-
“Tsy Niteny Tamin’izy Ireo ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”“Andao Hanara-dia Ahy”
-
-
TOKO 12
“Tsy Niteny Tamin’izy Ireo ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”
1-3. a) Inona no tombontsoa tsy fahita firy nananan’ireo mpianatr’i Jesosy? Ahoana no nataony mba ho mora tadidin’izy ireo kokoa ny zavatra nampianariny? b) Nahoana no mora tadidy ny fanoharana mandaitra?
NANANA tombontsoa tsy fahita firy ireo mpianatr’i Jesosy niara-nanao dia taminy. Ilay Mpampianatra Lehibe mihitsy no nampianatra azy ireo. Nandre azy nanazava ny Tenin’Andriamanitra sy nampianatra fahamarinana tena mahafinaritra ireo mpianany ireo. Tsy maintsy niezaka nitadidy ireo teny sarobidy ireo sy nandrakitra izany tao am-pony izy ireo. Mbola tsy natao an-tsoratra mantsy ny tenin’i Jesosy tamin’izany.a Nampian’i Jesosy izy ireo mba ho mora tadidiny kokoa ny zavatra nampianarina azy. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny fomba fampianany, indrindra fa ny fahaizany nampiasa fanoharana.
2 Tsy mora hadino ny fanoharana mandaitra. Nomarihin’ny mpanoratra iray fa “mahatonga ny mpihaino ho afaka haka sary an-tsaina ny zavatra reny” ny fanoharana, ka toy ny hoe “hitan’ny masony ilay izy.” Tena mora amintsika ny mahataka-javatra, rehefa azontsika sary an-tsaina ilay izy. Noho izany, na ny hevitra saro-takarina aza dia lasa mora azo rehefa hazavaina amin’ny alalan’ny fanoharana. Mahatonga ny teny hisy heviny mazava tsara koa izy io, ka manjary tadidy foana ny lesona ampitaina amin’ilay izy.
3 Tsy nisy mpampianatra nahay nampiasa fanoharana toa an’i Jesosy Kristy mihitsy hatramin’izay. Mbola mora tadidy foana ireo fanoharana nataony hatramin’izao. Nahoana i Jesosy no nampiasa imbetsaka an’io fomba fampianatra io? Nahoana no tena nandaitra ny fanoharana nataony? Ahoana no azontsika ampiasana an’io fomba fampianatra io?
Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana?
4, 5. Nahoana i Jesosy no nampiasa fanoharana?
4 Lazain’ny Baiboly fa misy antony roa lehibe nampiasan’i Jesosy fanoharana. Voalohany, mba hanatanterahana faminaniana. Izao no vakintsika ao amin’ny Matio 13:34, 35: “Nanao fanoharana foana i Jesosy rehefa niresaka ... tamin’ny vahoaka. Tsy niteny tamin’izy ireo tokoa izy raha tsy tamin’ny fanoharana, mba ho tanteraka izay nasaina nolazain’ny mpaminany hoe: ‘Hanao fanoharana aho, ary hanambara zavatra nafenina hatrany am-piandohana.’” Ny mpanoratra ny Salamo 78:2 no mpaminany noresahin’i Matio. Nahazo herin’ny fanahy masina ilay mpanao salamo mba hanoratra an’io faminaniana io, taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Inona no dikan’izany? Taonjato maro mialoha, dia efa nanapa-kevitra i Jehovah fa hampiasa fanoharana ny Mesia rehefa mampianatra. Azo antoka àry fa tena sarobidy amin’i Jehovah io fomba fampianatra io.
5 Faharoa, nohazavain’i Jesosy fa nampiasa fanoharana izy mba hanavahana ny olona nanana fo “efa lasa donto.” (Matio 13:10-15; Isaia 6:9, 10) Fa nahoana ny fanoharan’i Jesosy no nampibaribary izay tao am-pon’ny olona? Tian’i Jesosy hangataka fanazavana ny mpihaino azy indraindray, mba hahazoan’izy ireo tsara ny teniny. Nanao izany ny manetry tena, fa tsy mba nanao izany kosa izay niavonavona sy tsy niraika. (Matio 13:36; Marka 4:34) Nampiharihary ny fahamarinana tamin’ireo nangetaheta izany àry ny fanoharan’i Jesosy, fa nanafina izany kosa tamin’ireo niavonavona.
