TOKO 14
“Nisy Vahoaka Be Nanatona Azy”
1-3. Inona no nitranga rehefa nisy olona nitondra ny zanany nankeny amin’i Jesosy? Inona no toetran’i Jesosy asongadin’izany?
FANTATR’I Jesosy fa tsy ho ela izy dia ho faty. Herinandro vitsivitsy sisa, nefa mbola be zavatra hatao izy! Niara-nitory tamin’ny apostoliny tany Pere, any atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, izy. Nianatsimo nankany Jerosalema izy ireo avy eo. Any i Jesosy no hankalaza farany ny Paska, alohan’ny hanaovany sorona ny ainy.
2 Nisy fanelingelenana kely, taorian’ny adihevitra mafonja nifanaovan’i Jesosy sy ny mpitondra fivavahana sasany. Nisy olona nitondra ny zanany hijery an’i Jesosy. Toa tsy nitovy taona ireo ankizy ireo. Teny iray ihany mantsy no nampiasain’i Marka hilazana azy ireo sy ny ankizy iray 12 taona, fa i Lioka kosa nilaza hoe mbola “kely” izy ireo. (Lioka 18:15; Marka 5:41, 42; 10:13) Mazàna no misy tabataba sy korontana kely rehefa misy ankizy. Nibedy an’ireo ray aman-dreny àry ny mpianatr’i Jesosy. Nihevitra angamba izy ireo fa be atao loatra ny Tompo, ka tsy afaka hiaraka amin’ny ankizy. Inona no nataon’i Jesosy?
3 Tezitra i Jesosy nahita izany. Tezitra tamin’iza anefa izy? Tamin’ireo ankizy sa tamin’ny ray aman-dreniny? Tsy ireo no nahatezitra azy, fa ny mpianany! Hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana, fa an’izay hoatr’azy ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa tsy maintsy mandray ny Fanjakan’Andriamanitra hoatran’ny zaza ianareo, fa raha tsy izany dia tsy ho tafiditra ao mihitsy.” “Nitrotro” sy nitso-drano an’ireo ankizy i Jesosy avy eo. (Marka 10:13-16) Alao sary an-tsaina ange i Jesosy namihina ankizy e, ary mety ho nitrotro zazakely mihitsy aza izy! Tia ankizy tokoa izy. Hita koa fa mora nohatonina izy.
4, 5. a) Nahoana isika no matoky fa mora nohatonina i Jesosy? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity toko ity?
4 Tsy ho nahasarika an’ireo ankizy ireo i Jesosy, raha nasiaka, na tsy sariaka, na niavonavona. Tsy ho sahy nanatona azy koa ny ray aman-drenin’izy ireo. Alao sary an-tsaina ange izay nitranga e! Azo inoana fa miramirana erỳ izy ireo, nahita an’io lehilahy tsara fanahy io naneho fitiavana tamin’ny zanany sy nitso-drano azy ireo, ary nilaza fa sarobidy tamin’Andriamanitra izy ireo! Tena tsy misy olona mora nohatonina toa an’i Jesosy mihitsy. Toy izany foana izy, na teo aza ny andraikitra faran’izay mavesatra niantsorohany.
5 Iza koa no nahita fa mora nohatonina i Jesosy? Inona no nahatonga azy ho mora nohatonina? Ahoana no azontsika anahafana azy? Handinika izany isika izao.
Iza no nahita fa mora nohatonina i Jesosy?
6-8. Iza avy no niaraka tamin’i Jesosy matetika? Inona no mampiseho fa tsy nitovy tamin’ny an’ny mpitondra fivavahana ny fomba nitondrany an’ireo olona ireo?
6 Mety ho gaga ianao rehefa mamaky ny Filazantsara, ka mahita fa olona maro no tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy. Voalaza ao fa “vahoaka be” mihitsy izy ireny matetika. Izany no asehon’ireto teny ireto: “Nisy vahoaka be nanaraka azy avy any Galilia”, “nisy vahoaka be nitangorona teo aminy”, “nisy vahoaka be nanatona azy”, ary “nisy vahoaka be niaraka tamin’i Jesosy.” (Matio 4:25; 13:2; 15:30; Lioka 14:25) Voahodidin’ny olona maro tokoa i Jesosy matetika.
