‛Maro ny fatin’ireo olona masina no natsangana’
“DIA nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy; ary nisokatra ny fasana [fasam-pahatsiarovana, MN ], ka maro ny fatin’ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana, ka nivoaka avy tao amin’ny fasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ireo taorian’ny nitsanganan’i Jesosy, dia nankao amin’ny Tanàna Masina ka niseho tamin’ny maro.” (Matio 27:51-53) Antsoin’i Karl Staab, manam-pahaizana katolika hoe “mistery lehibe indrindra” io fisehoan-javatra nitranga tamin’ny nahafatesan’i Jesosy io. Inona no niseho?
Nampianatra i Epiphanius sy ireo rain’ny eglizy hafa fahiny fa ireo olona masina dia velona indray ara-bakiteny ary lasa nankany an-danitra niaraka tamin’i Jesosy tafatsangana. I Augustin sy Theophylactus ary Zigabenus dia nino fa ireo maty ireo dia nahazo fananganana vetivety fotsiny, fa tatỳ aoriana dia niverina indray any amin’ny fasany. Ilay hevitra farany, anefa, hoy i Erich Fascher, manam-pahaizana, dia “tsy nahazo vahana”. Rehefa mandika ny Matio 27:52, 53 ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro amin’ny andro ankehitriny dia toa mampiseho fa nisy fitsanganana tamin’ny maty nitranga teo. Tsy toy izany ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, izay mampiseho ny vokatry ny horohorontany iray. Nahoana?
Voalohany indrindra, na iza na iza ireo “olona masina”, dia tsy nilaza i Matio fa izy ireo no natsangana. Ny fatin’izy ireo, na ny vatany no natao toy izany, hoy izy. Faharoa manaraka izany, dia tsy nilaza izy fa niverina ho amin’ny fiainana ireo faty ireo. Natsangana [tafatsangana, MN ] izy ireo, hoy izy, ary ny matoanteny grika e·geiʹro, midika hoe “mitsangana” dia tsy manondro fitsanganana amin’ny maty foana akory. Izy io, ankoatra ny zavatra hafa, dia azo adika koa hoe ‘mampiakatra’ avy ao amin’ny lavaka iray, na ‘mitsangana’ avy eo amin’ny tany. (Matio 12:11; 17:7; Lioka 1:69) Namoha fasana maro ny fisamboaravoarana tamin’ny nahafatesan’i Jesosy, ka nanipy ireo vatana tsy nisy aina avy ao amin’ny nivoha. Nisy zava-nitranga toy izany nandritra ny horohorontany, noresahin’i Aelius Aristides mpanoratra grika tamin’ny taonjato faharoa am. fan. ir., sy notantaraina vao haingana kokoa tany Kolombia tamin’ny 1962.
Mifanaraka amin’ireo fampianaran’ny Baiboly izany fahitana ilay zava-nitranga izany. Ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-15, ny apostoly Paoly dia manome porofo mampiaiky ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty, nefa tsy fantany tanteraka ny Matio 27:52, 53. Toy izany koa ny mpanoratra hafa rehetra ao amin’ny Baiboly. (Asan’ny apostoly 2:32, 34) Tsy afaka ny ho tonga tamin’ny fiainana araka ny fomba niheveran’i Epiphanius azy akory ireo faty nitsangana tamin’ny nahafatesan’i Jesosy, satria tamin’ny andro fahatelo taorian’izany i Jesosy vao tonga “Lahimatoa tamin’ny maty”. (Kolosiana 1:18) Ireo kristiana voahosotra, antsoina koa hoe “olona masina”, dia nampanantenaina anjara amin’ny fitsanganana voalohany mandritra ny fanatrehan’i Kristy, fa tsy tamin’ny taonjato voalohany. — 1 Tesaloniana 3:13; 4:14-17.
Ny ankamaroan’ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly dia sahirana amin’ny fanazavana ny andininy faha-53, na dia maromaro aminy aza no manipy hevitra fa ny andininy faha-52 dia milazalaza ny fivohan’ny fasana noho ny horohorontany, ary ny fisehoan’ny faty vao avy nalevina. Ilay manam-pahaizana alemanina atao hoe Theobald Daechsel, ohatra, dia nanome izao dikanteny manaraka izao: “Ary nivoha ny fasana, ary maro tamin’ny fatin’ireo olona masina nivalampatra no tafatsangana.”
Iza moa ireo izay “nankao amin’ny Tanàna Masina” fotoana ela be tatỳ aoriana, izany hoe taorian’ny nananganana an’i Jesosy? Araka ny hita tetsy ambony, dia naharitra tsy niaina ireo faty niseho, noho izany, i Matio dia tsy maintsy nanondro ireo olona namangy ireo fasana sy nitondra vaovao momba ilay fisehoan-javatra nankany Jerosalema. Araka izany, ny dikantenin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao dia mandalina ny hevitry ny Baiboly ary tsy mampikorontana ny sain’ny mpamaky raha ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty.