ny fifandraisana araka ny izy amin’i Jehovah. Miorina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahatokiana eo anatrehany izany. Ireo mpanompon’i Jehovah nanolo-tena dia manaiky amin’ny fony rehetra ireto tenin’i Paoly ireto: “Tsy misy velon-ko an’ny tenany isika (...) velona ho an’ny Tompo [Jehovah, NW] [isika] (...) an’ny Tompo [Jehovah, NW] [isika].” (Romana 14:7, 8). Noho izany àry, ny fahasambarana marina dia tsy ho azo ivelan’ny fankatoavana an’i Jehovah sy ny fanekena ny sitrapony amim-pifaliana. Nilaza toy izao i Jesosy: “Sambatra (...) ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” — Lioka 11:28.
Lafin-javatra mahatonga ho sambatra miovaova
7, 8. a) Ahoana no azo itsinjarana ireo lafin-javatra mahatonga ho sambatra? b) Inona no azo lazaina momba ny fanambadiana sy ny fiterahana?
7 Ireo lafin-javatra mahatonga ho sambatra notononina teo aloha ireo dia azo antsoina hoe “fototra” na “maharitra”, satria marina amin’ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena amin’ny fotoana rehetra. Fanampin’izany, dia misy izay azo antsoina hoe miovaova, izany hoe lafin-javatra izay mety hitondra fahasambarana amin’ny fotoana iray kanefa tsy hitondra fahasambarana firy na tsy hitondra izany mihitsy aza, amin’ny fotoana hafa iray. Tamin’ny andron’ireo patriarka sy talohan’ny kristianisma, dia noheverina ho tena nilaina indrindra mba hahasambatra ny fanambadiana sy ny fiterahana. Izany dia hita taratra amin’ny fitalahoana mahavaky fo nataon-dRahely tamin’i Jakoba nanao hoe: “Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.” (Genesisy 30:1). Izany fihetsika teo anoloan’ny fiterahana izany dia nifanentana tamin’ny fikasan’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. — Genesisy 13:14-16; 22:17.
8 Noheverina ho fitahiana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana sy ny fiterahana teo amin’ny vahoakan’i Jehovah tany am-boalohany. Tsy nisaraka tamin’izany sy ny toe-javatra hafa niseho anefa ny fahoriana nandritra ny fotoana nahitan-doza teo amin’ny tantaran’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Jeremia 6:12; 11:22; Fitomaniana 2:19; 4:4, 5, ny Salamo 127, 128.) Noho izany, dia miharihary fa ny fanambadiana sy ny fiterahana dia tsy lafin-javatra maharitra mahatonga ho sambatra.
Fahasambarana nefa tsy tao anatin’ny fanambadiana tamin’ny lasa
9. Nahoana no nahazo teny fiderana isan-taona ilay zanakavavin’i Jefta?
9 Maro tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra no nahita ny fahasambarana marina nefa tsy tao anatin’ny fanambadiana. Ho fanajana ny voady nataon-drainy, dia nitoetra ho mpitovo ny zanakavavin’i Jefta. Nisy fotoana niarahany nitomany tamin’ireo ankizivavy namany noho izy mbola tsy nanambady akory. Fifaliana toy inona anefa no tsapany nanompo manontolo andro tao amin’ny tranon’i Jehovah, angamba niaraka tamin’ireo “vehivavy izay nanompo teo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana”! (Eksodosy 38:8). Noho ny fanaovana izany, dia nahazo teny fiderana isan-taona izy. — Mpitsara 11:37-40, NW.
10. Inona no notakin’i Jehovah tamin’i Jeremia, ary hita ve fa nanana fiainana tsy sambatra izy ho vokatr’izany?
10 Noho ireo fotoana nampahonena niainan’i Jeremia mpaminany, dia nitaky ny tsy hanambadiany sy hitaizany zanaka, Andriamanitra. (Jeremia 16:1-4). Nahita ny fahamarinan’ireto tenin’Andriamanitra ireto anefa i Jeremia: “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny.” (Jeremia 17:7). Nandritra ny 40 taona mahery nanaovany ny asany fanambarana faminaniana, i Jeremia dia nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana tamin’ny naha-mpitovo azy. Araka izay fantatsika hatramin’izao, dia tsy nanambady na nanan-janaka mihitsy izy. Kanefa iza no afaka hisalasala ny amin’ny fahasambaran’i Jeremia, toy ireo sisa jiosy nahatoky izay ‘nanjary miramirana noho ny hatsaram-pon’i Jehovah’? — Jeremia 31:12, NW.
11. Ohatra araka ny Soratra masina sasantsasany iza avy no mpanompon’i Jehovah nahatoky ka sambatra na dia tsy nanambady aza?
