‘Ny mpanompo mahatoky’ sy ny Kolejy foibeny
“Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana?” — MATIO 24:45.
1. Nahoana moa i Jehovah no vonona ny hanome fahefana ny hafa, ary iza voalohany indrindra no nomeny izany?
ANDRIAMANITRY ny filaminana i Jehovah. Loharanon’ny fahefana ara-dalàna rehetra koa izy. Matoky ny fahatokian’ireo zavaboariny tsy mivadika i Jehovah ka vonona ny hanome fahefana azy ireo. Ilay nomeny fahefana lehibe indrindra dia ny Zanany, Jesosy Kristy. Marina tokoa fa “nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana.” — Efesiana 1:22.
2. Ahoana no niantsoan’i Paoly ny kongregasiona kristiana, ary iza no nomen’i Kristy fahefana?
2 Antsoin’ny apostoly Paoly hoe “tranon’Andriamanitra” ny kongregasiona kristiana ary lazainy fa i Jesosy Kristy, Zanaka mahatokin’Andriamanitra, no manapaka io trano io. (1 Timoty 3:15; Hebreo 3:6). I Kristy kosa dia manome fahefana ireo anisan’io tranon’Andriamanitra io. Afaka mahita izany isika amin’ireo tenin’i Jesosy voatatitra ao amin’ny Matio 24:45-47. Hoy izy: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.”
Ilay mpitandrina ny trano tamin’ny taonjato voalohany
3. Iza no mahaforona “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, ary inona no teny ampiasaina mba hanondroana azy ireo isam-batan’olona?
3 Avy amin’ny fianarantsika ny Soratra masina amim-pitandremana, dia fantatsika fa ireo mpikambana voahosotr’io tranon’Andriamanitra io na amin’ny vanim-potoana inona na amin’ny vanim-potoana inona dia mahaforona amin’ny fitambarany “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, “ny mpitandrin-draharaha”, na “ny mpiadidy ny trano”. Raha raisina tsirairay ireo anisan’ny tranon’Andriamanitra, dia antsoina hoe “ireo mpanompony” na “ny anisan’ny mpanompo.” — Matio 24:45; Lioka 12:42, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao misy fakàn-teny, natonta tamin’ny teny anglisy tamin’ny 1984, fanamarihana ambany pejy.
4. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, fanontaniana inona no nataon’i Jesosy, ary nampitaha ny tenany tamin’iza moa izy?
4 Volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, dia nanao izao fanontaniana izao, voatatitra ao amin’ny Lioka 12:42 i Jesosy: “Iza moa no mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin’ny fotoana?” Ary andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, i Jesosy dia nanohatra ny tenany tamin’ny olona iray izay efa handeha ho any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nanolotra azy ny fananany. — Matio 25:14.
5. a) Oviana i Jesosy no nanendry olon-kafa mba hikarakara ny fananany? b) Fanendrena fanampiny inona no nomen’i Kristy an’ireo izay hahaforona ny kilasin’ny mpiadidy ny tranony?
5 Oviana moa i Jesosy no nanendry olon-kafa mba hikarakara ny fananany? Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Ao amin’ireo teniny fantatra tsara hita ao amin’ny Matio 28:19, 20, no nanomezan’i Kristy voalohany ny fanendrena fanampiny mba hampianatra sy hanao mpianatra an’ireo hahaforona ny kilasin’ny mpiadidy ny tranony. Amin’ny fanaovana fanambarana “hatramin’ny faran’ny tany”, ny tenan’ireo mpanompo tsirairay dia hanitatra ny faritany misionera izay natombok’i Jesosy ny fambolena azy nandritra ny fanompoany teto an-tany. (Asan’ny apostoly 1:8). Izany dia mahafaoka ny fanaovany ny asan’ny “iraka solon’i Kristy”. Amin’ny maha-“mpitandrina ny zava-miafina izay an’Andriamanitra” azy dia hanao mpianatra izy ireo ary hanome hanina azy ireny. — 2 Korintiana 5:20; 1 Korintiana 4:1, 2.
Ny kolejy foiben’ilay trano
6. Nahazo tsindrimandry tamin’Andriamanitra mba hanome inona moa ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha tamin’ny taonjato voalohany?
