Olona Betsaka Mpivavaka Marina — Avy Taiza Izy Ireo?
“Indreo, nisy olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”. — APOKALYPSY 7:9.
1. Nahoana ireo fahitana ara-paminaniana ao amin’ny Apokalypsy no mahaliana dia mahaliana antsika amin’izao andro izao?
TANY amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany am.f.i., ny apostoly Jaona dia nahita fahitana ny amin’ireo zava-mitranga mahatalanjona mifandray amin’ny fikasan’i Jehovah. Eo am-pahatanterahana dieny izao ny sasany amin’ireo zavatra hitany tao amin’ny fahitana. Ny hafa dia ampoizina fa ho tanteraka amin’ny hoavy tsy ho ela. Izany rehetra izany dia mihodinkodina eo amin’ilay fiafarana lehibe mampivarahontsana momba ny fikasan’i Jehovah lehibe hanamasinany ny anarany eo anatrehan’ny zavatra noforonina rehetra. (Ezekiela 38:23; Apokalypsy 4:11; 5:13). Ambonin’izany, izy ireny dia mahatafiditra ireo zavatra andrandraina eo amin’ny fiainan’ny tsirairay amintsika. Amin’ny ahoana no izany no izy?
2. a) Inona no hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ilay fahitana fahefatra azony? b) Fanontaniana inona avy, mahakasika io fahitana io, no hodinihintsika izao?
2 Tao amin’ilay fahefatra amin’ireo fitohitohizana fahitana ao amin’ny Apokalypsy, i Jaona dia nahita anjely nihazona ny rivotry ny fandringanana mandra-panisy tombo-kase teo amin’ny handrin’ireo “mpanompon’Andriamanitsika”. Avy eo izy dia nahita fisehoan-javatra faran’izay nanaitra: “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah sady nanome voninahitra ny Zanany. Nilazana i Jaona fa ireo dia olona izay ho tafavoaka avy ao amin’ny fahoriana lehibe. (Apokalypsy 7:1-17). Iza moa ireo izay lazalazaina ho “mpanompon’Andriamanitsika”? Ary iza no hahaforona ny “olona betsaka” ho tafita velona amin’ny fahoriana? Ho iray amin’izy ireny ve ianao?
Iza ireo “mpanompon’Andriamanitsika”?
3. a) Ahoana no nanazavan’i Jesosy tamin’ny fanoharana ny fifandraisany tamin’ireo mpanara-dia azy, ao amin’ny Jaona 10:1-18? b) Inona no nanjary azo natao ho an’ireo ondrin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fahafatesany ho sorona?
3 Sahabo ho efa-bolana talohan’ny nahafatesany, i Jesosy dia nilaza ny tenany ho “Mpiandry Tsara” ary ireo mpanara-dia azy ho “ondry” izay hamoizany ny ainy. Nasiany firesahana manokana ny amin’ireo ondry hitany tao anatin’ny vala iray ara-panoharana, ka nomeny fiahiana manokana avy teo. (Jaona 10:1-18).a Tamim-pitiavana, dia tena namoy ny ainy ho an’ireo ondriny tokoa i Jesosy, nanome ilay vidin’ny avotra izay nilaina mba hanafahana azy ireo tamin’ny ota sy ny fahafatesana.
4. Iza moa ireo olona voalohany nangonina toy ny ondry mifanaraka amin’izay nolazain’i Jesosy eto?
4 Talohan’ny nanaovany izany anefa, dia nanangona mpianatra ny tenan’i Jesosy manokana, tamin’ny naha-Mpiandry Tsara azy. Ireo voalohany dia nampifankahalalaina taminy, tamin’ny alalan’i Jaona Mpanao Batisa, ilay “mpiandry vavahady” tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. I Jesosy dia nitady ireo olona izay handray tsara ilay fahafahana ho tonga anisan’ny ‘taranak’i Abrahama’ nisy mpikambana maro. (Genesisy 22:18; Galatiana 3:16, 29). Namboly tao am-pon’izy ireo fankasitrahana an’ilay Fanjakan’ny lanitra izy, ary nanome toky azy ireo fa handeha hanomana toerana ho azy ireo any amin’ny tranon’ny Rainy any an-danitra. (Matio 13:44-46; Jaona 14:2, 3). Tamin’ny fomba nety tokoa, dia hoy izy: “Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia [tanjona izay, NW ] rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.” (Matio 11:12). Ireo izay nanaraka azy mba hanatratra izany tanjona izany dia hita fa tao anatin’ilay vala noresahin’i Jesosy.