11 Nisy olona hafa maro nanompo an’i Jehovah tamim-pifaliana nefa tsy nanambady. Na mpitovo izy ireny, na maty vady. Anisan’izany i Ana mpaminanivavy, angamba i Dorkasy, nantsoina koa hoe Tabita, ny apostoly Paoly, ary ilay ohatra lehibe indrindra amin’ny rehetra — i Jesosy Kristy.
Mpitovo nefa sambatra amin’izao andro izao
12. Nanisy toerana ho an’ny inona ny sasany amin’ireo mpanompon’i Jehovah sambatra sy nanolo-tena amin’izao andro izao, ary nahoana?
12 Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro no manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana nefa tsy manambady. Nisy afaka nanaiky izao fanasan’i Jesosy izao: “Aoka hanome toerana ho an’izany [ny fahaiza-mitoetra ho mpitovo] izay afaka manome toerana ho an’izany.” Nanao izany izy ireo “noho ny fanjakan’ny lanitra”. (Matio 19:11, 12, NW). Izany hoe, nampiasa ny fahafahana nomen’Andriamanitra azy izy ireo mba hanokanana fotoana sy hery be kokoa ho fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Maro amin’izy ireo no manompo amin’ny maha-mpitory maharitra, misionera na mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela any amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany na any amin’ny iray amin’ireo sampany.
13. Ohatra inona avy no mampiseho fa afaka ny ho mpitovo sady sambatra ny Kristiana iray?
13 Ny anabavy malala be taona iray dia nanome ho an’ny tantaram-piainany ilay lohateny toa milaza zavatra hoe “Mpitovo sady sambatra eo am-panaovana ny asan’ny mpitory maharitra”. (Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy), 1 May 1985, pejy faha-23-26). Ny anabavy mpitovo hafa iray, izay nandany 50 taona mahery nanompo tao amin’ny Betela, dia nanambara hoe: “Afa-po tanteraka amin’ny fiainako sy ny asako aho. Manana asa mamiko aho ary mbola miasa tsy misy toy izany. Tsy mahatsapa nenina mihitsy aho. Raha ilaina ny hamerenana, dia mbola tsy hiova ny fanapahan-kevitro.” — Ny Tilikambo Fiambenana, 15 Desambra 1982, pejy faha-17.
14, 15. a) Araka ny apostoly Paoly, inona no ilaina mba hitoerana ho mpitovo? b) Nahoana i Paoly no nilaza fa “manao tsara kokoa” sy “sambatra kokoa” ny mpitovo?
14 Mariho ilay teny hoe “fanapahan-kevitra”. Nanoratra toy izao i Paoly: “Raha misy (...) vonona ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa manam-pahefana eo amin’ny safidiny manokana ka nanapa-kevitra tao am-pony, ny hihazona ny maha-virjiny ny tenany, dia hanao tsara. Noho izany, izay manome ny maha-virjiny ny tenany ho amin’ny fanambadiana dia manao tsara, fa izay tsy manome izany ho amin’ny fanambadiana dia hanao tsara kokoa.” (1 Korintiana 7:37, 38, NW). Nahoana no hoe “tsara kokoa”? Nanazava izany toy izao i Paoly: “Tiako tsy hanana fanahiana ianareo. Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin’ny zavatry ny Tompo, ny hoe ahoana no mety hahazoany ny fankasitrahan’ny Tompo. (...) Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady, sy ny virjiny, dia manahy ny amin’ireo zavatry ny Tompo (...) Fa izany no lazaiko mba hahasoa anareo ihany, (...) mba hampirisihana anareo hanao izay mendrika sy izay midika ho fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana.” — 1 Korintiana 7:32-35, NW.
15 Moa ve mifandray amin’ny fahasambarana ny “fanompoana ny Tompo tsy an-kijanona, tsy misy fanelingelenana” mba ‘hahazoana ny fankasitrahan’ny Tompo’? Toa nino izany i Paoly. Rehefa niresaka ny amin’ny mpitondratena kristiana izy dia nilaza hoe: “Afaka hanambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 7:39, 40.
Ireo tombontsoa noho ny fitoerana ho tsy manambady
16. Inona avy no tombontsoa sasantsasany ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah mpitovo?
16 Na tsy manambady noho ny fanapahan-kevitra manokana ny Kristiana iray, na tsy manambady noho ny faneren’ny toe-javatra, ny toerany amin’ny maha-tsy manambady azy dia mitondra tombontsoa manokana maro be ho an’ny tenany. Ireo mpitovo mazàna dia manam-potoana kokoa hianarana ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsainana momba azy io. Raha manararaotra izany izy ireo, dia hitombo ny fahasalamany ara-panahy. Noho izy ireo tsy manana vady hiresahana momba ny zava-manahirana azy, ny maro aminy dia mianatra ny miantehitra mafy kokoa amin’i Jehovah sy ny mitady ny fitarihany amin’ny zavatra rehetra. (Salamo 37:5). Izany dia manampy ho amin’ny fahazoany fifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah.
