Faran’ny Fankahalana Maneran-tany
TOKONY ho roa arivo taona lasa izay, ny antokon’olom-bitsy iray dia lasibatry ny fankahalana. Manazava toy izao ny toe-tsaina romana nanjaka nanoloana ireo Kristiana tany am-boalohany i Tertullien: “Raha toa ka tsy mandatsaka orana ny lanitra, raha toa ka misy horohoron-tany, raha toa ka misy mosary na areti-mandringana, avy hatrany ny antsoantso dia hoe: ‘Ento hohanin’ny liona ny Kristiana!’ ”
Na dia niharan’ny fankahalana aza ireo Kristiana tany am-boalohany dia nanohitra ny fakam-panahy hamaly ny tsy rariny. Tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra nalaza nataony, dia hoy i Jesosy Kristy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiava ny namanao’, ary mankahalà ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. — Matio 5:43, 44.
Ny lovantsofin’ny Jiosy no nihevitra fa zavatra mety tokony hatao ny ‘fankahalana fahavalo’. Nilaza anefa i Jesosy fa tsy maintsy tia ny fahavalontsika, fa tsy ny namantsika fotsiny, isika. Sarotra izany nefa tsy hoe tsy azo atao. Ny fitiavana fahavalo akory tsy midika hoe fitiavana ny fombany na ny ataony rehetra. Ny teny grika hita ao amin’ny fitantaran’i Matio dia avy amin’ny hoe a·gaʹpe, izay milazalaza ny fitiavana izay manao zavatra mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipika. Ny olona izay maneho a·gaʹpe, fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika, dia manao soa na dia amin’ny fahavalo iray izay mankahala sy mitondra azy amin’ny fomba ratsy aza. Nahoana? Satria izany no fomba anahafana an’i Kristy, ary izany no fomba andresena ny fankahalana. Nanao fanamarihana toy izao ny manam-pahaizana manokana iray momba ny teny grika: “Ny [a·gaʹpe] dia mahatonga antsika ho afaka handresy ny fironantsika voajanahary ho tezitra sy hanana lonilony.” Kanefa handaitra ve izany eto amin’itỳ tontolo feno fankahalana amin’izao andro izao itỳ?
Ekena fa tsy izay rehetra mihambo ho Kristiana no tapa-kevitra ny hanaraka ny ohatr’i Kristy. Nataon’ny antokom-poko, izay nihambo ho Kristiana ny maro taminy, ireo habibiana vao haingana tatsy Rwanda. Nitantara fisehoan-javatra iray mahalaza zavatra i Pilar Díez Espelosín, masera katolika iray niasa tatsy Rwanda nandritra ny 20 taona. Nanatona ny fiangonany ny lehilahy iray nitana lefona izay niharihary fa efa nampiasainy. Nanontany azy ilay masera hoe: “Inona àry itỳ ataonao mandehandeha mamono olona itỳ? Tsy mieritreritra an’i Kristy angaha ianao?” Nilaza ilay lehilahy fa nanao izany izy ary nandeha niditra tao amin’ilay fiangonana izy, nandohalika, sy nanonona ny Rosaire tamin-kafanam-po. Kanefa rehefa nahavita izany izy, dia nivoaka handeha hanohy ny famonoana. “Mampiseho izany fa tsy mampianatra ny filazantsara araka ny tokony ho izy izahay”, hoy ny fieken’ilay masera. Tsy midika anefa ny tsy fahombiazana toy ireny fa misy tsininy ny hafatr’i Jesosy. Azon’ireo izay manaraka ny tena Kristianisma atao ny mandresy ny fankahalana.
Fandresena ny fankahalana any amin’ny toby fitanana
Teraka Jiosy i Max Liebster izay nandia ny Holocauste. Na dia midika hoe “malala” aza ny anarany, dia niharan’ny fankahalana be dia be izy. Milazalaza toy izao izay nianarany tany Alemaina Nazia momba ny fitiavana sy ny fankahalana izy.
“Nihalehibe tany akaikin’i Mannheim, any Alemaina, aho nandritra ireo taona 1930. Nilaza i Hitler fa ny Jiosy rehetra dia mpaka tombony nanam-be izay nanararaotra ny vahoaka alemanina. Kanefa ny marina dia hoe mpanao kiraro tsotsotra fotsiny ny raiko. Na dia izany aza, noho ny fitaoman’ny fampielezan-kevitra nazia, dia nanomboka nankahala anay ireo mpiara-monina taminay. Fony aho zatovo, dia nisy mpiray tanàna iray nandraraka tamin-kery ran-kisoa teo amin’ny handriko. Vao santionany fotsiny amin’izay mbola ho avy io fanalam-baraka lehibe io. Tamin’ny 1939 dia nisambotra ahy ny Gestapo ary naka ny fananako rehetra.
