Tafavoaka Tamin’ny Fitsapana Ilay “Mpanompo Mahatoky”!
‘Izao no fotoana voatondro hanombohan’ny fitsarana eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra.’—1 PETERA 4:17.
1. Inona no hitan’i Jesosy rehefa nandinika an’ilay “mpanompo” izy?
NANENDRY “mpanompo” i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33, mba hanome sakafo ny “mpiasa an-tranony” amin’ny fotoana mety. Lasa Mpanjaka izy tamin’ny 1914, ka tsy ela dia tonga ny fotoana nandinihana an’io “mpanompo” io. Hitany fa ‘nahatoky sy malina’ ny ankamaroan’ireo anisan’ilay “mpanompo.” Notendreny “hikarakara ny fananany rehetra” àry izy io. (Matio 24:45-47) Nisy mpanompo ratsy fanahy koa anefa, izay sady tsy nahatoky no tsy malina.
“Ilay mpanompo ratsy fanahy”
2, 3. Avy taiza no nipoiran’ilay “mpanompo ratsy fanahy”, ary ahoana no nahatonga izany?
2 Niresaka ny amin’ny mpanompo ratsy fanahy i Jesosy, raha vao avy nilaza ny amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” Hoy izy: ‘Raha toa ilay mpanompo ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: “Maharitra ela ny tompoko”, ary manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ka miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy ary handefa azy any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Any izy no hitomany sy hitoloko.’ (Matio 24:48-51) Misarika ny saintsika ho amin’izay vao avy nolazain’i Jesosy momba ilay mpanompo mahatoky sy malina, ny teny hoe “ilay mpanompo ratsy fanahy.” Nipoitra avy tamin’ilay mpanompo nahatoky tokoa mantsy ilay “mpanompo ratsy fanahy.”a Ahoana no nahatonga izany?
3 Talohan’ny 1914, dia nanantena mafy ny ankamaroan’ireo anisan’ilay mpanompo mahatoky, fa amin’io taona io izy ireo no hihaona amin’ilay Mpampakatra azy, any an-danitra. Tsy tanteraka anefa izany. Maro àry no diso fanantenana, ary nisy koa ny sosotra. Nanomboka ‘nikapoka’ an’ireo rahalahiny taloha izy ireo tamin’ny teny nataony, sady niaraka tamin’ireo “mamo lava”, izany hoe ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana.—Isaia 28:1-3; 32:6.
4. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ilay “mpanompo ratsy fanahy” sy izay rehetra manana ny toe-tsainy?
4 Nanjary fantatra tamin’ny hoe “mpanompo ratsy fanahy” ireo Kristianina taloha ireo, ary nosazin’i Jesosy “faran’izay mafy.” Tamin’ny fomba ahoana? Nolaviny izy ireo, ka namoy ny fanantenana ho any an-danitra. Tsy naringana avy hatrany anefa izy ireo, fa tsy maintsy mbola nitomany sy nitoloko tao anaty ‘haizina tany ivelan’ny’ fiangonana kristianina aloha. (Matio 8:12) Nanomboka tamin’ireny fotoana ireny, dia mbola nisy koa voahosotra vitsivitsy nanana toe-tsaina ratsy toy izany, ka nampahafantatra ny tenany ho “mpanompo ratsy fanahy.” Nisy tamin’ny “ondry hafa” koa tsy nahatoky toa azy ireo. (Jaona 10:16) Ao anaty ‘haizina ara-panahy any ivelany’ no iafaran’ireny fahavalon’i Kristy rehetra ireny.
5. Inona no tsy nampitovy ny fihetsiky ny mpanompo mahatoky sy malina tamin’ny an’ilay “mpanompo ratsy fanahy”?
5 Niharam-pitsapana sahala amin’ilay “mpanompo ratsy fanahy” koa anefa ny mpanompo mahatoky sy malina. Tsy sosotra anefa izy, fa nanaiky nahitsy kosa. (2 Korintianina 13:11) Vao mainka tia an’i Jehovah sy ny rahalahiny izy. Noho izany, dia “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” izy, mandritra izao “andro farany” misafotofoto izao.—1 Timoty 3:15; 2 Timoty 3:1.
