Nohasoavin’i Jehovah Izy
“ARAHABA, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.” Fiarahabana re izany! Tsy iza ilay niteny fa ny anjely Gabriela. Niteny tamin’ny vehivavy tanora iray nanana fo nanetry tena izy, dia i Maria zanakavavin’ny lehilahy iray natao hoe Hely. Ilay taona dia tamin’ny 3 al.f.i., ary ilay toerana dia ny tanànan’i Nazareta. — Lioka 1:26-28.
Voafofo ho vadin’i Josefa mpandrafitra, i Maria. Araka ny lalàna sy ny fomba jiosy, dia noheverina ho efa vadin’i Josefa izy. (Matio 1:18). Sahala aminy ihany, dia iva saranga i Josefa teo amin’ny fari-piainana. Nahoana àry ilay anjely no niarahaba azy ho toy ny olona iray nohasoavina?
Ilay tombontsoa nahatalanjona nananany
Nanampy teny toy izao i Gabriela: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra hianao. Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe JESOSY. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” — Lioka 1:29-33.
Gaga sy very hevitra i Maria ka nanontany hoe: “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Namaly toy izao i Gabriela: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” Mba hanesorana izay nety ho fisalasalana, dia nanampy teny toy izao ilay anjely: “Indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.” — Lioka 1:34-37.
Nanaiky avy hatrany io tombontsoam-panompoana mahatalanjona io i Maria. An-tsitrapo, kanefa tamim-panetren-tena, dia namaly toy izao izy: “Inty ny ankizivavin’ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.” Tamin’izay, dia lasa i Gabriela. Nandeha faingana tany amin’ny tanàna iray any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda i Maria. Rehefa tonga tany an-tranon’i Zakaria mpisorona sy i Elizabeta vadiny izy, dia nahita toe-javatra nitovy tanteraka tamin’izay nolazalazain’ilay anjely. Fifaliana toy inona moa no nameno ny fon’i Maria! Niboiboika teny fiderana an’i Jehovah ny molony. — Lioka 1:38-55.
Tonga vadin’i Josefa izy
Tokony ho virjiny iray no hanome ny vatan’i Jesosy ara-nofo, satria efa nambara mialoha ny fahaterahana toy izany. (Isaia 7:14; Matio 1:22, 23). Nahoana anefa no virjiny efa voafofo no notakina? Mba hanomezana ray mpitaiza iray afaka mampita amin’ilay zaza ny zo ara-dalàna ho amin’ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka. I Josefa sy i Maria dia samy avy tamin’ny fokon’i Joda ary samy taranak’i Davida Mpanjaka. Koa ho voaorina indroa ny zon’ny mpandova ananan’i Jesosy. (Matio 1:2-16; Lioka 3:23-33). Izany no antony nanomezan’ilay anjely toky an’i Josefa tatỳ aoriana fa tsy tokony hisalasala ny haka an’i Maria ho vadiny ara-dalàna izy, na dia efa bevohoka aza izy io. — Matio 1:19-25.a
Nanery an’i Josefa sy i Maria hisoratra anarana tany Betlehema ny didim-panjakana iray momba ny fitakiana hetra nataon’i Aogosto Kaisara. Raha mbola tany izy ireo, dia niteraka ny zanany lahimatoa i Maria. Nisy mpiandry ondry tonga nijery ilay zaza, ary nidera an’i Jehovah Rainy. Taorian’ny 40 andro fidiovana araka ny Lalàn’i Mosesy, dia nankany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Maria mba hanao fanavotana noho ireo otany. (Levitikosy 12:1-8; Lioka 2:22-24). Eny, satria i Maria tsy notorontoronina tsy nisy ota, ka noho izany dia tsy afaka tamin’ny tsinin’ny ota, dia tsy maintsy nosaronana tamin’ny fanati-panavotana ireo kileman-toetra nolovany. — Salamo 51:5.