5. a) Iza moa ireo “mpanompon’Andriamanitsika” resahina ao amin’ny Apokalypsy 7:3-8? b) Inona no mampiseho fa hisy olon-kafa maro kokoa hiaraka amin’ireo Isiraelita ara-panahy eo amin’ny fanompoam-pivavahana?
5 Ao amin’ny Apokalypsy 7:3-8, ireo izay mandrombaka amim-pahombiazana ilay tanjona any an-danitra dia resahina koa ho “mpanompon’Andriamanitsika”. (Jereo ny 1 Petera 2:9, 16.) Moa ve ireo 144 000 voalaza ao, Jiosy ara-nofo fotsiny? Moa ve ireo izay tao anatin’ilay vala ara-panoharana tao amin’ny fanoharan’i Jesosy Jiosy fotsiny? Tsy izany velively; anisan’ilay Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy izy ireo, ka izy rehetra dia samy miaraka amin’i Kristy ao amin’ilay taranaka ara-panahin’i Abrahama. (Galatiana 3:28, 29; 6:16; Apokalypsy 14:1, 3). Mazava ho azy fa amin’ny farany dia ho tonga ny fotoana hahafeno ilay isa tsy miova. Amin’izay dia inona no hitranga? Araka ny nambaran’ny Baiboly mialoha, dia hisy olon-kafa — olona betsaka — hiaraka amin’ireny Isiraelita ara-panahy ireny eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. — Zakaria 8:23.
Ny “ondry hafa” — Kristiana jentilisa ve izy ireo?
6. Fitrangan-javatra inona no tondroin’ny Jaona 10:16?
6 Rehefa avy nanonona vala iray tao amin’ny Jaona 10:7-15 i Jesosy dia nampiditra antokony iray hafa tao anatin’ilay fitrangan-javatra, tamin’ny filazana hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” (Jaona 10:16). Iza ireo “ondry hafa” ireo?
7, 8. a) Nahoana no miorina amin’ny fanaporofoan-kevitra diso ilay hevitra hoe ireo ondry hafa dia Kristiana jentilisa? b) Zava-misy inona avy mahakasika ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany no tokony hisy hifandraisany amin’ny fahatakarantsika hoe iza ireo ondry hafa?
7 Saiky mandrakariva ireo mpivaofy teny ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia mihevitra fa ireny ondry hafa ireny dia Kristiana jentilisa, ary ireo ao anatin’ilay vala noresahina teo aloha kokoa dia Jiosy izay teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, ary ireo antokony roa ireo dia samy mankany an-danitra. I Jesosy anefa dia teraka ho Jiosy ary teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna hatramin’ny nahaterahany. (Galatiana 4:4). Ankoatra izany, ireo izay mihevitra ny ondry hafa ho Kristiana jentilisa hovalian-tsoa amin’ny fiainana any an-danitra dia tsy manisy fiheverana lafiny lehibe iray amin’ny fikasan’Andriamanitra. Fony i Jehovah namorona ny olombelona voalohany sy nametraka azy ireo tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia nataony mazava tsara fa ny fikasany dia ny hampisy mponina ny tany, ny hahatonga azy io manontolo ho paradisa sy ny hankafizan’ny olombelona mpikarakara azy fiainana mandrakizay — raha tàhiny izy ireo ka manaja sy mankato ilay Mpamorona azy. — Genesisy 1:26-28; 2:15-17; Isaia 45:18.
