Aoka Ianao ho Mailo sy Hazoto!
“[Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina, NW ], fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” — MATIO 25:13.
1. Niandrandra inona ny apostoly Jaona?
NAMPANANTENA toy izao i Jesosy, tao amin’ilay fifampiresahana farany ao amin’ny Baiboly: “Avy faingana Aho.” Hoy ny navalin’i Jaona apostoliny: “Amena. Avia, Jesosy Tompo!” Tsy nisalasala ny amin’ny hiavian’i Jesosy ilay apostoly; anisan’ireo apostoly izay nanontany an’i Jesosy toy izao mantsy i Jaona: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao [grika: pa·rou·siʹa] sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” Eny, niandrandra tamin-toky ny fanatrehan’i Jesosy ho avy, i Jaona. — Apokalypsy 22:20; Matio 24:3, NW.
2. Manao ahoana ny toe-javatra misy ao amin’ireo fiangonana, raha ny fanatrehan’i Jesosy no resahina?
2 Tsy fahita firy ny fatokisana toy izany amin’izao andro izao. Fiangonana maro no manana foto-pinoana ofisialy momba ny ‘fiavian’i Jesosy’, saingy vitsy amin’ireo mpikambana ao aminy no tena manantena azy io, ary hita taratra eo amin’ny fomba fiainan’izy ireo izany. Manamarika toy izao ilay boky hoe The Parousia in the New Testament: “Tsy tena tafiditra firy amin’ny fiainan’ny fiangonana sy ny fiheviny ary ny asany, ny fanantenana ny Parousia. (...) Mihamalefaka, raha tsy very tanteraka aza, ilay fahadodonana fatratra tokony hasehon’ny fiangonana eo am-panaovana ny asany, izay tsy inona fa ny fampibebahana ny olona sy ny fitoriana amin’ny hafa ny filazantsara.” Tsy mitranga amin’ny olona rehetra anefa izany!
3. a) Manao ahoana ny fihetseham-pon’ny Kristianina marina momba ny pa·rou·siʹa? b) Inona indrindra no hodinihintsika izao?
3 Ireo tena mpianatr’i Jesosy dia miandry amim-pahadodonana ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity. Sady maneho tsy fivadihana isika eo am-panaovana izany no mila mihazona fomba fijery tsara manoloana ny zavatra rehetra tafiditra amin’ny fanatrehan’i Jesosy, ka manao zavatra mifanaraka amin’izany. Hanampy antsika ‘haharitra hatramin’ny farany sy hahazo famonjena’ izany. (Matio 24:13). Teo am-panomezana ilay faminaniana hitantsika ao amin’ny Matio toko faha-24 sy 25 i Jesosy no nanome torohevitra feno fahendrena izay azontsika ampiharina, mba handraisantsika soa maharitra. Mirakitra fanoharana, izay azo inoana fa fantatrao, ny toko faha-25. Anisan’izany ilay fanoharana momba ny virjiny folo (ireo virjiny hendry sy virjiny adala), ary ilay fanoharana momba ny talenta. (Matio 25:1-30). Ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ireo fanoharana ireo?
Aoka ianao ho mailo toy ireo virjiny dimy!
4. Inona no votoatin’ilay fanoharana momba ny virjiny?
4 Mety hirinao ny hamerina hamaky ilay fanoharana momba ireo virjiny, hita ao amin’ny Matio 25:1-13. Ny sehatra nisehoan’izy io dia fampakaram-bady jiosy iray nanetriketrika: Nankany an-tranon’ny rain’ilay ampakarina ilay mpampakatra mba hanotrona ilay ampakarina ho any an-tranon’ilay mpampakatra (na ny tranon’ny rain’ilay mpampakatra). Nety ho nisy mpitendry zavamaneno sy mpihira tao anatin’ny filaharana toy izany, ary tsy fantatra ny fotoana marina hahatongavany. Ao amin’ilay fanoharana, dia nisy virjiny folo izay niandry tao anatin’ny alina ny fahatongavan’ilay mpampakatra. Nanao zavatra tamin-kadalana ny dimy, noho izy ireo tsy nitondra solika ampy, ka voatery nandeha nividy fanampiny. Nanao zavatra tamim-pahendrena kosa ireo dimy hafa, noho izy ireo nitondra solika fanampiny tao anaty tavoara, mba hahafahany hameno indray ny fanalany, raha nilaina ny nanao izany nandritra ilay fiandrasana. Ireo dimy ireo ihany no teo sy vonona, rehefa tonga ilay mpampakatra. Izy ireo ihany, noho izany, no navela hiditra tao amin’ilay fanasana. Rehefa niverina ireo virjiny dimy adala, dia efa diso aoriana loatra tamin’izay ka tsy navela hiditra izy ireo.
