Mbola Hohajaina ny Rehetra
“Tsy maintsy manorina tontolo vaovao tsara lavitra noho izao isika, ary hohajaina foana ny olona ao amin’izy io.”—FILOHA AMERIKANINA HARRY TRUMAN, SAN FRANCISCO, ETAZONIA, 25 APRILY 1945.
NINO ny Filoha Truman sy ny olona maro niaina taorian’ny Ady Lehibe II, fa raha miana-javatra avy amin’ny lasa isika, dia ho afaka hanorina “tontolo vaovao” iray, ary hohajaina ny olon-drehetra. Mampalahelo anefa fa tsy izany no zava-misy ankehitriny. Mbola maro ny ‘olona tsy hajaina’, satria tsy ny olombelona no fototr’ilay olana, fa ny fahavalony lehibe indrindra.
Ny fototry ny olana
Lazain’ny Baiboly fa anjely ratsy antsoina hoe Satana Devoly io fahavalo io. Nanohitra ny zon’Andriamanitra hitondra izy, raha vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona. Ny hitarika azy ireo tsy hanompo ny Mpamorona no tanjony, nanomboka tamin’ny niresahany tamin’i Eva tao amin’ny saha Edena. (Genesisy 3:1-5) Eritrereto ny fahavoazan’i Adama sy Eva, noho izy ireo nanaiky hotaomin’ny Devoly! “Niery ny tavan’i Jehovah Andriamanitra” izy roa, raha vao avy nandika ny lalàny momba ilay voankazo voarara. Nahoana? Nibaboka i Adama hoe: “Natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.” (Genesisy 3:8-10) Niova ny fifandraisan’i Adama tamin’ilay Rainy tany an-danitra sy ny fiheverany ny tenany. Menatra izy ary lasa sadaikatra rehefa teo anatrehan’i Jehovah.
Nahoana no nirin’ny Devoly hihevi-tena ho afa-baraka i Adama? Satria noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olona, ka raha manao zavatra mahafa-baraka ny tenany ny olona, dia toy ny hoe afa-baraka koa Andriamanitra. Lasa simba mantsy ilay taratry ny voninahitr’Andriamanitra ao amin’ilay olona, ary izay indrindra no tadiavin’i Satana. (Genesisy 1:27; Romanina 3:23) Hitantsika avy amin’izany hoe nahoana no be dia be ny olona nambanina hatramin’izay. Mampirisika ny olona hampietry ny hafa i Satana, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity”, ka ‘mampiditra loza amin’ny namany ny olona, amin’ny andro anapahany azy.’ (2 Korintianina 4:4; Mpitoriteny 8:9; 1 Jaona 5:19) Midika anefa ve izany fa tsy hohajaina intsony mihitsy ny olona?
Manaja ny zavatra noforoniny i Jehovah
Eritrereto indray ny fiainana tao amin’ny saha Edena, talohan’ny nanotan’i Adama sy Eva. Nanana sakafo tondraka sy asa nahafa-po izy ireo, ary afaka ny ho salama sy hiaina mandrakizay izy sy ny taranany. (Genesisy 1:28) Hita taratra amin’ny fikasan’Andriamanitra fa tia sy manaja ny olombelona izy, ary niharihary teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’i Adama sy Eva izany.
Noheverin’i Jehovah ho tsy mendri-kaja intsony ve i Adama sy Eva, rehefa nanota? Tsia. Nanao zavatra i Jehovah, rehefa nahita fa lasa nahamenatra azy ireo ny fitanjahany. Noho ny fitiavany, dia nomeny “akanjo hoditra” izy ireo, ho solon’ilay sikina vita tamin’ny ravin’aviavy nozairiny. (Genesisy 3:7, 21) Nitondra azy ireo tamim-panajana Andriamanitra, fa tsy namela azy ho menatra.
Nangoraka ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny i Jehovah tatỳ aoriana, rehefa nifandray tamin’ny firenen’ny Israely. Izy ireny matetika no tena hararaotin’ny olona. (Salamo 72:13) Tsy nahazo niverina naka izay sisa tavela teny an-tsaha, ohatra, ny Israelita, rehefa nijinja vary na nioty oliva sy voaloboka. Nandidy azy ireo kosa Andriamanitra, mba havelany “ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena” izany. (Deoteronomia 24:19-21) Tsy nila nangataka ny mahantra, rehefa narahina izany lalàna izany, ary lasa nanana asa mendrika na dia ireo fadiranovana aza.
Nanaja ny hafa i Jesosy
Nasehon’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany fa tia nanaja ny hafa izy. Nanatona an’io Zanak’Andriamanitra io, ohatra, ny lehilahy iray efa ho boka tanteraka, tamin’izy tany Galilia. Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hiantsoantsoan’ny boka hoe: “Maloto e! maloto e!”, mba tsy hifindran’ilay aretina. (Levitikosy 13:45) Tsy niantsoantso toy izany anefa ilay boka, rehefa nanatona an’i Jesosy. Niankohoka kosa izy, ary niangavy hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy, dia ho vitanao ny hanadio ahy.” (Lioka 5:12) Ahoana no nataon’i Jesosy? Tsy nibedy azy noho izy nandika ny Lalàna i Jesosy, na tsy niraharaha azy na nihatakataka taminy. Nanaja an’ilay boka kosa izy, ka nikasika azy sady niteny hoe: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.”—Lioka 5:13.