8 Rehefa nanota i Adama, dia tsy voasakana akory ny fikasan’i Jehovah. Tamim-pitiavana, dia nanao fandaharana ho an’ireo taranak’i Adama Andriamanitra, mba hahazoan’izy ireo fahafahana hankafy izay tsy nankasitrahan’i Adama. Nanambara mialoha i Jehovah fa hanangana mpanafaka iray izy, taranaka iray izay amin’ny alalany no hisian’ny fitahiana ho an’ny firenena rehetra. (Genesisy 3:15; 22:18). Izany fampanantenana izany akory tsy midika hoe ny olona tsara rehetra eto an-tany dia halaina hankany an-danitra. Nampianatra ireo mpanara-dia azy hivavaka toy izao i Jesosy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Tsy ela talohan’ny niresahany ny amin’ilay fanoharana voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jaona 10:1-16, dia nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy fa ny “ondry vitsy” ihany no sitraky ny Rainy homena ny Fanjakana any an-danitra. (Lioka 12:32, 33). Koa rehefa mamaky ilay fanoharan’i Jesosy ny tenany amin’ny Mpiandry Tsara izay namoy ny ainy ho an’ny ondriny isika, dia ho fahadisoana ny hanilihana ny ankamaroan’ireo izay entin’i Jesosy ho eo ambanin’ny fiahiany feno fitiavana, dia ireo izay ho tonga olom-pehezina eto an-tany, dia olom-pehezin’ilay Fanjakany any an-danitra. — Jaona 3:16.
9. Efa aloha be, tamin’ny 1884, dia inona no takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly raha ny amin’ny hoe iza ireo ondry hafa?
9 Efa aloha be, tamin’ny 1884, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) dia nampahafantatra ny ondry hafa ho olona izay homena fahafahana hiaina eto an-tany ao anatin’ny toe-piainana izay hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany ireo dia nahatakatra fa ny sasany tamin’ireo ondry hafa dia ho olona izay niaina ary maty talohan’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nisy anefa tsipirian-javatra sasany tsy takatr’izy ireo tsara. Nihevitra izy ireo, ohatra, fa ny fanangonana ny ondry hafa dia hitranga rehefa ho avy nandray ny valisoany any an-danitra ireo voahosotra rehetra. Na dia izany aza, dia takatr’izy ireo mazava tsara fa tsy Kristiana jentilisa fotsiny akory ny ondry hafa. Ny fahafahana ho tonga iray amin’ireo ondry hafa dia misokatra ho an’ny Jiosy sy ny Jentilisa, ho an’ny olona avy amin’ny firenena sy ny firazanana rehetra. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35.
10. Mba hahatonga antsika ho anisan’ireo izay tena heverin’i Jesosy ho ny ondriny hafa, dia inona no tsy maintsy marina raha ny amintsika?
10 Mba hifanentana amin’ilay filazalazana nomen’i Jesosy, ireo ondry hafa dia tsy maintsy olona, na toy inona na toy inona fiaviany ara-pirazanana sy ara-poko, izay manaiky an’i Jesosy Kristy ho ilay Mpiandry Tsara. Mahafaoka inona izany? Izy ireo dia tsy maintsy mampiseho fandeferana sy fahavononana hotarihina, izay toetra mampiavaka ny ondry. (Salamo 37:11). Toy ny maha-marina izany raha ny amin’ireo ondry vitsy, dia tsy maintsy “mahalala ny feon[’ilay Mpiandry Tsara]” izy ireo, ary tsy hamela ny tenany hotarihin’olon-kafa izay mety hitady hitaona azy. (Jaona 10:4; 2 Jaona 9, 10). Izy ireo dia tsy maintsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe izay nataon’i Jesosy tamin’ny famoizany ny ainy ho an’ny ondriny, ary tsy maintsy maneho finoana feno an’izany fandaharana izany. (Asan’ny Apostoly 4:12). Izy ireo dia tsy maintsy “mihaino” ny feon’ilay Mpiandry Tsara rehefa mampirisika mafy azy ireo izy mba tsy hanolotra fanompoana masina afa-tsy ho an’i Jehovah ihany, mba tsy hitsahatra hikatsaka ilay Fanjakana aloha, mba hitoetra ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, ary mba hifaneho fitiavana feno fahafoizan-tena. (Matio 4:10; 6:31-33, NW; Jaona 15:12, 13, 19). Moa ve ianao mifanentana amin’izany filazalazana ny amin’ireo heverin’i Jesosy ho ondriny hafa izany? Maniry izany ve ianao? Fifandraisana sarobidy toy inona moa no misokatra ho an’izay rehetra tonga ondry hafan’i Jesosy marina tokoa!
