Vonona ho Amin’ny Andron’i Jehovah ve Ianao?
“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. — ZEFANIA 1:14.
1. Ahoana no ilazalazan’ny Soratra Masina ny andron’i Jehovah?
HO TONGA, tsy ho ela, hamely itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”. Ny Soratra Masina dia milazalaza ny andron’i Jehovah ho andron’ny ady, andro maizina, andro fahatezerana sy fahoriana sy tebiteby mafy sy fahaveloman’ny akora ary fahafonganana. Hisy ho tafita velona anefa, satria “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. (Joela 3:3-5; Amosa 5:18-20). Eny, handringana ireo fahavalony Andriamanitra amin’izay, ary hamonjy ny vahoakany.
2. Nahoana isika no tokony hahatsapa fa mahadodona ny andron’i Jehovah?
2 Nilaza ny andron’i Jehovah ho mahadodona ireo mpaminanin’Andriamanitra. Ohatra, i Zefania dia nanoratra toy izao: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. (Zefania 1:14). Mbola mahadodona kokoa aza ny tarehin-javatra amin’izao andro izao, satria madiva ‘hamehy eo am-balahany ny sabany, ary hitaingina handroso soa aman-tsara noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana’, ilay Mpandringana Lehibe Indrindra hampiasain’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy Mpanjaka. (Salamo 45:3, 4). Vonona ho amin’izany andro izany ve ianao?
Nanana fanantenana lehibe izy ireo
3. Inona avy no fanantenana nananan’ny Kristiana sasany tany Tesalonika, ary noho ny antony roa inona avy no naha-diso hevitra azy ireo?
3 Maro no nanana fanantenana tsy tanteraka raha ny amin’ny andron’i Jehovah. Nilaza ny Kristiana sasany tany am-boalohany, tany Tesalonika, hoe: “Miandoha ny andron’ny Tompo”. (2 Tesaloniana 2:2). Nisy antony fototra roa anefa mampiseho fa tsy antomotra izy io. Nanonona ny iray tamin’izany i Paoly rehefa nilaza toy izao: “Amin’izay hilazan’izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, avy eo ny fandringanana tampoka dia tsy maintsy hihatra aminy avy hatrany”. (1 Tesaloniana 5:1-6, NW ). Amin’izao “andro farany” izao, isika koa dia miandry ny fahatanterahan’ireo teny ireo. (Daniela 12:4). Tsy nananan’ireo Tesaloniana koa ny porofo hafa iray fa hoe efa tonga ny andro lehiben’i Jehovah, satria nilaza toy izao tamin’izy ireo i Paoly: “Tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny [fivadiham-pinoana, NW ]”. (2 Tesaloniana 2:3). Rehefa nanoratra ireo teny ireo i Paoly (tokony ho tamin’ny 51 am.f.i.), dia mbola tsy niharihary tanteraka “ny fivadiham-pinoana” avy tamin’ny Kristianisma marina. Amin’izao andro izao, dia hitantsika miroborobo tanteraka izy io ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Na dia tsy tanteraka aza anefa ny fanantenan’izy ireny, dia nandray valisoa tany an-danitra, tamin’ny farany, ireny voahosotra nahatoky tany Tesalonika ireny izay nanohy nanompo an’Andriamanitra tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesana. (Apokalypsy 2:10). Hovalian-tsoa koa isika, raha mitoetra ho mahatoky eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah.
4. a) Ampifandraisina amin’inona ny andron’i Jehovah ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1, 2? b) Inona avy no fiheverana nananan’ireo nantsoina hoe Rain’ny Eglizy nahakasika ny fiverenan’i Kristy sy ireo raharaha nifandray tamin’izany?
4 Ny Baiboly dia mampifandray “ny andro lehiben’i Jehovah” sy “ny [fanatrehan’i, NW ] Jesosy Kristy Tompontsika”. (2 Tesaloniana 2:1, 2). Nanana hevitra maro samihafa momba ny fiverenan’i Kristy sy ny fanatrehany ary ny Fanjakany Arivo Taona, ireo nantsoina hoe Rain’ny Eglizy. (Apokalypsy 20:4). Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., i Papias avy any Hierapolia dia nifikitra tamin’ny fanantenana ny amin’ny fahavokarana mahagaga eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. I Justin Maritiora dia niresaka imbetsaka ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy, ary nanantena fa i Jerosalema tafaverina amin’ny laoniny no ho foiben’ilay Fanjakany. I Irénée avy any Lyon dia nampianatra fa aorian’ny fandravana ny Empira Romana, i Jesosy dia hiseho amin’ny fomba hita maso, hamatotra an’i Satana, ary hanjaka ao Jerosalema eto an-tany.