7 Olon-tsotra izy ireny mazàna, ary nambanin’ny mpitondra fivavahana ka nantsoiny hoe “olon’ny tany.” Tsy menatra mihitsy ny Fariseo sy ny mpisorona nilaza hoe: “Voaozona ireo vahoaka tsy mahay ny Lalàna ireo.” (Jaona 7:49) Porofoin’ny asa soratr’ireo raby tatỳ aoriana, fa nanana izany toe-tsaina izany tokoa ireo mpitondra fivavahana ireo. Maro taminy no nihevitra ny olon-tsotra ho ambany, ka tsy nety niara-nisakafo taminy, na nividy zavatra taminy, na nifanerasera taminy. Nisy aza nanizingizina fa tsy hitsangana amin’ny maty ireny olona tsy nahalala ny lalàna am-bava ireny! Azo antoka fa maro tamin’ny olon-tsotra no nandosindositra an’ireny mpitondra fivavahana ireny, fa tsy nitady fanampiana na tari-dalana taminy. Hafa kosa anefa i Jesosy.
8 Tsy nihafahafa izy fa nifanerasera tamin’ny olon-tsotra. Niara-nisakafo tamin’izy ireo izy, nanasitrana azy, nampianatra azy, ary nanome azy fanantenana. Marina fa fantany hoe tsy hanaiky hanompo an’i Jehovah ny ankamaroany. (Matio 7:13, 14) Nanantena anefa izy fa mety hanao izany ihany ny isam-batan’olona, ary nino izy fa maro no afaka manao ny tsara. Samy hafa tanteraka tamin’ireo mpisorona sy Fariseo mafy fo tokoa izy! Mahagaga anefa fa nisy tamin’izy ireo aza nanatona an’i Jesosy, ary maro taminy no niova ary nanara-dia azy. (Asan’ny Apostoly 6:7; 15:5) Hitan’ny olona ambony sy nanan-karena sasany koa fa mora nohatonina i Jesosy.—Marka 10:17, 22.
9. Hitan’ny vehivavy fa mora nohatonina i Jesosy. Nahoana?
9 Tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy ny vehivavy. Azo inoana anefa fa matetika izy ireo no nahatsiaro ho nataon’ny mpitondra fivavahana tsinontsinona. Mazàna ny raby no tsy nankasitraka ny hampianarana ny vehivavy. Tsy nahazo nijoro ho vavolombelona tany amin’ny fitsarana izy ireny, satria noheverina ho tsy azo atokisana. Nivavaka mihitsy aza ny raby indray mandeha, ka nisaotra an’Andriamanitra hoe soa ihany izy ireo fa tsy vehivavy! Tsy mba nanambany azy ireo toy izany anefa i Jesosy. Maro taminy no nanatona azy, satria naniry mafy ny hampianariny. Nipetraka teo an-tongotry ny Tompo, ohatra, i Maria anabavin’i Lazarosy indray mandeha, ary nifantoka tanteraka tamin’izay nolazainy. Variana nikenonkenona sy nikarakara sakafo kosa i Marta. Nidera an’i Maria i Jesosy, satria nahay namantatra an’izay zava-dehibe kokoa izy.—Lioka 10:39-42.
10. Inona no tsy nampitovy ny fomba nitondran’i Jesosy ny marary sy ny nataon’ny mpitondra fivavahana?
10 Betsaka koa ny marary nanatona an’i Jesosy. Nailikiliky ny mpitondra fivavahana anefa izy ireny matetika. Marina fa milaza ny Lalàn’i Mosesy hoe tsy maintsy natoka-monina ny boka, noho ny antony ara-pahasalamana. Na izany aza, dia tsy nisy tokony ho ratsy fanahy tamin’izy ireny. (Levitikosy toko faha-13) Nilaza anefa ny lalàna nataon’ny raby tatỳ aoriana, fa maharikoriko toy ny diky ny boka. Nisy aza mpitondra fivavahana nitora-bato azy ireny, mba tsy hanakekezany azy! Tsy ho sahy hanatona mpampianatra mihitsy angamba ny olona natao toy izany. Nisy boka nanatona an’i Jesosy anefa. Nilaza an’izao teny malaza izao ny boka iray, mba hanehoana ny finoany: “Tompo ô, raha mba tianao mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” (Lioka 5:12) Mbola horesahina ao amin’ny toko manaraka izay nataon’i Jesosy taminy. Ny zavatra nataon’io boka io anefa dia efa ampy mba hanaporofoana fa mora nohatonina i Jesosy.
11. Milazà ohatra mampiseho fa tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy ny olona nahatsiaro tena ho meloka. Nahoana no tsy tokony hisalasala hanatona an’izay afaka manampy azy ny olona toy izany?