5. Andinin-teny inona avy no manazava ny hevitra ara-panoharana fonosin’ilay fanoharana momba ny virjiny?
5 Lafiny maro amin’io fanoharana io no azo raisina amin’ny heviny ara-panoharana. Ohatra, resahin’ny Soratra Masina ho mpampakatra i Jesosy. (Jaona 3:28-30). Noharin’i Jesosy tamin’ny zanakalahin’ny mpanjaka iray izay nanomanana fanasana fampakaram-bady, ny tenany. (Matio 22:1-14). Ary ampitahain’ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady i Kristy. (Efesiana 5:23). Mahaliana ny manamarika fa na dia lazalazain’ny andininy hafa ho toy ny ‘ampakarin’i Kristy’ aza ireo Kristianina voahosotra, dia tsy miresaka ny amin’ny ampakarina ilay fanoharana. (Jaona 3:29; Apokalypsy 19:7; 21:2, 9). Tena miresaka ny amin’ny virjiny folo kosa anefa izy io, ary any amin’ny andininy hafa, dia oharina amin’ny virjiny iray voafofo ho vadin’i Kristy ny voahosotra. — 2 Korintiana 11:2.a
6. Fananarana inona no nomen’i Jesosy rehefa namarana ilay fanoharana momba ny virjiny izy?
6 Ankoatra ireo tsipiriany ireo sy izay fampiharana azy ara-paminaniana, dia azo antoka fa misy foto-pitsipika tsara dia tsara azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io. Ohatra, mariho fa nofaranan’i Jesosy tamin’ireto teny ireto izy io: “[Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina, NW ], fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” Mampahafantatra àry ilay fanoharana fa mila ny ho mailo isika tsirairay, mila miambina, satria mihamanatona ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Tena azo antoka fa ho avy io farany io, na dia tsy afaka manondro daty hentitra aza isika. Amin’io lafiny io, dia mariho ny fihetsika nasehon’ireo virjiny, izay nisy antokony roa.
7. Tamin’ny heviny ahoana ny dimy tamin’ireo virjiny tao amin’ilay fanoharana no hita ho adala?
7 Hoy i Jesosy: “Ny dimy tamin’ireo dia adala”. Izany ve no izy, satria tsy ninoan’izy ireo fa ho avy ilay mpampakatra? Nandeha nikatsaka fahafinaretana ve izy ireo? Sa voafitaka? Tsia avokoa ny valin’ireo. Nilaza i Jesosy fa “nivoaka hitsena ny mpampakatra” izy dimy ireo. Fantatr’izy ireo fa ho avy izy, ary naniry mba handray anjara izy ireo, eny, hanana anjara mihitsy tao amin’ilay fanasana amin’ny “fampakaram-bady” aza. Ampy fiomanana anefa ve izy ireo? Niandry an’ilay mpampakatra nandritra ny fotoana kelikely izy ireo, mandra-pahatongan’ny “mamatonalina”, nefa tsy niomana ho amin’ny fahatongavan’ilay mpampakatra, na rahoviana na rahoviana izy no ho tonga — na taloha kokoa na taoriana kokoa tsy araka ny nantenain’izy ireo tany am-boalohany.
8. Tamin’ny ahoana no hita ho hendry ny dimy tamin’ireo virjiny tao amin’ilay fanoharana?
8 Ireo dimy hafa, izay nantsoin’i Jesosy hoe hendry, dia nivoaka nitondra fanala nirehitra koa, nanantena ny fahatongavan’ilay mpampakatra. Tsy maintsy niandry koa izy ireo. “Hendry” anefa izy ireo. Ilay teny grika nadika hoe “hendry” dia mampita hevitra hoe “malina, misaina, manana fahendrena miseho amin’ny atao”. Noporofoin’izy dimy ireo fa hendry ny tenany, tamin’ny nitondrany tavoara nisy menaka fanampiny izay azony namenoana indray ireo fanalany, raha nilaina izany. Raha ny marina, dia ny fahavononany hitsena ilay mpampakatra no nifantohan’izy ireo mafy, hany ka tsy foiny nomena olona ny solika tany aminy. Tsy diso toerana akory izany fahamalinana izany, satria sady teo izy ireo no vonona tanteraka rehefa tonga ilay mpampakatra. Ireo “efa niomana [ireo] dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana”.
9, 10. Inona no tiana holazaina tamin’ilay fanoharana momba ny virjiny, ary fanontaniana inona avy no tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?
