Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?
“Hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. — MATIO 25:32.
1, 2. Nahoana no tokony hahaliana antsika ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
AZO antoka fa i Jesosy Kristy no Mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany. (Jaona 7:46). Iray amin’ireo fomba fampianarany ny fampiasana fanoharana na sary. (Matio 13:34, 35). Tsotra izy ireny kanefa dia nahery teo amin’ny fampitana fahamarinana ara-panahy sy ara-paminaniana lalina.
2 Ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, dia nanondro fotoana iray hanaovany asa manokana, i Jesosy: “Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, (...)”. (Matio 25:31). Tokony hahaliana antsika izy io satria io no fanoharana namaranan’i Jesosy ny valin-teniny tamin’ilay fanontaniana hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Midika ho inona ho antsika anefa izany?
3. Teo aloha kokoa tao amin’ilay lahateniny, inona no nolazain’i Jesosy fa hiseho raha vao afaka ny fanombohan’ny fahoriana lehibe?
3 Nambaran’i Jesosy mialoha ny fisehoan-javatra manaitra ho tonga “raha vao afaka” ny fipoahan’ny fahoriana lehibe, dia fisehoan-javatra izay andrasantsika. Nilaza izy fa amin’izay dia hiseho “ny famantarana ny Zanak’olona”. Izany dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ireo “firenena rehetra ambonin’ny tany” izay “hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra”. Ilay Zanak’olona dia harahin’ireo “anjeliny”. (Matio 24:21, 29-31).a Ahoana ny amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy? Ireo Baiboly maoderina dia mametraka azy io ao amin’ny Matio toko faha-25, kanefa dia tapany amin’ilay valin-tenin’i Jesosy izy io, nanome tsipiriany fanampiny ny amin’ny fahatongavany amin’ny voninahitra sy nifantoka tamin’ny fitsarany ny “firenena rehetra”. — Matio 25:32.
Ireo sary ao amin’ilay fanoharana
4. Ahoana no anisiana firesahana ny amin’i Jesosy eo am-piandohan’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ary iza koa no asiana firesahana ao?
4 Manomboka ilay fanoharana i Jesosy amin’ny filazana hoe: “Ary raha tonga ny Zanak’olona”. Azo inoana fa fantatrao hoe iza ilay “Zanak’olona”. Matetika no mampihatra io fitenenana io amin’i Jesosy ireo mpanoratra ny Filazantsara. Na dia ny tenan’i Jesosy mihitsy aza dia nanao izany, tsy isalasalana fa tao an-tsainy ilay fahitan’i Daniela momba ny hoe “toy ny zanak’olona” iray izay nanatona ny Fahagola mba hahazo “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana”. (Daniela 7:13, 14; Matio 26:63, 64; Marka 14:61, 62). Na dia i Jesosy aza no lehibe indrindra ao amin’io fanoharana io, dia tsy irery akory izy. Teo aloha kokoa, tao amin’io lahateny io, araka izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Matio 24:30, 31, dia nilaza izy fa rehefa ho “avy amin-kery sy voninahitra lehibe” ny Zanak’olona, dia hanana anjara asa tena lehibe ireo anjeliny. Toy izany koa fa ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia mampiseho anjely miaraka amin’i Jesosy rehefa “hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny” izy mba hitsara. (Ampitahao amin’ny Matio 16:27.) Any an-danitra anefa ilay Mpitsara sy ireo anjeliny, koa olombelona ve no resahina ao amin’ilay fanoharana?
5. Ahoana no ahafahantsika mamantatra ireo ‘rahalahin’i Jesosy’?
5 Ny topy maso amin’ilay fanoharana dia mampiharihary antokony telo izay ilaintsika hofantarina. Ho fanampin’ny ondry sy ny osy, dia manampy amin’ilay antokony fahatelo ny Zanak’olona. Tena zava-dehibe ny hahafantarana hoe iza izy io mba hamantarana ny ondry sy ny osy. Miantso io antokony fahatelo io hoe rahalahiny ara-panahy, i Jesosy. (Matio 25:40, 45). Tsy maintsy ho mpivavaka marina izy ireo satria hoy i Jesosy: “Na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko (...), dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Matio 12:50; Jaona 20:17). Mbola mifandray kokoa amin’izany fa, nanoratra ny amin’ireo Kristiana izay anisan’ny “taranak’i Abrahama” sy zanak’Andriamanitra, i Paoly. Niantso azy ireny ho ‘rahalahin’i’ Jesosy sy ho “mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra”, izy. — Hebreo 2:9–3:1; Galatiana 3:26, 29.