Virjiny adala sy virjiny hendry
6. a) Inona no ohatra nampiasain’i Jesosy mba hanazavana ny fahamalinan’ilay mpanompo mahatoky? b) Inona no hafatra notorin’ny Kristianina voahosotra talohan’ny 1914?
6 Rehefa avy niresaka ny amin’ilay “mpanompo ratsy fanahy” i Jesosy, dia nilaza fanoharana roa mba hampisehoana hoe nahoana no mahatoky sy malina ny voahosotra sasany, nefa ny hafa tsy toy izany.b Nampiasa ohatra i Jesosy mba hanazavana ny atao hoe fahamalinana, ka hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny jirony ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ny dimy amin’ireo adala, ary ny dimy hendry. Ireo adala nitondra ny jirony nefa tsy nitondra menaka. Fa ireo hendry kosa nitondra menaka tao anaty fitoerany sady nitondra ny jirony.” (Matio 25:1-4) Mampahatsiahy antsika an’ireo Kristianina voahosotra talohan’ny 1914 ireo virjiny folo. Araka ny kajy nataony, dia efa ho avy i Jesosy Kristy, ilay mpampakatra. “Nivoaka” hitsena azy àry izy ireo, ary sahy nitory hoe hifarana amin’ny 1914 “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.”—Lioka 21:24.
7. Oviana ny Kristianina voahosotra no toy ny hoe “nandeha natory”, ary nahoana?
7 Marina ny azy ireo. Nifarana tamin’ny 1914 tokoa ilay fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena, ary nanomboka niasa ny Fanjakan’Andriamanitra, izay notantanan’i Kristy Jesosy. Tany an-danitra anefa izany no nitranga, ka tsy hitan’ny olona. Nanomboka nijaly noho ny “loza” nambara mialoha kosa ny tetỳ an-tany. (Apokalypsy 12:10, 12) Nisy fotoam-pitsapana taorian’izay. Tsy takatry ny Kristianina voahosotra tsara izay nitranga, ka nihevitra izy ireo fa “naharitra ela ny mpampakatra.” Very hevitra izy ireo sady notoherin’ity tontolo ity, hany ka tsy narisika firy intsony ny ankamaroany, ary saika nitsahatra ny asa fitoriana. Toy ireo virjiny tao amin’ilay fanoharana, dia ‘rendremana izy ireo ka nandeha natory.’ Toy izany koa no nataon’ireo Kristianina tsy nahatoky, taorian’ny nahafatesan’ny apostolin’i Jesosy.—Matio 25:5; Apokalypsy 11:7, 8; 12:17.
8. Inona no nahatonga ilay antso hoe: “Iny ny mpampakatra!”, ary fotoana hanaovana inona izany ho an’ny Kristianina voahosotra?
8 Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga tamin’ny 1919. Izao no vakintsika: “Tamin’ny misasakalina, dia nisy niantsoantso hoe: ‘Iny ny mpampakatra! Mivoaha hitsena azy.’ Ary nitsangana ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboamboatra ny jirony.” (Matio 25:6, 7) Tamin’ny fotoana toa maizina indrindra no nisy antso nandrisika azy ireo hiasa! Tamin’ny 1918, dia tonga tao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah i Jesosy, na ilay “Anjelin’ny fanekena”, mba handinika ny fiangonan’Andriamanitra sy hanadio azy. (Malakia 3:1) Nila nivoaka nitsena azy tao amin’ny kianjan’ny tempoly tetỳ an-tany, ny Kristianina voahosotra. Tonga ny fotoana hampielezan’izy ireo ny fahazavany.—Isaia 60:1; Filipianina 2:14, 15.
9, 10. Nahoana no “hendry” ny Kristianina sasany tamin’ny 1919, fa “adala” kosa ny hafa?
9 Nanana olana anefa ny tovovavy sasany tao amin’ilay fanoharana. Hoy ihany i Jesosy: “Hoy ireo adala tamin’ireo hendry: ‘Mba omeo amin’ny menakareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’” (Matio 25:8) Tsy afaka hanazava ny jiro, raha tsy misy menaka. Ilay menaka àry dia mampahatsiahy antsika ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina, izay manome hery ny mpivavaka marina mba ho mpitondra fahazavana. (Salamo 119:130; Daniela 5:14) Talohan’ny 1919, dia niezaka namantatra izay tian’Andriamanitra hataony ny voahosotra hendry na dia nalemy ara-panahy vetivety aza izy ireo. Vonona àry izy ireo rehefa tonga ny antso mba hampiely fahazavana.—2 Timoty 4:2; Hebreo 10:24, 25.
