Hazonin’ny Vatofantsiky ny Fanantenana, Atosiky ny Fitiavana
“Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” — 1 KORINTIANA 13:13.
1. Inona no fampitandremana nomen’ny apostoly Paoly antsika?
NAMPITANDRINA antsika ny apostoly Paoly fa, toy ny sambo iray, dia mety ho rendrika ny finoantsika. Noresahiny ny amin’ny ‘itanana ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ny finoana’. (1 Timoty 1:19). Vita tamin’ny hazo ny sambon-dranomasina, tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Niankina tamin’ny hatsaran’ny hazo sy ny fahaiza-nanamboatra ny sambo ny hamafin’ny sambo.
2. Nahoana no tsy maintsy ho tsara voatra ny sambon’ny finoantsika, ary mitaky inona amintsika izany?
2 Tsy maintsy atao mitsinkafona hatrany eo amin’ny ranomasina misamboaravoaran’ny olombelona, ilay azo antsoina hoe sambon’ny finoantsika. (Isaia 57:20; Apokalypsy 17:15). Koa tsy maintsy ho tsara voatra izy io, ary miankina amintsika izany. Rehefa nanjary nisamboaravoara mafy ireo ‘ranomasin’ny’ tontolo jiosy sy romanina, ho an’ny Kristianina tany am-boalohany, dia nanoratra toy izao i Joda: “Ry malala, (...) ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 20, 21). Noresahin’i Joda koa ny amin’ny fiadiana ho amin’ny ‘finoana natolotra ny olona masina’. Noho izany, ilay teny hoe ‘finoana masina indrindra’ dia mety hanondro ny fitambaran’ny fampianarana kristianina manontolo, anisan’izany ny vaovao tsara momba ny famonjena. (Joda 3). I Kristy no fototr’izany finoana izany. Ilaina ny finoana matanjaka, raha tiantsika ny hifikitra amin’ny tena finoana kristianina.
Famakivakiana soa aman-tsara ny tafiotran’ny “tahotra sekta”
3. Amin’ny fomba ahoana no ampiasan’ny sasany ilay “tahotra sekta”?
3 Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy zava-nitranga mahatsiravina maromaro, toy ny famonoan-tena tambabe, ny vonoan’olona, sy ny fanafihan’ny mpampihorohoro, izay nahavoarohirohy sekta hafahafa. Tsy mahagaga raha toa ka olona maro, anisan’izany ireo mpitondra ara-politika tso-po, no niahy ny amin’ny hiarovana ny olona tsy manan-tsiny, indrindra fa ny tsy ampy taona, amin’ireny sekta mampidi-doza ireny. Tsy isalasalana fa ilay “andriamanitr’izao tontolo izao” no ao ambadik’ireny heloka bevava mahatsiravina ireny. Tamin’izany fomba izany no namoronany ilay antsoin’ny sasany hoe tahotra sekta, ary ampiasainy izy io mba hamelezana ny vahoakan’i Jehovah. (2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:12). Nisy olona nanararaotra io toe-javatra io mba hampipoirana fanoherana ny asantsika. Tany amin’ny tany sasany, dia nanao fampielezan-kevitra nokendrena mazava hiarovana ny olona amin’ireo “sekta mampidi-doza” ireny olona ireny. Nanao fahadisoana anefa izy ireo fa notononiny tao anatin’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nampangainy an-kolaka isika tamin’izany. Nanjary sarotra ny nanao fitoriana isan-trano any amin’ny tany sasany any Eoropa, ary nanjary nitsahatra tsy nianatra ny olona sasany niara-nianatra Baiboly tamintsika. Izany indray kosa dia nanakivy ny rahalahintsika sasany.
4. Nahoana no tsy tokony hanakivy antsika ny fanoherana?
4 Tsy tokony hanakivy antsika velively anefa ny fanoherana, fa tokony hanamafy ny fiekentsika fa manaraka ny Kristianisma marina isika. (Matio 5:11, 12). Nampangaina ho sekta mpampikomy vahoaka ny Kristianina tany am-boalohany, ary “ratsy laza” hatraiza hatraiza izy ireo. (Asan’ny Apostoly 24:5; 28:22). Nanome toky ireo mpiray finoana taminy anefa ny apostoly Petera, rehefa nanoratra hoe: “Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany; fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa.” (1 Petera 4:12, 13). Nanoratra toy izany koa ny Kristianina iray, anisan’ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany, manao hoe: “Hevero ho fifaliana avokoa, ry rahalahiko, raha tojo fisedrana isan-karazany ianareo, noho ny fahafantarana fa izany hatsaran’ny finoanareo voazaha toetra izany dia mitondra fiaretana. Nefa aoka ny fiaretana hanana ny asany feno, mba ho feno sy tsy hanan-tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.” (Jakoba 1:2-4, NW ). Tsy misy hafa amin’ny itsapan’ny rivo-mahery ny hamafin’ny sambo iray, no hampihariharian’ny tafiotran’ny fanoherana ny mety ho fahalemen’ny sambon’ny finoantsika.
Miteraka fiaretana ny fahoriana
5. Amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy hihozongozona ny finoantsika rehefa ao anatin’ny fahoriana?
5 Tsy afaka mahazo antoka ny amin’ny fiaretany sy ny tsy fihozongozonan’ny finoany ny Kristianina, raha tsy efa avy namakivaky soa aman-tsara ny tafiotran’ny fahoriana. Tsy “hanana ny asany feno” eo amin’ny ranomasina misamboaravoara ny fiaretantsika, raha tsy rehefa ‘feno sy tsy manan-tsiny amin’ny lafiny rehetra isika, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona’, anisan’izany ny finoana matanjaka. Izao no nosoratan’i Paoly: “Amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be, amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana”. — 2 Korintiana 6:4.
6. Nahoana isika no tokony “hifaly amin’ny fahoriana”, ary amin’ny ahoana izany no manatanjaka ny fanantenantsika?
6 Tokony hoheverina ho fahafahana azo anaporofoana ny hamafin’ny sambon’ny finoantsika, ireo rivo-maherin’ny fahoriana mety hamely antsika indraindray. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny Kristianina tany Roma: “Aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga [fahazoana fankasitrahana; ny fahazoana fankasitrahana, NW ] mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra”. (Romana 5:3-5). Mahatonga antsika hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ny tsy fivadihana ao anatin’ny fisedrana. Izany indray kosa dia manatanjaka ny fanantenantsika.
Ny antony mahatonga ny sasany ho vaky sambo
7. a) Araka ny asehon’ny tenin’i Paoly, tamin’ny ahoana ny sasany no vaky sambo teo amin’ny lafiny ara-panahy? b) Tamin’ny fomba ahoana no nialan’ny sasany tamin’ny fahamarinana ankehitriny?
7 Rehefa nampitandreman’i Paoly ny Kristianina mba tsy ho “vaky sambo”, dia tao an-tsainy ny olona sasany izay ‘nanary’ ny feon’ny fieritreretany tsara ka namoy ny finoany. (1 Timoty 1:19). Anisan’izy ireny i Hymeneo sy i Aleksandro, izay nanjary nivadi-pinoana, ka niala tamin’ny fahamarinana sy niteny ratsy. (1 Timoty 1:20; 2 Timoty 2:17, 18). Ankehitriny, ireo mpivadi-pinoana izay miala amin’ny fahamarinana, dia mikapoka “ny mpanompo mahatoky sy malina” amin’ny teny. Manaikitra ilay tanana namahana azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, raha ny marina. Ny sasany mitovy amin’ilay “mpanompo ratsy fanahy”, izay milaza an-kolaka hoe: “Maharitra ela ny tompoko”. (Matio 24:44-49, NW; 2 Timoty 4:14, 15). Lavin’izy ireo fa efa akaiky ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity, ary kianiny ilay kilasin’ny mpanompo mailo ara-panahy satria manampy ny vahoakan’i Jehovah hahatsapa fahadodonana hatrany. (Isaia 1:3). Mahavita “mamadika ny finoan’ny sasany” ireny mpivadi-pinoana ireny, ka mahatonga fahavakian-tsambo ara-panahy. — 2 Timoty 2:18.
