Fahamarinana tsy avy amin’ny lovantsofina
“Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” — MATIO 5:20.
1, 2. Inona no nitranga taloha kelin’ny nanaovan’i Jesosy ny Toriteniny teny an-tendrombohitra?
NANDANY ny alina tany an-tendrombohitra i Jesosy. Nivelatra teo ambonin’ny lohany ny lanitra feno kintana. Biby kely mpandeha amin’ny alina no nikasaosaoka tany anaty kirihitra. Terỳ atsinanana, dia nitopatopa moramora teo amin’ny morony ny ranon’ny ranomasin’i Galilia. Nefa mety ho zara raha nahamarika ny hatsarana nilamina sy nampitony nanodidina azy i Jesosy. Nandany ny alina nivavahana tamin’i Jehovah, Rainy any an-danitra, izy. Nila ny fitarihan’ny Rainy izy. Ho fanapahan-javatra ilay andro ho avy.
2 Nihanazava ny lanitra teny atsinanana. Nisy vorona nanomboka nifanaretsaka, nisiotsioka nalefaka. Nihetsiketsika moramora teo amin’ny tso-drivotra ny voninkazo dia. Raha nipoitra teny am-paravodilanitra ny tara-masoandro voalohany, dia niantso ny mpianany ho eny aminy i Jesosy ary nifidy 12 teo aminy izy ho apostoliny. Avy eo, niaraka tamin’izy rehetra, dia nanomboka nidina ny tendrombohitra izy. Azo natao sahady ny nahita ny vahoaka nitanjozotra avy tany Galilia, Tyro sy Sidona, Jodia ary Jerosalema. Tonga mba hositranina tamin’ny aretiny izy ireo. Nisy hery avy tamin’i Jehovah niala tamin’i Jesosy raha nikasika azy ny maro ary sitrana. Tonga koa mba hihaino ny teniny izay toy ny balsama nanasitrana ny fanahiny velom-panahiana izy ireo. — Matio 4:25; Lioka 6:12-19.
3. Nahoana ireo mpianatra sy ny vahoaka no teo am-panantenan-javatra rehefa nanomboka niteny i Jesosy?
3 Tamin’ny fandaharam-pampianarany ôfisialy kokoa, ireo raby dia zatra nipetraka, ary tamin’io marainan-dohataona manokan’ny taona 31 am.fan.ir. io, dia izany no nataon’i Jesosy, toa teo amin’ny toerana marina avoavo kokoa teo amin’ilay ilan-kavoana kisolasola. Rehefa nahita izany ny mpianany sy ny vahoaka, dia takany fa nisy zavatra manokana nadiva hitranga, koa nitangorona nanodidina azy tamim-panantenan-javatra izy ireo. Rehefa nanomboka niteny izy, dia niandry tamim-panantenana ny teniny izy ireo; rehefa namarana izany izy, fotoana vitsivitsy taorian’izay, dia talanjona izy ireo noho izay vao reny. Aoka hojerentsika ny antony. — Matio 7:28.
Karazana fahamarinana roa
4. (a) Karazana fahamarinana roa inona no nampifanoherina? (b) Inona no zava-nokendren’ny lovantsofina, ary tanteraka ve izany?