6 Raha raisina mitambatra ireo kristiana voahosotry ny fanahy, dia ho mpitandrin-draharahan’ny tompony, na mpiadidy ny tranony, voatendry mba hanome hanina ara-panahy amin’ny fotoana an’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny tranon’Andriamanitra. Teo anelanelan’ny taona 41 sy ny taona 98 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny mpikambana maromaro tao amin’ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha tamin’ny taonjato voalohany dia nahazo ny tsindrimandrin’Andriamanitra mba hanoratra filazana ara-tantara 5, taratasy 21, ary ny bokin’ny Apokalypsy mba hahasoa ireo rahalahiny. Ireo soratra azo tamin’ny tsindrimandry ireo dia mahaforona hanina ara-panahy tsara dia tsara ho an’ireo mpanompo, izany hoe ny tsirairay avy amin’ireo voahosotra ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
7. Inona no antony nifidianan’i Kristy olona vitsivitsy avy tamin’ny kilasin’ny mpanompo?
7 Raha mahaforona ny tranon’Andriamanitra amin’ny fitambarany ireo kristiana voahosotra rehetra, dia misy porofo maro be mampiseho fa nifidy lehilahy vitsivitsy tamin’io kilasin’ny mpanompo io i Jesosy mba hahaforona kolejy foibe hita maso iray. Ny tantaran’ny kongregasiona tany am-boalohany dia mampiseho fa ireo apostoly 12, anisan’izany i Matia, no fanorenan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany. Ny Asan’ny apostoly 1:20-26 dia manambara izany amintsika. Miresaka ny amin’ny fanoloana an’i Jodasy Iskariota io andinin-teny io ka manonona ny “anjara raharahany” ary ny “fanompoana sy ny mah’Apostoly” azy.
8. Inona avy ireo andraikitra notanan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany?
8 Voafaoka tao anatin’io “anjara raharaha” io ny andraikitra notanan’ireo apostoly mba hanendry lehilahy mahay ho amin’ny toeram-panompoana ary handamina ny fanompoana. Kanefa nidika mihoatra noho izany izy io. Tafiditra tamin’izany koa ny fampianarana sy ny fanazavana foto-pampianarana. Araka ny fampanantenan’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 16:13, “ny Fanahin’ny fahamarinana” dia tsy maintsy hitarika ny kongregasiona kristiana miandalana ho amin’ny fahamarinana rehetra. Hatramin’ny voalohany, ireo izay nanaiky ny teny ka tonga kristiana vita batisa sy voahosotra dia naharitra tamin’ny “fampianaran’ny Apostoly”. Raha ny marina, ny antony nanendrena lehilahy fito mba hitandrina io raharaha lehibe momba ny fizarana hanina ara-nofo io dia ny mba hahafahan’ny “roa ambin’ny folo lahy (...) haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana.” — Asan’ny apostoly 2:42; 6:1-6.
9. Tamin’ny fomba ahoana no nidinan’ny isan’ny mpikambana tao amin’ny kolejy foibe tany am-boalohany ho 11, kanefa nahoana no toa tsy avy hatrany dia naverina ho 12 indray izany isa izany?
9 Toa tsy nisy afa-tsy ireo apostoly roa ambin’ny folon’i Jesosy no nahaforona ny kolejy foibe tamin’ny voalohany. Kanefa ho tahaka izany foana ve no izy? Tany amin’ny taona 44 am.fan.ir. eo ho eo, dia maty novonoin’i Heroda Agripa I i Jakoba apostoly rahalahin’i Jaona. (Asan’ny apostoly 12:1, 2). Toa miharihary fa tsy nisy fiezahana natao mba hanoloana azy tamin’ny naha-apostoly, toy ny natao tamin’i Jodasy. Fa nahoana? Tsy isalasalana fa satria maty tamim-pahatokiana i Jakoba, ny voalohany maty tamin’ireo apostoly. I Jodasy kosa anefa dia mpivadika ratsy fanahy ka tsy maintsy nosoloana mba hamerenana ho 12 indray ny isan’ny vato fanorenan’ny Isiraely ara-panahy. — Efesiana 2:20; Apokalypsy 21:14.
10. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanitarana ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany, ary tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Kristy azy mba hitarihana ny ankohonan’Andriamanitra?