11 Nisy olona ory satria nahatsiaro tena ho meloka. Tsy nisalasala nanatona an’i Jesosy koa izy ireny. Nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray i Jesosy indray andro. Niditra tao ny vehivavy iray nalaza ho mpanota, ary nandohalika teo an-tongony. Nitomany izy fa nahatsiaro tena ho meloka. Kotsan’ny ranomasony ny tongotr’i Jesosy, ary nohamaininy tamin’ny volony. Tsiravina ilay Fariseo sady nanakiana mafy an’i Jesosy, noho izy namela an’io vehivavy io hanatona azy. Tsara fanahy kosa anefa i Jesosy, ka nidera an’ilay vehivavy noho izy nibebaka tamin’ny fony manontolo. Nomeny toky koa izy fa namela ny helony i Jehovah. (Lioka 7:36-50) Vao mainka ilain’ny olona mahatsiaro tena ho meloka ny manao toy izany ankehitriny. Tsy tokony hisalasala izy ireo hanatona ny olona afaka manampy azy hamitram-pihavanana amin’Andriamanitra! Hojerentsika izao izay nahatonga an’i Jesosy ho mora nohatonina.
Inona no nahatonga an’i Jesosy ho mora nohatonina?
12. Nahoana no tsy mahagaga raha mora nohatonina i Jesosy?
12 Tadidio fa nanahaka tanteraka ny Ray malalany i Jesosy. (Jaona 14:9) Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 17:27) “Mpihaino vavaka” izy, ka afaka manatona azy foana ny mpanompony tsy mivadika, sy izay rehetra tena mitady azy sy te hanompo azy. (Salamo 65:2) Eritrereto ange e! Izy no Mahery Indrindra sy Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, nefa izy koa no mora hatonina indrindra! Toy ny Rainy ihany i Jesosy. Tia olona izy. Hodinihintsika ao amin’ireo toko manaraka ny fitiavana lalina tao am-pony. Hita niharihary koa anefa ny fitiavany ny olona, ary izay no tena nahatonga azy ho mora nohatonina. Hojerentsika ny fomba sasany nanehoan’i Jesosy an’io fitiavana io.
13. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Jesosy?
13 Tsikaritry ny olona avy hatrany fa niahy azy manokana i Jesosy. Niahy azy ireo foana izy, na dia nisy nanahirana azy aza. Efa hitantsika teo aloha fa be atao sady niantsoroka andraikitra mavesatra i Jesosy, rehefa nisy olona nitondra ny zanany teo aminy. Mora nohatonina foana anefa izy na izany aza. Modely ho an’ny ray aman-dreny tokoa izy! Tsy mora ny mitaiza ankehitriny. Tena ilain’ny ankizy anefa ny mahatsapa fa mora hatonina ny ray aman-dreniny. Raha manan-janaka ianao, dia fantatrao fa be atao loatra ianao indraindray, ka tsy afaka maneho fiheverana azy araka izay tadiaviny. Na izany aza, omenao toky ve izy fa hanao izany ianao, raha vao afaka? Aoka ianao hitana ny teny nataonao. Amin’izay dia ho hain’ny zanakao fa andraisan-tsoa ny faharetana. Ho hitany koa fa afaka manatona anao foana izy, na inona na inona olana na zavatra mampanahy azy.
14-16. a) Inona no zava-nitranga nahatonga an’i Jesosy hanao ilay fahagagany voalohany? Nahoana izy io no azo lazaina hoe fahagagana lehibe? b) Inona no toetran’i Jesosy hitantsika avy amin’ilay fahagagana nataony tao Kana? Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’izany?
14 Nasehon’i Jesosy tamin’ny olona fa tsy nanamaivana ny zavatra nampanahy azy ireo izy. Diniho, ohatra, ilay fahagagana voalohany nataony. Namonjy lanonam-panambadiana tany Kana, any Galilia, izy tamin’izay. Nahamenatra anefa fa lany ny divay! Nolazain’i Maria reniny taminy izany. Inona no nataon’i Jesosy? Nasainy nofenoin’ny mpanompo rano ireo sinibe vato enina. Rehefa nanandrana izany ny mpiandraikitra an’ilay fanasana, dia gaga fa divay tena tsara ilay izy! Fitaka fotsiny ve ilay izy, ka divay ihany no tao, fa mody natao hoe rano navadika ho divay? Tsia. Tena “rano niova ho divay” ilay izy. (Jaona 2:1-11) Efa fanirian’ny olombelona hatry ny ela ny hahay hanova zavatra iray ho lasa zavatra hafa. Nanandrana nampiova ny firamainty ho volamena ny mpahay siansa fahiny, nandritra ny taonjato maro. Tsy nahomby mihitsy anefa izy ireo, na dia zavatra kely fotsiny aza no tsy itovizan’ny firamainty sy ny volamena.a Ary ny rano sy ny divay? Fitambaran’ny zavatra simika roa monja ny rano. Fitambaran’ny zavatra simika efa ho an’arivony kosa anefa ny divay, ary be pitsiny ny maro amin’izy ireny! Fahagagana lehibe tokoa àry ilay nataon’i Jesosy! Satria fotsiny ve hoe tsy ampy ny divay tamin’ny lanonam-panambadiana iray no antony nanaovany an’izany?
15 Tsy olana kely fotsiny izany ho an’ireo mpivady vao. Tena zava-dehibe tamin’ny Jiosy mantsy ny fahaizana mandray vahiny. Nahamenatra sy nahafa-baraka be izany hoe lany divay amin’ny lanonam-panambadiana izany. Hampihena ny fifaliana amin’ilay andro fampakarana izany, ary hamela fahatsiarovana ratsy. Olana lehibe ilay izy tamin’ilay mpivady vao, ary tsy nanamaivana izany i Jesosy. Izany no nahatonga azy hitady vahaolana. Mahagaga àry ve raha nanatona azy ny olona, rehefa nisy zavatra nampanahy azy ireo?
16 Miana-javatra mahasoa indray ny ray aman-dreny eto. Ahoana raha manatona anao ny zanakao, satria misy zavatra tena mampanahy azy? Mety halaim-panahy tsy hiraharaha ianao, satria heverinao angamba fa tsy dia misy dikany ilay izy. Mety halaim-panahy hihomehy mihitsy aza ianao. Toa tsy dia misy dikany angamba ny fahitanao ny manjo azy, raha oharina amin’ny olana mampiady saina anao. Tadidio anefa fa tsy olana kely ilay izy amin’ny zanakao! Koa raha zava-dehibe amin’io sombinainao io àry ilay izy, tsy tokony ho zava-dehibe aminao koa ve? Ho mora amin’ny zanakao ny hanatona anao, raha asehonao azy fa tena mihevitra ny zavatra mampanahy azy ianao.
17. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fahalemem-panahy? Nahoana isika no milaza hoe manana herin-tsaina izay manana an’io toetra io?
17 Hitantsika tao amin’ny Toko faha-3 fa nalemy fanahy sy nanetry tena i Jesosy. (Matio 11:29) Toetra mahafinaritra ny fahalemem-panahy, ary tena porofon’ny fanetren-tena izy io. Anisan’ny vokatry ny fanahy izy io, ary misy ifandraisany amin’ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. (Galatianina 5:22, 23; Jakoba 3:13) Nifehy tena foana i Jesosy, na dia rehefa nisy nanao zavatra faran’izay nampahatezitra azy aza. Tsy azo lazaina ho tsy nanana hazondamosina mihitsy izy, na dia nalemy fanahy aza. Hoy ny manam-pahaizana iray, momba io toetra io: “Misy tanjaka toy ny vy ao ambadik’ilay hatsaram-panahy.” Mila herin-tsaina tokoa isika matetika, mba hifehezana ny fihetseham-pontsika sy hanehoana fahalemem-panahy. Hanampy antsika amin’ny ezaka ataontsika anefa i Jehovah, ka halemy fanahy toa an’i Jesosy isika. Ho mora hatonina kokoa isika amin’izay.
18. Milazà ohatra mampiseho fa nahay nandanjalanja i Jesosy. Nahoana no mahatonga ny olona ho mora hatonina io toetra io, araka ny hevitrao?