8. Inona no nahatonga ny sasany ho vaky sambo na handentika ny sambon’ny finoany?
8 Nanjary vaky sambo ny finoan’ny Kristianina hafa vita fanoloran-tena, rehefa nanary ny feon’ny fieritreretany izy ireo, ka nanaram-po tamin’ny fikatsaham-pahafinaretana tsy voafehy fanaon’ity tontolo ity sy tamin’ny fahalotoam-pitondran-tenany. (2 Petera 2:20-22). Ny hafa kosa nandentika ny sambon’ny finoany, noho izy ireo nihevitra fa toa mbola tsy hita manangasanga eny am-paravodilanitra ihany ilay fitodihan-tsambon’ny fandehan-javatra vaovao. Tsy afaka manao kajy ny fotoana hahatanterahan’ny faminaniana sasany izy ireo, no sady mampihemotra ny “andron’i Jehovah” ao an-tsainy, ka miala amin’ny fanompoam-pivavahana marina. (2 Petera 3:10-13, NW; 1 Petera 1:9). Tsy ela izy ireo dia tafaverina amin’ireo rano maloto mitopatopan’ity fandehan-javatra ankehitriny ity. (Isaia 17:12, 13; 57:20). Ny sasany izay nitsahatra tsy nifanerasera tamin’ny kôngregasiôna kristianina, dia mbola mino ihany fa manaraka ny fivavahana marina io kôngregasiôna io. Miharihary anefa fa tsy manana ilay faharetana takina mba hiandrasana ilay tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra ireny olona ireny. Ela loatra ny fahatongavan’ny fiainana ao amin’ny Paradisa, tamin’izy ireny.
9. Inona no ataon’ny Kristianina vita fanoloran-tena sasantsasany, ary tokony hitarika antsika handinika inona ireo zava-misy ireo?
9 Toa nangorona ny lain’ny sambon’ny finoany ny Kristianina vita fanoloran-tena sasantsasany, any amin’ny faritra sasany eto an-tany. Mbola mitsinkafona ihany ilay sambo, saingy tsy mandroso amim-pinoana feno, fa mandeha moramora, tsy maika. Voasariky ny fanantenana “Paradisa ho avy tsy ho ela” ny sasany, ka niomana tsy hitsitsy tena mba hanatratrarana izany, hany ka be zotom-po tamin’ny asa fitoriana sy tsy tapatapaka tamin’ny fanatrehana ireo fivoriana sy fivoriambe rehetra izy ireo. Ankehitriny anefa, dia mihevitra izy ireo fa mbola lavitra tsy araka ny nantenainy ny fahatanterahan’ny fanantenany, ka tsy vonona hanao sorona be intsony izy ireo. Hita miharihary izany eo amin’ny fihenan’ny asa fitoriany, ny fahatapatapahany amin’ny fivoriana, sy ny tsy fahazotoany hamonjy tapany sasany amin’ny fandaharan’ny fivoriambe. Ny hafa manokana fotoana bebe kokoa hanaovana fialam-boly sy hahazoana zavatra mampiadana ara-nofo. Ireo zava-misy ireo dia mitarika antsika handinika izay tokony ho hery manosika antsika eo amin’ny fiainantsika, mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah. Tokony hiankina amin’ny fanantenana “Paradisa ho avy tsy ho ela” ve ny zotom-pontsika eo amin’ny fanompoana azy?
Ampitahaina amin’ny vatofantsika ny fanantenana
10, 11. Noharin’i Paoly tamin’ny inona ny fanantenantsika, ary nahoana no nety izany fampitahana izany?
10 Nomarihin’i Paoly fa nanome fampanantenana ny amin’ny hiavian’ny fitahiana amin’ny alalan’i Abrahama, i Jehovah. Izao no nohazavain’ilay apostoly nony avy eo: ‘Nataon’Andriamanitra mafy tamin’ny fianianana izany, mba ho zavatra roa loha tsy mety miova [ny teniny sy ny fianianany], izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika fampirisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika.’ (Hebreo 6:17-19; Genesisy 22:16-18). Ny fiainana tsy misy fahafatesana any an-danitra no fanantenana apetraka eo anoloan’ny Kristianina voahosotra. Manana fanantenana kanto ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. (Lioka 23:43, NW ). Raha tsy misy fanantenana toy izany, dia tsy misy afaka ny hanam-pinoana.