9 Tsy nanome lesona momba ny fahaiza-mitondra tena any amin’ny fampakaram-bady akory i Jesosy, no sady tsy nanome torohevitra momba ny fizarana amin’ny hafa izay ananan’ny tena. Izao kosa no tiany holazaina: “[Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina, NW ], fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” Manontania tena hoe: ‘Tena mailo ve aho raha ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy?’ Mino isika fa manjaka any an-danitra i Jesosy ankehitriny, kanefa manao ahoana ny fifantohantsika amin’ilay zava-misy hoe ho ‘avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona’? (Matio 24:30). Tamin’ny “mamatonalina”, dia azo antoka fa akaiky kokoa ny fotoana hahatongavan’ilay mpampakatra, raha oharina tamin’ilay fotoana tany am-boalohany nivoahan’ireo virjiny hitsena azy. Toy izany koa fa akaiky kokoa ny fotoana hahatongavan’ny Zanak’olona handrava ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity, raha oharina amin’ny fotoana nanombohantsika niandrandra ny fiaviany. (Romana 13:11-14). Nihazona ny tenantsika ho mailo hatrany ve isika, eny, vao mainka mailo aza, arakaraka ny anakekezan’io fotoana io?
10 Mitaky ny hitoerana ho mailo hatrany ny fankatoavana ilay didy hoe “aza mitsahatra ny miambina”. Virjiny dimy no namela ny solika tany aminy ho lany ka lasa nandeha nividy solika fanampiny. Mety ho voahelingelina toy izany koa ny Kristianina amin’izao andro izao, ka tsy hiomana amin’ny fomba feno ho amin’ny fahatongavan’i Jesosy efa antomotra. Nitranga tamin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany izany, ary mety hitranga amin’ny sasany amin’izao andro izao koa. Aoka àry isika hanontany tena hoe: ‘Mitranga amiko ve izany?’ — 1 Tesaloniana 5:6-8; Hebreo 2:1; 3:12; 12:3; Apokalypsy 16:15.
Aoka ianao hazoto arakaraka ny anatonan’ny farany
11. Fanoharana inona no nataon’i Jesosy nanaraka, ary nitovy tamin’inona izy io?
11 Ao amin’ilay fanoharany manaraka, dia tsy vitan’ny hoe nampirisika fotsiny an’ireo mpanara-dia azy mba ho mailo i Jesosy. Nitantara ilay fanoharana momba ny talenta izy rehefa avy niresaka ny amin’ireo virjiny hendry sy virjiny adala. (Vakio ny Matio 25:14-30.) Amin’ny lafiny maro, izy io dia mitovy amin’ilay fanoharany taloha kokoa momba ny farantsa, izay nataony satria “nataon’ny [maro] fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra”. — Lioka 19:11-27.
12. Inona no votoatin’ilay fanoharana momba ny talenta?
12 Ao amin’ilay fanoharana momba ny talenta, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny lehilahy iray, izay nampiantso mpanompo telo, talohan’ny handehanany ho any an-tany hafa. Ny iray nanankinany talenta dimy, ny iray hafa roa, ary ilay farany iray monja — “samy araka izay fahaizany avy”. Azo inoana fa ny tiana holazaina eto, dia talenta volafotsy, vola nitovy sanda tamin’ny karaman’ny mpiasa iray nandritra ny 14 taona tamin’izany fotoana izany — vola be tokoa! Rehefa niverina ilay lehilahy, dia nampamoahiny ny amin’izay nataon’izy ireo nandritra ilay fotoana “ela” tsy naha teo azy, ireo mpanompo. Nampitombo ho avo roa heny ny sandan’izay nankinina taminy ireo mpanompo roa voalohany. “Tsara izany”, hoy ilay tompony, ka nampanantena izy fa hanome andraikitra bebe kokoa ny tsirairay, ary namarana ny teniny toy izao: “Midira amin’ny fifalian’ny tomponao.” Nilaza kosa ilay mpanompo nomena talenta iray fa nila voatsiary loatra ilay tompony, ka tsy nampiasainy tamin’izay fomba nety hahazoana tombony ilay talenta. Nafeniny ilay vola, eny, tsy napetrany tany amin’ny mpampanàna vola akory aza mba hahazoana zanany. Nantsoin’ilay tompony hoe “ratsy sady malaina” izy, satria namono antoka ny tompony. Nalaina taminy, noho izany, ilay talenta, ary nalefa ho eny ivelany izy, “any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify”.