4 Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, izay voatantara ao amin’ny Matio 5:1–7:29 sy Lioka 6:17-49, dia nampifanohitra mazava tsara kilasy roa i Jesosy : ny mpanora-dalàna sy Fariseo ary ny sarambabem-bahoaka izay nampahorin’izy ireo. Niresaka ny amin’ny karazana fahamarinana roa izy, ny fahamarinana feno fihatsarambelatsihin’ny Fariseo ary ny tena fahamarinana araka an’Andriamanitra. (Matio 5:6, 20) Ny fiheveran’ireo Fariseo ny tenany ho marina dia nifototra tamin’ny lovantsofina. Izany dia natomboka tamin’ny taonjato faha-2 am.fan.ir., toy ny “manda manodidina ny Lalàna” mba hiarovana azy tamin’ny fitsofohan’ny “Hellénisme” (kolontsaina grika). Nanjary noheverina ho toy ny anisan’ny Lalàna izy ireo. Raha ny marina, ny lovantsofina dia notombanan’ny mpanora-dalàna ho ambonin’ny Lalàna mihitsy. Hoy ny Mishnah: “Henjana kokoa ny fanerena hitandrina ny tenin’ireo Mpanora-dalàna [ny lovantsofiny] noho ny fitandremana ny tenin’ny Lalàna voasoratra.” Noho izany, dia tsy “manda manodidina ny Lalàna” mba hiarovana azy ny lovantsofina fa nanatsatso ny Lalàna kosa ary nahatonga azy ho foana, araka ny vao nolazain’i Jesosy hoe: “Amim-pahakingana, dia lavinareo ny didin’Andriamanitra mba hitanana ny lovantsofinareo.” — Marka 7:5-9, MN; Matio 15:1-9.
5. (a) Toe-javatra nanao ahoana moa no nisy ny sarambabem-bahoaka izay tonga nihaino an’i Jesosy, ary ahoana no niheveran’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo azy ireo? (b) Inona no nahatonga ny lovantsofina ho toy ny enta-mavesatra teo an-tsoroky ny mpiasa tsotra?
5 Ny sarambabem-bahoaka izay nitangorona mba hihaino an’i Jesosy, dia nampahantraina ara-panahy, noho izy ireo “voaendaka sy naely toy ny ondry tsy misy mpiandry”. (Matio 9:36, MN). Tamin’ny fihetsika nanambany ny hafa no namingavingan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo azy ireo, niantsoany azy hoe ‘am-ha’aʹrets (olon’ny tany), ary nanamavoany azy ho mpanota voaozona tsy mahay na inona na inona, tsy mendrika ny fananganana amin’ny maty satria tsy nitandrina ny lovantsofina. Tamin’ny andron’i Jesosy, ireny lovantsofina ireny dia efa nanjary betsaka aoka izany ary tonga fisafotofotoana fanakianana nihoatra ny lalàna izay nampahory — novesarin’ny fombafombam-pivavahana nandany fotoana aoka izany — ka tsy nisy mihitsy mpiasa tsotra afaka nitandrina azy. Tsy nahagaga raha niampanga ny lovantsofina ho ‘entana navesatra sady sarotra entina teo an-tsoroky ny olona’ i Jesosy. — Matio 23:4; Jaona 7:45-49.
6. Inona no nanaitra aoka izany tamin’ireo teny voalohany nataon’i Jesosy, ary fiovana inona no nambaran’izany ho an’ny mpianany sy ho an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo?
6 Koa rehefa nipetraka teo amin’ilay ilan-kavoana i Jesosy, ireo izay nanatona akaiky mba hihaino, dia ny mpianany ary ny vahoaka maty noana ara-panahy. Tsy maintsy ho hitan’izy ireo ho nanaitra ireo teny fanokafana nataony. ‘Sambatra ny mahantra, sambatra ny noana, sambatra ny mitomany, sambatra ny ankahalaina.’ Nefa iza no afaka ho sambatra rehefa mahantra, noana, mitomany, ary ankahalaina? Ary loza no nambara ho an’ireo manankarena, voky, mihomehy, ary ireo deraina! (Lioka 6:20-26) Tao anatin’ny teny vitsy monja, dia nampifamadihin’i Jesosy daholo ny fanombanan-javatra nahazatra sy ireo fari-pitondrantenan’olombelona izay nekena. Izany dia famadihan-toerana nanaitra, nifanaraka tamin’ny tenin’i Jesosy taoriana kokoa nanao hoe: “Izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.” — Lioka 18:9-14.