Efa nisy olona nositranin’i Jesosy mantsy, nefa tsy nokasihiny akory. Nositraniny avy lavitra mihitsy aza ny sasany. Nifidy ny hikasika an’ilay boka anefa i Jesosy. (Matio 15:21-28; Marka 10:51, 52; Lioka 7:1-10) Azo antoka fa efa aman-taonany no tsy nisy olona nikasika azy, noho izy “rakotry ny habokana.” Tsy maintsy ho nampahery azy àry ny nahatsapa fa nisy olona nikasika azy indray! Marina fa ny hahasitrana ny habokany no tena niriny. Tsy isalasalana anefa fa nahatsiaro ho nisy vidiny indray izy, noho ny fomba nanasitranan’i Jesosy azy. Mbola misy olona manaja ny hafa toy izany ve ankehitriny? Raha eny, ahoana no isehoan’izany?
Ilay fitsipika mandrisika ny hanajana olona
Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Maro no mihevitra fa io no toromarika miavaka indrindra momba ny fifandraisana amin’olona. Mandrisika ny olona izy io hanaja ny mpiara-belona aminy, ary hanantena ny hohajaina ho setrin’izany.
Porofoin’ny zava-nitranga tamin’ny lasa, fa tsy mandeha ho azy ny fampiharana an’io fitsipika io. Ny mifanohitra amin’izany aza matetika no mitranga. Hoy ny lehilahy iray antsointsika hoe Hery: “Tena tiako ny nanambany olona, taloha. Teny vitsy monja no nolazaiko, dia efa tezitra sy menatra ny olona, ary indraindray nitomany mihitsy.” Nisy zava-nitranga anefa nahatonga an’i Hery hanova ny fomba nitondrany ny hafa. Hoy izy: “Nisy Vavolombelon’i Jehovah nanomboka nitsidika ahy. Menatra aho izao rehefa mieritreritra ny fihetsiko sy ny teny sasany nolazaiko tamin’izy ireo. Tsy kivy mihitsy anefa ry zareo. Nanohina tsikelikely ny foko ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, ary nandrisika ahy hiova.” Anti-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina izao i Hery.
Porofoin’ny zavatra niainan’i Hery fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, eny, maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona ka mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Hebreo 4:12) Manan-kery hanohina ny fon’ny olona ny Tenin’Andriamanitra, ary afaka manova ny fisainany sy ny fitondran-tenany. Hahavita hanaja ny hafa àry isika, raha maniry amin’ny fontsika manontolo ny hanampy fa tsy handratra, ary hanome voninahitra fa tsy hanambany.—Asan’ny Apostoly 20:35; Romanina 12:10.
Hohajaina indray ny olona
Izany faniriana izany no mandrisika ny Vavolombelon’i Jehovah hiresaka amin’ny olona, momba ny fanantenana kanto ao amin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 5:42) Ny fitoriana ny “teny soa mahafaly” amin’ny mpiara-belona, no fomba tsara indrindra hanajana sy hanomezam-boninahitra azy ireo. (Isaia 52:7) Anisan’ilay zavatra “mahafaly” koa ny fitafiana ny “toetra vaovao”, izay hanaisotra ny ‘faniriana’ hanambany ny hafa. (Kolosianina 3:5-10) Anisan’izy io koa ny fikasan’i Jehovah, izay hanafoana tsy ho ela ny toe-javatra sy fihetsika na fisainana mahatonga ny olona hihevi-tena ho tsy misy vidiny. Ary kely sisa izy dia handringana an’i Satana Devoly, izay fototr’izany olana izany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10; Apokalypsy 20:1, 2, 10) Rehefa ho tanteraka izany ary ho “henika ny fahalalana an’i Jehovah” ny tany, vao hohajaina ny olon-drehetra.—Isaia 11:9.
Manasa anao hianatra momba izany fanantenana kanto izany izahay. Raha mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia hahita fa lasa manaja ny hafa ny olona, rehefa mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Ho fantatrao koa ny fomba hanorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra “tontolo vaovao tsara lavitra noho izao”, tsy ho ela. Tsy hisy hanao tsinontsinona ny hafa intsony amin’izay, fa “hohajaina foana ny olona.”
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Nahatsiaro ho Nisy Vidiny Satria Tsy Nivadika
Vavolombelon’i Jehovah 2 000 mahery no nalefa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe II, noho ny zavatra ninoany. Nahita ny tsy fivadihana miavaka nasehon’izy ireny i Gemma La Guardia Gluck, izay efa nigadra tany Ravensbrück. Izany no nahatonga azy hanoratra toy izao, tao amin’ny bokiny hoe Ny Tantarako (anglisy): “Nisy fotoana nilazan’ny Gestapo fa hafahana ary tsy henjehina intsony, izay Mpianatra ny Baiboly mandà ny finoany sy manao sonia taratasy manamarina izany.” Hoy izy momba ireo tsy nety nanao sonia: “Naleon’izy ireo nijaly ihany sy niandry ny hanafahana azy.” Nahoana? Hoy i Magdalena, ilay voaresaka teo am-piandohan’ny lahatsoratra teo aloha, ary efa 80 taona izao: “Zava-dehibe noho ny fiarovana ny aina, ny tsy fivadihana amin’i Jehovah. Nila naneho tsy fivadihana hatrany izahay, mba hahatsiaro ho misy vidiny foana.”a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1985, pejy 10-15, ny tsipirian’ny tantaran’ny fianakaviana Kusserow.
[Sary, pejy 5]
Nanaja ny olona nositraniny i Jesosy
[Sary, pejy 7]
Manaja ny hafa ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mitory ny “teny soa mahafaly”