Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Hita fa Mpiara-belona Tsara Fanahy ny Samaritana Iray
TAMIN’NY andron’i Jesosy, dia tsikaritra avy hatrany ny fisian’ny fifandrafiana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa. Tafiditra tao amin’ny Mishnah jiosy mihitsy aza, tatỳ aoriana, ny lalàna iray izay nandrara ny vehivavy isiraelita mba tsy hanampy olona tsy Jiosy eo am-piterahana, satria, anisan’ny hampisy Jentilisa hafa iray eto amin’izao tontolo izao fotsiny, hono, izany. — Abodah Zarah 2:1.
Akaiky kokoa ny Jiosy ny Samaritana, raha oharina amin’ny Jentilisa, na ara-pivavahana izany na ara-pirazanana. Na dia izany aza, dia noheverina ho naloan’ny fiaraha-monina koa izy ireo. “Ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona. (Jaona 4:9). Nampianatra tokoa ny Talmoda fa “maloto kokoa noho ny nofon-kisoa ny sombi-mofo omen’ny Samaritana iray”. Nampiasain’ny Jiosy sasany ho toy ny teny fanamavoana sy fanabantiana mihitsy aza ny teny hoe “Samaritana”. — Jaona 8:48.
Rehefa heverina izany toe-javatra izany, dia tena ahitana fianarana ny tenin’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray izay nahay tsara ny lalàna jiosy. Nanatona an’i Jesosy ilay lehilahy ka nanontany hoe: “Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Rehefa namaly azy i Jesosy, dia nanintona ny sainy ho amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay mandidy ny ‘hitiavana an’i Jehovah amin’ny fo sy ny fanahy sy ny hery ary saina rehetra’, sy ny ‘hitiavana ny namana tahaka ny tena’. Nanontany an’i Jesosy avy eo ilay mpahay lalàna, ka nanao hoe: “Iza ary no namako?” (Lioka 10:25-29; Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:5). Araka ny filazan’ny Fariseo, dia ireo nitandrina ny lovantsofina jiosy ihany no niharan’ilay teny hoe ‘namana’ — azo antoka fa tsy nihatra tamin’ny Jentilisa na ny Samaritana. Raha nihevitra io mpahay lalàna be fanontaniana io fa hanohana izany fihevitra izany i Jesosy, dia ho gaga tokoa izy.
Samaritana iray be fangoraham-po
Fitantarana fanoharana iray no namalian’i Jesosy ny fanontanian’ilay lehilahy.a “Nisy lehilahy anankiray”, hoy izy, “nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko”. Tokony ho 23 kilaometatra ny elanelan’i Jerosalema sy i Jeriko. Niolikolika sy be vatolampy ny lalana mampifandray ireo tanàna roa ireo, hany ka mora ho an’ny mpangalatra ny niafina sy nanafika ary nandositra. Ny niafaran’ilay mpandeha tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy, dia izy “azon’ny jiolahy”, ka “nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty”. — Lioka 10:30.
“Sendra nisy mpisorona anankiray”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “nidina tamin’izany làlana izany; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.” (Lioka 10:31, 32). Ny mpisorona sy ny Levita dia mpampianatra ny Lalàna — anisan’izany ilay lalàna ny amin’ny tokony hitiavana ny namana. (Levitikosy 10:8-11; Deoteronomia 33:1, 10). Mihoatra noho ny olona rehetra, dia izy ireo tokoa no tokony ho nahatsiaro ho voatosika hanampy ilay mpandeha naratra.
Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy”. Ny firesahana momba ny Samaritana dia tsy isalasalana fa nahatonga ilay mpahay lalàna ho vao mainka ta hahafanta-javatra. Hankasitraka ny fanaovana tsinontsinona an’io firazanana io ve i Jesosy? Mifanohitra amin’izany fa rehefa hitan’ilay Samaritana ilay mpandeha nampalahelo, dia “onena” izy. Hoy i Jesosy: “Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin’ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin’ny tranom-bahiny, dia notsaboiny.b Ary nony ampitson’iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho.” — Lioka 10:33-35.
Tamin’izay dia nametraka izao fanontaniana izao tamin’ilay lehilahy nanontany azy i Jesosy: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” Fantatr’ilay mpahay lalàna ny valiny, saingy toa tsy te hilaza izy hoe “ilay Samaritana”. Namaly fotsiny izy hoe: “Ilay niantra azy”. Hoy i Jesosy avy eo: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.” — Lioka 10:36, 37.
Fianarana ho antsika
Ilay lehilahy nanontany an’i Jesosy dia nanao izany mba ‘hanamarinana ny tenany’. (Lioka 10:29). Nihevitra angamba izy fa hidera ny fifikirany fatratra tamin’ny Lalàn’i Mosesy i Jesosy. Nila nianatra ny fahamarinan’izao ohabolana ao amin’ny Baiboly izao anefa io olona nihevi-tena ho zavatra io: “Ataon’ny olona ho marina avokoa ny làlana rehetra alehany; fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.” — Ohabolana 21:2.
Asehon’ilay fanoharan’i Jesosy fa ny olona iray tena mahitsy dia tsy vitan’ny hoe mankatò ny lalàn’Andriamanitra fotsiny, fa manahaka ny toetrany koa. (Efesiana 5:1). Milaza amintsika, ohatra, ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 10:34). Manahaka an’Andriamanitra ve isika amin’io lafiny io? Asehon’ilay fanoharana mampientanentana nataon’i Jesosy fa tokony handresy ireo sakana ara-pirenena sy ara-kolontsaina ary ara-pivavahana ny fitiavantsika namana. Eny tokoa, ny Kristianina dia didiana mba “hanao soa amin’ny olona rehetra” — tsy amin’ny olona mitovy saranga na firazanana na firenena aminy ihany, na hoe amin’ny mpiray finoana aminy ihany. — Galatiana 6:10, izahay no manao sora-mandry.
Miezaka mafy hanaraka an’io fananaran’ny Soratra Masina io ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa misy loza araka ny natiora mamely, ohatra, dia manome fanampiana an’ireo mpiray finoana aminy sy ireo tsy Vavolombelona, izy ireo.c Fanampin’izany, dia mandany ora an’arivo tapitrisany maro isan-taona izy ireo amin’ny fitambarany, mba hanampiana olona ho tonga amin’ny fahalalana tsara kokoa ny Baiboly. Miezaka mafy izy ireo mba hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona rehetra, satria ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hoe “tokony ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. — 1 Timoty 2:4, NW; Asan’ny Apostoly 10:35.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanoharana dia tantara fohy iray, izay mazàna tsy tena misy, ary natao hanatsoahana fahamarinana ara-pitondran-tena na ara-panahy.
b Ny tranom-bahiny sasany tamin’ny andron’i Jesosy dia niharihary fa tsy vitan’ny hoe nanome fialofana fotsiny, fa nanome sakafo sy fikarakarana hafa koa. Mety ho izany ilay karazana toeram-pilasiana tao an-tsain’i Jesosy, satria ilay teny grika ampiasaina eto dia samy hafa amin’ilay adika hoe “efitrano filasiana” voalazan’ny Lioka 2:7 (NW ).
c Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1996, pejy faha-3-8, sy ny 15 Janoary 1998, pejy faha-3-7.