Manatsara Toetra ny Fanarahana ny Tenin’i Jesosy
“Milaza ny tenin’Andriamanitra ilay nirahiny.”—JAONA 3:34.
1, 2. Manao ahoana ny hasarobidin’ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra? Inona no manaporofo fa niorina tamin’ny “Tenin’Andriamanitra” izy io?
ANISAN’NY diamondra voatefy lehibe indrindra ilay antsoina hoe Kintan’i Afrika, izay mahatratra 106 grama. Tena sarobidy izy io! Mbola sarobidy lavitra noho izy io anefa ny tenin’i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Tsy mahagaga izany satria avy amin’i Jehovah ny teny nolazainy! Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Milaza ny tenin’Andriamanitra ilay nirahiny.”—Jaona 3:34-36.
2 Toa tsy ampy antsasak’adiny no nanaovan’i Jesosy an’io toriteny io, nefa nisy andinin-teny 21 avy amin’ny boky valo ao amin’ny Soratra Hebreo tao. Hita mihitsy hoe niorina tamin’ny “Tenin’Andriamanitra” izy io. Andeha hojerentsika hoe ahoana no azo ampiharana ny sasany amin’ireo lesona sarobidy nampianarin’i Jesosy.
“Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao”
3. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy, rehefa avy nampitandrina ny mpianany momba ny vokatry ny fahatezerana izy?
3 Sambatra sy tia fihavanana isika Kristianina satria manana ny fanahy masina. Anisan’ny vokatr’izy io ny fifaliana sy ny fiadanana na fihavanana. (Gal. 5:22, 23) Tian’i Jesosy hihavana sy ho sambatra foana ny mpianany. Nampitandremany àry izy ireo mba tsy hitahiry fahatezerana, satria mety hahafaty izany. (Vakio ny Matio 5:21, 22.) Hoy izy avy eo: “Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara àry ianao, ka eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo anoloan’ny alitara eo ny fanomezanao, ka mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao. Rehefa miverina ianao vao atolory ny fanomezanao.”—Mat. 5:23, 24.
4, 5. a) Inona ilay “fanomezana” noresahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:23, 24? b) Nahoana no zava-dehibe ny ihavanantsika amin’ny rahalahy manana alahelo amintsika?
4 Tsy inona ilay “fanomezana” noresahin’i Jesosy, fa ny fanatitra nentina tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Zava-dehibe, ohatra, ny fanolorana fanatitra biby, satria anisan’ny fanompoana an’i Jehovah izy io tamin’izany. Nohamafisin’i Jesosy anefa fa misy zava-dehibe kokoa noho izany: Mila mihavana amin’ny rahalahiny manana alahelo aminy ny olona iray, alohan’ny hanolorany fanomezana ho an’Andriamanitra.
5 Inona àry no ianarantsika avy amin’io tenin’i Jesosy io? Misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa. (1 Jaona 4:20) Tsy nisy dikany tamin’Andriamanitra tokoa mantsy ny fanatitra natolotry ny mpanompony fahiny, raha tsy nitondra ny hafa tamin’ny fomba tsara izy ireo.—Vakio ny Mika 6:6-8.
Tena ilaina ny manetry tena
6, 7. Nahoana no ilaina ny manetry tena, rehefa miezaka hamitram-pihavanana amin’ny rahalahintsika isika?
6 Ny ezaka ataontsika mba hihavanana amin’ny rahalahy manana alahelo amintsika no ahitana raha manetry tena isika na tsia. Tsy mifanditra amin’ny mpiray finoana aminy, mba hanaovany zavatra heveriny fa ananany zo, ny olona manetry tena. Mety handrava ny fihavanan’izy ireo mantsy izany, toy izay nitranga tamin’ireo Kristianina tany Korinto fahiny. Mampieritreritra ilay tenin’ny apostoly Paoly tamin’izy ireo hoe: “Tena faharesena tanteraka ho anareo ny ifampitorianareo. Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny? Tsy aleo ve manaiky hambakaina?”—1 Kor. 6:7.