Fanajana ny fahefan’ilay Fanjakana
11. a) Tao amin’ilay famantarana ny amin’ny fanatrehany, inona no nolazain’i Jesosy nahakasika ny ondry sy ny osy? b) Iza moa ireo rahalahy nasian’i Jesosy firesahana?
11 Volana maromaro taorian’ny nanomezany ilay fanoharana etsy ambony, dia tao Jerosalema indray i Jesosy. Rehefa nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ka nitazana ny faritry ny tempoly, dia nanome ho an’ny mpianany tsipirian-javatra nahakasika ilay ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 24:3, NW ). Niresaka indray ny amin’ny fanangonana ondry izy. Ankoatra ny zavatra hafa, dia hoy izy: “Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” Tao amin’io fanoharana io, dia nasehon’i Jesosy fa ireo izay nasian’ilay Mpanjaka fiheverana toy izany dia notsaraina niorina tamin’ny fomba nitondran’izy ireo ny ‘rahalahiny’. (Matio 25:31-46). Iza moa ireo rahalahy ireo? Izy ireo dia Kristiana nateraky ny fanahy, ka noho izany dia “zanak’Andriamanitra”. I Jesosy no Zanak’Andriamanitra lahimatoa. Noho izany, izy ireo dia rahalahin’i Kristy. Izy ireo no “mpanompon’Andriamanitsika” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:3, ireo voafidy teo anivon’ny taranak’olombelona mba hiara-manana anjara amin’i Kristy amin’ilay Fanjakany any an-danitra. — Romana 8:14-17.
12. Nahoana no zavatra tena lehibe ny fomba itondran’ny olona ireo rahalahin’i Kristy?
12 Zava-dehibe iankinan’ny aina ny fomba itondran’ny olombelona hafa an’ireo mpandova an’ilay Fanjakana ireo. Mihevitra azy ireo toy ny ataon’i Jesosy Kristy sy i Jehovah ve ianao? (Matio 24:45-47; 2 Tesaloniana 2:13). Ny fihetsiky ny olona iray amin’ireny voahosotra ireny dia manome taratry ny fihetsiny eo anoloan’i Jesosy Kristy mihitsy sy eo anoloan’ny Rainy, ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao. — Matio 10:40; 25:34-46.
13. Hatraiza no nahatakaran’ireo Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1884 ny hevitr’ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy?
13 Tao amin’ny nomeraony tamin’ny Aogositra 1884, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) dia nanazava tamin’ny fomba mety fa ireo “ondry” ao amin’io fanoharana io dia ireo izay nametraka teo anoloany ilay fanantenana fiainana tonga lafatra eto an-tany. Takatra koa fa ilay fanoharana dia tsy maintsy misy fampiharana rehefa manapaka avy eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra any an-danitra i Kristy. Tamin’izany fotoana izany anefa, dia tsy hain’izy ireo navahana mazava tsara ny fotoana hanombohany ilay asa fanavahana voalazalaza teo na ny faharetan’izany.
14. Tamin’ny ahoana ny lahateny iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1923 no nanampy ireo Mpianatra ny Baiboly hahatakatra ny fotoana tokony hahatanterahan’ilay fanoharana ara-paminaniana nataon’i Jesosy?