7. Inona no tsy maintsy ho vokatry ny tenin’i Jesosy voalohany teo amin’ny vahoaka maty noana ara-panahy nihaino azy?
7 Nifanohitra tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo afapo tamin’ny tenany, ireo izay nanatona an’i Jesosy tamin’io maraina io indrindra, dia nahafantatra ny toerana ara-panahy nampalahelo nisy azy. Tsy maintsy ho nameno fanantenana azy ireo ny teny fanokafana nataony hoe: “Sambatra ny malahelo am-panahy [mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, MN]; fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ary tsy maintsy ho velombelona tokoa ny sain’izy ireo rehefa nanampy teny toy izao izy: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana”! (Matio 5:3, 6; Jaona 6:35; Apokalypsy 7:16, 17) Voky amin’ny fahamarinana, eny, fa tsy amin’ny mari-pahamarinan’ny Fariseo akory.
Tsy ampy ny ho ‘marina eo anatrehan’ny olona’
8. Nahoana no hanontany ny sasany hoe ahoana no ahafahan’ny fahamarinany hihoatra ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, nefa nahoana no tsy maintsy ho toy izany no izy?
8 “Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo”, hoy i Jesosy, “dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo.” (Matio 5:17-20; jereo Marka 2:23-28; 3:1-6; 7:1-13.) Tsy maintsy ho nieritreritra ny sasany hoe: ‘Marina kokoa noho ny Fariseo hoe? Mifady hanina sy mivavaka ary manome ny fahafolon-karena sy manao fiantrana izy ireo, sady tsy manao afa-tsy ny mianatra ny Lalàna mandritra ny fiainany manontolo. Ahoana no ahafahan’ny fahamarinanay hihoatra noho ny azy?’ Tsy maintsy ho betsaka kokoa anefa izy io. Mety ho nanaja fatratra ny Fariseo ny olona, fa tsy Andriamanitra. Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia hoy i Jesosy tamin’ireo Fariseo ireo: “Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.” — Lioka 16:15.
9-11. (a) Inona no fomba iray noheverin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fa hahazoany fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra? (b) Tamin’ny alalan’ny fomba faharoa inona no nantenainy hahazoana fahamarinana? (d) Inona ny fomba fahatelo nitokiany, ary inona no nolazain’ny apostoly Paoly ka nanome antoka ny amin’ny tsy fahombiazan’izany?
9 Namorona ny fitsipiny manokana ireo raby mba hahazoana fahamarinana. Ny iray tamin’izany dia ny fahamendrehana avy amin’ny maha-taranak’i Abrahama: “Ny mpianatr’i Abrahama raintsika dia mifaly amin’ity tontolo ity ary mandova ilay tontolo ho avy.” (Mishnah). Mety ho fanoherana an’io lovantsofina io no nampitandreman’i Jaona mpanao batisa ny Fariseo izay tonga nanatona azy hoe: “Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana hianareo; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay [toy ny hoe izany dia ampy].” — Matio 3:7-9; jereo koa Jaona 8:33, 39.
10 Ny fomba faharoa lazainy fa hahazoana fahamarinana, dia avy amin’ny fanomezana fiantrana. Boky tsy ara-tsindrimandry roa nosoratana Jiosy tia fivavahana sasany nandritra ny taonjato faharoa al.fan.ir. no manome taratry ny fomba fijerin’ireo mpanaraka lovantsofina. Hita ao amin’ny Tobia ny filazana iray manao hoe: “Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana”. (12:9, Baiboly katolika). Manaiky izany ny Bokin’i Sirach (Eklesiastika) ka nanao hoe: “Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra; ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.” — 3:28, Baiboly katolika.
