-
Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
-
-
Tia niasa mafy koa izy tetỳ an-tany. Mbola kely izy dia nianatra asa momba ny fanorenana, ary “mpandrafitra” no nahalalana azy.a (Marka 6:3) Ilana tanjaka sy fahaizana isan-karazany izany. Mbola tsy nisy mantsy ny fitaovana elektrika sy ny orinasa mpanatsofa hazo ary ny fivarotana fitaovana. Alao sary an-tsaina ange i Jesosy mandeha maka ny hazo hiasany e! Izy mihitsy angamba no nikapa hazo sy nitaritarika an’izany tany amin’ny toerana niasany. Alao sary an-tsaina koa hoe manao trano izy, ka manomana sy mametaka ny hazo ipetahan’ny tafo, manao ny varavarana, ary manamboatra ny fanaka sasany mihitsy aza! Fantany tsara àry ny atao hoe afa-po amin’ny asa mafy sy voakaly tsara.
-
-
Mifalia Amin’ny Asa Mafy Ataonao“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
-
-
a Ilay teny grika nadika hoe “mpandrafitra”, dia ilazana “ny olona rehetra mpanamboatra zavatra amin’ny hazo, na zavatra hatao amin’ny trano izany, na fanaka, na zavatra hafa.”
-