14 Tamin’ny 1923 anefa, tamin’ny lahateny iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika, i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, dia nanome fanazavana ny amin’ny fotoana ahatanterahan’ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy. Nahoana? Tamin’ny ampahany sasany, dia satria asehon’ilay fanoharana fa ireo rahalahin’ilay Mpanjaka — ny sasany amin’izy ireo fara faharatsiny — dia mbola ho etỳ an-tany. Eo amin’ny olombelona, dia ireo mpanara-dia azy nateraky ny fanahy ihany no azo antsoina marina hoe rahalahiny. (Hebreo 2:10-12). Tsy ho eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona izy ireo, ka hoe hanome fahafahana ho an’ny olona mba hanao soa aminy amin’ny fomba nilazalazan’i Jesosy azy. — Apokalypsy 20:6.
15. a) Fisehoan-javatra inona avy no nanampy ireo Mpianatra ny Baiboly mba hamantatra tsara ireo ondry ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy? b) Ahoana no nanomezan’ireo ondry porofon’ny fankasitrahany an’ilay Fanjakana?
15 Tao amin’izany lahateny tamin’ny 1923 izany, dia nisy ezaka natao mba hamantarana ireo izay mifanentana amin’ilay filazalazan’ny Tompo ny amin’ny ondry sy ny osy. Nisy anefa raharaha hafa nilaina ho takatra ny heviny, talohan’ny hampahazava tanteraka ny hevitr’ilay fanoharana. Nandritra ireo taona nanaraka, dia nanintona tsikelikely ny sain’ny mpanompony tamin’ireny tsipirian-javatra lehibe ireny i Jehovah. Izy ireny dia nahafaoka ilay fahatakarana mazava tsara tamin’ny 1927 fa ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia ilay fitambarany manontolo amin’ireo Kristiana voahosotry ny fanahy teto an-tany. Takatra koa, tamin’ny 1932, ny nilana hiarahana akaiky tsy amin-tahotra tamin’ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra, toy ny nataon’i Jonadaba tamin’i Jeho. (Matio 24:45, NW; 2 Mpanjaka 10:15). Tamin’izany fotoana izany, niorina tamin’ny Apokalypsy 22:17, ireny olona toy ny ondry ireny dia nampirisihina indrindra mba handray anjara tamin’ny fitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana tany amin’ny hafa. Ny fankasitrahan’izy ireo an’ilay Fanjakana Mesianika dia hanosika azy ireo tsy haneho hatsaram-panahy ho fanasoavana olona fotsiny amin’ireo voahosotry ny Tompo, fa mba hanolotra ny fiainan’izy ireo ho an’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy sy hanjary hiaraka akaiky amin’ireo voahosony, mandray anjara amin-jotom-po amin’ilay asa ataon’izy ireo. Manao izany ve ianao? Izao no holazain’ilay Mpanjaka amin’ireo izay manao izany: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. Ho eo anoloan’izy ireo ilay fanantenana lehibe, dia fanantenana fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahalavorariana eo amin’ny faritra eto an-tanin’ilay Fanjakana. — Matio 25:34, 46.
Ny “olona betsaka” — Mankaiza izy ireo?
16. a) Fiheverana diso inona avy no nananan’ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany nahakasika ny hoe iza ny olona betsaka ao amin’ny Apokalypsy 7:9? b) Oviana ary niorina tamin’inona no nanitsiana ny fiheveran’izy ireo?
16 Nandritra ny fotoana kelikely, ireo mpanompon’i Jehovah dia nino fa ny olona betsaka ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10 dia tsy nitovy tamin’ireo ondry hafa ao amin’ny Jaona 10:16 sy ireo ondry ao amin’ny Matio 25:33. Koa satria ny Baiboly milaza azy ireo ho “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana”, dia noheverina fa ho any an-danitra izy ireo, tsy hoe ho eo ambonin’ny seza fiandrianana, hanapaka amin’ny maha-mpiara-mandova amin’i Kristy, fa ho eo amin’ny toerana ambany kokoa, eo anoloan’ny seza fiandrianana. Noheverina fa izy ireo dia Kristiana nanana fahatokiana latsa-danja kokoa, dia ireo izay tsy nampiseho toe-tsaina tena feno fahafoizan-tena. Tamin’ny 1935, dia nahitsy izany fiheverana izany.b Ny fandinihana ny Apokalypsy 7:9 tamin’ny fanisiana fiheverana ireo andinin-teny toy ny Matio 25:31, 32 dia nanazava tsara fa ny olona eto an-tany dia afaka ny ho eo “anoloan’ny seza fiandrianana”. Nampahatsiahivina koa fa Andriamanitra dia tsy manana fari-pitsipika roa momba ny fahatokiana. Izay rehetra mahazo ny fankasitrahany dia tsy maintsy mihazona tsy fivadihana aminy. — Matio 22:37, 38; Lioka 16:10.