“Nanomboka tamin’ny Janoary 1940 ka hatramin’ny May 1945, dia niady mafy aho mba hahatafitana velona tao amin’ny toby fitanana dimy samy hafa: Sachsenhausen, Neuengamme, Auschwitz, Buna, sy Buchenwald. Ny raiko, izay nalefa tany Sachsenhausen koa, dia maty nandritra ilay ririnina faran’izay mafy tamin’ny 1940. Ny tenako mihitsy no nitondra ny fatiny nankany amin’ny fandorana faty, izay nisy antontana faty niandry ny hodorana. Tamin’ny fitambarany, dia valo tamin’ny fianakaviako no maty tany amin’ireo toby.
“Ny kapos dia nankahalain’ireo mpigadra mihoatra noho ny mpiambina SS mihitsy aza. Ny kapos dia mpigadra izay niara-niasa tamin’ny SS ka nahazo tombontsoa sasany noho izany. Nampiandraiketina ny fizarana sakafo izy ireo, ary nampihatra koa ny famelezana karavasy ny mpigadra hafa. Matetika izy ireo no nanao zavatra tsy ara-drariny sy tamin’ny fomba jadona. Heveriko fa nanana antony maro hankahalana ny SS sy ny kapos aho, kanefa nandritra ny fitoerako tany an-tranomaizina, dia nianarako fa mahery kokoa noho ny fankahalana ny fitiavana.
“Nampiaiky ahy ny herin-tsain’ireo mpigadra Vavolombelon’i Jehovah fa niorina tamin’ny Soratra Masina ny finoany — ary dia tonga Vavolombelona koa ny tenako. Nampirisika mafy ahy i Ernst Wauer, Vavolombelona hitako tany amin’ny toby fitanana Neuengamme, mba hamboly ny toe-tsain’i Kristy. Milaza ny Baiboly fa ‘raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina’. (1 Petera 2:23). Niezaka nanao toy izany koa aho, dia ny hamela ny famaliana eo an-tanan’Andriamanitra, izay Mpitsara ny rehetra.
“Nampianatra ahy ireo taona laniko tany amin’ireo toby fa matetika ny olona no manao zava-dratsy noho ny tsy fahalalana. Tsy ny mpiambina SS rehetra akory no ratsy — nisy iray namonjy ny aiko. Voan’ny aretim-pivalanana mafy aho indray mandeha ary nalemy loatra ka tsy afaka niala tany amin’ny fiasako nankany amin’ny toby. Tokony ho nalefa tany amin’ny efitrano nisy gaza tao Auschwitz aho ny ampitso maraina, saingy nisalovana ho ahy ny mpiambina SS iray, izay iray faritra niaviana tamiko tany Alemaina. Nampiasainy tao amin’ny toeram-pisakafoan’ny SS aho, ka tao dia afaka naka aina mandra-pahasitrako. Indray andro dia nitsotra tamiko izy hoe: ‘Max a, tsaroako ho toy ny hoe ao anaty lamasinina izay mirimorimo mafy be sady tsy azo avily aho. Raha mitsambikina aho, dia ho faty. Raha mijanona aho, dia ho potika!’
“Nila fitiavana tahaka ahy ireny olona ireny. Raha ny tena izy, dia ny fitiavana sy ny fangoraham-po, niaraka tamin’ny finoako an’Andriamanitra, no nahatonga ahy ho afaka nizaka ny toe-piainana nahafadiranovana sy ny fandrahonana ho faty isan’andro. Tsy hilaza aho hoe tafita velona tsy naninon-tsy naninona aho, kanefa faran’izay kely ny holatra ara-pihetseham-po azoko.”
Ny hafanana sy ny hatsaram-panahy mbola hita taratra eo amin’i Max, 50 taona atỳ aoriana, dia porofo mahalaza tsara ny fahamarinan’ny teniny. Tsy maningana akory ny nanjo an’i Max. Nanana antony mafy orina handresena ny fankahalana izy — ta hanahaka an’i Kristy izy. Nanao zavatra toy izany ny hafa izay notarihin’ny Soratra Masina ny fiainany. Manazava ny fomba nianarany izay tena atao hoe fitiavana tsy misy fitiavan-tena i Simone, Vavolombelon’i Jehovah avy any Frantsa.
“Nampianatra ahy i Emma, reniko, izay tonga Vavolombelona taloha kelin’ny ady lehibe faharoa, fa manao zava-dratsy matetika ny olona satria tsy mahafantatra zavatra tsara kokoa noho izany izy ireo. Nohazavainy fa raha mankahala azy ireo koa isika ho setrin’izany, dia tsy tena Kristiana isika, satria nilaza i Jesosy fa tokony ho tia ny fahavalontsika isika ary hivavaka ho an’izay manenjika antsika. — Matio 5:44.
