TOKO 4
“Ilay Liona avy Amin’ny Fokon’i Joda”
1-3. Inona no nanjo an’i Jesosy, ary ahoana no niatrehany izany?
NISY vahoaka be nitady hisambotra an’i Jesosy. Nitondra sabatra sy kibay izy ireo, ary niaraka tamin’ny miaramila. Toy ny hoe nisy hery ratsy iray nitarika azy rehetra nanaraka ny arabe maizimaizin’i Jerosalema, niampita ny Lohasahan’i Kidrona, ary nankeny amin’ny Tendrombohitra Oliva. Diavolana ny andro, nefa nitondra fanilo sy jiro izy ireo. Takon’ny rahona angaha ny volana, no nila jiro hitsilovany ny lalany izy ireo? Sa nihevitra izy ireo fa nitampify tany amin’ny takontakona tany i Jesosy? Na ahoana na ahoana, dia tsy nahalala ny toetran’i Jesosy mihitsy izay nihevitra fa hatahotra izy ka hiafina.
2 Fantatr’i Jesosy fa nisy loza nananontanona. Tsy nandositra anefa izy fa niandry. Nihananatona ilay vahoaka notarihin’i Jodasy, namana natokisany taloha. Tsy tahotra tsy henatra fa namadika ny Tompony i Jodasy. Mody niarahaba sy nanoroka an’i Jesosy izy, mba hahafantaran’ny olona hoe iza no tokony hosamborina. Tsy taitra anefa i Jesosy. Nanatona an’ilay vahoaka izy avy eo ary nanontany hoe: “Iza no tadiavinareo?” Namaly ireo hoe: “I Jesosy avy any Nazareta.”
3 Hihorohoro ny ankamaroan’ny olona, manoloana vahoaka mirongo fiadiana toa an’io. Noheverin’ireo olona ireo fa hanao toy izany angamba i Jesosy. Tsy raiki-tahotra anefa izy, tsy nandositra koa, ary tsy namoron-dainga tampoka teo. Nitsotra fotsiny izy hoe: “Izaho no izy.” Tony dia tony izy sady be herim-po, ka gaga ireo olona nanoloana azy. Nitakemotra izy ireo ka nianjera!—Jaona 18:1-6; Matio 26:45-50; Marka 14:41-46.
4-6. a) Oharina amin’ny inona ny Zanak’Andriamanitra, ary nahoana? b) Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’i Jesosy herim-po?
4 Nahoana i Jesosy no tony sy nahafehy tena tanteraka teo anatrehan’izany toe-javatra tena nampidi-doza izany? Raha tsorina, dia noho ny herim-pony. Anisan’ny toetra mampiaiky volana sy tena ilain’ny mpitondra indrindra izy io. Ary tsy misy olona afaka mitaha amin’i Jesosy amin’io lafiny io, mainka moa fa hoe hihoatra azy. Hitantsika tao amin’ilay toko teo aloha fa tena manetry tena sy mandefitra i Jesosy, ka tena mety ny niantsoana azy hoe ‘Zanak’ondry.’ (Jaona 1:29) Anarana hafa mihitsy anefa no iantsoana azy, noho ny herim-pony. Hoy ny Baiboly momba an’io Zanak’Andriamanitra io: “Ilay Liona avy amin’ny fokon’i Joda.”—Apokalypsy 5:5.
5 Matetika no entina ilazana herim-po ny liona. Afaka mijery liona any amin’ny toeram-pijerem-biby ny olona, any amin’ny tany sasany. Voaro tsara izy ireo, satria misy fefy manasaraka azy amin’ilay liona. Mbola mety hampahatahotra kely ihany anefa izany, na izany aza. Raha mandinika an’io biby goavana sy matanjaka be io mantsy ianao, ka mibanjina anao koa izy, dia ho tsapanao fa tsy misy na inona na inona mampahatahotra na mampandositra azy io. Milaza ny Baiboly fa “ny liona [no] biby mahery indrindra, sady tsy mba mihemotra eo anatrehan’iza na iza.” (Ohabolana 30:30) Toy izany ny herim-pon’i Kristy.
6 Hojerentsika izao ny fomba telo nanehoan’i Jesosy herim-po toy ny an’ny liona. Naneho izany izy, rehefa niaro ny fahamarinana sy nanao ny rariny ary niatrika fanoherana. Ho hitantsika koa fa afaka ny ho be herim-po toa an’i Jesosy isika rehetra, na efa toetrantsika izany na tsia.