7 Tsy nilaza i Jesosy hoe tokony ho any amin’ny rahalahinao ianao, mba handresy lahatra azy fa ianao no manana ny marina fa izy no diso. Ny hamitram-pihavanana no tokony ho tanjonao. Tokony holazainao aminy izay ao am-ponao, nefa mila ekenao fa mba nalahelo koa izy. Ary raha ianao no diso, dia tokony hiala tsiny amim-panetren-tena ianao.
‘Raha ny masonao havanana no mahatonga anao hanota’
8. Inona no hevi-dehibe tamin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:29, 30?
8 Nanome torohevitra tsara momba ny fitondran-tena i Jesosy tao amin’ilay toriteniny. Fantany fa mety hahatonga antsika hanota ny rantsambatantsika tsy lavorary, ka hoy izy: “Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory ka ario lavitra anao. Fa mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no hatsipy any amin’ny Gehena. Raha ny tananao havanana koa no mahatonga anao hanota, dia tapaho ka ario lavitra anao. Fa mahasoa anao kokoa ny hamoy rantsambatana iray, toy izay ny vatanao manontolo no ho lasa any amin’ny Gehena.”—Mat. 5:29, 30.
9. Nahoana no lazaina fa mety ‘hahatonga antsika hanota’ ny ‘maso’ sy ny ‘tanantsika’?
9 Ny fifantohana amin’izay jerena no tiana holazaina amin’ny hoe ‘maso.’ Ny ‘tanana’ kosa dia mifandray amin’izay ataon’ny olona amin’ny tanany. Mety ‘hahatonga antsika hanota’ sy tsy ‘hiara-mandeha amin’Andriamanitra’ intsony ireo rantsambatana ireo, raha tsy mitandrina isika. (Gen. 5:22; 6:9) Raha alaim-panahy tsy hankatò an’i Jehovah àry isika, dia mila manao zavatra hentitra, toy ny hoe manaisotra ny masontsika na manapaka ny tanantsika.
10, 11. Inona no hanampy antsika hanalavitra ny fijangajangana?
10 Inona no azo atao raha tsy tiantsika hifantoka amin-java-dratsy ny masontsika? Hoy i Joba, lehilahy natahotra an’Andriamanitra: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Tapa-kevitra ny tsy handika ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena i Joba, izay efa nanambady. Tokony ho tapa-kevitra toy izany koa isika, na manambady na tsia. Mila manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika mba tsy hijangajanga. Manampy antsika hifehy tena mantsy io fanahy io.—Gal. 5:22-25.
11 Mila manontany tena toy izao isika mba hanalavirana ny fijangajangana: ‘Avelako hijery sary vetaveta ao amin’ny boky na tele na Internet ve ny masoko?’ Tokony hotsarovantsika koa ilay tenin’i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.’ (Jak. 1:14, 15) Raha olona efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra tokoa no “tsy mitsahatra mijery” olon-kafa ka maniry hanao firaisana aminy, dia mila manao fiovana lehibe izy, toy ny hoe manaisotra ny masony sy manary izany.—Vakio ny Matio 5:27, 28.
12. Inona no torohevitr’i Paoly izay manampy antsika hanohitra fanirian-dratsy?
12 Mety handika ny fitsipik’Andriamanitra isika raha mampiasa ny tanantsika amin’ny fomba ratsy. Tokony ho tapa-kevitra ny hadio fitondran-tena hatrany àry isika, ka hanaraka an’ity tenin’i Paoly ity: “Vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.” (Kol. 3:5) Ilay teny hoe “vonoy” dia manamafy fa mila mandray fepetra hentitra isika, mba hanoherana ny fanirian-dratsin’ny nofo.
13, 14. Nahoana isika no tokony hanalavitra ny eritreri-dratsy sy ny fitondran-tena ratsy?
13 Manaiky ny hanapahana ny rantsambatany ny marary sasany mba hanavotana ny ainy. Zava-dehibe koa ny ‘hanariantsika’ ny maso sy ny tanantsika an’ohatra, mba tsy hahatonga antsika hieritreri-dratsy, na hanao zavatra tsy hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah. Tokony hadio ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy foana isika, satria izany ihany no hiaro antsika tsy ho lasa any amin’ny Gehena, na ho ringana mandrakizay.
