‘Miomàna Ianareo’
1 Nampitandrina antsika mba tsy ho variana be amin’ny fiainana andavanandro i Jesosy, rehefa nilaza ilay faminaniana niavaka momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Matio 24:36-39; Lioka 21:34, 35) Ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fahoriana lehibe, ka tena ilaina ny manaraka ny fampitandreman’i Jesosy hoe: “Miomàna . . . ianareo, satria amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:44) Inona no afaka manampy antsika amin’izany?
2 Aza be fanahiana, na variana amin’ny fialam-boly: Anisan’ny mamandrika antsika ny “fanahiana eo amin’ny fiainana”, ka tsy maintsy mitandrina isika. (Lioka 21:34) Sarotra ny mahazo izay tena ilaina eo amin’ny fiainana any amin’ny tany sasany, noho ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny asa ary ny halafosan’ny vidim-piainana. Any amin’ny tany hafa kosa dia mahazatra ny fividianana entana isan-karazany. Mety tsy hifantoka amin’ilay Fanjakana intsony isika, raha ny vola aman-karena no lasa mibahana ao an-tsaintsika. (Matio 6:19-24, 31-33) Manampy antsika hifantoka amin’ilay Fanjakana ny fivoriana kristianina. Hataonao tanjona ve ny hanatrika ny fivoriana rehetra?—Heb. 10:24, 25.
3 Feno fialam-boly eo amin’ity tontolo ity, ary mety haka ny fotoana sarobidy ananantsika izany. Mety hamandrika antsika ny fampiasana ordinatera, raha mandany fotoana be loatra isika ikarokarohana ao amin’ny Internet, na amakiana sy andefasana hafatra amin’ny e-mail, na anaovana lalao amin’ny ordinatera. Mety handany fotoana be ny fijerena televiziona sy video, ny famakiana boky tsy ara-pivavahana, ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly hafa, hany ka zara isika raha hanam-potoana na hery hanaovana zavatra ara-panahy. Marina fa afaka mitondra famelombelomana vetivety ny fialam-boly sy ny fialan-tsasatra. Ny fianarana Baiboly samirery sy ny fianaram-pianakaviana kosa anefa no mitondra soa mandrakizay. (1 Tim. 4:7, 8) Manararaotra ny fotoana ve ianao mba hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro?—Efes. 5:15-17.
4 Tena velom-pankasitrahana mihitsy isika, satria manao fandaharam-pampianarana ara-panahy ny fandaminan’i Jehovah, mba ‘ho afa-mandositra ny zava-drehetra tsy maintsy ho tonga’ isika, “ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona”! (Lioka 21:36) Enga anie isika hanararaotra tsara an’io fandaharana io sy ‘hiomana.’ Amin’izay ny finoantsika dia “hitondra fiderana sy voninahitra ary haja, rehefa haharihary i Jesosy Kristy.”—1 Pet. 1:7.