5. Inona no nolazain’ny manam-pahaizana manokana sasany momba ny ‘Fiaviana Faharoan’i’ Kristy sy ny Fanjakany Arivo Taona?
5 Ilay mpanoratra tantara atao hoe Philip Schaff dia nanamarika fa “ny hevi-dehibe nanaitra indrindra” tamin’ny vanim-potoana talohan’ny Konsilin’i Nicée tamin’ny 325 am.f.i., dia “ny finoana ny amin’ny fanjakana hita maso hampiharin’i Kristy amim-boninahitra eto an-tany, mandritra ny arivo taona, hiaraka amin’ireo olo-masina tafatsangana amin’ny maty, alohan’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana faobe”. Milaza toy izao ny Dictionary of the Bible, natontan’i James Hastings: “Mbola manantena ny Fahatongavana [ny an’i Jesosy Kristy] tsy ho ela, i Tertullien sy i Irénée ary i Hippolyte; kanefa miditra ao amin’ny fomba fihevitra vaovao isika, miaraka amin’ireo Ray avy any Alexandrie. (...) Rehefa nampitovin’i Augustin ny fe-potoan’ny Église militante sy ny Fanjakana Arivo Taona, dia nahemotra ho amin’ny hoavy mbola lavitra ny Fiaviana Faharoa.”
Ny andron’i Jehovah sy ny fanatrehan’i Jesosy
6. Nahoana isika no tsy tokony hanatsoaka hevitra fa mbola lavitra be ny andron’i Jehovah?
6 Nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana ny fahadisoan-kevitra, kanefa aoka isika tsy hieritreritra fa mbola lavitra be ny andron’i Jehovah. Efa nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy tsy hita maso, izay ampiarahin’ny Soratra Masina amin’izy io. Matetika Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo zavatra vita an-tsoratra mifandray aminy izay avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanome porofo araka ny Soratra Masina fa nanomboka tamin’ny taona 1914 ny fanatrehan’i Kristy.a Koa inona àry no nolazain’i Jesosy momba ny fanatrehany?
7. a) Inona no lafiny sasany amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra? b) Ahoana no mety hahavoavonjy antsika?
7 Nanjary foto-dresaka ny fanatrehan’i Jesosy, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany. Rehefa avy nandre azy nanambara mialoha ny fandravana ny tempolin’i Jerosalema, i Petera sy i Jakoba sy i Jaona ary i Andrea apostoliny, dia nanontany toy izao: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:1-3, NW; Marka 13:3, 4, NW ). Ho valiny, dia nambaran’i Jesosy mialoha ny ady, ny mosary, ny horohoron-tany, ary ireo lafiny hafa amin’ilay “famantarana” ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Nilaza toy izao koa izy: “Fa izay [ho niaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Hovonjena isika raha miaritra amim-pahatokiana hatramin’ny faran’ny fiainantsika ankehitriny, na hatramin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.
8. Talohan’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy, inona no tsy maintsy notontosaina, ary inona no atao momba izany amin’izao andro izao?
8 Alohan’ny farany, dia hotanterahina ny lafiny iray tena lehibe sy miavaka amin’ny fanatrehan’i Jesosy. Nikasika izany no nilazany toy izao: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ilay fanjakana itỳ, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW ). Talohan’ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema sy nifaranan’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70 am.f.i., dia afaka nilaza i Paoly fa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Amin’izao andro izao anefa, dia misy asa fitoriana mbola miitatra lavitra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah “amin’ny tany onenana manontolo”. Nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, dia nosokafan’Andriamanitra ny lalana ho an’ny fanaovana fanambarana lehibe any Eoropa Atsinanana. Noho ny fananany trano fanontam-pirinty, sy trano hafa manerana ny tany, ny fandaminan’i Jehovah dia vonona ho amin’ny fitomboan’ny asa, na dia any amin’ny “faritany mbola tsy niasana” aza. (Romana 15:22, 23, NW ). Moa ve ny fonao manosika anao hanao izay farany azonao atao amin’ny fanaovana fanambarana alohan’ny hahatongavan’ny farany? Raha izany no izy, dia afaka mampahery anao Andriamanitra mba handraisanao anjara mahafa-po amin’ilay asa mbola miandry. — Filipiana 4:13; 2 Timoty 4:17.