14 Nandova ota isika sady tsy lavorary, ka mila miezaka mafy mba hadio fitondran-tena foana. Hoy i Paoly: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana kanefa efa nitory tamin’ny hafa.” (1 Kor. 9:27) Aoka àry isika ho tapa-kevitra hampihatra ny torohevitr’i Jesosy momba ny fitondran-tena, ka hampiseho hatrany amin’izay ataontsika fa mankasitraka ny sorom-panavotany isika.—Mat. 20:28; Heb. 6:4-6.
“Aoka ianareo ho zatra manome”
15, 16. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia manome izy? b) Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 6:38?
15 Tena tia nanome i Jesosy sady nampirisika ny olona hanao toy izany. Nahafoy zavatra maro izy rehefa nidina tetỳ an-tany, mba hahasoa ny olona tsy lavorary. (Vakio ny 2 Korintianina 8:9.) Nahafoy ny voninahiny tany an-danitra izy ka lasa olombelona, ary nanome ny ainy ho an’ny olona mpanota. Hahazo harena any an-danitra ny sasany amin’izy ireo, ka handova ilay Fanjakana miaraka amin’i Jesosy. (Rom. 8:16, 17) Nampirisika ny hafa halala-tanana izy rehefa nilaza hoe:
16 “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.” (Lioka 6:38) Nalalaka ny akanjo ivelan’ny olona fahiny, ka azo nampiasaina ho toy ny paosy lehibe rehefa nasiana fehikibo. Nararaky ny mpivarotra tao ny zavatra novidin’ilay olona. Izany no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe ‘mandraraka eo am-pofoana.’ Raha tia manome isika dia mety hahazo fatra tsara koa, izany hoe mety hisy hanampy, angamba rehefa sahirana.—Mpito. 11:2.
17. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tena tia manome izy, ary inona no azontsika omena ka hitondra fifaliana ho antsika?
17 Tia sy mamaly soa an’ireo manome amim-pifaliana i Jehovah. Nanome ohatra faran’izay tsara izy, rehefa nanome ny Zanany lahitokana “mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Hoy i Paoly: ‘Izay malala-tanana ka mamafy be dia hijinja be. Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.’ (2 Kor. 9:6, 7) Ho faly sy hahazo valisoa be dia be tokoa isika, raha mahafoy fotoana sy hery ary fananana mba hampandrosoana ny fivavahana marina.—Vakio ny Ohabolana 19:17; Lioka 16:9.
“Aza mitsoka trompetra eo alohanao”
18. Inona no mety hisakana antsika “tsy hahazo valisoa” avy amin’ilay Raintsika any an-danitra?
18 “Mitandrema sao ny mba ho hitan’ny olona fotsiny no antony anaovanareo ny marina eo anatrehany. Raha izany mantsy, dia tsy hahazo valisoa avy amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.” (Mat. 6:1) Fitondran-tena mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra no dikan’ny hoe “marina” eto. Tsy te hilaza i Jesosy hoe tsy tokony hanao asa tsara eny imason’olona isika. Nilaza tamin’ny mpianany mantsy izy fa tokony ‘hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavan’izy ireo.’ (Mat. 5:14-16) “Tsy hahazo valisoa” anefa isika, raha “ny mba ho hitan’ny olona fotsiny” sy hoderaina no anaovantsika zavatra, toy ny mpanakanto mampiseho ny talentany eny ambony sehatra. Raha izany no antony manosika antsika, dia tsy hifandray akaiky amin’Andriamanitra isika, sady tsy handray ny fitahiana mandrakizay eo ambany fitondran’ilay Fanjakana.
19, 20. a) Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “aza mitsoka trompetra” rehefa manao “fiantrana”? b) Inona no dikan’ny hoe tsy atao fantatry ny tanana havia izay ataon’ny tanana havanana?
