-
‘Mahareta Amin’ny Teniko’Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Febroary
-
-
16. a) Olona manao ahoana no mitovy amin’ilay tany feno tsilo? b) Inona ireo tsilo, araka ny fitantarana telo ao amin’ny Filazantsara?—Jereo ny fanamarihana ambany pejy.
16 Olona manao ahoana no mitovy amin’ilay tany feno tsilo? Manazava i Jesosy hoe: “Ireo . . . dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.” (Lioka 8:14) Toy ilay voa afafy sy ny tsilo miara-maniry eo amin’ilay tany, dia sady mandray ny tenin’Andriamanitra ny olona sasany no mandray ny “fahafinaretan’izao fiainana izao.” Afafy ao am-pony ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra, nefa misy zavatra hafa misarika ny sainy, ka mifaninana amin’io teny io. Mizarazara ny fony. (Lioka 9:57-62) Tsy manam-potoana firy àry izy ireo mba hisaintsainana lalina ny tenin’Andriamanitra sy hivavahana momba izany. Tsy mamaka tsara ao am-pony sy ao an-tsainy ny tenin’Andriamanitra, ka tsy mankasitraka lalina azy io izy. Izany anefa no ilaina mba hampiharana azy io hatrany. Mandresy tsikelikely ny zavatra ara-panahy ny zavatra tsy ara-panahy, ka ‘mangeja’ azy tanteraka mihitsy amin’ny farany.c Mampalahelo tokoa izany fiafaran’ny olona tsy tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izany!—Matio 6:24; 22:37.
17. Inona no ilaintsika hatao mba tsy ho voagejan’ireo zavatra oharina amin’ny tsilo isika?
17 Tsy ho voagejan’ny zava-manahirana sy ny fahafinaretan’ity tontolo ity isika, raha ataontsika eo amin’ny toerana voalohany ny zavatra ara-panahy. (Matio 6:31-33; Lioka 21:34-36) Tsy tokony hatao tsirambina mihitsy ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Baiboly. Raha tsorintsika araka izay azo atao ny fiainantsika, dia hanam-potoana bebe kokoa isika mba hisaintsainana tsara sy hivavahana. (1 Timoty 6:6-8) Mahazo valisoa avy amin’Andriamanitra ny mpanompony izay manao izany. Toy ny hoe mamongotra ireo tsilo amin’ilay tany izy ireo, mba hananan’ilay voa sakafo sy hazavana ary toerana malalaka kokoa hamokarany. Hoy i Sandra, izay 26 taona: “Rehefa misaintsaina ny soa azoko noho ny fahamarinana aho, dia mahatsapa fa tsy afaka manolotra zavatra sahala amin’izany mihitsy ity tontolo ity!”—Salamo 84:11.
-
-
‘Mahareta Amin’ny Teniko’Ny Tilikambo Fiambenana—2003 | 1 Febroary
-
-
c Araka ny fitantarana telo ao amin’ny Filazantsara, dia voagejan’ny zava-manahirana sy ny fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao ilay voa: “ny fiahiahiana izao fiainana izao”, “ny fitaky ny harena”, “ny filana ny zavatra hafa” ary “ny fahafinaretan’izao fiainana izao.”—Marka 4:19; Matio 13:22; Lioka 8:14; Jeremia 4:3, 4.
-