9. Inona no hevi-dehibe nambaran’i Jesosy, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:36?
9 Tanteraka ankehitriny indrindra ny asa fitoriana ilay Fanjakana, sy ny lafiny hafa amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy nambara mialoha. Noho izany, dia akaiky ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Marina fa nilaza toy izao i Jesosy: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:4-14, 36). Ny faminanian’i Jesosy anefa dia afaka manampy antsika ho vonona ho “amin’izany andro sy ora izany”.
Vonona izy ireo
10. Ahoana no ahafantarantsika fa azo atao ny mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy?
10 Mba hahatafitana velona amin’ny andro lehiben’i Jehovah, dia tsy maintsy mitoetra ho mifoha amin’ny lafiny ara-panahy isika, sady miandany mafy amin’ny fanompoam-pivavahana marina. (1 Korintiana 16:13, NW ). Fantatsika fa azo atao ny miaritra toy izany, satria nanao izany ny fianakaviana iray tia an’Andriamanitra, ka tafita velona tamin’ny Safo-drano izay nandringana ny ratsy fanahy tamin’ny 2370 al.f.i. Nampitaha izany vanim-potoana izany tamin’ny fanatrehany i Jesosy, ka nilaza toy izao: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny [fanatrehan’ny, NW ] Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary [tsy nanisy fiheverana na inona na inona izy ireo, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny [fanatrehan’ny, NW ] Zanak’olona.” — Matio 24:37-39.
11. Inona ny lalam-pitondran-tena narahin’i Noa, na dia teo aza ny herisetra nisy tamin’ny androny?
11 Tahaka antsika, dia niaina tao amin’ny tontolo iray feno herisetra i Noa sy ny fianakaviany. Nitafy nofo ireo “zanak’Andriamanitra” anjely tsy nankatò, ka nanambady ny zanakavavin’ny olona izay niterahany an’ireo Nefilima ratsy laza — mpampijaly kely izay tsy isalasalana fa nahatonga ny toe-piainana ho feno herisetra kokoa. (Genesisy 6:1, 2, 4; 1 Petera 3:19, 20). Kanefa, dia “niara-nandeha tamin’Andriamanitra [tamim-pinoana] Noa”. Izy dia “tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy” — dia ilay taranaka ratsy fanahy tamin’ny androny. (Genesisy 6:9-11). Amin’ny fianteherana amim-bavaka amin’Andriamanitra, dia afaka manao toy izany koa isika eo amin’itỳ tontolo feno herisetra sy ratsy fanahy itỳ, eo am-piandrasantsika ny andron’i Jehovah.
12. a) Ankoatra ny fanamboarana sambo fiara, asa inona koa no nataon’i Noa? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona nanoloana ny fitorian’i Noa, ary inona avy no vokatr’izany ho azy ireo?
12 I Noa dia fantatra tsara ho ilay mpanamboatra sambo fiara natao hiarovana aina nandritra ny Safo-drano. “Mpitory ny fahamarinana” koa izy, kanefa “tsy nanisy fiheverana” ny hafatra nomen’Andriamanitra azy ireo mpiara-belona taminy. Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, nitaiza zanaka, ary nanohy ireo raharaha nahazatra teo amin’ny fiainana, mandra-pandringan’ny Safo-drano azy rehetra. (2 Petera 2:5; Genesisy 6:14). Tsy ta handre momba ny teny sy ny fitondran-tena mahitsy izy ireo. Toy izany koa ny taranaka ratsy fanahy amin’izao andro izao izay manampin-tsofina tsy hihaino izay lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah momba “ny fibebahana amin’Andriamanitra”, ny finoana an’i Kristy, sy ny fahamarinana, ary “ny fitsarana ho avy”. (Asan’ny Apostoly 20:20, 21; 24:24, 25). Tsy misy firaketana an-tsoratra eo am-pelatanana momba ny hoe firy ny olona niaina teto an-tany fony i Noa nanambara ny hafatr’Andriamanitra. Zavatra iray loha anefa no azo antoka, dia ny hoe nihena tamin’ny fomba nahery vaika ny mponin’ny tany tamin’ny 2370 al.f.i.! Ny Safo-drano dia nandringana ny ratsy fanahy, ka tsy nitsimbina afa-tsy ireo vonona ho amin’izany asan’Andriamanitra izany — dia i Noa sy ireo mpianakaviny fito hafa. — Genesisy 7:19-23; 2 Petera 3:5, 6.