13. Amin’ny ahoana i Jesosy no hita ho mitovy amin’ilay tompo ao amin’ilay fanoharana?
13 Eto indray koa, dia azo raisina amin’ny heviny ara-panoharana ny tsipirian’izy io. Ohatra, i Jesosy, izay nasehon’ilay lehilahy nandeha ho any an-tany hafa, dia nandao ny mpianany, sy nankany an-danitra, ary niandry ela mandra-pahazony ny fahefan’ny mpanjaka.b (Salamo 110:1-4; Asan’ny Apostoly 2:34-36; Romana 8:34; Hebreo 10:12, 13). Eto indray koa anefa, dia afaka mahita lesona na foto-pitsipika iray lehibe kokoa izay tokony hampiharintsika rehetra eo amin’ny fiainantsika isika. Inona izany?
14. Zavatra ilaina tena lehibe inona no antitranterin’ilay fanoharana momba ny talenta?
14 Na ny fiainana tsy ahitam-pahafatesana any an-danitra no fanantenantsika na ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa, dia mazava avy amin’ny fanoharan’i Jesosy fa tokony hikely aina eo amin’ny asa kristianina isika. Azo fintinina amin’ity teny tokana ity, raha ny marina, ny hafatra raketin’io fanoharana io: fahazotoana. Nanome ohatra momba izany ireo apostoly, nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Izao no vakintsika: “Nanambara sy nananatra azy tamin’ny teny maro hafa koa [i Petera] ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” (Asan’ny Apostoly 2:40-42). Ary vokatra tsara dia tsara toy inona moa no azony noho ny ezaka nataony! Rehefa nisy olon-kafa nanatevin-daharana ny apostoly teo amin’ny asa fitoriana kristianina, dia nazoto koa izy ireny, ka ‘nitombo teny amin’izao tontolo izao’ ny vaovao tsara. — Kolosiana 1:3-6, 23; 1 Korintiana 3:5-9.
15. Amin’ny fomba manokana inona no tokony hampiharantsika ny hevi-dehibe raketin’ilay fanoharana momba ny talenta?
15 Tadidio fa faminaniana momba ny fanatrehan’i Jesosy ny teny manodidina an’io fanoharana io. Hamafisin’ny porofo ampy tsara ananantsika fa efa mizotra amin’izao fotoana izao ny pa·rou·siʹa-n’i Jesosy, ary tsy ho ela izy io dia hahatratra ny fara tampony. Tsarovy fa nampifandraisin’i Jesosy “ny farany” sy ilay asa ilaina hataon’ny Kristianina, tamin’ny nilazany hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, NW ). Amin’ny fitadidiana izany, mitovy amin’ny karazana mpanompo manao ahoana isika? Manontania tena hoe: ‘Misy antony hanatsoahan-kevitra ve fa ny tenako dia sahala amin’ilay mpanompo izay nanafina ny nankinina taminy, nefa angamba nikarakara ny raharahany manokana? Sa kosa mazava fa sahala amin’ireo izay tsara sady mahatoky aho? Tapa-kevitra tanteraka ny hampitombo ny tombontsoan’ny Tompo ve aho amin’ny fotoana rehetra?’
Malina sy mazoto mandritra ny fanatrehany
16. Mampita hafatra inona ho anao ireo fanoharana roa vao avy nodinihintsika?
16 Eny, ankoatra ny heviny ara-panoharana sy ara-paminaniana, ireo fanoharana roa ireo dia manolotra antsika fampaherezana mazava izay naloaky ny vavan’i Jesosy mihitsy. Izao no hafatra tiany hampitaina: Aoka ianao ho mailo; aoka ianao hazoto, indrindra amin’ny fotoana ahitana ny famantarana ny pa·rou·siʹa-n’i Kristy. Ankehitriny izany. Tena mailo sy mazoto tokoa àry ve isika?
17, 18. Inona no torohevitr’i Jakoba mpianatra, mahakasika ny fanatrehan’i Jesosy?
17 I Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, dia tsy tany amin’ny Tendrombohitra Oliva ka tsy nandre ilay faminanian’i Jesosy. Fantany anefa izy io tatỳ aoriana, ary takany mazava tsara ny dikany. Hoy ny nosoratany: “Ary amin’izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany ka maharitra amin’izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa hianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny, NW ] Tompo.” — Jakoba 5:7, 8, izahay no manao sora-mandry.