10 Tsy vonona ny hanao sorona sy hikely aina anefa ny voahosotra sasany, na dia naniry mafy hiaraka tamin’ilay Mpampakatra aza. Noho izany, dia tsy vonona izy ireo rehefa tonga ny fotoana hitoriana ny vaovao tsara. (Matio 24:14) Nanandrana nampihena ny zotom-pon’ny namany mihitsy aza izy ireo, ka nangataka menaka taminy. Inona no navalin’ny virjiny hendry tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy? Hoy izy ireo: “Angamba ireto tsy ho ampy ho antsika, fa mandehana mividy any amin’ny mpivarotra ho anareo.” (Matio 25:9) Toa azy ireo, dia tsy nanaiky hampihena ny fahafahany hitondra fahazavana ny Kristianina voahosotra nahatoky tamin’ny 1919. Tafavoaka tamin’ilay fitsapana àry izy ireo.
11. Inona no nanjo an’ireo virjiny adala?
11 Hoy i Jesosy namarana ny teniny: “Ary raha mbola lasa nividy [ny virjiny adala], dia tonga ny mpampakatra. Niara-niditra taminy tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana. Taorian’izany dia tonga koa ireo virjiny hafa ka niteny hoe: ‘Tompoko, tompoko, vohay izahay!’ Hoy ny navaliny: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy fantatro ianareo.’” (Matio 25:10-12) Tsy vonona ny sasany rehefa tonga ilay Mpampakatra. Tsy tafavoaka tamin’ilay fitsapana àry izy ireo, ka namoy ny fahafahana hanatrika ilay fampakaram-bady tany an-danitra. Loza tokoa izany!
Ilay fanoharana momba ny talenta
12. a) Inona no ohatra nampiasain’i Jesosy momba ny fahatokiana? b) Iza ilay lehilahy “lasa nankany an-tany hafa”?
12 Rehefa avy nampiasa ohatra momba ny fahamalinana i Jesosy, dia mbola nilaza ohatra iray hafa momba ny fahatokiana. Hoy izy: “Izany dia toy ny lehilahy iray efa handeha ho any an-tany hafa, ka nampiantso ny mpanompony mba hanankinany ny fananany. Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy, dia lasa nankany an-tany hafa izy.” (Matio 25:14, 15) I Jesosy ilay lehilahy ao amin’ilay fanoharana. “Lasa nankany an-tany hafa” izy, rehefa niakatra tany an-danitra tamin’ny taona 33. Talohan’izay anefa, dia nankininy tamin’ny mpianany nahatoky “ny fananany.” Tamin’ny fomba ahoana?
13. Ahoana no fomba nanomanan’i Jesosy saha midadasika hanompoana, sy nanomezany fahefana ny “mpanompony” mba hampiasa izay nankininy taminy?
13 Nanomboka nanomana saha midadasika hanompoana i Jesosy fony tetỳ an-tany, rehefa nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran’i Israely. (Matio 9:35-38) Nankininy tamin’ny mpianany nahatoky io saha io, talohan’ny ‘nankanesany tany an-tany hafa.’ Hoy izy: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:18-20) Rehefa nilaza izany i Jesosy, dia nanome fahefana ny “mpanompony” mba hampiasa izay nankinina taminy, mandra-piverin’ilay tompony. Eny, hampiasa izany “araka ny fahaizany avy.”