10 Ireo mpikambana voalohany tao amin’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany dia apostoly, lehilahy izay niara-nandeha tamin’i Jesosy sady vavolombelona nahita maso ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty. (Asan’ny apostoly 1:21, 22). Kanefa tsy maintsy hiova izany tarehin-javatra izany. Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nisy lehilahy kristiana hafa nandroso ho amin’ny fahamatorana ara-panahy ka notendrena ho loholona tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema. Hatramin’ny taona 49 fara fahelany, dia niitatra ny kolejy foibe ka nahafaoka, tsy ireo apostoly sisa tavela ihany, fa loholona vitsivitsy hafa tao Jerosalema koa. (Asan’ny apostoly 15:2). Noho izany àry dia tsy voafetra amin’ny fomba hentitra ny mahaforona ny kolejy foibe; tsy isalasalana kosa fa notarihin’Andriamanitra ny fandehan’ny zavatra rehetra mba hahafahan’izany hiova ka hifanaraka amin’ny toe-javatra nisy ny vahoakany. I Kristy, ilay Lohan’ny kongregasiona miasa, dia nampiasa io kolejy foibe niitatra io mba handaminana ilay raharaha lehibe momba ny foto-pampianarana ny amin’ny tokony hamorana ireo kristiana tsy jiosy na tsia sy ny amin’ny tokony hanarahany ny Lalàn’i Mosesy na tsia. Nanoratra taratasy nanazava ny fanapahan-keviny ny kolejy foibe ary namoaka didy maromaro harahin’ny kristiana. — Asan’ny apostoly 15:23-29.
Fotoana hampamoahana ilay mpiadidy ny trano
11. Nankasitrahan’ireo rahalahy ve ny fitarihana hentitry ny kolejy foibe, ary inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah io fandaharana io?
11 Na teo amin’ny isam-batan’olona na tamin’ny naha-kongregasiona, ireo kristiana voalohany dia nankasitraka io fitarihana hentitra nomen’ny kolejy foibe io. Rehefa avy namaky io taratasin’ny kolejy foibe io ny kongregasionan’i Antiokia, tany Syria, dia nifaly noho ny fampaherezana azony. Rehefa nahazo izany fanazavana izany koa ireo kongregasiona hafa ka nanaraka ireo didy, dia “nihanahery finoana (...) sady nihamaro isan-andro.” (Asan’ny apostoly 16:5.) Miharihary fa notahin’Andriamanitra io fandaharana io. — Asan’ny apostoly 15:30, 31.
12, 13. Fisehoan-javatra inona avy no nolazain’i Jesosy mialoha fa hitranga tao amin’ireo fanoharany momba ny farantsa sy ny talenta?
12 Aoka anefa isika hijery lafiny iray hafa amin’io raharaha lehibe io. Tao amin’ny fanoharana ny amin’ny farantsa nataony, izy dia nampitaha ny tenany tamin’ny andriandahy iray izay nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka ary avy eo dia niverina. (Lioka 19:11, 12). Taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty, i Jesosy dia nasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, izay toerana tokony hipetrahany mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. — Asan’ny apostoly 2:33-35.
13 Tao amin’ny fanoharana iray mitovy amin’io, ny amin’ireo talenta, dia nilaza i Jesosy fa, nony ela, dia tonga ny tompo mba hampilaza azy ny amin’ny volany. Tamin’ireo mpanompo niseho ho nahatoky dia hoy ny tompony: “Nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.” Raha ny amin’ilay mpanompo tsy nahatoky kosa, dia hoy izy: “Na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa.” — Matio 25:21-23, 29, 30.
14. Inona moa no nantenain’i Jesosy avy tamin’ireo mpanompony voahosotry ny fanahy?
14 Nony ela tokoa — afaka taonjato 19 teo ho eo — dia notafiana ny fahefan’ny Mpanjaka i Kristy tamin’ny 1914, tamin’ny faran’ny “andro voatendry ho an’ny jentilisa.” (Lioka 21:24.) Fotoana fohy taorian’izay, dia “tonga izy hampilaza (...) [ny mpanompony, ireo kristiana voahosotry ny fanahy] ny amin’ny volany.” (Matio 25:19) Inona no nantenain’i Jesosy tamin’izy ireo isam-batan’olona sy amin’ny fitambarany? Mbola mitovy amin’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany ny raharaha nanendrena ny mpitandrin-draharaha hataony. Nomen’i Kristy talenta ny tsirairay avy taminy — “samy araka izay fahaizany avy.” Nanantena vokatra nifanentana àry i Jesosy. (Matio 25:15) Ny fitsipika azo arahina eto dia ilay voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 4:2 manao hoe: “Ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.” Ny fampiasana ireo talenta dia nidika hoe nanao ny asa tamin’ny naha-irak’Andriamanitra tamim-pahatokiana, nanao mpianatra ary nizara ny fahamarinana ara-panahy ho azy ireo. — 2 Korintiana 5:20.
Ny “Mpanompo” sy ny kolejy foibeny eo am-pifaranan’ny andro farany
15. a) Inona no nantenain’i Kristy avy tamin’ny kilasin’ny mpiadidy ny tranony? Inona no manondro fa nantenaina ny hanaovan’ny kilasin’ny mpanompo izany talohan’ny nahatongavany mba handinika ny ankohonany?