6. Iza moa ireo “kely indrindra” amin’ny rahalahin’i Jesosy?
6 Nahoana i Jesosy no nanisy firesahana ny amin’ny “kely indrindra” amin’ny rahalahiny? Ireo teny ireo dia mamerina izay efa ren’ireo apostoly nolazainy taloha kokoa. Nampifanohitra an’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ireo izay hahazo fiainana any an-danitra i Jesosy. Maty talohan’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa ka noho izany dia nanana fanantenana ny ho eto an-tany. Hoy i Jesosy rehefa nanao ilay fampifanoherana: “Tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” (Matio 11:11). Ny sasany izay mankany an-danitra dia nety ho nisongadina tao amin’ny kongregasiona, sahala amin’ireo apostoly, ary ny hafa nety ho latsa-danja kokoa, kanefa dia samy rahalahin’i Jesosy ara-panahy avokoa izy rehetra. (Lioka 16:10; 1 Korintiana 15:9; Efesiana 3:8; Hebreo 8:11). Araka izany, na dia toa tsy dia nanao ahoana loatra aza ny sasany teto an-tany, dia rahalahiny izy ireo ary tokony ho nentina araka izany.
Iza ireo ondry sy osy?
7, 8. Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo ondry, koa inona no hevitra azontsika tsoahina momba azy ireo?
7 Izao no vakintsika momba ny fitsarana ny ondry: “Hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany [i Jesosy] hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” — Matio 25:34-40, izahay no manao sora-mandry.
8 Miharihary fa mampiseho kilasin’olombelona ny ondry notsaraina fa mendrika ny ho eo ankavanan’i Jesosy, dia toeram-boninahitra sy toeram-pankasitrahana. (Efesiana 1:20; Hebreo 1:3). Inona no nataon’izy ireo ary oviana? Nilaza i Jesosy fa tamin-katsaram-panahy sy tamim-panajana ary tamim-pahalalahan-tanana, no nanomezan’izy ireo azy hanina sy fisotro ary fitafiana, nanampy azy fony izy narary na tany an-tranomaizina. Rehefa nilaza ireo ondry fa tsy nanao izany tamin’ny tenan’i Jesosy manokana izy ireo, dia nasehon’i Jesosy fa izy ireo dia tena nanohana ny rahalahiny ara-panahy, dia ireo sisa amin’ny Kristiana voahosotra, koa amin’izay heviny izay no nanaovan’izy ireo izany taminy.
9. Nahoana no tsy mihatra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ilay fanoharana?
9 Tsy mihatra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ilay fanoharana, satria amin’izay ireo voahosotra dia tsy ho olombelona hijaly noho ny hanoanana, ny hetaheta, ny aretina, na ny fanaovana an-tranomaizina. Maro amin’izy ireo anefa no nandalo zavatra toy izany mandritra ny fifaranan’itỳ fandehan-javatra itỳ. Hatramin’ny nanjerana an’i Satana tetỳ an-tany, dia nataony lasibatra manokan’ny fahatezerany ny sisa, tamin’ny fitondrana fanesoana sy fampijalijaliana ary fahafatesana teo amin’izy ireo. — Apokalypsy 12:17.
10, 11. a) Nahoana no tsy azon’ny saina ekena ny fiheverana fa ireo ondry dia mahatafiditra izay rehetra manao asa mampiseho hatsaram-panahy amin’ny rahalahin’i Jesosy? b) Mampiseho tsara an’iza moa ireo ondry?