14. Nahoana no tsy nantenaina hitovy ny vitan’ny rehetra?
14 Ilay teny hoe “araka ny fahaizany avy” dia mampiseho fa tsy nitovy ny toe-javatra nisy ny Kristianina voalohany rehetra. Nisy afaka nanokan-tena tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana, toa an-dry Paoly sy Timoty. Mety ho voafetra be kosa ny vitan’ny hafa, noho ny toe-javatra misy azy. Mpanompon’olona, ohatra, ny Kristianina sasany. Tao koa ny narary, antitra, na nanana andraikitra ara-pianakaviana. Mazava ho azy, fa tsy ny mpianatra rehetra no azo notendrena ho amin’ny asa sasany teo anivon’ny fiangonana. Tsy nampianatra ny fiangonana, ohatra, ny vehivavy voahosotra sy ny lehilahy voahosotra sasany. (1 Korintianina 14:34; 1 Timoty 3:1; Jakoba 3:1) Na inona na inona anefa toe-javatra nisy ny mpianatr’i Kristy voahosotra, ary na lahy izy na vavy, dia samy nasaina nampiasa izay nankinina taminy izy ireo, ka nanararaotra ny fahafahany mba hanaovana fanompoana. Izany koa no ataon’ny mpianatr’i Kristy ankehitriny.
Manomboka ny fotoam-pandinihana!
15, 16. a) Oviana no tonga ny fotoana nanaovana ampamoaka? b) Inona no fahafahana vaovao nomena an’ireo olo-nahatoky mba ‘hampiasany’ izay nankinina taminy?
15 Hoy ny tohin’ilay fanoharana: “Ela be tatỳ aoriana, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nanao ampamoaka azy ireo momba ny kaontim-bolany.” (Matio 25:19) Ela be taorian’ny taona 33 tokoa, izany hoe tamin’ny 1914, dia lasa Mpanjaka i Kristy Jesosy ary nanomboka nanatrika. Tonga tao amin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra izy, telo taona sy tapany tatỳ aoriana, tamin’ny 1918. Nanatanteraka ireto tenin’i Petera ireto izy tamin’izay: ‘Izao no fotoana voatondro hanombohan’ny fitsarana eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra.’ (1 Petera 4:17; Malakia 3:1) Tonga ny fotoana hanaovana ampamoaka.
16 Nataon’ny voahosotra, rahalahin’i Jesosy, ahoana ny ‘talentan’ny’ Mpanjaka? Nanomboka tamin’ny taona 33 ka hatramin’ireo taona talohan’ny 1914, dia maro no niasa mafy mba hampitomboana izay nankinin’i Jesosy taminy. (Matio 25:16) Nasehony fa naniry mafy hanompo ilay Tompony izy ireo, na dia nandritra ny Ady Lehibe I aza. Nety tsara àry raha toa ireo olo-nahatoky ka nomena fahafahana vaovao ‘hampiasa’ izay nankinina taminy. Efa tonga rahateo ny fotoan’ny faran’ity tontolo ity. Tsy maintsy torina eran-tany ny vaovao tsara. Tsy maintsy hojinjaina ny “vokatry ny tany.” (Apokalypsy 14:6, 7, 14-16) Tsy maintsy tadiavina ny sisa amin’ireo olona ampitahaina amin’ny vary, ary angonina ny “vahoaka be” anisan’ny ondry hafa.—Apokalypsy 7:9; Matio 13:24-30.
17. Tamin’ny fomba ahoana ny Kristianina voahosotra nahatoky no ‘niara-nifaly tamin’ny tompony’?
17 Fotoam-pifaliana ny fotoam-pijinjana. (Salamo 126:6) Tamin’ny 1919, dia nanankinan’i Jesosy andraikitra fanampiny ireo voahosotra, rahalahiny nahatoky. Koa nety àry ny nilazan’i Jesosy hoe: “Nahatoky tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hikarakara zavatra maro. Miaraha mifaly amin’ny tomponao.” (Matio 25:21, 23) Tsy azontsika an-tsaina ny hafalian’ilay Tompo, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. (Salamo 45:1, 2, 6, 7) Faly ihany koa ilay mpanompo mahatoky rehefa misolo tena an’ilay Mpanjaka sy mampitombo ny fananany etỳ an-tany. (2 Korintianina 5:20) Voaresaka mialoha ao amin’ny Isaia 61:10 toy izao ny fifalian’izy ireo: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho.”