17, 18. a) Inona no anton-javatra mahatonga ilay fitomboana lehibe nanomboka tamin’ny 1935, teo amin’ny isan’ireo izay miandry amim-pahadodonana ny fiainana mandrakizay eto an-tany? b) Mandray anjara amin-jotom-po amin’ny asa iankinan’ny aina inona ireo anisan’ny olona betsaka?
17 Nandritra ny taona maro ny vahoakan’i Jehovah dia niresaka ny amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra mahakasika ny tany. Noho izay nantenain’izy ireo fa hitranga tamin’ireo taona 1920, dia nanambara izy ireo fa “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”. Tsy an-tapitrisany maro anefa ireo izay nanaiky ireo fandaharan’Andriamanitra ho amin’ny fiainana tamin’izany andro izany. Ny fanahy masina dia nahatonga ilay fanantenana fiainana any an-danitra tao amin’ny ankamaroan’ireo izay tena nanaiky ny fahamarinana. Taorian’ny 1935 indrindra anefa, dia nisy fiovana niavaka nitranga. Tsy hoe ninia tsy nahalala ilay fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany akory Ny Tilikambo Fiambenana. Nandritra ny am-polony taona maro ireo mpanompon’i Jehovah dia efa niresaka ny amin’izany ary efa nitady ireo izay nifanentana tamin’ilay filazalazana omen’ny Baiboly. Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah anefa, dia nataony izay hisehoan’ireo azo ampoizina fa ho anisan’ny olona betsaka.
18 Ireo firaketana an-tsoratra misy dia mampiseho fa nandritra ny taona maro, ny ankamaroan’ireo mpanatrika ny Fahatsiarovana dia nandray anjara tamin’ireo marika. Tao anatin’ny 25 taona taorian’ny 1935 anefa, ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isan-taona dia niakatra tamin’ny fomba nanaitra ny saina ho avo zato heny mahery noho ny isan’ireo izay nandray anjara. Iza ireo hafa ireo? Ireo azo ampoizina fa ho anisan’ny olona betsaka. Mazava fa tonga ilay fotoana noferan’i Jehovah hanangonana sy hanomanana azy ireo mba ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe eo aloha. Araka ny voambara mialoha, dia “avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo. (Apokalypsy 7:9). Izy ireo dia mandray anjara amin-jotom-po amin’ilay asa nambaran’i Jesosy mialoha fony izy niteny hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo itỳ vaovao tsaran’ny Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” — Matio 24:14, NW.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hanaovana dinidinika feno sy araka ny toetr’andro momba ireo vala ao amin’ny Jaona toko faha-10, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1984, pejy faha-8-18, 31.
b Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 sy 15 Aogositra 1935 (anglisy).
Ahoana no Fanazavanao?
◻ Nahoana no mahaliana amin’ny fomba manokana ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7?
◻ Nahoana ireo ondry hafa ao amin’ny Jaona 10:16 no tsy voafetra ho Kristiana jentilisa?
◻ Inona no tsy maintsy marina raha ny amin’ireo izay mifanentana amin’ilay filazalazana omen’ny Baiboly momba ireo ondry hafa?
◻ Amin’ny ahoana ilay fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy no mampisongadina fanajana ny fahefan’ilay Fanjakana?
◻ Inona no mampiseho fa tonga ny fotoana noferan’i Jehovah hanangonana ny olona betsaka voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9?