11 Ny fomba fahatelo nitadiavany fahamarinana dia tamin’ny asan’ny Lalàna. Ny lovantsofiny dia nampianatra fa raha tsara ny ankabeazan’ny asan’ny olona iray, dia ho voavonjy izy. “Atao araka ny asa tombony tsara na ratsy” ny fitsarana. (Mishnah) Mba hitanana toerana tsara amin’ny fitsarana, ny zavatra nimasoany dia ny “hahefana asa mendrika izay havesa-danja kokoa noho ny fahotana.” Raha nihoatra iray tamin’ny asa ratsin’ny olona ny asa tsarany, dia ho voavonjy izy — toy ny hoe nitsara azy ireo Andriamanitra tamin’ny fitanana ny isan’ny asa madinika nataony. (Matio 23:23, 24). Raha nampiseho ny fomba fijery marina i Paoly dia nanoratra toy izao: “Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany [Andriamanitra].” (Romana 3:20) Azo antoka fa ny fahamarinan’ny kristiana dia tokony hihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo!
“Efa renareo fa voalaza hoe”
12. (a) Fiovana inona tamin’ny fomba nahazatra fampidirany teny nalaina tao amin’ny Soratra hebreo no nataon’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, ary nahoana? (b) Inona no ianarantsika avy amin’ny fampiasana fahenina ny teny hoe “Efa renareo fa voalaza hoe”?
12 Rehefa naka teny avy tao amin’ny Soratra hebreo i Jesosy teo aloha, dia hoy izy hoe: “Voasoratra hoe”. (Matio 4:4, 7, 10) Inenina anefa izy, tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, no nampiditra izay toa filazana avy tao amin’ny Soratra hebreo tamin’ny teny hoe: “Voalaza hoe” (Matio 5:21, 27, 31, 33, 38, 43) Nahoana? Satria izy dia naka teny tao amin’ny Soratra masina araka ny fomba fanazavan-kevitry ny lovantsofin’ny Fariseo azy izay nifanohitra tamin’ny didin’Andriamanitra. (Deoteronomia 4:2; Matio 15:3) Niharihary izany tao amin’ny fakàn-teny fahenina sady farany tamin’io fitohitohizana io: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiava ny namanao’, ary mankahalà ny fahavalonao”. Tsy nisy tamin’ny Lalàn’i Mosesy anefa nilaza hoe: “Mankahalà ny fahavalonao”. Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo no nilaza izany. Izany no fanazavany ny Lalàna hoe tiava ny namanao — ny namanao Jiosy fa tsy ny hafa.
13. Ahoana no nampitandreman’i Jesosy na dia ny amin’ny fanombohana fihetsika izay mety hitarika ho amin’ny famonoana olona aza?
13 Diniho izao ny voalohany amin’io fitohitohizana fanambarana enina io. Nanambara toy izao i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: ‘Aza mamono olona’; ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana”. (Matio 5:21, 22). Ny fahatezerana ao am-po dia afaka mitarika hanao vava ratsy ka avy eo ho amin’ny fanamelohana, ary mety hitarika, amin’ny farany, ho amin’ny famonoana olona mihitsy. Mety hahafaty ny fahatezerana maharitra kobonina am-po: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona”. — 1 Jaona 3:15.
14. Ahoana no ananaran’i Jesosy antsika tsy hanomboka na dia ny fandehanana amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fijangajangana aza?
14 Manaraka izany, dia hoy i Jesosy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga’. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra [tsy mitsahatra, MN] mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady”. (Matio 5:27, 28) Tsy hijangajanga ianao? Aza manomboka akory mandeha amin’io lalàna io àry, amin’ny fanolokoloana eritreritra momba izany. Tandremo ny fonao izay loharanon’ny zavatra toy izany. (Ohabolana 4:23; Matio 15:18, 19) Mampitandrina toy izao ny Jakoba 1:14, 15: “Fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana”. Indraindray ny olona dia miteny hoe: ‘Aza atomboka izay tsy azonao vitaina’. Amin’ity toe-javatra ity anefa, dia izao no tokony holazaintsika: ‘Aza atomboka izay tsy azonao ajanona’. Ny sasany izay tsy nivadika na dia norahonana ho faty teo anoloan’ny antokona miaramila nitam-basy aza, dia lavo tatỳ aoriana noho ny fitaomana mamitaky ny fahalotoam-pitondrantena.
