TOKO 95
Ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana ny Ankizy
MATIO 19:1-15 MARKA 10:1-16 LIOKA 18:15-17
NILAZA NY FIHEVERAN’ANDRIAMANITRA NY FISARAHAM-PANAMBADIANA I JESOSY
FANOMEZANA NY FIJANONANA HO MPITOVO
ILAINA NY MANAHAKA NY ANKIZY
Avy tany Galilia i Jesosy sy ny mpianany, niampita ny Reniranon’i Jordana, ary nianatsimo namakivaky an’i Pere. Efa noresahin’i Jesosy tamin’ny Fariseo ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fisaraham-panambadiana, tamin’izy tany Pere farany. (Lioka 16:18) Nanontany azy momba izany izy ireo izao mba hitsapana azy.
Nanoratra i Mosesy fa azo nisarahana ny vehivavy iray raha nahitana “zavatra manafintohina.” (Deoteronomia 24:1) Tsy nitovy ny antony nolazain’ny olona fa azo nisarahana. Nisy nihevitra fa na zavatra kely aza dia azo nisarahana. Hoy àry ny Fariseo: “Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?”—Matio 19:3.
Nahay namaly i Jesosy ka tsy ny hevitr’olombelona no noresahiny fa ny fikasan’Andriamanitra momba ny fanambadiana. Hoy izy: “Mbola tsy novakinareo ve fa izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa’? Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Matio 19:4-6) Tsy nanao fandaharana momba ny hisarahan’i Adama sy Eva Andriamanitra, rehefa nanambatra azy ireo ho mpivady.
Hoy anefa ny Fariseo: “Nahoana àry i Mosesy no nandidy ny lehilahy mba hanome taratasy fisaraham-panambadiana rehefa misaraka amin’ny vadiny?” (Matio 19:7) Hoy i Jesosy: “Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo lehilahy hisara-panambadiana, fa tsy mba toy izany tany am-piandohana.” (Matio 19:8) Tsy tamin’ny andron’i Mosesy io ‘fiandohana’ io, fa tamin’i Jehovah namorona ny fanambadiana tany Edena.
Nilaza izao zava-dehibe izao i Jesosy avy eo: “Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana [grika: pôrneia] ihany angaha no antony isarahany.” (Matio 19:9) Ny fijangajangana ihany àry no antony azo isarahana, araka ny Soratra Masina.
Hoy àry ny mpianatra: “Aleo tsy manambady raha izany no mahazo ny lehilahy manambady.” (Matio 19:10) Tokony hitadidy izay mieritreritra ny hanambady fa maharitra mandrakizay ny fanambadiana.
Nanazava i Jesosy fa misy tsy manambady satria manan-takaitra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka manao firaisana. Ny hafa indray novosirina. Misy koa mifehy ny faniriany hanao firaisana ka mijanona ho mpitovo, mba hahafahany hifantoka kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana. Nampirisika ny mpihaino azy i Jesosy hoe: “Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.”—Matio 19:12.
Nitondra ny zanany teo amin’i Jesosy ny olona tamin’izay. Nibedy azy ireny anefa ny mpianatra, angamba satria tsy tiany ho voahelingelina i Jesosy. Tezitra tamin’ny mpianatra i Jesosy ka nilaza hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza mitady hisakana azy, fa an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa izay tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny ataon’ny zaza, dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.”—Marka 10:14, 15; Lioka 18:15.
Lesona tsara tokoa izany! Tokony hanetry tena sy ho mora ampianarina toy ny ankizy isika, raha te hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy avy eo fa tiany ny ankizy ka notrotroiny sy notsofiny rano. Tiany koa izay rehetra “mandray ny fanjakan’Andriamanitra toy ny ataon’ny zaza.”—Lioka 18:17.