Fanontanian’ny Mpamaky
Moa ve i Maria izay tonga renin’i Jesosy efa bevohoka fony izy nandeha nitsidika an’i Elizabeta havany?
Eny, araka ny porofo azo raisina, dia efa bevohoka izy.
Ao amin’ny Lioka toko voalohany no amakiantsika voalohany ny amin’ny naha-bevohoka an’i Elizabeta, vadin’i Zakaria mpisorona, izay niteraka an’i Jaona (Mpanao Batisa). Fony i Elizabeta ‘teo amin’ny fahenim-bolany, ny anjely Gabriela’ dia tonga nitsidika an’i Maria mba hilaza taminy fa ho bevohoka izy ary hiteraka ny “Zanaky ny Avo Indrindra”. (Lioka 1:26, 30-33). Oviana anefa i Maria no nanjary bevohoka?
Ny fitantaran’i Lioka dia mitohy amin’ny filazana fa taorian’izany avy hatrany, dia niainga nankany Joda i Maria mba hitsidika an’i Elizabeta havany, izay bevohoka. Rehefa nihaona izy roa vavy dia niantsambotra ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta (i Jaona). I Elizabeta dia niresaka ny amin’ny ‘hateraky ny kibon’i Maria’, ka niantso an’i Maria hoe “ny renin’ny Tompoko”. (Lioka 1:39-44). Ny fanatsoahan-kevitra lojika, noho izany, dia ny hoe efa nitoe-jaza i Maria, fa efa bevohoka izy fony nandeha nitsidika an’i Elizabeta.
Amakiana toy izao ao amin’ny Lioka 1:56: “Ary Maria nitoetra teo amin’i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.” Io andininy io dia tsy manome kajy hentitra hamantarana ny andro marina amin’ny kalandrie. Hoy izy io hoe “tokony ho telo volana”, ka izany dia milaza an’i Elizabeta ho bevohoka sivy volana.
Rehefa avy nanampy an’i Elizabeta nandritra ny tapany farany tamin’ny naha-bevohoka azy i Maria, dia niainga mba hody tany aminy, tany Nazareta. Nety ho fantatr’i Maria fa rehefa ho avy hiteraka (an’i Jaona) i Elizabeta, dia mety hisy mpitsidika maro, ny sasany amin’ireo aza havana mihitsy. Izany dia mety hahasanganehana na hahasaikatsaikatra ho an’ny vehivavy tanora iray tsy nanam-bady, izay ny tenany koa dia bevohoka. Firy volana ny kibon’i Maria fony niainga nankany Nazareta izy? Koa satria nitoetra teo amin’i Elizabeta “tokony ho telo volana” izy, dia azo inoana fa i Maria dia teo amin’ny faran’ny fahatelo volana na teo amin’ny fiandohan’ny fahefa-bolana tamin’ny naha-bevohoka azy fony izy niverina tany Nazareta.