6. Antony tsara inona avy no nahatonga an’i Jesosy hampiasa fanoharana?
6 Nisy antony tsara hafa koa nahatonga an’i Jesosy hampiasa fanoharana. Nahatonga ny olona ho liana sy hihaino izy ireny. Azo sary an-tsaina ilay izy ka mora azo. Nanampy ny mpihaino an’i Jesosy hitadidy izay nolazainy koa ny fanoharany, araka ny efa hitantsika. Tena mahavariana ny habetsahan’ny sarin-teny nampiasain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, ao amin’ny Matio 5:3–7:27. Misy teny an’ohatra 50 mahery ao amin’izy io, rehefa nisaina. Tadidio anefa fa voavaky ao anatin’ny 20 minitra eo ho eo izy io. Izany hoe hamaky teny an’ohatra iray ianao, isaky ny 20 segondra monja! Tsapan’i Jesosy tokoa fa tena ilaina ny mampiasa sarin-teny!
7. Nahoana isika no tokony hampiasa fanoharana, toa an’i Jesosy?
7 Tokony hanahaka ny fomba fampianatr’i Kristy koa isika mpanara-dia azy. Anisan’izany ny fampiasana fanoharana. Toy ny zavamanitra mahatonga ny sakafo hampilendalenda ny fanoharana mandaitra, satria mahatonga ny fampianarantsika hahaliana kokoa. Ary manjary mora kokoa amin’ny olona ny mahazo an’ireo fahamarinana tena lehibe, rehefa mampiasa sarin-teny voafidy tsara isika. Andeha hojerentsika akaiky ny antony sasany tena nampandaitra ny fanoharan’i Jesosy. Ho hitantsika amin’izay hoe ahoana no azontsika ampiasana an’io fomba fampianatra tena mahomby io.
Fampitahana tsotra
8, 9. Ahoana no nanaovan’i Jesosy fampitahana tsotra? Nahoana izy ireny no tena nandaitra?
8 Nanao fampitahana tsotra tamin’ny alalan’ny teny vitsivitsy monja i Jesosy matetika, rehefa nampianatra. Tsotra ireny teny ireny nefa azon’ny olona sary an-tsaina tsara, sady nahafantarany fahamarinana tena lehibe momba an’Andriamanitra. Niresaka momba ny “voro-manidina” sy ny “voninkazo eny an-tsaha”, ohatra, i Jesosy rehefa nampirisika ny mpianany mba tsy hanahy be loatra ny amin’izay ilainy isan’andro. Tsy mamafy na mijinja mantsy ny vorona, ary tsy manao kofehy na manenona ny voninkazo. Miahy azy ireny anefa Andriamanitra. Mora hita ilay lesona tiana hampitaina. Raha ny vorona sy ny voninkazo aza karakarain’Andriamanitra, dia azo antoka fa hokarakarainy ny olona ‘mikatsaka foana ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa.—Matio 6:26, 28-33.
9 Imbetsaka koa i Jesosy no nampiasa fampitoviana. Fampitahana ihany izy io fa mahery kokoa. Ampitoviny toy ny hoe iray ihany ny zavatra roa samy hafa. Nataony tsotra foana ilay izy. Hoy izy tamin’ny mpianany, indray mandeha: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” Azo antoka fa azon’ireo mpianatra ny hevitra tiana hampitaina tamin’ilay fampitoviana. Takatr’izy ireo fa tokony ho hita taratra amin’ny teniny sy ny ataony ny fahamarinana, toy ny fahazavana mamirapiratra. Amin’izay dia hanome voninahitra an’Andriamanitra ny hafa. (Matio 5:14-16) Nampiasa fampitoviana hafa koa i Jesosy, toy ny hoe: “Ianareo no siran’ny tany” sy ny hoe “Izaho no voaloboka dia ianareo no sampany.” (Matio 5:13; Jaona 15:5) Tsotra ireo teny an’ohatra ireo ka tena nisy heriny.