10 Moa ve i Jesosy milaza hoe izay rehetra maneho hatsaram-panahy kely amin’ny iray amin’ireo rahalahiny, toy ny fanolorana sombi-mofo na rano iray vera, dia mahafeno fepetra ho iray amin’ireny ondry ireny? Ekena fa ny fanehoana hatsaram-panahy toy izany dia mety hampiseho taratry ny hatsaram-panahy amin’ny maha-olombelona, kanefa raha ny tena izy, dia toa betsaka kokoa no tafiditra ho an’ireo ondry ao amin’io fanoharana io. Tsy nanisy fitenenana velively ny amin’ireo olona tsy mino an’Andriamanitra na ireo anisan’ny klerjy izay sendra manao asa mampiseho hatsaram-panahy amin’ny iray amin’ireo rahalahiny, ohatra, i Jesosy. Mifanohitra amin’izany fa indroa i Jesosy no niantso ireo ondry hoe “ny marina”. (Matio 25:37, 46). Koa ireo ondry àry dia tsy maintsy ho olona izay, nandritra ny fe-potoana iray, dia nanampy — nanohana tamim-paharisihana — ireo rahalahin’i Kristy ary naneho finoana tonga hatramin’ny fahazoany ny toeran’ny olona marina eo anatrehan’Andriamanitra.
11 Nandritra ireo taonjato, dia olona maro, toa an’i Abrahama no nanana ny toeran’ny olona marina. (Jakoba 2:21-23). Tafiditra ho anisan’ireo “ondry hafa” izay handova fiainana ao amin’ny Paradisa eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ry Noa sy Abrahama ary ireo olona nahatoky hafa. Tamin’ny fotoana vao haingana kokoa, dia nisy olona an-tapitrisany maro fanampiny nanaiky ny fanompoam-pivavahana marina, amin’ny maha-ondry hafa azy ireo ka tonga “andiany iray” amin’ireo voahosotra. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9). Ireny manana fanantenana ny ho eto an-tany ireny dia manaiky ny maha-ambasadaoron’ilay Fanjakana an’ireo rahalahin’i Jesosy, ka noho izany dia nanampy azy ireo — ara-bakiteny sy ara-panahy. Raisin’i Jesosy ho natao taminy izay ataon’ireo ondry hafa amin’ireo rahalahiny eto an-tany. Ny olona toy izany, izay mbola velona amin’ny fahatongavany hitsara ireo firenena, dia hotsaraina ho ondry.
12. Nahoana no mety hanontany ireo ondry hoe ahoana no nanehoany hatsaram-panahy tamin’i Jesosy?
12 Raha miara-mitory ny vaovao tsara amin’ny voahosotra sy manampy azy ireo ny ondry hafa ankehitriny, nahoana izy ireo no hanontany hoe: “Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?” (Matio 25:37). Mety hisy antony maro samihafa. Fanoharana izy itỳ. Amin’ny alalan’izy io dia asehon’i Jesosy ny fiahiany lalina an’ireo rahalahiny ara-panahy; miray fihetseham-po amin’izy ireo izy, miara-mijaly aminy izy. Niteny toy izao i Jesosy teo aloha kokoa: “Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.” (Matio 10:40). Ao amin’io fanoharana io, dia manitatra ilay fotopoto-pitsipika i Jesosy, amin’ny fampisehoana fa izay atao (na tsara na ratsy) amin’ireo rahalahiny dia tody hatrany an-danitra mihitsy; toy ny hoe atao aminy any an-danitra izany. Afa-tsy izany koa, dia antitranterin’i Jesosy eto ny fari-pitsipik’i Jehovah amin’ny fitsarana, nataony mazava fa ny didim-pitsaran’Andriamanitra, na fankasitrahana io na fanamelohana, dia marim-pototra sy ara-drariny. Ireo osy dia tsy afaka manolotra ilay fialan-tsiny hoe: ‘Raha mba nahita anao mivantana mantsy izahay.’
13. Nahoana no mety hiantso an’i Jesosy hoe “Tompoko” ireo olona toy ny osy?
13 Raha vao takatsika ny fotoana hamoahana ilay didim-pitsarana aseho ao amin’io fanoharana io, dia mihamazava kokoa amintsika ny hoe iza moa ireo osy. Ilay fahatanterahana dia rehefa “hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe (...) izy”. (Matio 24:29, 30, izahay no manao sora-mandry.) Ireo tafita velona amin’ny fahoriana hahazo an’i Babylona Lehibe izay nitondra ireo rahalahin’ny Mpanjaka tamim-pankahalana, dia mety hiantso amim-pamoizam-po an’ilay Mpitsara izao hoe “Tompoko”, amin’ny fanantenana ny hamonjy ny ainy. — Matio 7:22, 23; ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:15-17.