18. Nahoana no tsy tafavoaka tamin’ilay fandinihana natao taminy ny sasany, ary inona no vokany?
18 Mampalahelo fa nisy tsy tafavoaka tamin’ilay fandinihana natao taminy. Izao no vakintsika: “Nanatona ilay nahazo talenta iray sady niteny hoe: ‘Tompoko, fantatro fa olona sarotiny ianao, fa mijinja eny amin’izay tsy namafazanao ianao ary manangona eny amin’izay tsy nokororohinao. Koa natahotra aho ka lasa nanafina ny talentanao tao anaty tany. Iny ny anao.’” (Matio 25:24, 25) Nisy Kristianina voahosotra koa tsy ‘nampiasa’ izay nankinina taminy. Tsy narisika nilaza ny fanantenany tamin’ny hafa izy ireo talohan’ny 1914, ary tsy naniry hanao izany koa tamin’ny 1919. Inona no nataon’i Jesosy nanoloana izany? Nesoriny taminy ny tombontsoany rehetra. ‘Noroahina tany amin’ny haizina tany ivelany’ izy ireo, ary “any izy no hitomany sy hitoloko.”—Matio 25:28, 30.
Mitohy ny fandinihana
19. Nahoana no lazaina fa mbola mitohy ilay fandinihana, ary tapa-kevitra hanao inona ny voahosotra rehetra?
19 Mazava ho azy fa tamin’i Jesosy nanomboka nanao fandinihana tamin’ny 1918, dia mbola tsy mpanompon’i Jehovah ny ankamaroan’ireo lasa voahosotra mpanompon’i Kristy tao anatin’izao andro farany izao. Midika ve izany fa tsy nanaovana fandinihana izy ireo? Tsy izany mihitsy. Tamin’ny 1918-1919 no nanombohan’ilay fandinihana, fony tafavoaka tamin’ilay fitsapana ny mpanompo mahatoky sy malina tamin’ny fitambarany. Mbola mitohy hatrany ny fandinihana ny voahosotra tsirairay mandra-panisy tombon-kase azy ireo. (Apokalypsy 7:1-3) Noho ny fahafantarany izany, dia tapa-kevitra ny ‘hampiasa’ tsara hatrany izay nankinina taminy ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy. Tapa-kevitra ny ho malina izy ireo, sady hanana tahirina menaka be dia be hatrany, mba hampamirapiratra ny fahazavany. Fantatr’izy ireo fa handray azy any aminy any an-danitra i Jesosy, rehefa maty mahatoky ny tsirairay aminy.—Matio 24:13; Jaona 14:2-4; 1 Korintianina 15:50, 51.
20. a) Tapa-kevitra hanao inona ny ondry hafa ankehitriny? b) Inona no fantatry ny voahosotra?
20 Manahaka ny rahalahiny voahosotra ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa. Fantany fa andraikitra be ny mahalala ny fikasan’Andriamanitra. (Ezekiela 3:17-21) Noho ny fanampian’ny Tenin’i Jehovah sy ny fanahiny masina àry, dia ataony foana koa izay hahabetsaka ny tahirina menaka ananany, izay azony avy amin’ny fianarana sy ny fivoriana. Mampamirapiratra ny fahazavany koa izy ireo, rehefa mitory sy mampianatra ka miara-miasa amin’ny rahalahiny voahosotra mba ‘hampiasa’ izay nankinina taminy. Fantatry ny voahosotra tsara anefa fa izy ireo no nanankinana ny talenta. Tsy maintsy ampamoahina izy ireo ny amin’ny fomba itantanany ny fananan’ny Tompo etỳ an-tany. Tsy afaka manankina izany andraikitra izany amin’ny vahoaka be izy ireo, na dia efa vitsy aza. Izany no mahatonga ny mpanompo mahatoky sy malina ho loha laharana hatrany eo amin’ny fikarakarana izay nankinin’ilay Mpanjaka taminy. Ankasitrahan’izy ireo koa ny fanampian’ny vahoaka be sy ny fandavan-tenany. Takatry ny vahoaka be koa fa andraikitra lehibe ny an’ny rahalahiny voahosotra, ka voninahitra ho azy ny miasa eo ambany fiandraiketan’izy ireo.