“Tadidiko ny tarehin-javatra iray faran’izay sarotra izay nitsapa io fiekena io. Nandritra ny fanjakazakan’ny Nazia tany Frantsa, i Neny dia nijaly be noho ny nataon’ny vehivavy mpiara-monina taminay tao amin’ny tranobe iray. Nitati-bolana an’i Neny tany amin’ny Gestapo izy, ka ho vokatr’izany, dia nandany roa taona tany amin’ny toby fitanana alemanina ny reniko, ary saika maty tany. Taorian’ilay ady, dia nasain’ny polisy frantsay hanao sonia taratasy iray niampanga an’io vehivavy io ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Alemanina i Neny. Kanefa tsy nety ny reniko, tamin’ny filazana fa ‘Andriamanitra no Mpitsara sy Mpamaly ny soa sy ny ratsy’. Taona vitsy tatỳ aoriana, dia nanjary voan’ny kansera mahafaty io mpiara-monina io ihany. Tsy nifaly noho ny fahavoazany ny reniko fa nandany ora maro kosa nanao izay hanamaivamaivanana ny volana faramparany niainany. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana izany fandresen’ny fitiavana ny fankahalana izany.”
Ireo ohatra roa ireo dia mampiseho ny herin’ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika eo anatrehan’ny tsy rariny. Kanefa, ny Baiboly mihitsy no milaza fa “ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana”. (Mpitoriteny 3:1, 8). Ahoana no hetezan’izany?
Andro ankahalana
Tsy manameloka ny fankahalana rehetra Andriamanitra. Mikasika an’i Jesosy Kristy, dia hoy ny Baiboly: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka”. (Hebreo 1:9). Misy fahasamihafana anefa eo amin’ny fankahalana ny ratsy sy ny fankahalana ilay olona manao ratsy.
I Jesosy no ohatra ny amin’ny fandanjalanjana araka ny tokony ho izy ny fitiavana sy ny fankahalana. Nankahala ny fihatsarambelatsihy izy, kanefa niezaka nanampy ireo mpihatsaravelatsihy mba hanova ny fomba fisainany. (Matio 23:27, 28; Lioka 7:36-50). Nanameloka ny herisetra izy, kanefa nivavaka ho an’ireo izay namono azy. (Matio 26:52; Lioka 23:34). Ary na dia nankahala azy tsy ahoan-tsy ahoana aza izao tontolo izao, dia nanolotra ny ainy mihitsy izy mba hanomezana fiainana ho an’izao tontolo izao. (Jaona 6:33, 51; 15:18, 25, NW ). Namela ho antsika ohatra lavorary ny amin’ny fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika sy ny amin’ny fankahalana araka an’Andriamanitra, izy.
Mety hampipoitra fahatezerana ao amintsika ny tsy rariny, toy ny nataony tamin’i Jesosy. (Lioka 19:45, 46). Tsy mahazo mamaly faty anefa ny Kristiana. “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza”, hoy ny torohevitr’i Paoly tamin’ny Kristiana tany Roma. “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. (...) Aza mamaly ratsy, (...) Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” (Romana 12:17-21). Rehefa ny tenantsika mihitsy no tsy mety hitahiry fankahalana na hamaly ratsy, dia mandresy ny fitiavana.
Tontolo iray tsy misy fankahalana
Mba hanjavonan’ny fankahalana amin’ny ambaratonga maneran-tany, dia tsy maintsy miova ny toe-tsaina latsa-paka ao amin’ny olona an-tapitrisany maro. Ahoana no ahatanterahan’izany? Milaza izao fananarana manaraka izao ny Profesora Ervin Staub: “Tsy manisy vidiny an’ireo izay asiantsika ratsy isika ary manisy vidiny an’ireo izay ampiantsika. Arakaraka ny anomezantsika vidiny ambony kokoa ny olona ampiantsika sy ahitantsika ny fahafaham-po tsy misaraka amin’ny fanampiana olona, no ahitantsika ny tenantsika ho miahy sy manampy kokoa. Tsy maintsy ho ny iray amin’ireo zava-kendrentsika ny hamorona fitambaran’olona izay hisian’ny fandraisana anjara be indrindra araka izay azo atao amin’ny fiahiana ny hafa.” — The Roots of Evil.
Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fanesorana ny fankahalana dia mitaky famoronana fitambaran’olona iray izay hianaran’ny olona ny ho tia amin’ny fifanampiana, fitambaran’olona iray izay hanadinoan’ny olona ny fankahalana rehetra ateraky ny fitsarana an-tendrony, ny fanindrahindram-pirenena, ny fanavakavaham-bolon-koditra, sy ny fanindrahindram-poko. Misy ve izany fitambaran’olona izany? Diniho ny zava-nitranga tamin’ny lehilahy iray izay nanatri-maso ny fankahalana ny tenany manokana nandritra ny Revolisiona Ara-kolontsaina tany Sina.