17, 18. a) Fahafahana inona avy hanao fanompoana miitatra no mety hananan’ny mpanompon’i Jehovah tsy manambady? b) Ahoana no nilazalazan’ny mpanompon’i Jehovah tsy manambady sasany ny fahasambarany?
17 Manana fahafahana hanao asa fanompoana miitatra kokoa, ho fiderana an’i Jehovah, ireo Kristiana tsy manambady. Ny fampiofanana manokana omena ankehitriny any amin’ny Sekolin’ny Fampiofanana ho amin’ny Fanompoana dia natokana ho an’ireo rahalahy mpitovo na maty vady. Ireo anabavy mpitovo koa dia manana fahafahana kokoa mba hikatsahana tombontsoa maro eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ilay anabavy be taona voatonona teo aloha dia nanolo-tena an-tsitrapo hanompo tany amin’ny tany iray atsy Afrika fony izy “vehivavy toa osa efa 50 taona mahery”. Ary dia nijanona tany izy, na dia nandritra ny fandrarana tsy maintsy nandroahana ireo misionera rehetra aza. Mbola manompo any izy izao, manao ny asan’ny mpitory maharitra, na dia efa maherin’ny 80 taona aza. Sambatra ve izy? Ao amin’ny tantaram-piainany izy dia manoratra hoe: “Afaka nampiasa ny fahafahana sy fahafahana mihetsika fanampiny atolotry ny fitoerana ho mpitovo aho, mba hananan-javatra hatao foana teo amin’ny fanompoana, ary izany dia nitondra fahasambarana lehibe ho ahy. (...) Tao anatin’ireo taona maro nifandimby, dia nihalalina ny fifandraisako amin’i Jehovah. Noho izaho vehivavy mpitovo iray atỳ amin’ny tany afrikana, dia nahita azy ho toy ny Mpiaro aho.”
18 Mendrika ny homarihina koa ireo tenin’ny rahalahy iray izay nanompo tany amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower nandritra ny am-polony taona maro. Sambatra izy, na dia tsy nanambady mihitsy aza ary na dia nanana fanantenana ny ho any an-danitra aza, izay tsy nanome azy fahatsinjovana ny hanambady. Teo amin’ny faha-79 taonany, dia nanoratra toy izao izy: “Isan’andro aho dia mangataka ny Raintsika malalantsika any an-danitra ao amin’ny vavaka mba hanomezany ahy fanampiana sy fahendrena hitoerako ho salama sy matanjaka ara-panahy sy ara-batana mba hahafahako hanohy hanao ny sitrapony masina. Nandritra ireo sivy amby efapolo taona lasa nanaovako ny fanompoana an’i Jehovah ireo dia tena nanana fomba fiaina sambatra, nahitako valisoa sy fitahiana tokoa, aho. (...) [Ny] fifaliana avy amin’i Jehovah dia manampy ahy hanohy hanao izay ady tsaran’ny finoana, ka hiandry amim-panantenana ny fotoana tsy haha-eo intsony ireo fahavalon’i Jehovah ka haha-feno ny voninahiny ny tany rehetra.” — Nomery 14:21; Nehemia 8:10; Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), 1 Novambra 1968, pejy faha-667 ka hatramin’ny faha-670.
Miankina amin’inona ny fahasambarana marina?
19. Hiankina amin’inona foana ny fahasambarantsika?
19 Ny fifandraisantsika sarobidy amin’i Jehovah, ny fankasitrahany ary ny fitahiany — ireo lafin-javatra ireo no hitondra ny tena fahasambarana ho antsika hatrany amin’ny mandrakizay. Noho ny fananana io fomba fijery araka ny tokony ho izy ny amin’izay manome ny fahasambarana marina io, na dia ireo mpanompon’i Jehovah manambady aza dia mahatsapa fa tsy ny fanambadiany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Manaraka izao torohevitry ny apostoly Paoly izao izy ireo: “Izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin’izao sisa izao.” (1 Korintiana 7:29). Izany akory tsy midika fa tokony hataony tsirambina ny vadiny. Ireo lehilahy kristiana matotra manambady dia mametraka ny fanompoana an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany, ary manao izany koa ny vadiny izay matahotra an’Andriamanitra, be fitiavana ary manohana azy, ka ny sasany aminy aza manompo manontolo andro amin’ny maha-naman’ny vadiny azy. — Ohabolana 31:10-12, 28; Matio 6:33.
