Ampianaro ny Zanakao:
Nantsoina hoe “Zanaky ny Varatra” Izy Ireo
EFA nandre varatra nipoaka angamba ianao rehefa avy be ny orana. Natahotra ve ianao tamin’izay?...a Nantsoin’i Jesosy hoe “Zanaky ny Varatra” anefa ny roa tamin’ireo mpanara-dia azy. Andeha hojerentsika ny antony.
I Jakoba sy Jaona, rahalahiny, ireo mpanara-dia an’i Jesosy ireo. I Zebedio no rain’izy ireo ary Salome no reniny. Toa rahavavin’i Maria renin’i Jesosy i Salome. Mety ho mpinamana be àry i Jesosy sy Jakoba ary Jaona, tamin’izy ireo nihalehibe.
Mpanjono i Zebedio ary mpanjono koa i Jakoba sy Jaona. Anisan’ny olona voalohany nofidin’i Jesosy ho mpanara-dia azy izy roa lahy. Tonga dia nandao ny asany izy ireo raha vao nasain’i Jesosy hanaraka azy. Nifidy 12 tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesosy tatỳ aoriana mba ho apostoliny, ka anisan’izany i Jakoba sy Jaona.
Namakivaky ny faritra be tendrombohitra tany Samaria niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy, volana vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Efa nihamaizina ny andro tamin’izay, ary efa reraka be daholo izy ireo. Tsy navelan’ny Samaritanina hijanona tao an-tanànany anefa izy ireo tamin’io alina io. Fantatrao ve hoe nahoana?... Andeha hojerentsika.
Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny. Ratsy fanahy tamin’ny Samaritanina anefa ny ankamaroan’ny Jiosy. Mazava ho azy fa tsy hoatr’izany mihitsy i Jesosy. Tsara fanahy tamin’izy ireo izy, ary tokony ho toy izany koa i Jakoba sy Jaona. Tezitra be anefa izy roa lahy rehefa tsy nandray azy ny Samaritanina, ka hoy izy ireo tamin’i Jesosy: ‘Tianao ve ny hitenenanay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra hamonoana an’ireo?’ Inona no navalin’i Jesosy, araka ny hevitrao?... Nilaza izy fa tsy mety mihitsy ny miteny hoatr’izany. Nila nianatra ny hamindra fo kokoa àry i Jakoba sy Jaona.
Mbola nanao zavatra tsy nety hafa koa i Jakoba sy Jaona. Te ho ambony noho ny hafa rehetra izy ireo. Taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nasain’izy ireo nilaza taminy ny reniny hoe: “Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.” Tezitra be ny apostoly hafa, rehefa nandre izay nataon’i Jakoba sy Jaona. Tezitra koa ve ianao raha teo?...
Tsy misy amintsika tia an’izany olona te ho ambony noho ny hafa izany. Fantatr’i Jakoba sy Jaona tatỳ aoriana fa tena tsy nety ny nataony, ka niova izy ireo. Lasa apostoly be fitiavana sy tsara fanahy izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany?...
Toa an’i Jesosy, dia tokony ho tsara fanahy amin’ny hafa koa isika. Tsara fanahy tamin’ny olona rehetra i Jesosy anisan’izany ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy. Nahoana àry raha mitadidy an’izany ohatra nomeny izany ka miezaka mafy mba hanahaka azy?...
Vakio ny
Matio 27:55, 56; Marka 15:40, 41
Jaona 4:4-15, 21-26; Lioka 9:51-55
Matio 20:20-24; Marka 10:35-37, 41
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.