10. Milazà fanoharana sasany azonao ampiasaina rehefa mampianatra.
10 Ahoana no azonao ampiasana fanoharana rehefa mampianatra? Tsy mila mamorona tantara lava sy sarotra be ianao. Fampitahana tsotra fotsiny eritreretina. Aoka hatao hoe miresaka momba ny fitsanganan’ny maty ianao, ary te hampiasa fanoharana mba hanazavana fa tsy sarotra amin’i Jehovah ny manangana ny maty. Inona no fampitahana azonao ampiasaina? Ampitovina amin’ny torimaso ny fahafatesana ao amin’ny Baiboly. Azonao atao ny milaza hoe: “Mora amin’Andriamanitra ny manangana ny maty, toy ny mamoha olona matory ihany.” (Jaona 11:11-14) Ahoana indray raha te hampiasa fanoharana ianao, mba hanazavana fa mila fitiavana sy tambitamby ny ankizy raha tiana hivelatra tsara? “Toy ny tsimok’oliva” ny zanaka, hoy ny Baiboly. (Salamo 128:3) Afaka milaza ianao hoe: “Mila hazavana sy rano ny hazo. Toy izany koa fa mila fitiavana sy tambitamby ny ankizy.” Mora kokoa amin’ny olona ny mahazo ny hevitra tiana hampitaina, rehefa tsotra ny fampitahana.
Nalaina avy tamin’ny fiainana andavanandro
11. Noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony ny zavatra hitany nandritra ny fahazazany tany Galilia. Manomeza ohatra.
11 Tena nahay nampiasa fanoharana mahakasika ny fiainan’ny olona i Jesosy. Azo inoana fa nandinika ny fiainan’ny olona andavanandro izy nandritra ny fahazazany tany Galilia, ary hita taratra tao amin’ny fanoharana maro nataony izany. Eritrereto, ohatra, hoe efa impiry izy no nahita ny reniny nampiasa fikosoham-bary mba hanaovana lafarinina, na nanisy lalivay ny koba, na nandrehitra jiro, na namafa trano. (Matio 13:33; 24:41; Lioka 15:8) Azo antoka fa efa imbetsaka izy no nahita mpanarato nandatsaka ny haratony tao amin’ny Ranomasin’i Galilia. (Matio 13:47) Matetika koa angamba izy no nandinika ankizy nilalao teny an-tsena. (Matio 11:16) Azo antoka fa nahita zavatra hafa nahazatra ny olona izy ary nampiasainy tamin’ny fanoharana maro izy ireny. Anisan’izany ny famafazana voa, lanonam-panambadiana, ary voa masaka eny an-tsaha.—Matio 13:3-8; 25:1-12; Marka 4:26-29.
12, 13. Nahoana no tena nety ny niresahan’i Jesosy an’ilay lalana “avy tany Jerosalema ho any Jeriko” tao amin’ilay fanoharana nampiasainy?
12 Niresaka tsipiriany fantatry ny mpihaino azy tsara i Jesosy, tao amin’ny fanoharany. Toy izao, ohatra, no nanombohany ny fanoharana momba ilay Samaritanina tsara fanahy: “Nisy lehilahy iray nidina avy tany Jerosalema ho any Jeriko. Ary notafihin’ny jiolahy izy, ka nendahany sady novonovonoiny, dia nilaozany teo rehefa saika maty.” (Lioka 10:30) Tsara homarihina fa niresaka momba ny lalana “avy tany Jerosalema ho any Jeriko” i Jesosy, mba hanasongadinana ny hevitra tiany hampitaina. Tany Jodia, tsy lavitra an’i Jerosalema, izy tamin’ny fotoana nilazany an’io fanoharana io. Azo antoka àry fa fantatry ny mpihaino azy tsara ilay lalana noresahiny. Nalaza ho nampidi-doza io lalana io, indrindra ho an’ny olona nandeha irery. Nangingina sy niolakolaka mantsy izy io, ka nisy toerana maro azon’ny jiolahy niafenana.
13 Nampiasa tsipiriany hafa fantatry ny olona momba ilay lalana “avy tany Jerosalema ho any Jeriko” koa i Jesosy. Nilaza izy fa nisy mpisorona sy Levita nifandimby nandalo teo, nefa tsy nisy nijanona mba hanampy an’ilay lehilahy naratra. (Lioka 10:31, 32) Nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona, ary nanampy azy ireo ny Levita. Maro ny mpisorona sy Levita nonina tany Jeriko, rehefa tsy niasa tao amin’ny tempoly. Tsy nisy afa-tsy 23 kilaometatra no nanasaraka an’i Jerosalema sy Jeriko. Efa nahazatra àry ny nahita azy ireny nandalo tamin’io lalana io. Mariho koa fa nilaza i Jesosy hoe “nidina avy tany Jerosalema” ilay lehilahy, fa tsy niakatra. Fantatry ny mpihaino azy tsara izany. Avo toerana mantsy i Jerosalema raha oharina amin’i Jeriko, ka tsy maintsy “nidina” izay olona “avy tany Jerosalema.”b Hita amin’izany tokoa fa nieritreritra ny mpihaino azy foana i Jesosy.