19 Hanaraka an’ity torohevitr’i Jesosy ity isika, raha tsara ny antony manosika antsika: “Koa rehefa manome zavatra ianao ho fiantrana ny mahantra, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny synagoga sy eny an-dalana mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra.” (Mat. 6:2) Fanomezana ho an’ireo sahirana no dikan’ny hoe “fiantrana” eto. (Vakio ny Isaia 58:6, 7.) Nanana tahirim-bola natao hanampiana ny mahantra i Jesosy sy ny apostoliny. (Jaona 12:5-8; 13:29) Tsy nitsoka trompetra ny olona nanao fiantrana tamin’izany. Nampitombo fomba filaza àry i Jesosy rehefa niteny hoe tsy tokony ‘hitsoka trompetra eo alohantsika isika rehefa manome zavatra ho fiantrana ny mahantra.’ Tsy tokony hankalazaintsika ny fanomezana ataontsika. Nantsoin’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy ireo Fariseo, satria nodradradradrainy ‘tao amin’ny synagoga sy teny an-dalana’ ny asa soa nataony. ‘Efa nahazo ny valisoany rehetra’ izy ireo. Ny hany valisoa ho azon’izy ireo, dia ny teny fiderana ataon’ny olona ary angamba ny toerana eny aloha miaraka amin’ireo raby fanta-daza ao amin’ny synagoga. Tsy hanome azy ireo na inona na inona mantsy i Jehovah. (Mat. 23:6) Ahoana kosa no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, anisan’izany isika? Hoy i Jesosy:
20 “Fa ianao kosa raha manome zavatra ho fiantrana ny mahantra, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao havia izay ataon’ny tananao havanana, mba hatao ao amin’ny miafina ny fiantranao. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.” (Mat. 6:3, 4) Miara-miasa foana ny tanantsika. Inona àry no dikan’ny hoe tsy atao fantatry ny tanana havia izay ataon’ny tanana havanana? Midika izany fa tsy hataontsika fantatr’olona, eny fa na dia ireo olona akaiky antsika aza, ny fiantrana ataontsika.
21. Inona no valisoa sasany omen’ilay “mijery ao amin’ny miafina”?
21 Raha tsy mirehareha ny amin’ny fiantrana nataontsika isika, dia toy ny hoe ‘natao tao amin’ny miafina’ ilay izy. Hamaly soa antsika amin’izay ilay Raintsika “izay mijery ao amin’ny miafina.” Mipetraka any an-danitra i Jehovah ka tsy misy olona afaka mahita azy. (Jaona 1:18) Izany no ilazana azy hoe “ao amin’ny miafina.” Anisan’ny valisoa omeny ny fifandraisana akaiky aminy, ny famelany ny helotsika, ary ny fiainana mandrakizay. (Ohab. 3:32; Jaona 17:3; Efes. 1:7) Tsara lavitra noho ny teny fiderana avy amin’ny olona izany!
Fampianarana sarobidy
22, 23. Nahoana isika no tokony hankamamy ny fampianaran’i Jesosy?
22 Mirakitra fampianarana sarobidy tokoa ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Afaka mitondra fifaliana ho antsika izy ireny, na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza. Ho sambatra tokoa isika raha mankamamy ny fampianaran’i Jesosy, ary mamela izany hanatsara ny toetrantsika sy ny fomba fiainantsika.
23 Hotahina izay rehetra “mandre” sy “mankatò” ny fampianaran’i Jesosy. (Vakio ny Matio 7:24, 25.) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanaraka ny toroheviny. Mbola handinika zavatra hafa avy ao amin’ilay toriteniny isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no zava-dehibe ny mihavana amin’ny Kristianina manana alahelo amintsika?
• Inona no azo atao mba tsy hampanota antsika ny ‘masontsika havanana’?
• Inona no tsy tokony hatao rehefa manao fiantrana?
[Sary, pejy 11]
Tsara erỳ rehefa miezaka “mihavana” amin’izay manana alahelo aminy ny Kristianina!
[Sary, pejy 12, 13]
Tahin’i Jehovah ireo manome amim-pifaliana