18 Rehefa avy nanome toky i Jakoba fa homelohin’Andriamanitra ireo mampiasa amin’ny fomba ratsy ny harenany, dia nampirisika ny Kristianina izy mba haharitra eo am-piandrasana an’i Jehovah hanao zavatra. Ny Kristianina iray tsy manam-paharetana dia mety hitady hamaly faty, toy ny hoe ny tenany no tsy maintsy manitsy ny tsy mety. Tsy tokony ho izany anefa no izy, satria azo antoka ho tonga ny fotoam-pitsarana. Manazava izany tsara ny ohatra ny amin’ny mpamboly iray, araka ny nohazavain’i Jakoba.
19. Afaka naneho karazam-paharetana nanao ahoana ny Isiraelita mpamboly iray?
19 Ny Isiraelita mpamboly izay namafy voa, dia tsy maintsy niandry izay hitsiriany aloha, avy eo dia ny hahamatoy ilay zavamaniry, ary farany dia ny fijinjana. (Lioka 8:5-8; Jaona 4:35). Nandritra ireo volana ireo, dia nisy fotoana nampanahy, ary nisy antony nampanahy koa angamba. Ho tonga sy ho ampy tsara ve ny ranonorana aloha? Ahoana ny amin’ny ranonorana aoriana? Mety hahafaty ilay zavamaniry ve ny bibikely na ny tafiotran’oram-baratra? (Ampitahao amin’ny Joela 1:4; 2:23-25.) Na izany aza, dia afaka natoky an’i Jehovah sy ireo tsingerina voajanahary naoriny ny Isiraelita mpamboly, tamin’ny ankapobeny. (Deoteronomia 11:14; Jeremia 5:24). Ny faharetan’ny mpamboly dia tena nety ho fiandrasana tamin-toky. Tamim-pinoana, dia fantany fa ho tonga izay nandrasany, ary dia tena tonga tokoa!
20. Ahoana no ahafahantsika mampiseho faharetana, mifanaraka amin’ny torohevitr’i Jakoba?
20 Mety hahafantapantatra izay hahatongavan’ny fotoam-pijinjana ny mpamboly iray, fa ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany kosa dia tsy afaka nanao kajy ny fotoana hanatrehan’i Jesosy. Azo antoka ho tonga anefa izy io. Hoy ny nosoratan’i Jakoba: “Efa mby akaiky ny [fanatrehan’ny (grika: pa·rou·siʹa), NW ] Tompo.” Tamin’ny fotoana nanoratan’i Jakoba ireo teny ireo, dia mbola tsy hita ilay famantarana amin’ny ambaratonga lehibe, na maneran-tany, izay hanamarika ny fanatrehan’i Kristy. Hita kosa anefa izany ankehitriny! Koa ahoana àry no tokony ho fihetseham-pontsika amin’izao vanim-potoana izao? Tena hita maso ilay famantarana. Hitantsika izy io. Afaka milaza amin-toky isika hoe: ‘Hitako ny fahatanterahan’ilay famantarana.’ Afaka milaza amim-patokiana toy izao isika: ‘Izao no fanatrehan’ny Tompo, ary tsy ho ela izany dia hahatratra ny fara tampony.’
21. Tapa-kevitra tanteraka ny haninona isika?
21 Koa satria izany no izy, dia manana antony mahery dia mahery isika handraisana am-po sy hampiharana ireo lesona fototra ao amin’ireo fanoharana roa nataon’i Jesosy, izay avy nodinihintsika teo. Hoy izy: “[Noho izany, dia aza mitsahatra ny miambina, NW ], fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” (Matio 25:13). Tsy isalasalana fa izao no fotoana tokony haha be zotom-po antsika amin’ny fanompoantsika kristianina. Aoka hasehontsika isan’andro eo amin’ny fiainantsika fa takatsika ny tian’i Jesosy holazaina. Aoka isika ho mailo! Aoka isika hazoto!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny amin’ireo tsipiriany misy heviny ara-panoharana, ao amin’io fanoharana io, dia jereo ny Le royaume millénaire de Dieu s’est approché, pejy faha-167-207, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Jereo ny Le royaume millénaire de Dieu s’est approché, pejy faha-208-249.
Tadidinao Ve?
◻ Hevi-dehibe inona no notsoahinao avy tamin’ilay fanoharana momba ireo virjiny hendry sy virjiny adala?
◻ Torohevitra fototra inona no omen’i Jesosy anao, amin’ny alalan’ilay fanoharana momba ny talenta?
◻ Amin’ny heviny ahoana ny faharetanao mifandray amin’ny pa·rou·siʹa no mitovy amin’ny an’ny Isiraelita mpamboly iray?
◻ Nahoana no izao no fotoana iainana mampientanentana sy sarotra indrindra?
[Sary, pejy 23]
Lesona inona avy no azonao avy amin’ilay fanoharana momba ny virjiny sy ilay momba ny talenta?