20. Fihetsika araka ny tokony ho izy inona no ananan’ny Kristiana maro eo anoloan’ireo tombontsoa atolotry ny fanambadiany?
20 Ireo rahalahy manambady izay mpiandraikitra mpitety faritany, mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela, loholon’ny kongregasiona — eny, ireo Kristiana manambady rehetra izay mametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany — dia tsy ‘mampiasa izao tontolo izao amin’ny fomba feno’; miezaka izy ireo mba hifanarahan’ny fanambadiany amin’ny fiainany natokany ho an’ny fanompoana an’i Jehovah. (1 Korintiana 7:31, NW). Sambatra anefa izy ireo. Nahoana? Satria ny antony voalohany indrindra mahatonga azy ho sambatra dia tsy ny fanambadiany akory, fa ny fanompoana ataony ho an’i Jehovah. Ary lehilahy sy vehivavy manambady mahatoky maro — eny, sy ny zanany koa — no sambatra fa toy izany no izy.
21, 22. a) Miorina amin’ny Jeremia 9:23, 24, inona moa no tokony hameno fahasambarana antsika? b) Lafin-javatra mahatonga ho sambatra inona avy no voatonona ao amin’ny Ohabolana 3:13-18?
21 Nanoratra toy izao i Jeremia mpaminany: “Izao no lazain’i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin’ny hareny; fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.” — Jeremia 9:23, 24.
22 Na mpitovo isika na manambady, ny loharano lehibe indrindra ho an’ny fahasambarantsika dia tokony ho ny fahalalantsika an’i Jehovah sy ny fatokiantsika fa manana ny fitahiany isika satria manao ny sitrapony. Sambatra koa isika fa manana fahatakaran-javatra ny amin’izay mahaforona ny tena famaritana marina ny fitsipi-pitondrantena, dia ireo zavatra sitrak’i Jehovah. I Solomona mpanjaka, izay nanambady be dia be, dia tsy nihevitra ny fanambadiana ho ny hany fanalahidin’ny fahasambarana. Nilaza toy izao izy: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.” — Ohabolana 3:13-18.
23, 24. Nahoana isika no afaka mahazo toky fa ho sambatra ny mpanompon’i Jehovah mahatoky rehetra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao?
23 Enga anie isika izay manambady ka hahita fifaliana mandrakizay eo am-panaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Ary enga anie ireo rahalahintsika sy anabavintsika malalantsika izay mpitovo noho ny safidy manokana na noho ny faneren’ny toe-javatra, ka hiaritra ny fitsapana rehetra manjo azy ary hahita fahasambarana sy fahafahampo eo am-panompoana an’i Jehovah, ankehitriny sy ho mandrakizay. (Lioka 18:29, 30; 2 Petera 3:11-13). Ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, dia hisy “horonamboky” hovohaina. (Apokalypsy 20:12, NW). Hisy didy sy fitsipika vaovao hahaliana aoka izany, izay hanampy ho an’ny fahasambaran’ny taranak’olombelona mankatò, ao amin’izy ireny.
24 Azo antoka fa afaka matoky isika fa mampanantena zava-tsoa mahatalanjona ho antsika, izay hitondra fahasambarana feno ho antsika, ilay ‘Andriamanitsika sambatra’. (1 Timoty 1:11, NW). Hanohy ‘hanokatra ny tanany sy hahavoky soa ny zava-miaina rehetra’ Andriamanitra. (Salamo 145:16). Tsy mahagaga raha misy ary hisy foana fahasambarana eo am-panompoana an’i Jehovah.
Inona no Havalinao?
◻ Inona no fototry ny fahasambaran’ireo mpanompon’i Jehovah nanolo-tena?
◻ Tamin’ny andron’ny Baiboly, iza avy moa no sasany tamin’ireo mpanompon’i Jehovah tsy nanambady sambatra?
◻ Nahoana i Paoly no nanoro hevitra ny amin’ny fitoerana ho mpitovo, ary hitan’ny Kristiana sasany ho fiainana sambatra ve izany?
◻ Hiankina amin’inona foana ny fahasambarantsika?
◻ Nahoana isika no tokony hatoky fa ho sambatra ireo olo-mahatoky rehetra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao?
[Sary, pejy 16]
Anabavy mpitovo maro no manompo an’i Jehovah amim-pahasambarana eo amin’ny fanompoana manontolo andro
[Sary, pejy 18]
Ny fiasana ho an’ireo tombontsoan’i Jehovah no loharano lehibe indrindra hahazoana fahasambarana