14. Mifototra amin’inona no hitsaran’i Jesosy ny ondry sy ny osy?
14 Kanefa ny fitsaran’i Jesosy dia tsy hiorina amin’ny fihamboana amim-pamoizam-po ataon’ireo mpiangona taloha, ireo tsy nino an’Andriamanitra na ny hafa. (2 Tesaloniana 1:8). Ilay mpitsara dia handinika indray kosa ny toe-po sy ny asa tamin’ny lasa nataon’ny olona tamin’ireo rahalahiny, na dia tamin’ny ‘anankiray amin’ireo kely indrindra’ aza. Ekena fa mihena ny isan’ireo Kristiana voahosotra tavela eto an-tany. Kanefa raha mbola manohy manome sakafo sy fitarihana ara-panahy koa ireo voahosotra mahaforona ny “mpanompo mahatoky sy malina”, dia manana fahafahana hanao soa amin’ilay kilasin’ny mpanompo ireo mety ho tonga ondry, toy ny efa nataon’ny ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona’. — Apokalypsy 7:9, 14.
15. a) Ahoana no nisehoan’ny olona maro ho sahala amin’ny osy? b) Nahoana isika no tokony hanalavitra ny filazana fa ondry na osy ny olona iray?
15 Ahoana no nitondrana an’ireo rahalahin’i Kristy sy ireo ondry hafa an-tapitrisany maro tafaray aminy ho andiany iray? Olona maro no mety ho tsy nanafika manokana ireo solontenan’i Kristy, kanefa izy ireo dia tsy nitondra tamim-pitiavana koa ny vahoakany. Noho izy ireo tia kokoa izao tontolo izao ratsy, ireo olona toy ny osy dia mandà ny hafatra momba ilay Fanjakana, na nandre izany mivantana izy ireo na tsy mivantana. (1 Jaona 2:15-17). Mazava ho azy fa amin’ny farany, dia i Jesosy no ilay voatendry hamoaka didim-pitsarana. Tsy anjarantsika ny mamaritra hoe iza no ondry ary iza no osy. — Marka 2:8; Lioka 5:22; Jaona 2:24, 25; Romana 14:10-12; 1 Korintiana 4:5.
Inona ny hoavy ho an’ny antokony tsirairay?
16, 17. Inona ny hoavin’ny ondry?
16 Nanome ny didim-pitsarany an’ireo ondry i Jesosy: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. Fanasana mafana re izany hoe “Avia”! Haninona? Ho amin’ny fiainana mandrakizay, araka ny nolazainy ho famintinana hoe: “Ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” — Matio 25:34, 46.
17 Tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta, dia nasehon’i Jesosy izay takina amin’ireo izay hiara-manapaka aminy any an-danitra, fa amin’itỳ fanoharana itỳ kosa, dia asehony izay antenaina amin’ireo olom-pehezin’ilay Fanjakana. (Matio 25:14-23). Mifandray amin’izany indrindra, noho ny fanohanan’izy ireo amin’ny fo manontolo an’ireo rahalahin’i Jesosy, ireo ondry dia handova toerana eo amin’ny faritra eto an-tany amin’ilay Fanjakany. Hanana fiainana eo amin’ny tany paradisa izy ireo — dia fahatsinjovan-javatra izay nomanin’Andriamanitra ho azy ireo “hatrizay nanorenana izao tontolo izao”-n’olombelona azo navotana. — Lioka 11:50, 51.
18, 19. a) Didim-pitsarana inona no havoakan’i Jesosy ho an’ireo osy? b) Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy hiatrika fijaliana mandrakizay akory ireo osy?
18 Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ilay didim-pitsarana ampiharina amin’ireo osy! “Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo. Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.” — Matio 25:41-45.