13. Natoky tanteraka ny didim-pitsarana hoe ahoana i Noa, ary ahoana no nanaovany zavatra nifanaraka tamin’izy io?
13 Tsy nanome an’i Noa filazana an-taonany maro nialoha Andriamanitra, momba ny andro sy ny ora marina hiavian’ny Safo-drano. Kanefa, rehefa 480 taona i Noa, dia namoaka izao didy izao i Jehovah: “Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ny olona ny Fanahiko, fa amin’ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.” (Genesisy 6:3). Natoky tanteraka an’io didim-pitsaran’Andriamanitra io i Noa. Rehefa nahatratra 500 taona izy, dia “niteraka an’i Sema sy Hama ary Jafeta”, ary ny fomba tamin’izany andro izany dia toa manondro fa 50 ka hatramin’ny 60 taona no lasa vao nanambady ireo zanany lahy. Rehefa nilazana i Noa mba hanamboatra ilay sambo fiara natao hiarovana nandritra ny Safo-drano, dia niharihary fa nanampy azy tamin’izany asa izany ireo zanany lahy mbamin’ny vadin’izy ireo avy. Azo inoana fa nifanojo tamin’ny fanompoan’i Noa tamin’ny naha-“mpitory ny fahamarinana” azy ny fanamboarana ilay sambo fiara, ka izany dia nihazona azy ho be hatao nandritra ireo 40 ka hatramin’ny 50 taona farany talohan’ny Safo-drano. (Genesisy 5:32; 6:13-22). Nanao zavatra tamim-pinoana izy sy ny fianakaviany, nandritra ireo taona rehetra ireo. Aoka koa isika haneho finoana eo am-pitoriana ny vaovao tsara sy eo am-piandrasana ny andron’i Jehovah. — Hebreo 11:7.
14. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Noa rehefa nandeha ny fotoana, ary nahoana?
14 Rehefa nadiva ho vita ilay sambo fiara, dia nety ho nihevitra i Noa fa antomotra ilay Safo-drano, na dia tsy fantany marina aza hoe rahoviana izy io no hitranga. Rehefa nandeha ny fotoana dia nilaza taminy toy izao i Jehovah: “Raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina”. (Genesisy 7:4). Izany dia zara raha nanome fotoana ampy ho an’i Noa sy ny fianakaviany mba hampidirana ireo karazana biby rehetra tao anatin’ilay sambo fiara sy mba hidiran’ny tenan’izy ireo tao, talohan’ny nanombohan’ilay Safo-drano. Tsy ilaintsika ny mahafantatra ny andro sy ny ora hanombohan’ny fandravana itỳ fandehan-javatra itỳ; tsy nankinina tamintsika ny fitsimbinana ny ain’ireo biby, ary ireo olona izay mety ho tafita velona dia efa miditra sahady ao amin’ilay sambo fiara ara-panoharana, dia ny paradisa ara-panahy misy ny vahoakan’Andriamanitra.
“Miambena”
15. a) Amin’ny fiteninao manokana, ahoana no hanazavanao ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 24:40-44? b) Inona no vokatry ny tsy fahafantarana ny fotoana marina hiavian’i Jesosy mba hampihatra ny famalian’Andriamanitra?
15 Nahakasika ny fanatrehany, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Ary amin’izany hisy roa lahy [hiasa] any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary [mba hanodinana ny voa ho koba]; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hiavian’ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy hamela ny tranony hotamina. Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:40-44; Lioka 17:34, 35). Ny tsy fahafantarana ny fotoana marina hihavian’i Jesosy mba hampihatra ny famalian’Andriamanitra dia manosika antsika ho mailo hatrany, ary manome antsika fahafahana isan’andro hanaporofo fa isika dia manompo an’i Jehovah noho ny antony tsy misy fitiavan-tena.
16. Inona no hihatra amin’ireo olona “havela” sy ireo “horaisina”?
16 Ireo olona “havela” ho amin’ny fandringanana hiaraka amin’ny ratsy fanahy dia hahatafiditra an’ireo izay efa nahazo fahazavana taloha, nefa nanjary revo tanteraka amin’ny fomba fiaina feno fitiavan-tena. Enga anie isika ho anisan’ireo izay “horaisina”, dia ireo mampiseho fifikirana feno amin’i Jehovah, ary velom-pankasitrahana marina noho ireo fandaharana ara-panahy ataony amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. (Matio 24:45-47, NW ). Hatramin’ny farany mihitsy, dia aoka isika hanompo an’Andriamanitra amin’ny “fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy”. — 1 Timoty 1:5.
