Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Famadihana sy fisamborana
EFA ela be taorian’ny misasakalina tamin’izay, tamin’ny fotoana nitarihan’i Jodasy vahoaka betsaka voaforon’ny miaramila, lohan’ny mpisorona, Fariseo, ary olona hafa hiditra tao amin’ny sahan’i Getsemane. Nanaiky handoa sekely volafotsy 30 ho an’i Jodasy ireo mpisorona mba hamadihana an’i Jesosy.
Teo aloha, fony Jodasy noroahina tsy ho ao amin’ny sakafon’ny Paska, dia niharihary fa nandeha avy hatrany ho any amin’ny lohan’ny mpisorona izy. Ireo dia namory haingana ireo mpiandry raharahany manokana, ary koa miaramila iray toko. Nitarika azy ireo ho any amin’ny nankalazan’i Jesosy sy ny apostoliny ny Paska angamba aloha i Jodasy. Rehefa hitany fa efa lasa izy ireo, ilay vahoaka betsaka nitam-piadiana sy nitondra fanilo ary fanala dia nanaraka an’i Jodasy nivoaka avy tao Jerosalema ka nita ny lohasahan’i Kidrona.
Rehefa nitarika ilay filaharana niakatra ny tendrombohitra Oliva i Jodasy, dia azony antoka fa fantany ny toerana hahitana an’i Jesosy. Nandritra ny herinandro lasa, rehefa nandroso sy niverina teo anelanelan’i Betania sy Jerosalema ry Jesosy sy ny apostoliny, dia matetika nijanona teo amin’ny sahan’i Getsemane mba hiala sasatra sy hiresadresaka. Nefa izao, noho i Jesosy azo inoana fa takona tao amin’ny maizina teo ambany hazo oliva, amin’ny fomba ahoana no hahafantaran’ireo miaramila azy? Mety ho tsy nahita azy mihitsy izy ireo teo aloha. Nanome famantarana i Jodasy tamin’ny fitenenana hoe: “Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.”
I Jodasy dia nitarika ilay vahoaka betsaka hiditra tao anaty saha, nahita an’i Jesosy sy ny apostoliny, ary nanatona azy. “Finaritra, Raby!” hoy izy sady nanoroka azy tamim-pitiavana izy.
“Ry sakaiza, noho ny fikendrena inona no ahatongavanao eto? [MN]?” hoy i Jesosy namaly tamin’ny fomba hentitra. Avy eo, mba hamaliana ny fanontanian’ny tenany ihany, dia hoy izy: “Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’olona?” Nefa ampy izay raha ny amin’ilay mpamadika azy! Nandingana ho eo amin’ny fahazavan’ireo fanilo sy ny fanala nirehitra i Jesosy, ary nanontany hoe: “Iza moa no tadiavinareo?”
“Jesosy avy any Nazareta,” hoy ny navalin’izy ireo.
“Izaho no Izy”, hoy ny navalin’i Jesosy, raha nitsangana tamin-kerimpo teo anoloan’izy ireo izy. Taitra tamin’ny fahasahiany sady tsy nahalala izay nandrasana ireo lehilahy ka nanao dia nianotra ary lavo tamin’ny tany.
“Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny tamim-pahatoniana. “Raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.” Taloha kelin’izay, tao amin’ny efitrano ambony, dia nilaza tamin’ny Rainy tao amin’ny vavaka i Jesosy fa nitahiry ireo apostoliny mahatoky izy, ka tsy nisy na dia iray aminy aza very “afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana [fandringanana, MN] ihany.” Mba hahatanteraka ny teniny àry, dia nangataka izy mba havela handeha ireo mpanara-dia azy.
Rehefa tony indray ireo miaramila, nitsangana ka nanomboka namatotra an’i Jesosy, dia fantatr’ireo apostoly ny amin’izay hitranga. “Tompoko, hamely amin’ny sabatra va izahay?” hoy izy ireo. Talohan’ny namalian’i Jesosy i Petera dia efa nandray ny iray tamin’ireo sabatra roa nentin’ny apostoly, namely an’i Malko, mpanompon’ny mpisoronabe. Tsy nahavoa ny lohan’ilay andevo ny famelezan’i Petera fa nahafaka ny sofiny havanana.
“Aoka ihany na dia izao aza”, hoy i Jesosy raha nanelanelana. Notendreny ilay sofina ka nositraniny ny ratra. Avy eo izy dia nanome fianarana lehibe ka nanome baiko an’i Petera hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?”
Vonona ny hosamborina i Jesosy satria nanazava izy hoe: “Hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?” Ary nanampy izy hoe: “Ny kapoaka nomen’ny Raiko ho Ahy, tsy hosotroiko va?” Nanaiky tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy izy!
Avy eo i Jesosy dia niteny tamin’ny vahoaka. “Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va hianareo?” hoy izy. “Isan-andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo. Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany.”
Tamin’izay ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ny Jiosy dia nisambotra an’i Jesosy ka namatotra azy. Raha nahita izany ireo apostoly dia nandao an’i Jesosy ka nandositra. Kanefa, nisy zatovolahy iray—izay azo inoana fa ilay mpianatra atao hoe Marka—nijanona niaraka tamin’ny vahoaka teo. Nety ho tao amin’ilay trano nankalazan’i Jesosy ny Paska izy ary avy eo dia nanaraka ny vahoaka avy any. Izao anefa dia fantatra izy, ary nisy fanandramana natao hisamborana azy. Nefa navelany tany ny lambany hariry madinika ka lasa nandositra nitanjaka izy. Matio 26:47-56; Marka 14:43-52; Lioka 22:47-53; Jaona 17:12; 18:3-12.
◆ Nahoana i Jodasy no nahazo antoka fa hahita an’i Jesosy ao anaty sahan’i Getsemane?
◆ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fiheverana ireo apostoliny?
◆ Inona no nataon’i Petera hiarovana an’i Jesosy, nefa ahoana hoy i Jesosy taminy?
◆ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanaiky tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny aminy izy?
◆ Rehefa nandao an’i Jesosy ireo apostoly, iza no nijanona, ary inona no nitranga taminy?