11 Ny vatofantsika dia fitaovam-piarovana matanjaka, izay tena ilaina mba hihazonana ny sambo ho eo amin’ny toerany, ka hisakanana azy tsy havezivezin’ny rano na ny rivotra. Tsy hisy tantsambo ho sahisahy hiainga avy eo amin’ny seranana, nefa tsy manana vatofantsika. Koa satria efa vaky sambo imbetsaka i Paoly, dia fantany tamin’izay nodiaviny fa matetika no niankina tamin’ny vatofantsiky ny sambo ny ain’ny tantsambo. (Asan’ny Apostoly 27:29, 39, 40; 2 Korintiana 11:25). Tamin’ny taonjato voalohany, ny sambo dia tsy nisy môtera izay nahafahan’ny kapiteny namily azy io araka izay tiany. Niankina indrindra tamin’ny rivotra ny fandehanan’ny sambo, afa-tsy ny sambo mpiady nisy fivoy. Raha natahorana hidona tamin’ny harambato ny sambo, ny hany azon’ny kapiteny iray natao dia ny nandatsaka ny vatofantsika ka nisetra ilay tafiotra, tamin’ny fatokisana fa tsy ho votsotra ny famaharan’ilay vatofantsika amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Nampitahain’i Paoly tamin’ny “vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika” àry ny fanantenan’ny Kristianina. (Hebreo 6:19). Rehefa iharan’ny famelezan’ny tafiotran’ny fanoherana isika na tojo fisedrana hafa, ny fanantenantsika mahatalanjona dia toy ny vatofantsika mampiorina antsika mafy amin’ny maha fanahy velona antsika. Amin’izay ny sambon’ny finoantsika dia tsy hoentin’ny tafiotra ho eny amin’ny dongom-pasika mampidi-dozan’ny fisalasalana, na ho eny amin’ny harambato mampidi-dozan’ny fivadiham-pinoana. — Hebreo 2:1; Joda 8-13.
12. Ahoana no azontsika analavirana ny fialana amin’i Jehovah?
12 Nampitandrina ny Kristianina hebreo toy izao i Paoly: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona”. (Hebreo 3:12). Ao amin’ny soratra grika, ny hoe ‘miala’ dia midika ara-bakiteny hoe “manalavitra”, izany hoe mivadi-pinoana. Azontsika halavirina anefa ny ho vaky sambo tanteraka toy izany. Hanampy antsika hifikitra amin’i Jehovah ny finoana sy ny fanantenana, na dia mandritra ny tafiotran’ny fitsapana ratsy indrindra aza. (Deoteronomia 4:4; 30:19, 20). Tsy ho toy ny sambo avezivezin’ny rivotry ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana, ny finoantsika. (Efesiana 4:13, 14). Ho afaka hamakivaky soa aman-tsara ireo tafiotran’ny fiainana isika mpanompon’i Jehovah, satria manana ny fanantenana ho vatofantsika.
Atosiky ny fitiavana sy ny fanahy masina
13, 14. a) Nahoana no tsy ampy raha ny vatofantsiky ny fanantenantsika fotsiny? b) Inona no tokony ho hery manosika antsika hanolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah, ary nahoana?
13 Tsy handroso ho any amin’ny fandehan-javatra vaovao ny Kristianina iray, raha toa ka ny fanantenana ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, no hany antony manosika azy hanompo an’i Jehovah. Eo am-pihazonany ilay vatofantsiky ny fanantenana ho lafin-javatra mampiorina mafy azy eo amin’ny fiainany, dia mila manana ny hery manosiky ny fitiavana izy, ho fanampin’ilay fanantenany sy ny finoany. Nanantitrantitra izany i Paoly, fony izy nanoratra hoe: “Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” — 1 Korintiana 13:13.
14 Tokony ho ny fitiavana amim-pahatsorana an’i Jehovah, ho setrin’ny fitiavany antsika tsy hita fetra, no antony manosika antsika hanolotra fanompoana masina. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:8, 9, 19). Noho isika velom-pankasitrahana an’i Jehovah, dia tsy ny hahazoan’ny tenantsika famonjena akory no tokony hahintsika voalohany indrindra, fa ny fanamasinana ny anarany masina sy ny fanamarinana ny fiandrianany marina.
15. Amin’ny ahoana ny fitiavantsika an’i Jehovah no mifandray amin’ilay raharaha momba ny fiandrianany?
15 Irin’i Jehovah ny hanompoantsika azy, noho ny fitiavantsika azy, fa tsy noho ny fitiavantsika ny Paradisa fotsiny. Hoy ny ambaran’ilay rakipahalalana ara-baiboly hoe Étude perspicace des Écritures:a “Faly erỳ i Jehovah fa miorina voalohany indrindra amin’ny fitiavana, ny fiandrianany sy ny fanohanan’ny zavaboariny azy io. Ny hany iriny dia ireo izay tia ny fiandrianany noho ireo toetrany tsara dia tsara sy noho izy io araka ny hitsiny, ka aleon’izy ireo ny fiandrianany toy izay ny hafa rehetra. (1Ko 2:9). Aleon’izy ireo manompo eo ambany fiandrianany toy izay hiezaka ny hahaleo tena — izany dia noho ny fahalalan’izy ireo azy sy ny fahalalany ny fitiavany sy ny fitiavany ny rariny ary ny fahendreny, izay takatr’izy ireo fa ambony lavitra noho ny an’ny tenan’izy ireo. (Sl 84:10, 11).” — Boky Voalohany, pejy faha-108.