14. Inona no hataontsika raha mieritreritra foana momba ny olona iresahantsika isika, rehefa mampiasa fanoharana?
14 Mila mieritreritra foana momba ny olona iresahantsika koa isika rehefa mampiasa fanoharana. Mila mitadidy zavatra sasany momba azy ireny isika, rehefa hifidy fanoharana. Inona avy izany? Anisan’izany ny taonany, ny kolontsainy na ny fianakaviana niaviany, ary ny asany. Mora kokoa amin’ny olona any ambanivohitra, ohatra, ny mahazo fanoharana momba ny fambolena, raha ampitahaina amin’ny olona any an-tanàn-dehibe. Azo ampiasaina mba hanaovana fanoharana mety tsara koa izay mahakasika ny fiainany andavanandro. Azo resahina, ohatra, ny momba ny zanany, ny tranony, ny fialam-boliny, ary ny sakafony.
Nalaina avy tamin’ny zavaboary
15. Nahoana no tsy mahagaga raha nahafantatra tsara ny zavaboary i Jesosy?
15 Hita amin’ny fanoharana maro nataon’i Jesosy fa mahafantatra zavaboary betsaka, toy ny zavamaniry sy ny biby izy. Nahafantatra momba ny toetrandro koa izy. (Matio 16:2, 3; Lioka 12:24, 27) Avy taiza no nahalalany an’ireny? Azo antoka fa nanam-potoana tsara handinihana ny zavaboary i Jesosy, nandritra ny fahazazany tany Galilia. Izy mihitsy koa no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” Ankoatra izany, dia “mpiasa tena mahay” nampiasain’i Jehovah tamin’ny famoronana ny zavatra rehetra izy. (Kolosianina 1:15, 16; Ohabolana 8:30, 31) Tsy mahagaga àry raha nahafantatra tsara ny zavaboary i Jesosy. Andeha hodinihintsika ny fahaizany nampiasa an’izany fahalalana izany.
16, 17. a) Inona no mampiseho fa tena nahafantatra tsara momba ny ondry i Jesosy? b) Hazavao amin’ny ohatra, fa mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy tokoa ny ondry.
16 Tadidio fa nilaza i Jesosy hoe “mpiandry tena tsara” izy, ary “ondry” ny mpanara-dia azy. Hita avy tamin’izay nolazainy fa tena nahafantatra tsara momba ny ondry izy. Fantany fa mifandray akaiky ny ondry sy ny mpiandry azy. Hitany fa matoky ny mpiandry azy ireny biby ireny ary vonona hanaraka azy any amin’izay itarihany azy, sady tsy mahafoy azy. Nahoana ny ondry no manaraka ny mpiandry azy? ‘Satria fantany ny feony’, hoy i Jesosy. (Jaona 10:2-4, 11) Mahafantatra ny feon’ny mpiandry azy tokoa ve ny ondry?
17 Nitantara ny zavatra hitany i George Smith, tao amin’ilay bokiny hoe Ny Jeografian’ilay Tany Masina (anglisy): “Niala sasatra kely teo akaikin’ny fantsakana jodianina izahay indraindray, rehefa antoandro. Nisy mpiandry ondry telo na efatra tonga avy any, niaraka tamin’ny andian’ondriny. Nifangaro teo ireo andian’ondry, ka nanontany tena izahay hoe ahoana no ahafantaran’ny mpiandry ondry tsirairay ny bibiny. Rehefa avy nisotro rano sy nilalao anefa ireo ondry, dia naka toerana samy hafa teo amin’ilay lohasaha ireo mpiandry ondry ary samy niantso ny ondriny araka ny fanaony avy. Nisaraka tamin’ireo andiany nifangaro àry ny ondrin’ny mpiandry tsirairay, ka nanatona ny mpiandry azy avy. Nandeha nilamina sahala amin’ny nahatongavany teo ihany ireo andian’ondry avy eo.” Tsy ho nahita fanoharana tsara noho io i Jesosy mba hanasongadinana ny hevitra tiany hampitaina: Hokarakarain’ilay “mpiandry tena tsara” isika, raha mahafantatra sy mankatò ny fampianarany ary manaiky ny fitarihany.