15. Tamin’ny ahoana no tsy nitovy tanteraka tamin’izay voalazan’ny lovantsofin’ny Jiosy ny toeran’i Jesosy raha ny amin’ny fisaoram-bady?
15 Tonga eo amin’ny filazana fahatelo nataon’i Jesosy isika izao. Hoy izy: “Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra [noho ny antony hafa ankoatra ny fahalotoam-pitondrantena], dia mijangajanga”. (Matio 5:31, 32) Nisy Jiosy sasany namitaka ny vadiny ary nisaotra azy noho ny antony faran’izay maivana. (Malakia 2:13-16; Matio 19:3-9) Ny lovantsofina dia namela ny lehilahy iray hisaotra ny vadiny “na dia nanao nahandro ratsy ho azy fotsiny aza izy” na “raha nahita vehivavy hafa nahafinaritra kokoa noho izy” ralehilahy. — Mishnah.
16. Fanaon’ny Jiosy inona no nahatonga ny fianianana ho tsy nisy heviny, ary inona no toerana notanan’i Jesosy?
16 Mifanaraka amin’izany hevitra izany, dia nanohy toy izao i Jesosy: “Ary koa efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy to (...) Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory”. Tamin’izany fotoana izany dia efa nianiana tamin’ny fomba tafahoatra ny Jiosy ary nanao fianianana maro ny amin’ny zavatra tsinontsinona nefa tsy nanatanteraka. Hoy anefa i Jesosy: “Aza mianiana akory (...) Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. Tsotra ny fitsipika nomeny: Aoka ianao ho marina amin’ny fotoana rehetra, tsy voatery hiantoka ny teninao amin’ny alalan’ny fianianana ianao. Atokany ho an’ny raharaha tena lehibe ny fianianana. — Matio 5:33-37; ampitahao amin’ny 23:16-22.
17. Fomba tsara kokoa inona noho ny “maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify” no nampianarin’i Jesosy?
17 Hoy i Jesosy nanaraka izany: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Maso solon’ny maso, ary nify solon’ny nify’. Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anao; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray”. (Matio 5:38-42) Eto i Jesosy dia tsy te hiteny ny amin’ny kapoka natao handratra, fa ny amin’ny tehamaina fanevatevana amin’ny vohon-tanana. Aza mampietry ny tenanao amin’ny famaliana fanevatevana. Aza manaiky hamaly ratsy ny ratsy. Mamalia soa kosa ary noho izany dia “reseo amin’ny soa ny ratsy.” — Romana 12:17-21.
18. (a) Ahoana no nanovan’ny Jiosy ny lalàna mikasika ny fitiavana ny namana, nefa ahoana no nanoheran’i Jesosy izany? (b) Inona no valinteny nomen’i Jesosy ny mpahay lalàna iray izay nitady hametra ny fampiharana ny teny hoe “namana”?
18 Tao amin’ny ohatra fahenina sady farany, dia nasehon’i Jesosy mazava ny fomba nanatsatsoan’ny lovantsofin’ireo raby ny Lalàn’i Mosesy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiava ny namanao’ ary mankahalà ny fahavalonao. Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. (Matio 5:43, 44) Tsy nanisy fetra tamin’ny fitiavana ny Lalàn’i Mosesy voasoratra: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Levitikosy 19:18) Ireo Fariseo no tsy nety nanaraka io didy io, ary mba hialana aminy dia noferany ho eo amin’ireo nitandrina ny lovantsofina ihany ny teny hoe “namanao”. Mifanaraka amin’izany, rehefa nampahatsiaro ny mpahay lalana iray i Jesosy ny amin’ny didy ho ‘tia ny namanao tahaka ny tenanao’, dia nanao tsingolo-teny mba hialana ilay lehilahy hoe: “Iza ary no namako?” Namaly i Jesosy tamin’ny fanoharana ny amin’ilay Samaritana tsara fanahy — tongava naman’izay mila anao — Lioka 10:25-37.
