-
Mandraisa Lesona avy Amin’ilay Fanoharana Momba ny TalentaNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Martsa
-
-
FAMPIASANA IREO TALENTA MANDRITRA NY FOTOANAN’NY FARANY
9. a) Nataon’ireo mpanompo roa tsy mivadika ahoana ireo talenta, ary inona no dikan’izany? b) Inona no anjara asan’ny “ondry hafa”?
9 Mandritra ny fotoanan’ny farany, dia mampiasa ny talentan’ny Tompo ireo voahosotra tsy mivadika, indrindra nanomboka tamin’ny 1919. Manao izay tsara indrindra vitany amin’ny fitoriana ireo rahalahy sy anabavy voahosotra, toa an’ireo mpanompo roa voalohany. Tsy ilaina ny manombantombana hoe iza no nahazo talenta dimy ary iza no nahazo talenta roa. Asehon’ilay fanoharana fa samy nazoto ireo mpanompo roa matoa samy lasa avo roa heny ny talentany. Mandray anjara betsaka amin’ilay asa koa ireo manantena hiaina eto an-tany. Hita ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy osy fa tsy mivadika amin’ny voahosotra rahalahin’i Kristy izy ireo ary manohana azy ireo amin’ny fitoriana sy fampianarana. Voninahitra lehibe izany! Mazoto manao mpianatra ny voahosotra sy ny “ondry hafa” mandritra izao andro farany izao, ary miara-miasa toy ny “andiany iray.”—Jaona 10:16.
10. Inona ny lafiny miavaka amin’ilay famantarana ny fanatrehan’i Jesosy?
10 Rariny raha manantena vokatra i Jesosy. Efa voalaza fa tena nampitombo ny fananany ireo mpianany tsy nivadika, tamin’ny taonjato voalohany. Ary ny amin’izao fotoanan’ny farany izao? Amin’izao mantsy no tanteraka ilay fanoharana momba ny talenta. Mbola tsy niroborobo be toy izao ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, satria tsy mivadika sy miasa mafy ny mpanara-dia an’i Jesosy. Miara-miasa izy ireo ka ana hetsiny isan-taona no lasa mpianatr’i Kristy ary manampy isa an’ireo efa mitory ilay Fanjakana. Lafiny miavaka amin’ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy àry ny fitoriana sy fampianarana. Azo antoka fa mahafaly ny Tompo izany.
-
-
Mandraisa Lesona avy Amin’ilay Fanoharana Momba ny TalentaNy Tilikambo Fiambenana—2015 | 15 Martsa
-
-
d Nampisy fivadiham-pinoana i Satana rehefa maty ny apostoly, ary niroborobo nandritra ny taonjato maro izany. Tsy nisy ezaka natao mba hanampiana ny olona ho lasa tena mpianatr’i Kristy tamin’izany. Niova tanteraka anefa izany rehefa tonga ny “fotoam-pijinjana”, izany hoe ny andro farany. (Mat. 13:24-30, 36-43) Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013, pejy 9-12.
-