Niaro ny fahamarinana tamin-kerim-po izy
7-9. a) Inona no nitranga tamin’i Jesosy 12 taona, ary inona no mety hampahatahotra amin’izany? b) Inona no nampiseho fa be herim-po i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly?
7 I Satana, ilay “rain’ny lainga”, no mitondra an’ity tontolo ity. Noho izany, dia mila herim-po isika matetika, mba hiarovana ny fahamarinana. (Jaona 8:44; 14:30) Tsy niandry hoe efa lehibe i Jesosy vao nanao an’izany. Tafasaraka tamin’ny ray aman-dreniny izy indray mandeha, tamin’izy 12 taona, rehefa avy nankalaza ny Paska tao Jerosalema izy mianakavy. Nipenimpenina nitady azy nandritra ny telo andro i Josefa sy Maria, ary nahita azy tao amin’ny tempoly tamin’ny farany. Inona no nataony tao? “Nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra [izy], ary nihaino sady nanontany.” (Lioka 2:41-50) Alao sary an-tsaina ange izany e!
8 Milaza ny mpahay tantara fa fanaon’ny lohandohany tamin’ny mpitondra fivavahana sasany ny nijanona tao amin’ny tempoly, taorian’ny fankalazana toy ireny. Nipetraka teo an-tongotr’izy ireo ny olona, ary nihaino azy ireo nampianatra sady nametraka fanontaniana. Olona nahita fianarana ireo mpitondra fivavahana ireo. Nahalala tsara ny Lalàn’i Mosesy izy ireo. Fantany tsara koa ireo lalàna sy fombafomba noforonin’olombelona, izay feno tsipiriany sy maro be ary niampy foana. Ho nanao ahoana re ianao, raha ianao no nipetraka nihaino azy ireo e? Ho natahotra ve? Tsy mahagaga izany. Ary ahoana raha vao 12 taona ianao? Maro ny ankizy saro-kenatra. (Jeremia 1:6) Mimpirimpirina erỳ ny sasany any am-pianarana, mba tsy hisarika ny sain’ny mpampianatra. Matahotra izy sao ho voadina, na hosinganina ao anatin’ny maro. Matahotra koa izy sao ho afa-baraka na hesoin’ny hafa.
9 I Jesosy anefa sady nipetraka teo anivon’ireo lehilahy avara-pianarana ireo, no sahy nametraka fanontaniana lalina taminy. Tsy izay ihany anefa. Hoy ny Baiboly: “Talanjona izay rehetra nihaino azy noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.” (Lioka 2:47) Tsy resahin’ny Baiboly izay nolazain’i Jesosy, nefa azo antoka fa tsy namerina befahatany ny hevi-diso naelin’ny mpitondra fivavahana izy. (1 Petera 2:22) Niaro ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra kosa izy. Azo inoana fa gaga ny mpihaino azy, satria vao 12 taona izy, nefa niteny tamin-kerim-po sady hita fa tena lalin-tsaina.
10. Ahoana no ampisehoan’ny tanora ankehitriny fa be herim-po toa an’i Jesosy izy ireo?
10 Tanora kristianina maro no manara-dia an’i Jesosy ankehitriny. Tsy hoe lavorary toa an’i Jesosy izy ireo, nefa manahaka azy satria tsy miandry ho efa lehibe vao miaro ny fahamarinana. Na any am-pianarany, na ao an-tanànany, dia mametraka fanontaniana voahevitra tsara amin’ny olona izy ireo, mihaino azy ireny, ary avy eo miresaka aminy amim-panajana momba ny fahamarinana. (1 Petera 3:15) Nisy tamin’izy ireny nanampy ny mpampianatra azy sy ny mpiara-mianatra ary ny mpiray tanàna taminy, mba ho lasa mpanara-dia an’i Kristy. Azo antoka fa faly i Jehovah mahita ny herim-pon’izy ireny! Oharina amin’ny ando izy ireo ao amin’ny Teniny, satria mamelombelona sy mahafinaritra ary maro be.—Salamo 110:3.
11, 12. Inona no manaporofo fa niaro ny fahamarinana tamin-kerim-po i Jesosy, rehefa lehibe?