“Rehefa nanomboka ny Revolisiona Ara-kolontsaina, dia nampianarina anay fa tsy nisy toerana ho an’ny fanekena lembenana eo amin’ny ‘adin-tsaranga’. Ny fankahalana no fironana nanjaka. Tonga garde rouge aho ary nanomboka nikaroka na taiza na taiza an’ireo ‘fahavalon’ny antoko’ — na dia teo amin’ny fianakaviako mihitsy aza. Na dia mbola zatovo aza aho tamin’izay fotoana izay, dia nandray anjara tamin’ny fanaovana sava hao ireo trano, izay nitadiavanay porofon’ny ‘fironana hanohitra’. Nitarika fivoriana ampahibemaso izay niampanga ‘mpanohitra ny revolisiona’ koa aho. Mazava ho azy fa indraindray ireny fiampangana ireny dia niorina be kokoa tamin’ny fankahalana olona noho ny tamin’ny fandinihana ara-politika.
“Nahita olona maro — tanora sy antitra, lahy sy vavy — nampiharana sazy ara-batana nihafeno halozana hatrany, aho. Ny iray tamin’ny mpampianatra ahy tany an-tsekoly — lehilahy tsara — dia nasehoseho teny amin’ny arabe toy ny hoe mpanao heloka bevava. Roa volana tatỳ aoriana, dia nisy mpampianatra nohajaina tsara hafa iray tao amin’ny sekoly nisy ahy hita maty tao amin’ny Renirano Suzhou, ary noterena hananton-tena ny mpampianatra teny anglisy ahy. Taitra sy sanganehana aho. Olona tsara fo izy ireny. Tsy rariny ny fitondrana azy ireny toy izany! Koa nanapaka ny fifandraisako rehetra tamin’ny garde rouge aho.
“Tsy heveriko fa fisehoan-javatra naningana iny fe-potoam-pankahalana izay nanafotra fotoana fohy an’i Sina iny. Nahita fipoahan’ny fankahalana maro aoka izany itỳ taonjato itỳ. Miaiky anefa aho fa afaka mandresy ny fankahalana ny fitiavana. Zavatra hitan’ny tenako manokana izany. Rehefa nanomboka nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nisy heriny lalina tamiko ny fitiavana marina nasehony tamin’ny olona samy hafa firazanana sy fiaviana. Tsy andriko ny fotoana izay hianaran’ny olona rehetra hifankatia, araka ny ampanantenain’ny Baiboly.”
Eny, ny fitambaran’olona iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah dia porofo velona fa azo foanana ny fankahalana. Na inona na inona fiaviany, ny Vavolombelona dia miezaka mafy hanolo ny fitsarana an-tendrony amin’ny fifanajana sy hanafoana izay mety ho soritry ny fanindrahindram-poko, ny fanavakavaham-bolon-koditra, na ny fanindrahindram-pirenena. Ny antony iray mahatonga ny fahombiazany dia ny fahatapahan-keviny hanahaka an’i Jesosy Kristy amin’ny fanehoana fitiavana tarihin’ny fotopoto-pitsipika. Ny antony hafa dia ny fitodihany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hamaranana ny tsy rariny rehetra mety hiaretany.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no vahaolana tsy azo lavina ho amin’ny fanorenana tontolo iray tsy hisy fankahalana, tontolo iray tsy hisian’ny ratsy akory aza mba hankahalaina. Lazalazaina ao amin’ny Baiboly hoe “lanitra vaovao” io fitondram-panjakana any an-danitra io, izay hiantoka ny hanorenana tontolo iray ho afaka amin’ny tsy rariny. Hanapaka eo amin’ny “tany vaovao”, na fitambaran’olona vaovao, izay ho nampianarina ny hifankatia, izy io. (2 Petera 3:13; Isaia 54:13). Efa mandeha sahady io fampianarana io, araka ny hamarinin’ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Max, i Simone sy ny maro hafa. Izany dia santionany amin’ilay fandaharana haneran-tany hanafoanana ny fankahalana sy ny antony miteraka azy io.
Amin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny, i Jehovah dia milazalaza ny vokatr’izany: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9). Andriamanitra mihitsy no hanambara fa hitsahatra ny fankahalana. Ho fotoana hitiavana marina tokoa amin’izay.
[Sary, pejy 7]
Nanisy nomeraon’ny mpigadra tamin’ny tombokavatsa teo amin’ny sandry havian’i Max Liebster ny Nazia
[Sary, pejy 8]
Tsy ho ela dia ho zavatra efa lasa ny fankahalana