19 Fantatr’ireo mpianatra Baiboly fa izany akory tsy midika hoe hijaly any amin’ny afo maharitra mandrakizay ny fanahy (âme) tsy mety maty ananan’ireo olona toy ny osy. Tsia, satria ny olombelona dia fanahy (âme); tsy manana fanahy (âme) tsy mety maty izy ireo. (Genesisy 2:7, NW; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4). Amin’ny fanamelohana ny osy ho amin’ny “afo maharitra mandrakizay”, ilay Mpitsara dia te hilaza fandringanana tsy misy fanantenana hoavy, ka toy izany koa no ho fiafarana raikitra hahazo ny Devoly sy ny demoniany. (Apokalypsy 20:10, 14). Noho izany, dia milaza didim-pitsarana mifanohitra ilay Mpitsara voatendrin’i Jehovah. Hoy izy amin’ireo ondry hoe: “Avia”; tamin’ireo osy hoe: “Mialà amiko, hianareo”. Handova “fiainana mandrakizay” ny ondry. Hahazo “fampijaliana [“fanafoanana”, NW ] mandrakizay” ireo osy. — Matio 25:46.b
Inona no dikan’izany ho antsika?
20, 21. a) Manana asa lehibe inona tokony hatao ny Kristiana? b) Fampisarahana inona izao no mitranga? d) Hanao ahoana ny toe-javatra misy ny olona rehefa hanomboka ho tanteraka ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy?
20 Nanan-javatra betsaka hodinihina ireo apostoly efatra izay nandre ny valin-tenin’i Jesosy momba ny famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra. Nila ny hitoetra hifoha sy hiambina izy ireo. (Matio 24:42). Nila ny hanao ilay asa fanambarana voalaza ao amin’ny Marka 13:10 koa izy ireo. Revo amin-kery amin’io asa io amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah.
21 Midika ho inona ho antsika anefa io fahatakarana hevi-javatra vaovao mahakasika ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy io? Efa maka ny andaniny avy sahady ny olona. Ny sasany dia eo amin’ny ‘lalana malalaka izay mankany amin’ny fahaverezana’ fa ny hafa kosa miezaka mijanona eo amin’ny ‘lalana tery izay mankany amin’ny fiainana’. (Matio 7:13, 14). Kanefa mbola amin’ny ho avy ilay fotoana hanononan’i Jesosy didim-pitsarana farany amin’ny ondry sy ny osy voalazalaza ao amin’ilay fanoharana. Rehefa tonga ny Zanak’olona manana anjara asan’ny Mpitsara, dia izy no hamaritra hoe hisy Kristiana marina maro — raha ny marina dia “vahoaka be” voaforon’ny ondry nanolo-tena — hahafeno fepetra mba hamakivaky ny tapany farany amin’ny “fahoriana lehibe” hankao amin’ilay tontolo vaovao. Tokony ho loharanom-pifaliana ankehitriny izany fahatsinjovan-javatra izany. (Apokalypsy 7:9, 14, NW ). Etsy an-danin’izany, dia hisy olona sesehena avy amin’ny “firenena rehetra” hanaporofo fa ny tenany dia toy ny osy mafy loha. “Hiala ho any amin’ny fampijaliana [“fanafoanana”, NW ] mandrakizay” izy ireo. Fanamaivanana toy inona moa izany ho an’ny tany!
22, 23. Koa satria mbola amin’ny hoavy ny fahatanterahan’ilay fanoharana, nahoana no tena zava-dehibe amin’izao andro izao ny asa fitoriana ataontsika?
22 Raha mbola amin’ny hoavy tsy ho ela ny fitsarana voalazalaza ao amin’ilay fanoharana, na dia ankehitriny aza dia misy zavatra tena lehibe miseho. Isika Kristiana dia revo amin’ny asa famonjena aina, dia ny fanambarana hafatra iray izay mahatonga fampisarahana eo amin’ny olona. (Matio 10:32-39, NW ). Nanoratra toy izao i Paoly: “Fa ‘izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena’. Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Romana 10:13, 14). Ny fanompoana ampahibemaso ataontsika dia mahatratra olona any amin’ny tany maherin’ny 230 amin’ny anaran’Andriamanitra sy ny hafatra momba ny famonjeny. Mbola mitari-dalana io asa io ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy. Dimy tapitrisa eo ho eo amin’ireo ondry hafa izao no nanatevin-daharana azy ireo. Ary misy olona manerana ny bolan-tany manaiky ilay hafatra ambaran’ireo rahalahin’i Jesosy.