11 Imbetsaka koa i Jesosy no niaro ny fahamarinana tamin-kerim-po, rehefa lehibe. Nifanandrina tamin’i Satana izy raha vao nanomboka ny fanompoany, ary maro no hihevitra izany fihaonana izany ho mampihoron-koditra. Tsy arkanjely mahery i Jesosy tamin’izay, fa olombelona nofo aman-dra. I Satana kosa no mahery indrindra sy mampidi-doza indrindra amin’ny fahavalon’i Jehovah. Tsy nanaiky hotaomin’i Satana anefa i Jesosy. Ary rehefa nitady hampihatra ny Soratra Masina tamin’ny fomba diso i Satana, dia nanohitra izany izy. Nisikina herim-po i Jesosy, ka nandidy azy toy izao tamin’ny farany: “Mandehana ianao, ry Satana!”—Matio 4:2-11.
12 Niaro ny Tenin’ny Rainy toy izany foana i Jesosy nandritra ny fanompoany, rehefa nisy nitady handika vilana azy io, na hampiasa azy io tamin’ny fomba diso. Fahita ny fitaka ara-pivavahana toy ireny tamin’izany, toy ny ankehitriny ihany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana: ‘Ataonareo tsy misy vidiny ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazana nampitampitainareo.’ (Marka 7:13) Na dia nohajain’ny olona fatratra aza ireo lehilahy ireo, dia tsy natahotra i Jesosy nampibaribary fa mpitarika jamba sy mpihatsaravelatsihy izy ireo.a (Matio 23:13, 16) Ahoana no hampisehoantsika herim-po toa an’i Jesosy?
13. Inona no tokony hotadidintsika rehefa miezaka manahaka an’i Jesosy isika? Inona anefa no zavatra tena mahafaly hitantsika?
13 Tokony hotadidintsika fa tsy mahay mamantatra izay any am-pon’ny olona toa an’i Jesosy isika, sady tsy manana fahefana hitsara toa azy. Afaka miaro ny fahamarinana amin-kerim-po toa azy anefa isika. Azontsika atao, ohatra, ny mampiharihary ireo fampianaran-diso ara-pivavahana, toy ny lainga momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ary ny Teniny. Raha manao izany isika, dia toy ny hoe manazava an’ity tontolo ity, izay ao anatin’ny haizina noho ny hevitra aelin’i Satana. (Matio 5:14; Apokalypsy 12:9, 10) Manampy ny olona isika mba ho afaka amin’ny fangejan’ny fampianaran-diso, izay mampihorohoro azy ireo sady manimba ny fihavanany amin’Andriamanitra. Tena faly isika rehefa mahita fa tanteraka ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Ny marina hanafaka anareo”!—Jaona 8:32.
Nanao ny rariny tamin-kerim-po foana izy
14, 15. a) Ahoana no fomba iray nampisehoan’i Jesosy “ny atao hoe rariny”? b) Inona avy no fomba fihevitry ny olona, izay tsy narahin’i Jesosy rehefa niresaka tamin’ilay vehivavy samaritanina izy?
14 Milaza ny faminanian’ny Baiboly fa hampiseho amin’ireo firenena “ny atao hoe rariny” ny Mesia. (Matio 12:18; Isaia 42:1) Nanomboka nanao izany indrindra i Jesosy tetỳ an-tany. Be herim-po izy, ka nanao ny rariny foana ary tsy nizaha tavan’olona mihitsy. Tsy nanavakavaka toy ny olona maro niara-belona taminy, ohatra, izy satria tsy araka ny Soratra Masina izany.
15 Gaga ny mpianany, rehefa niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray izy, teo amin’ny fantsakan’i Sykara. Nahoana? Satria efa hatramin’ny taona maro ny Jiosy no nankahala ny Samaritanina. (Ezra 4:4) Nanambany ny vehivavy koa ny raby sasany. Araka ny lalàn’izy ireo, izay natao an-tsoratra tatỳ aoriana, dia tsy mety raha miresaka amin’ny vehivavy ny lehilahy. Nilaza an-kolaka mihitsy aza izy ireo fa tsy mendrika ny hampianarina ny Lalàn’Andriamanitra ny vehivavy. Noheverina fa maloto izy ireo, indrindra fa ny vehivavy samaritanina. Tena tsy rariny izany fanavakavahana izany. Tsy nanavakavaka toy izany anefa i Jesosy. Nampianatra an’ilay vehivavy samaritanina izy, na dia ratsy fitondran-tena aza izy io. Nanao izany ampahibemaso izy, ary nolazainy taminy mihitsy aza fa izy no Mesia.—Jaona 4:5-27.