18 Nahay nandanjalanja i Jesosy. Nanatona azy ny vehivavy iray tamin’izy tany Tyro, satria ‘nijaly be ny zanany vavy fa nisy demonia.’ Nisy fomba telo nampisehoan’i Jesosy fa tsy nazoto hanao izay nangatahiny izy. Nangina fotsiny aloha izy. Nilaza ny antony tsy anaovany ny zavatra nangatahin’ilay vehivavy izy avy eo. Nanao fanoharana izy taorian’izay, mba hampahazava tsara kokoa ny tiany holazaina. Tsy niraika sady tsy nilefitra mihitsy anefa ve i Jesosy? Nilaza an-kolaka ve izy fa hahita raharaha io vehivavy io, satria sahisahy mamaly ny teniny, nefa izy olona tena ambony? Tsia. Tsy nanana ahiahy mihitsy ilay vehivavy. Sady nangataka fanampiana izy, no nisisika ihany na dia toa tsy vonona hanampy azy aza i Jesosy. Hitan’i Jesosy fa nanana finoana miavaka izy matoa nisisika toy izany, ka nositraniny ny zanany. (Matio 15:22-28) Azo antoka fa nazoto nanatona an’i Jesosy ny olona, noho izy nahay nandanjalanja, sy vonona hihaino, ary nilefitra rehefa nety ny nanaovana izany!
Mora hatonina ve ianao?
19. Ahoana no ahafantarana raha tena mora hatonina isika?
19 Tian’ny olona ny mihevitra ny tenany ho mora hatonina. Faly erỳ ny olona sasany manana fahefana milaza fa misokatra ho an’ny rehetra ny varavarany, ary afaka manatona azy malalaka ny olona eo ambany fahefany. Mampitandrina mafy anefa ny Baiboly hoe: “Be dia be no milaza hoe tia sy tsy mivadika, saingy sarotra ny mahita olona azo itokisana.” (Ohabolana 20:6) Mora tokoa ny milaza tena ho mora hatonina. Tena manahaka an’i Jesosy ve anefa isika amin’io lafiny iray nampisehoany ny fitiavany io? Tsy izay fahitantsika ny tenantsika angamba no ahafantarana an’izany, fa ny fahitan’ny hafa antsika. Hoy i Paoly: “Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Mila manontany tena isika hoe: ‘Ahoana no fahitan’ny hafa ahy? Malaza ho olona manao ahoana aho?’
20. a) Nahoana ny anti-panahy no tena tokony ho mora hatonina? b) Nahoana isika no tokony hahay handanjalanja, ka tsy hitaky be loatra amin’ny anti-panahy?
20 Ny anti-panahy indrindra no miezaka mafy mba ho mora hatonina. Tena irin’izy ireo ny hanatanteraka ny Isaia 32:1, 2 hoe: “Samy ho toy ny toerana fiafenana amin’ny rivotra izy ireo, sy fialofana amin’ny oram-baratra, sady ho toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina, ary ho toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.” Rehefa mora hatonina ihany ny anti-panahy vao afaka miaro sy mamelombelona ary manampy ny hafa toy izany. Ekena fa tsy mora izany indraindray, satria vesaran’ny andraikitra maro izy ireo amin’izao andro sarotra izao. Miezaka mafy anefa izy ireo, mba tsy hahatonga ny olona hieritreritra hoe be atao loatra izy, ka tsy manam-potoana hikarakarana izay ilain’ny ondrin’i Jehovah. (1 Petera 5:2) Miezaka kosa ny olon-kafa anisan’ny fiangonana, mba hahay handanjalanja ka tsy hitaky be loatra amin’izy ireo, fa hanetry tena sy hiara-miasa aminy.—Hebreo 13:17.
21. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba ho mora hatonina foana izy? Inona no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka?
21 Miezaka mba ho mora hatonina foana ny ray aman-dreny. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny hoavin-janany mihitsy izany! Tokony hataony izay hahatsapan’ny zanany fa azony amborahana ny ao am-pony i Dada sy Neny. Mitandrina tsara àry ny ray aman-dreny kristianina, ka miezaka ny halemy fanahy sy hahay handanjalanja. Tsy misafoaka koa izy ireo, rehefa mitsotra ny fahadisoany ny zanany, na hitany hoe manana fomba fisainana tsy mety. Maneho faharetana izy ireo rehefa manabe ny zanany, sady miezaka mba ho azo ifampiresahana tsara foana. Isika rehetra mihitsy, raha ny marina, no tokony hiezaka mba ho mora hatonina foana toa an’i Jesosy. Hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka ny fangoraham-po lalina nananany. Anisan’ny toetra tena nahatonga azy ho mora nohatonina izy io.
a Fantatry ny mpianatra simia fa mifanakaiky ny firamainty sy ny volamena, eo amin’ny tabilaon’ny singa. Prôtôna telo monja no mihoatra amin’ny ataomana firamainty, raha oharina amin’ny an’ny volamena. Efa nahavita nanova firamainty kely ho volamena tokoa ny mpahay fizika amin’izao, saingy lafo loatra ny fanaovana izany, satria mila angovo be dia be.