23 Maro no mety ho tratran’ny hafatra entintsika rehefa mitory isan-trano na tsy ara-potoana isika. Ny hafa dia mety hahafantatra ny Vavolombelon’i Jehovah sy izay asehontsika, ka izany dia amin’ny fomba tsy fantatsika. Rehefa tonga ilay fotoam-pitsarana, hatraiza moa no hanisian’i Jesosy fiheverana ny andraikitra iombonana sy fankasitrahana noho ny fahamendrehan’ny fianakaviana? Tsy afaka milaza isika, ary tsy misy ilana ny hanombantombanana izany. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:14.) Maro ankehitriny no manao be marenina, na maneso, na mandray anjara amin’ny fanenjehana tsotra izao ny vahoakan’Andriamanitra. Noho izany, dia fotoana tena lehibe izao; ny olona toy izany dia mety ho tonga anisan’ireo izay hotsarain’i Jesosy ho osy. — Matio 10:22; Jaona 15:20; 16:2, 3; Romana 2:5, 6.
24. a) Nahoana no zava-dehibe ny handraisan’ny isam-batan’olona tsara ny fitoriana ataontsika? b) Nanampy anao manokana mba hanana toe-tsaina manao ahoana momba ny fanompoana ataonao itỳ fianarana itỳ?
24 Soa ihany anefa fa maro no mandray tsara sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary tonga Vavolombelon’i Jehovah. Ny sasany izay toa sahala amin’ny osy izao, dia mety hiova ka ho tonga sahala amin’ny ondry. Ilay hevitra tiana hisongadina dia hoe, ireo izay mandray sy manohana amim-paharisihana ny sisa amin’ny rahalahin’i Kristy izao dia manome porofo izay ho fototra amin’ny fametrahana azy ireo eo an-tanana ankavanan’i Jesosy, rehefa hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany izy mba hamoaka didim-pitsarana, amin’ny hoavy tsy ho ela. Mahazo fitahiana izy ireo ary hahazo izany hatrany. Araka izany, io fanoharana io dia tokony handrisika antsika hanao asa feno zotom-po kokoa eo amin’ny fanompoana kristiana. Dieny mbola tsy diso aoriana loatra, dia irintsika ny hanao izay rehetra azontsika atao mba hanambarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ka amin’izany dia hanome ho an’ny hafa fahafahana handray izany. Avy eo, dia anjaran’i Jesosy ny mamoaka didim-pitsarana, na fanamelohana na fankasitrahana. — Matio 25:46.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994, pejy faha-16-21.
b Manamarika toy izao ny El Evangelio de Mateo: “Ny fiainana mandrakizay dia fiainana raikitra tsy miova intsony; ny mifanohitra aminy dia sazy raikitra tsy miova intsony. Ilay mpamari-toetra grika hoe aionios dia tsy milaza voalohany indrindra faharetan’ny fotoana, fa toetoetra. Ilay sazy raikitra tsy miova intsony dia fahafatesana mandrakizay.” — Profesora misotro ronono, Juan Mateos (Pontifical Biblical Institute, Roma) sy ny Profesora Fernando Camacho (Theological Center, Séville), Madrid, Espaina, 1981.
Tadidinao Ve?
◻ Fifanandrifian-javatra inona avy eo amin’ny Matio 24:29-31 sy ny Matio 25:31-33 no mampiseho fa mihatra amin’ny hoavy ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ary rahoviana izany?
◻ Iza moa ireo “kely indrindra” amin’ny rahalahin’i Jesosy?
◻ Amin’ny ahoana ny fampiasan’i Jesosy an’ilay fitenenana hoe “ny marina” no manampy antsika hamantatra izay asehon’izy ireo sy izay tsy asehon’izy ireo?
◻ Na dia ho tanteraka amin’ny hoavy aza ilay fanoharana, nahoana ny fitoriana ataontsika no zava-dehibe sy mahadodona ankehitriny?
[Efajoro/Sary, pejy 24]
MARIHO IREO FIFANANDRIFIAN-JAVATRA
Aorian’ny fanombohan’ny fahoriana Tonga ny Zanak’olona
lehibe, dia tonga ny Zanak’olona
Tonga amin’ny voninahitra lehibe Tonga amin’ny voninahiny ary
mipetraka eo ambonin’ny seza
fiandrianan’ny voninahiny
Misy anjely miaraka aminy Misy anjely manaraka azy
Mahita azy ny firenena rehetra Ny firenena rehetra angonina;
ambonin’ny tany tsaraina ny osy amin’ny farany
(mifarana ny fahoriana lehibe)
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian