-
Tafavoaka Tamin’ny Fitsapana Ilay “Mpanompo Mahatoky”!Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 1 Martsa
-
-
Ny iray nomeny talenta dimy, ny iray talenta roa, ary ny iray talenta iray, samy araka ny fahaizany avy, dia lasa nankany an-tany hafa izy.” (Matio 25:14, 15)
-
-
Tafavoaka Tamin’ny Fitsapana Ilay “Mpanompo Mahatoky”!Ny Tilikambo Fiambenana—2004 | 1 Martsa
-
-
Rehefa nilaza izany i Jesosy, dia nanome fahefana ny “mpanompony” mba hampiasa izay nankinina taminy, mandra-piverin’ilay tompony. Eny, hampiasa izany “araka ny fahaizany avy.”
14. Nahoana no tsy nantenaina hitovy ny vitan’ny rehetra?
14 Ilay teny hoe “araka ny fahaizany avy” dia mampiseho fa tsy nitovy ny toe-javatra nisy ny Kristianina voalohany rehetra. Nisy afaka nanokan-tena tamin’ny asa fitoriana sy fampianarana, toa an-dry Paoly sy Timoty. Mety ho voafetra be kosa ny vitan’ny hafa, noho ny toe-javatra misy azy. Mpanompon’olona, ohatra, ny Kristianina sasany. Tao koa ny narary, antitra, na nanana andraikitra ara-pianakaviana. Mazava ho azy, fa tsy ny mpianatra rehetra no azo notendrena ho amin’ny asa sasany teo anivon’ny fiangonana. Tsy nampianatra ny fiangonana, ohatra, ny vehivavy voahosotra sy ny lehilahy voahosotra sasany. (1 Korintianina 14:34; 1 Timoty 3:1; Jakoba 3:1) Na inona na inona anefa toe-javatra nisy ny mpianatr’i Kristy voahosotra, ary na lahy izy na vavy, dia samy nasaina nampiasa izay nankinina taminy izy ireo, ka nanararaotra ny fahafahany mba hanaovana fanompoana. Izany koa no ataon’ny mpianatr’i Kristy ankehitriny.
-