16. Nahoana ny Kristianina no mila herim-po mba tsy hanavakavaka toy ny olon-kafa?
16 Efa tafaraka tamin’olona manavakavaka ve ianao? Manafintohina mihitsy ny ataon’izy ireny indraindray. Ao ny manao vazivazy manambany ny olona tsy mitovy volon-koditra na firenena aminy. Misy koa ny lehilahy manivaiva ny vehivavy, na ny vehivavy manamavo ny lehilahy. Ny sasany indray manao tsinontsinona ny olona tsy mitovy saranga na fari-piainana aminy. Tsy mankasitraka ny fomba fihevitra tena ratsy toy izany ny mpanara-dia an’i Kristy. Ary raha misy fanavakavahana ao am-pony, na dia kely aza, dia miezaka mafy izy hiala amin’izany. (Asan’ny Apostoly 10:34) Tokony hiezaka hanana herim-po mba hanaovana ny rariny amin’io lafiny io isika tsirairay.
17. Inona no nataon’i Jesosy tao amin’ny tempoly, ary nahoana?
17 Ny herim-po koa no nahatonga an’i Jesosy hiezaka mafy mba hiaro ny fahadiovan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fivavahana madio. Niditra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy indray mandeha, raha vao nanomboka ny fanompoany. Tsiravina izy nahita ireo mpivarotra sy mpanakalo vola nanao raharaham-barotra tao. Rariny àry raha tezitra izy, ka noroahiny ireo lehilahy tia vola ireo ary nasainy nentiny ny entany. (Jaona 2:13-17) Toy izany koa no nataon’i Jesosy tatỳ aoriana, rehefa nadiva hifarana ny fanompoany. (Marka 11:15-18) Azo antoka fa nahatonga azy hanana fahavalo izany, ary tena nanana fahefana ny sasany tamin’izy ireny. Na izany aza, dia tsy nisalasala izy nanao izay tokony ho natao. Nahoana? Satria efa hatramin’ny mbola kely izy no niantso an’io tempoly io hoe tranon’ny Rainy, ary tsy nivazivazy izy tamin’izany. (Lioka 2:49) Hitany fa tsy rariny mihitsy ny fandotoana ny fivavahana madio natao tao, ary tsy afaka nilefitra tamin’izany izy. Ny hafanam-pony no nahatonga azy hanana herim-po handraisana ny fepetra nilaina.
18. Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina fa manana herim-po izy, mba hiarovana ny fahadiovan’ny fiangonana?
18 Tena zava-dehibe amin’ny mpanara-dia an’i Kristy koa ankehitriny ny fahadiovan’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny fivavahana madio. Tsy manakimpy ny masony izy ireo, rehefa mahita Kristianina manao fahotana lehibe. Misikina herim-po kosa izy, ary miresaka amin’ilay mpiray finoana aminy na amin’ny anti-panahy. (1 Korintianina 1:11) Ataon’izy ireo azo antoka tsara hoe fantatry ny anti-panahin’ny fiangonana ilay izy. Afaka manampy ny olona marary ara-panahy ireny mpiandraikitra ireny, sady afaka mitandro ny fahadiovan’ny andian’ondrin’i Jehovah.—Jakoba 5:14, 15.
19, 20. a) Inona avy no zavatra tsy ara-drariny niely patrana tamin’ny andron’i Jesosy, ary noteren’ny olona hanao inona izy? b) Nahoana ny mpanara-dia an’i Kristy no tsy manao politika sy herisetra, ary inona no valisoa azon’izy ireo noho izany?
19 Midika anefa ve izany fa nanao izay hamongorana ny tsy rariny teo amin’ny fiaraha-monina i Jesosy? Betsaka ny tsy rariny nanodidina azy. Ny Romanina no nitondra ny tanindrazany, ary nametraka tafika natanjaka be tao izy ireo, mba hampitahorana ny Jiosy. Nitaky hetra be dia be koa izy ireo, ary nanakantsakana ny fanarahan’ny Jiosy ny fombafomba ara-pivavahany mihitsy aza. Tsy mahagaga raha tian’ny olona maro hiditra tamin’ny politika i Jesosy. (Jaona 6:14, 15) Tsy maintsy naneho herim-po indray izy tamin’izay.