15 Ny nantenain’i Jesosy tamin’ireo kristiana voahosotra tamin’ny fitambarany dia ny hanaovany ny asan’ny mpitandrin-draharaha mahatoky amin’ny fanomezana ny fitambaran’ireo mpanompony “anjara hanina amin’ny fotoana”. (Lioka 12:42.) Araka ny Lioka 12:43, dia nanambara i Kristy hoe: “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony, fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.” Izany dia manondro fa nisy fotoana talohan’ny nahatongavan’i Kristy hampilaza ireo mpanompony voahosotry ny fanahy ny amin’ny volany, efa nanomezan’izy ireo sakafo ara-panahy ireo anisan’ny kongregasiona kristiana, izany hoe ny tranon’Andriamanitra. Iza moa no hitan’i Kristy nanao izany rehefa niverina nanana ny fahefan’ny mpanjaka izy tamin’ny 1914 ka nanomboka nandinika ny tranon’Andriamanitra tamin’ny 1918? — Malakia 3:1-4; Lioka 19:12; 1 Petera 4:17.
16. Rehefa tonga mba handinika ny ankohonany i Kristy tamin’ny 1918, nahoana izy no tsy nahita ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana nanome hanina ara-panahy tamin’ny fotoana?
16 Rehefa nihananatona ny faran’ny fe-potoana lava be niandrasan’i Jesosy teo an-tanana ankavanan’i Jehovah, dia nihahita tsikelikely hoe iza no nanome anjara hanina ireo mpanompon’i Kristy na dia talohan’ny 1914 aza. Heverinao ve fa ireo fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany? Tsy izany velively, satria tafiditra lalina tao amin’ny politika izy ireo. Nanaiky an-tsitrapo ny hampiasaina ho amin’ny fanitarana ny fanjanahan-tany izy ireo ary nifamely mba hampisehoana ny fitiavany tanindrazana, ka nampirisika tamin’izany ny fametrahana ny firenen’ny tena alohan’ny an’ny hafa. Tsy ela izany dia nahatonga azy ireo ho meloka ho nandatsa-dra be dia be, rehefa nanohana ireo fitondram-panjakana ara-politika tafiditra tao amin’ny ady lehibe voalohany izy ireo. Teo amin’ny ara-panahy, dia nihanalemy noho ny fitiavana ho araka ny toetr’andro ny finoany. Nipoitra ny andro sarotra teo amin’ny ara-panahy satria maro tamin’ireo klerjy no nanaraka mora foana ny fanakianana ambony sy ny fivoarana miandalana. Tsy azo natao ny nanantena ny hahazo hanina ara-panahy na dia kely avy amin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana!
17. Nahoana i Jesosy no nanda ny kristiana voahosotra sasany, ary nitondra vokatra inona ho azy ireo izany?
17 Toy izany koa fa tsy nisy sakafo ara-panahy mahavelona azo noraisina avy tamin’ireo kristiana voahosotra izay niahy kokoa ny amin’ny famonjena ny tenany manokana noho ny fampiasana ny talentan’ny Tompony. Hita fa niseho ho “malaina” izy ireo, tsy mendrika ny hikarakara ny fananan’ny Tompony. Noho izany àry, izy ireo dia natsipy “ho any amin’ny maizina any ivelany”, izay mbola misy ireo fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. — Matio 25:24-30.
18. Iza no hitan’ny Tompo nanome sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana an’ireo anisan’ny mpanompony, ary inona no manaporofo izany?
18 Tamin’ny fahatongavany mba handinika ny mpanompony tamin’ny 1918 àry, iza no hitan’ilay Tompo, Jesosy Kristy, nanome ny anjara haniny ho an’ny fitambaran’ny mpanompony tamin’ny fotoany? Iza moa, raha ny marina, tamin’izay no nanome ireo mpitady ny fahamarinana tso-po ny fanazavana marina momba ny sorom-panavotana, ny anaran’Andriamanitra, ny maha-tsy hita maso ny fanatrehan’i Kristy, ary ny dikan’ny taona 1914? Iza no nanala sarona ny maha-diso ny Trinite, ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, ary ny afobe? Ary iza no nampitandrina ny amin’ny maha-mampidi-doza ny fivoarana miandalana sy ny spiritisma? Ny zava-misy dia mampiseho fa ny nanao izany dia ny antokon’ireo kristiana voahosotra izay nifandray tamin’ireo mpampanonta ny gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona sady Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy, antsoina ankehitriny hoe Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah.
19. Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky talohan’ny 1918, tamin’ny alalan’ny inona no nizarany sakafo ara-panahy, ary hatramin’ny oviana?
19 Tao amin’ny nomeraony tamin’ny 1 novambra 1944, dia izao no nambaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy): “Tamin’ny 1878, 40 taona talohan’ny nahatongavan’ny Tompo tao amin’ny tempoly tamin’ny 1918, dia nisy antokona kristiana tso-po voatokana izay niala tamin’ireo fandaminana misy ambaratonga sy misy klerjy ary nikatsaka ny fomba hampiharana ny kristianisma marina (...). Ny taona nanaraka, tamin’ny Jolay 1879, raha ny marina kokoa, mba hahafahana mizara ireo fahamarinana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ho toy ny ‘hanina amin’ny fotoany’ amin’ny ankohonana misy ireo zanaka voatokana rehetra, dia nanomboka natonta ity gazety Ny Tilikambo Fiambenana ity.”
20. a) Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ny Kolejy Foibe amin’ny andro ankehitriny? b) Inona no nataon’ireo anisan’ny Kolejy Foibe, ary teo ambany fitarihan’iza?
20 Nanome izao fanazavana izao momba ny niforonan’ny Kolejy Foibe amin’ny andro ankehitriny ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 jona 1972: “Rehefa afaka dimy taona tatỳ aoriana [tamin’ny 1884] ny Zion’s Watch Tower Tract Society dia nosoratana ara-dalàna sy natao “fiasana” ho fanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny olona an’arivony maro tso-po izay nitady hahafantatra an’Andriamanitra sy hahalala ny Teniny (...). Nisy kristiana voahosotra, nanolo-tena sy vita batisa, niditra tao amin’io Fikambanana io, tany amin’ny foibeny, any Pennsylvanie. Na anisan’ny filan-kevi-pitondrana izy ireny na tsia, dia nanolo-tena hanao ny asa manokan’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. Nitondra ny fanampiany izy ireny mba hamahana sy hitondra ny kilasin’ny mpanompo, ka tamin’izany dia nipoitra ny kolejy foibe. Tsy isalasalana fa izany dia natao teo ambany fitarihan’ny hery miasa sy tsy hita mason’i Jehovah, dia ny fanahiny masina, sy ny fitarihan’i Jesosy Kristy (...), Filohan’ny kongregasiona kristiana.”
21. a) Iza no hitan’i Kristy nanome sakafo ara-panahy, ary tamin’ny fomba ahoana no namaliany soa azy ireo? b) Inona no niandry ny mpanompo mahatoky sy ny kolejy foibeny?
21 Tamin’ny 1918, rehefa nandinika ireo izay nilaza ho mpanompony i Jesosy Kristy, dia nahita antokona kristiana iraisam-pirenena nanonta fahamarinana ara-baiboly nampiasaina tao anatin’ny kongregasiona ary koa tany ivelany teny amin’ny asa fitoriana. Tamin’ny 1919 no tanteraka marina ilay nolazain’i Jesosy mialoha hoe: “Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:46, 47). Ireo kristiana marina ireo dia niditra tao amin’ny fifalian’ny Tompony. Niseho ho “nahatoky tamin’ny kely” izy, notendren’ny Tompo “ho mpanapaka ny be”. (Matio 25:21.) Ny mpanompo mahatoky sy ny Kolejy foibeny dia tafapetraka tsara, vonona ny handray fanendrena lehibe kokoa. Hafaliana toy inona re no tokony ho tsapantsika noho izany, satria ireo kristiana mahatoky dia mandray soa be dia be avy amin’ny asa feno fandavan-tenan’ny mpanompo mahatoky sy ny Kolejy foibeny!
Hevitra fototra tokony hotadidina
◻ Iza no Lohan’ny tranon’Andriamanitra, ary iza no nomeny fahefana?
◻ Asa fanendrena iombonana inona no nomen’i Kristy ny kilasin’ny mpanompo?
◻ Antokon’olona hafa iza no misy eo anivon’ny kilasin’ny mpanompo, ary inona avy ireo andraikitra manokana tanany?
◻ Rehefa tonga mba handinika ny ankohonan’Andriamanitra i Kristy, iza no nanome sakafo ara-panahy ireo mpikambana tao aminy?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’ny Kolejy foibe amin’ny andro ankehitriny?
[Sary, pejy 10]
Ilay “mpanompo” tamin’ny taonjato voalohany, dia nanana kolejy foibe voaforon’ireo apostoly sy ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’i Jerosalema.