Raha mbola tao amin’ny tempoly i Maria sy i Josefa, dia nanana tombontsoa hahita ilay Zanak’Andriamanitra i Simeona efa zokiolona sy i Ana mpaminanivavy be taona. Tsy tamin’i Maria no nifantohan’ny sain’izy ireo. (Lioka 2:25-38). Tatỳ aoriana, dia nisy Magy niankohoka, tsy taminy, fa tamin’i Jesosy. — Matio 2:1-12.
Rehefa avy nandositra tany Egypta sy nitoetra tany mandra-pahafatin’i Heroda ratsy fanahy ny ray aman-drenin’i Jesosy, dia niverina nanorim-ponenana tany amin’ny tanàna kelin’i Nazareta. (Matio 2:13-23; Lioka 2:39). Tany no nanabeazan’i Josefa sy i Maria an’i Jesosy teo anivon’ny fianakaviana tia an’Andriamanitra.
Nanan-janaka hafa i Maria
Tatỳ aoriana, dia nanome an’i Jesosy rahalahy sy anabavy iray tam-po taminy, i Josefa sy i Maria. Rehefa nitondra azy tany Nazareta, tanàna nahabe azy, ny fanompoan’i Jesosy, dia nahafantatra azy ireo olom-pantany fahazaza. “Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. “Tsy Maria va no anaran’ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny? Ary ny anabaviny, moa tsy etỳ amintsika avokoa va izy?” (Matio 13:55, 56). Tamin’izany ireo mponina tao Nazareta dia nanisy fitenenana ny amin’ny fianakaviana ara-nofon’i Josefa sy i Maria, anisan’izany ireo zanany lahy sy zanany vavy izay fantatr’izy ireo fa rahalahy sy anabavin’i Jesosy iray tam-po taminy.
Tsy zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy akory ireo rahalahy sy anabaviny ireo. Tsy mpianany, izany hoe rahalahiny sy anabaviny ara-panahy, koa akory izy ireo, satria ny Jaona 2:12 dia manisy fanavahana mazava eo amin’ireo antokon’olona roa ireo, amin’ny filazana hoe: “Nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany”. Taona maro tatỳ aoriana, tany Jerosalema, dia nahita an’i Kefasy, na Petera, i Paoly ary nanampy teny hoe: “Ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ny Tompo.” (Galatiana 1:19). Ambonin’izany, ilay filazana fa “tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria”, dia milaza fa ilay ray nitaiza an’i Jesosy dia tena nanana firaisana taminy taorian’izany ary niteraka zanaka hafa taminy. (Matio 1:25, DIEM ). Mifanaraka amin’izany, dia miantso an’i Jesosy ho ‘Lahimatoan’i’ Maria ny Lioka 2:7.
Reny natahotra an’Andriamanitra
Tamin’ny naha-reny natahotra an’Andriamanitra azy, dia niara-niasa tamin’i Josefa i Maria teo amin’ny fampianarana ny zanany tamim-pahamarinana. (Ohabolana 22:6). Ny naha-mpianatra nafana fo ny Soratra Masina azy dia hita eo amin’ny fiteny feno heviny ara-panahy nampiasainy rehefa noarahabain’i Elizabeta izy. Tamin’izay fotoana izay ny renin’i Jesosy dia namerina ireo fihetseham-po tao amin’ny hiran’i Hana ary nampiseho fahalalana an’ireo salamo mbamin’ireo soratra ara-tantara sy ara-paminaniana ary ireo bokin’i Mosesy. (Genesisy 30:13; 1 Samoela 2:1-10; Ohabolana 31:28; Malakia 3:12; Lioka 1:46-55). Nitadidy ireo fisehoan-javatra sy fitenenana ara-paminaniana i Maria, nitahiry tsara izany tao am-pony, ary nisaintsaina izany tao an-tsainy. Noho izany, dia ampy fitaovana tsara izy mba handraisana anjara tamin’ny fampianarana an’i Jesosy zaza, tamin’ny naha-reny azy. — Lioka 2:19, 33.