20 Nohazavain’i Jesosy fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakany. Nampianatra ny mpianany izy mba tsy hitsabaka tamin’ny adilahy politika, fa hifantoka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy mihitsy no nanome modely momba izany. (Jaona 17:16; 18:36) Nampita lesona mafonja momba ny atao hoe tsy anisan’izao tontolo izao i Jesosy, rehefa nisy vahoaka tonga hisambotra azy. Nandray ny sabany avy hatrany i Petera tamin’izay, ary nandratra lehilahy iray. Ho mora ny hanome rariny an’i Petera. Raha toa ka nisy fotoana azo nanalana tsiny ny herisetra mantsy, dia tamin’io alina io, satria nisy nanafika ny Zanak’Andriamanitra, nefa tsy nanan-tsiny. Nanome an’izao fitsipika izao ho an’ny mpanara-dia azy rehetra anefa i Jesosy tamin’izay: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:51-54) Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia tena mila herim-po ny mpanara-dia an’i Kristy mba hikatsahana hatrany ny fihavanana toy izany. Koa satria tsy anisan’izao tontolo izao ny vahoakan’Andriamanitra, dia manana laza tsara izy ireo, fa tsy voarohirohy tamin’ireo ady maro be, ny famonoana tambabe, ny rotaka, na ny herisetra isan-karazany. Izany laza faran’izay tsara izany no valisoan’izy ireo noho ny herim-pony.
Naneho herim-po izy rehefa niatrika fanoherana
21, 22. a) Inona no fanampiana azon’i Jesosy, talohan’ny niatrehany an’ilay fitsapana mafy indrindra taminy? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa be herim-po hatramin’ny farany izy?
21 Efa fantatry ny Zanak’i Jehovah hatry ny ela, fa hiaritra fanoherana mafy izy eto an-tany. (Isaia 50:4-7) Imbetsaka izy no norahonana ho faty, ka ilay noresahina tetsy am-piandohana no farany. Ahoana no nananan’i Jesosy herim-po foana teo anatrehan’ireny loza ireny? Inona no nataony talohan’ny nahatongavan’ilay vahoaka hisambotra azy? Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy. Inona no nataon’i Jehovah? Milaza ny Baiboly fa “nohenoina” i Jesosy. (Hebreo 5:7) Nandefa anjely i Jehovah mba hampahery an’ilay Zanany be herim-po.—Lioka 22:42, 43.
22 Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny, taoriana kelin’ny nampaherezana azy: “Mitsangàna dia andao isika handeha.” (Matio 26:46) Mba eritrereto ange ny herim-po nasehony tamin’ireo teny ireo e! “Andao isika handeha”, hoy izy, nefa efa fantany izay hitranga: Hangataka amin’ilay vahoaka izy mba tsy hikasika ny namany, handositra sy handao azy ireo namany ireo, ary hiatrika samirery an’ilay fitsapana mafy indrindra eo amin’ny fiainany izy. Izy irery sisa no niatrika ilay fitsarana tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny, ny esoeso, ny fampijalijaliana, ary ny fanaintainana, mandra-pahatapitry ny ainy. Tsy nihena mihitsy anefa ny herim-pony tamin’izany rehetra izany.
23. Nahoana no tsy azo lazaina hoe sahisahy ratsy i Jesosy, rehefa niatrika loza sy fandrahonana ho faty?
23 Sahisahy ratsy ve i Jesosy tamin’izay? Tsia. Tsy midika hoe sahisahy ratsy ny hoe be herim-po. Raha ny marina aza, dia nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ho malina, izany hoe ho mailo ka handositra ny loza, mba ho afaka hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana. (Matio 4:12; 10:16) Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy ho afa-mandositra izy amin’ity indray mandeha ity. Fantany hoe inona no tsy maintsy ataony mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Tapa-kevitra ny tsy hivadika àry izy, ka ny hany fomba azony nampisehoana izany dia ny fiatrehana an’ilay fitsapana.
24. Nahoana isika no afaka matoky fa ho be herim-po foana, na inona na inona fitsapana mety hatrehintsika?
24 Imbetsaka ny mpanara-dia an’i Jesosy no naneho herim-po toy ny Tompony! Maro no tsy nivadika na dia nesoina, nenjehina, nosamborina, nogadraina, nampijalijalina, ary novonoina ho faty mihitsy aza. Ahoana no ananan’ny olombelona tsy lavorary an’izany herim-po izany? Tsy tongatonga ho azy ao aminy izany. Nampian’Andriamanitra i Jesosy, ary toy izany koa ny mpanara-dia azy. (Filipianina 4:13) Aza matahotra izay mety hitranga amin’ny hoavy mihitsy àry. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hivadika, dia homen’i Jehovah anao ny herim-po ilainao. Hampahery anao ny fitadidiana foana ny modely nomen’i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, izay nilaza hoe: “Manàna herim-po! Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.”—Jaona 16:33.
a Voamariky ny mpahay tantara fa nankamasinina toy ny fasan’ny mpaminany sy loham-pianakaviana fahiny, ny fasan’ny raby.