19. Ny fanaovan’i Jehovah inona tamin’ny ratsy fanahy no nampirisihan’i Jesosy mba harahintsika?
19 Teo am-panohizana ny toriteniny i Jesosy dia nilaza ampahibemaso fa ‘naneho fitiavana tamin’ny ratsy fanahy Andriamanitra. Nahatonga ny masoandro hamiratra sy ny ranonorana hilatsaka eo aminy izy. Tsy manao zavatra mihoatra noho ny sasany ianareo raha tia izay tia anareo ihany. Manao izany ny ratsy fanahy. Tsy misy antony hamalian-tsoa ny amin’izany. Aoka ianareo hiseho ho zanak’Andriamanitra. Manahafa azy. Tongava naman’ny rehetra ary tiava ny namanao. Ary araka izany dia “aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” ’. (Matio 5:45-48) Fari-pitondrantena sarotra arahina re izany! Ary izany dia mampiseho hoe hatraiza no tsy ampy betsaka ny fahamarinan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo!
20. Tsy nanda ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy fa ahoana no nanitarany sy nandalinany ny herin’izany ka nametrahany azy ho amin’ny toerana ambony kokoa mihitsy aza?
20 Koa rehefa naka tapany tamin’ny Lalàna i Jesosy ka nanampy hoe, “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe”, dia tsy nanda ny Lalàn’i Mosesy akory izy ka nametraka zavatra hafa teo amin’ny toerany. Tsia, fa nandalina sy nanitatra ny herin’izany izy tamin’ny fanehoana ny hevitra nofonosiny. Tsarain’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny firahalahiana ho famonoana olona ny lolompo maharitra. Melohin’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny fahadiovana ho fijangajangana ny fieritreretana feno filana mafy maharitra. Lavin’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny fanambadiana ny fisaorambady tsy amin’antony izay lalana mitarika ho amin’ny fanambadiana indray mitovy amin’ny fanitsakitsaham-bady. Asehon’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny fahamarinana fa tsy ilaina ny fianianana miverimberina. Lavin’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny fahalemem-panahy ny fanaovana valifaty. Takin’ny lalàna ambony kokoa iray momba ny fitiavana ny fitiavana araka an’Andriamanitra izay tsy misy fetra.
21. Inona no nahariharin’ny fananaran’i Jesosy raha ny amin’ny fiheveran’ny raby ny tenany ho marina, ary zavatra hafa inona no hianaran’ny vahoaka?
21 Hery lalina toy inona no tsy maintsy ho nananan’ny fananarana tsy fandre toy izany rehefa tonga tao an-tsofin’ireo vao nandre azy voalohany izany! Zava-poana tanteraka toy inona ny fiheveran-tena ho marina feno fihatsarambelatsihy avy tamin’ny asa mafy araka ny lovantsofin’ireo raby! Kanefa, raha nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy, ny vahoaka izay noana sy nangetaheta ny fahamarinan’Andriamanitra dia hianatra manokana ny fomba hahazoana izany, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.
Fanontaniana famerenana
◻ Nahoana ny Jiosy no namorona ny lovantsofiny?
◻ Fitsimbadihan-toerana nanaitra inona no nasehon’i Jesosy momba ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary ny sarambabem-bahoaka?
◻ Ahoana no nantenain’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hahazoana toeram-pahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra?
◻ Inona no nasehon’i Jesosy ho fomba fanalavirana ny fijangajiangana sy ny fanitsakitsaham-bady?
◻ Tamin’ny fampisehoana ny hevitra nofonosin’ny Lalàn’i Mosesy, fari-pitondrantena ambony kokoa inona no naorin’i Jesosy?