21. Inona no fampirisihana azon’ny Kristianina rehetra talohan’ny 1919 ka mandraka ankehitriny?
21 Manazava ny zava-nitranga tamin’ny 1919, sy ny nanodidina an’io taona io, ireo fanoharana roa ireo. Misy toro lalana ho an’ny tena Kristianina rehetra amin’izao andro farany izao koa anefa ao amin’izy ireo. Koa na dia mihatra voalohany indrindra amin’ny voahosotra talohan’ny 1919 aza ny fampirisihana nomen’i Jesosy tamin’ny faran’ilay fanoharana momba ny virjiny folo, dia mihatra amin’ny Kristianina rehetra koa izy io. Enga anie àry isika rehetra hankatò ny tenin’i Jesosy hoe: “Koa miambena hatrany àry, satria tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”—Matio 25:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nisy “amboadia masiaka” koa nipoitra avy tamin’ireo anti-panahy voahosotra.—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
b Miresaka momba an’io fanoharan’i Jesosy io koa ny toko faha-111 amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Hainao Hazavaina Ve?
• Oviana i Jesosy no nandinika ny mpanara-dia azy, ary inona no hitany?
• Nahoana no nisy Kristianina voahosotra lasa nanana ny toe-tsain’ilay “mpanompo ratsy fanahy”?
• Ahoana no ampisehoantsika fa malina isika eo amin’ny lafiny ara-panahy?
• Inona no tokony hataontsika mba ‘hampiasana’ hatrany izay nankinina tamintsika, ho fanahafana ireo voahosotra mahatoky, rahalahin’i Jesosy?
[Efajoro, pejy 16]
NY FIAVIAN’I JESOSY NA NY FAHATONGAVANY—RAHOVIANA?
Resahina ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 fa “ho avy” i Jesosy, ary misy heviny maro samy hafa io teny io. Tsy midika anefa izany hoe voatery mifindra toerana ara-bakiteny izy. Ny hoe ‘avy’ izy, dia midika hoe mampitodika ny sainy amin’ny olombelona na ny mpanara-dia azy izy. Manao izany izy matetika mba hitsarana azy ireo. “Tonga” izy tamin’ny 1914, rehefa lasa Mpanjaka sy nanomboka nanatrika. (Matio 16:28; 17:1; Asan’ny Apostoly 1:11) “Avy” koa izy tamin’ny 1918, tamin’ny naha anjelin’ny fanekena azy, ary nanomboka nitsara an’ireo milaza ho manompo an’i Jehovah. (Malakia 3:1-3; 1 Petera 4:17) Ary “ho avy” hampihatra didim-pitsarana amin’ny fahavalon’i Jehovah izy, amin’ny Hara-magedona.—Apokalypsy 19:11-16.
Ny fiavian’i Jesosy (na fahatongavany) amin’ny “fahoriana lehibe” no voaresaka imbetsaka ao amin’ny Matio 24:29-44 sy 25:31-46. (Apokalypsy 7:14) Ilay fiaviana voaresaka imbetsaka ao amin’ny Matio 24:45 ka hatramin’ny 25:30 kosa, dia mifandray amin’ny fitsarany an’ireo milaza ho mpianany, nanomboka hatramin’ny 1918 ka mandraka ankehitriny. Tsy mitombina, ohatra, ny ilazana fa rehefa “ho avy” amin’ny fahoriana lehibe i Jesosy, vao homena valisoa ilay mpanompo mahatoky, ary homelohina ireo virjiny adala sy ilay mpanompo kamo, izay nanafina ny talentan’ny Tompony. Raha izany mantsy no izy, dia hidika izany fa maro amin’ireo voahosotra no hita ho tsy hahatoky amin’ny fahoriana lehibe, ka tsy maintsy hosoloana. Milaza anefa ny Apokalypsy 7:3 fa ho efa ‘voaisy tombon-kase’ ny voahosotra rehetra, mpanompon’i Kristy, amin’io fotoana io.
[Sary, pejy 14]
Tsy nahazo fitahiana ilay “mpanompo ratsy fanahy” tamin’ny 1919
[Sary, pejy 15]
Vonona ireo virjiny hendry rehefa tonga ny mpampakatra
[Sary, pejy 17]
“Nampiasa” izay nankinina taminy ny mpanompo mahatoky
Tsy nanao izany ilay mpanompo kamo
[Sary, pejy 18]
Mbola mampamirapiratra ny fahazavany foana ny voahosotra sy ny “vahoaka be”