Nampiseho fahalalana ny Soratra Masina izay nampitolagaga ireo lehilahy nahita fianarana tao amin’ny Tempoly i Jesosy, zaza 12 taona nahazo fampianarana tsara. Noho izy nanjary tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniny nandritra io fotoan’ny Paska io, dia hoy ny reniny: “Anaka, nahoana no nanao toy izao taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!” Namaly toy izao i Jesosy: “Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” Tsy nahay nahatakatra ny hevitr’io valin-teny io i Maria, ka dia nitahiry izany tao am-pony. Rehefa niverina tany Nazareta i Jesosy, dia nanohy “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona”. — Lioka 2:42-52.
I Maria, tamin’ny naha-mpianatr’i Jesosy azy
Nety indrindra toy inona moa ny nahatongavan’i Maria ho mpianatr’i Jesosy feno fandavan-tena tamin’ny farany! Nalemy fanahy sy tsy nanana fanirian-daza niavaka izy na dia teo aza ny fanendrena tsy nanam-paharoa nomen’Andriamanitra azy. Nahafantatra ny Soratra Masina i Maria. Raha mikaroka ao ny tenanao, dia tsy hahita an’i Maria voalazalaza ho manana auréole (faribolana mazava manodidina ny loha), mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana iray toy ny “mpanjakavavy reny” ary heniky ny taratry ny voninahitr’i Kristy. Hahita azy ho any amin’ny faran’ny sehatra, ho tsy manintona ny saina voalohany, kosa ianao. — Matio 13:53-56; Jaona 2:12.
Nisakana mialoha izay nety ho fanindrahindrana an’i Maria toy ny sampy toy izany teo amin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy. Raha mbola niresaka izy indray mandeha, dia “nisy vehivavy anankiray teo amin’ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: ‘Hankamasinina anie ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay nampinono anao!’ ‘Tsy izany’, hoy izy namaly, ‘fa hankamasinina ireo izay mandre ny tenin’Andriamanitra sy mitandrina izany.’ ” (Lioka 11:27, 28, The New American Bible, nadikan’ireo mpikambana ao amin’ny Catholic Biblical Association of America). Tamin’ny fanasana fampakaram-bady iray, dia hoy i Jesosy tamin’i Maria: “Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy hianao? tsy mbola tonga ny fotoako.” (Jaona 2:4). Misy fandikana hafa vakina toy izao: “Avelao ho eo am-pelatanako ilay raharaha.” (Weymouth). “Aza manandrana mitarika ahy.” (An American Translation). Eny, nanaja an-dreniny i Jesosy, saingy tsy nivavaka taminy.
Tombontsoa mandrakizay
Tombontsoa toy inona moa no nananan’i Maria! Niteraka an’i Jesosy izy. Avy eo dia nikarakara azy toy ny reny sy nampiofana ilay zazakely. Farany, dia naneho finoana izy tamin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Kristy sady anabaviny ara-panahy. Ny topy maso farany ananantsika momba an’i Maria ao amin’ny Soratra Masina, dia izy ao amin’ny efitrano ambony rihana iray ao Jerosalema. Ao izy miaraka amin’ireo apostolin’i Jesosy sy ireo zanany lahy hafa ary vehivavy mahatoky sasany — samy mpivavaka amin’i Jehovah avokoa. — Asan’ny Apostoly 1:13, 14, NW.
Tatỳ aoriana dia maty i Maria, ary niverina tamin’ny vovoka ny vatany. Sahala amin’ireo voahosotra hafa tany am-boalohany mpanara-dia an’ilay zanany malala, dia natory tao amin’ny fahafatesana izy mandra-pahatongan’ny fotoana voatondron’Andriamanitra hananganana azy ho zavaboary ara-panahy manana fiainana tsy mety maty any an-danitra. (1 Korintiana 15:44, 50; 2 Timoty 4:8). Tsy maintsy ho finaritra toy inona moa io “nohasoavina” io izao miaraka amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha tsy virjiny i Maria, iza moa no ho naniry hanambady azy? Nanantitrantitra ny amin’ny naha-virjiny ny zazavavy ny Jiosy. — Deoteronomia 22:13-19; ampitahao amin’ny Genesisy 38:24-26.
[Sary, pejy 31]
Nohasoavina i Maria tamin’ny naha-renin’i Jesosy azy