16. Amin’ny ahoana ny fitiavana an’i Jesosy no hery manosika iray eo amin’ny fiainantsika?
16 Maneho fitiavana an’i Jesosy koa isika amin’ny maha Kristianina antsika, ho setrin’ny fitiavany antsika. Hoy ny fanjohian-kevitr’i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.” (2 Korintiana 5:14, 15). I Kristy no tena fototra iorenan’ny fiainantsika ara-panahy sy ny finoantsika ary ny fanantenantsika. Manatanjaka ny fanantenantsika sy mampiorina mafy ny finoantsika ny fitiavantsika an’i Kristy Jesosy, indrindra fa amin’ny fotoan’ny fitsapana mahery vaika. — 1 Korintiana 3:11; Kolosiana 1:23; 2:6, 7.
17. Hery matanjaka inona no omen’i Jehovah antsika, ary ahoana no ampisehoana ny maha zava-dehibe azy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 sy ny Efesiana 3:16?
17 Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny Zanany no hery manosika antsika lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, amin’ny maha Kristianina antsika. Na izany aza, i Jehovah dia manome zavatra hafa izay manosika antsika sy manome hery sy tanjaka antsika mba handroso eo amin’ny fanompoana azy. Izany dia ny heriny miasa, na ny fanahiny masina. Ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fanahy”, dia manondro ny fitsokan’ny rivotra mafy, raha ny marina. Niankina tamin’ny hery tsy hita mason’ny rivotra ireo sambo lay, toy ireo nandehanan’i Paoly, mba hahatongavana tany amin’ny toerana nalehany. Toy izany koa fa mila fitiavana isika, ary mila ny asan’ny hery miasa tsy hita maso avy amin’Andriamanitra, raha tiantsika handroso eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny sambon’ny finoantsika. — Asan’ny Apostoly 1:8; Efesiana 3:16.
Mandroso ho any amin’ilay toerana halehantsika
18. Inona no hanampy antsika hiaritra an’izay mety ho fitsapana ny finoantsika amin’ny hoavy?
18 Mety ho tojo fitsapana mafy ny finoantsika sy ny fitiavantsika, alohan’ny hahatongavantsika ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. Nanome antsika vatofantsika “sady mafy no tsy mihetsika” — ilay fanantenantsika mahatalanjona — anefa i Jehovah. (Hebreo 6:19; Romana 15:4, 13). Rehefa ianjadian’ny fanoherana na ny fisedrana hafa isika, dia afaka miaritra, raha mifahatra tsara amin’ny alalan’ny vatofantsiky ny fanantenantsika. Rehefa mitony ny tafiotra iray, ary raha mbola tsy tonga ny iray hafa, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hanamafy ny fanantenantsika sy hanatanjaka ny finoantsika.
19. Ahoana no azontsika itanana ny sambon’ny finoantsika amin’ny zotrany ka ho tonga any amin’ilay fitodihan-tsambon’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
19 Hoy i Paoly, talohan’ny niresahany ny amin’ny “vatofantsiky ny aina”: “Mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany [“handeha haingana kokoa”, NW, fanamarihana ambany pejy] mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany; mba tsy hiketraka hianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.” (Hebreo 6:11, 12). Sady atosiky ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Zanany isika no hatanjahin’ny fanahy masina, koa aoka isika hitana ny sambon’ny finoantsika amin’ny zotrany, mandra-pahatongantsika any amin’ilay fitodihan-tsambon’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ho Famerenana
◻ Inona no fampitandremana nomen’i Paoly antsika, mahakasika ny finoantsika?
◻ Tamin’ny ahoana ny sasany no nanjary vaky sambo teo amin’ny lafiny ara-panahy, ary amin’ny ahoana ny hafa no miadam-pamindra?
◻ Inona avy ireo toetra tsara tokony hampiarahina amin’ny finoantsika?
◻ Inona no hanampy antsika ho tonga eo amin’ilay fitodihan-tsambon’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra?
[Sary, pejy 16]
Tsy maintsy ho tsara voatra ny sambon’ny finoantsika mba hahatohitra ireo tafiotran’ny fiainana
[Sary, pejy 17]
Mety ho vaky sambo ny finoantsika
[Sary, pejy 18]
Vatofantsika ho an’ny fiainantsika amin’ny maha Kristianina antsika ny fanantenana