Tena ilaina ny asa masina
17. a) Inona no voambara mialoha ao amin’ny 2 Petera 3:10? b) Inona no asa sasany ampirisihan’ny 2 Petera 3:11 hatao?
17 Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (2 Petera 3:10). Tsy ho tafita velona amin’ny hafanan’ny fahatezerana mirehitr’Andriamanitra, ny lanitra sy ny tany ara-panoharana. Koa nanampy teny toy izao i Petera: “Koa satria natao holevonina, araka izany, ireo zavatra rehetra ireo, tokony ho karazan’olona manao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra!” (2 Petera 3:11, NW ). Anisan’ireny asa ireny ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana kristiana, ny fanaovana soa amin’ny hafa, ary ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny fomba misy vokany. — Matio 24:14, NW; Hebreo 10:24, 25; 13:16.
18. Raha mampitombo tsikelikely fifikirana amin’itỳ tontolo itỳ isika, inona no tokony hataontsika?
18 “Ny fitondran-tena masina sy ny asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra” dia mitaky ny ‘hiarovantsika tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. (Jakoba 1:27). Kanefa ahoana raha mampitombo tsikelikely fifikirana amin’itỳ tontolo itỳ isika? Angamba isika hanjary hitana toerana mampidi-doza eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fikatsahana fialam-boly maloto, na amin’ny fihainoana mozika sy hira mampandroso ny toe-tsain’itỳ tontolo tsy tia an’Andriamanitra itỳ. (2 Korintiana 6:14-18). Raha izany no izy, dia aoka isika hitady ny fanampian’Andriamanitra ao amin’ny vavaka mba tsy hiara-mandalo amin’izao tontolo izao, fa hijoro hankasitrahana kosa eo anatrehan’ny Zanak’olona. (Lioka 21:34-36; 1 Jaona 2:15-17). Raha nanolo-tena ho an’Andriamanitra isika, dia azo antoka fa hirintsika ny hanao izay azontsika atao mba hanorenana sy hihazonana fifandraisana mafana aminy, ka amin’izany dia ho vonona ho amin’ny andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatsiravina.
19. Nahoana ireo mpitory ilay Fanjakana maro be no afaka manantena ny ho tafita soa amin’ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ?
19 Tafita soa tamin’ilay Safo-drano nandringana ny tontolo fahiny, i Noa sy ny fianakaviany natahotra an’Andriamanitra. Tafita velona tamin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70 am.f.i. ireo olona nahitsy. Ohatra, ny apostoly Jaona dia mbola narisika tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra tamin’ny 96-98 am.f.i. tany ho any, fony izy nanoratra ny bokin’ny Apokalypsy sy ny Filazantsarany ary ireo taratasiny telo ara-tsindrimandry. Tamin’ireo olona an’arivony maro nandray ny finoana marina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia azo inoana fa maro no tafita soa tamin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:41, 47; 4:4). Amin’izao andro izao, dia mpitory ilay Fanjakana maro be no afaka manantena ny ho tafita soa amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny.
20. Nahoana isika no tokony ho “mpitory ny fahamarinana” be zotom-po?
20 Koa satria antomotra ny hitsimbinana antsika hiditra ao amin’ilay tontolo vaovao, dia aoka isika ho “mpitory ny fahamarinana” be zotom-po. Tombontsoa toy inona moa ny manompo an’Andriamanitra amin’izao andro farany izao! Ary fifaliana toy inona moa ny mitarika olona ho ao amin’ilay “sambo fiara” amin’ny andro ankehitriny, dia ny paradisa ara-panahy ankafizin’ny vahoakan’Andriamanitra! Enga anie ireo olona an-tapitrisany maro ao anatin’izy io ankehitriny hitoetra ho mahatoky, sy hifoha amin’ny lafiny ara-panahy, ary ho vonona ho amin’ny andro lehiben’i Jehovah. Inona anefa no hanampy antsika rehetra hitoetra ho mifoha?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-10 sy 11 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy no fanantenana nananan’ny sasany nahakasika ny andron’i Jehovah sy ny fanatrehan’i Kristy?
◻ Nahoana isika no afaka milaza fa vonona ho amin’ny Safo-drano i Noa sy ny fianakaviany?
◻ Inona no hitranga amin’ireo ‘miambina’ sy ireo tsy manao izany?
◻ Nahoana no tena ilaina ny asa masina, indrindra fa arakaraka ny hanatonantsika ny andro lehiben’i Jehovah?