18. Aiza isika no mety hahita fanazavana momba ny zavaboarin’i Jehovah?
18 Ahoana no ahaizantsika mampiasa fanoharana nalaina avy tamin’ny zavaboary? Azontsika ampiasaina mba hanaovana fampitahana tsotra nefa mandaitra, ohatra, ny toetra mampiavaka ny biby. Aiza no mety hahitana fanazavana momba ny zavaboarin’i Jehovah? Ahitana fanazavana betsaka momba ny biby isan-karazany ao amin’ny Baiboly, ary ampiasainy amin’ny fanoharana indraindray ny toetran’izy ireny. Resahina ao amin’ny Baiboly, ohatra, ny hoe mahery mandeha toy ny gazela na leopara, malina hoatran’ny bibilava, ary tsy manan-tsiny hoatran’ny voromailala.c (1 Tantara 12:8; Habakoka 1:8; Matio 10:16) Maro koa ny fanazavana tsara ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary ny lahatsoratra sy video amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?” ao amin’ny jw.org/mg. Misy fampitahana tsotra momba ny zavaboary mahatalanjona maro nataon’i Jehovah ao amin’izy ireny. Afaka miana-javatra betsaka ianao rehefa mandinika azy ireny.
Nalaina avy tamin’ny zava-niseho fantatry ny mpihaino
19, 20. a) Ahoana no nampiasan’i Jesosy zava-nitranga vao haingana, mba hanaporofoana ny fahadisoan’ny zavatra iray ninoan’ny olona? b) Ahoana no azontsika ampiasana zavatra tena nisy na tantaran’olona, rehefa mampianatra?
19 Afaka mampiasa zavatra tena nisy koa isika mba hanaovana fanoharana mandaitra. Niresaka momba ny zava-nitranga vao haingana, ohatra, i Jesosy, mba hanaporofoana fa diso ilay fiheverana hoe matoa iharan-doza ny olona dia satria mendrika izany izy. Hoy i Jesosy: “Ary ireo olona 18 maty nianjeran’ny tilikambo tao Siloama? Mieritreritra ve ianareo fa meloka kokoa noho ny mponina rehetra ao Jerosalema ireny?” (Lioka 13:4) Tsy hoe maty akory ireo olona 18 ireo satria hoe nahatezitra an’Andriamanitra ny fahotana nataon’izy ireo. “Tratran’ny sampona” kosa izy ireo ‘tamin’ny fotoana tsy nampoizina.’ (Mpitoriteny 9:11) Nampiasa zava-nitranga fantatry ny olona tsara àry i Jesosy, mba hanaporofoana ny fahadisoan’ny fampianarana iray.
20 Ahoana no azontsika ampiasana zavatra tena nisy na tantaran’olona, rehefa mampianatra? Aoka hatao hoe miresaka momba ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fahatanterahan’izany ianao. (Matio 24:3-14) Azonao resahina ny vaovao farany momba ny ady, mosary, na horohoron-tany, mba hanaporofoana fa tanteraka ireo lafiny samihafa amin’ilay famantarana. Ahoana indray raha tianao ny hitantara fiainan’olona nanao fiovana mba hitafiana toetra vaovao? (Efesianina 4:20-24) Aiza no mety hahitanao izany? Azonao resahina ny tantaran’ireo mpiray finoana aminao, izay samy manana ny zavatra niainany. Afaka miresaka fitantarana ao amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ianao, na avy ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly” ao amin’ny jw.org/mg.
21. Inona no valisoa ho azon’izay mahay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra?
21 Mpampianatra Tena Mahay tokoa i Jesosy! Hitantsika tato amin’ity fizarana ity fa ny ‘fampianarana sy ny fitoriana ny vaovao tsara’ no tena nimasoany. (Matio 4:23) Izany koa no tena imasoantsika. Mandray valisoa lehibe ny olona mahay mampianatra. Manome ho an’ny hafa isika rehefa mampianatra, ka sambatra. (Asan’ny Apostoly 20:35) Sambatra isika satria mizara zavatra izay tena hahasoa ny olona mandrakizay, dia ny fahamarinana momba an’i Jehovah. Faly koa isika satria manaraka ny modelin’i Jesosy, ilay Mpampianatra niavaka indrindra teto an-tany.
a Toa ny Filazantsaran’i Matio no fitantarana voalohany nampanoratin’Andriamanitra momba ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Valo taona taorian’ny nahafatesany no nanoratana azy io.
b Nilaza koa i Jesosy fa “avy tany Jerosalema” ilay mpisorona sy ilay Levita, izany hoe niala avy tany amin’ny tempoly. Tsy azo nalan-tsiny àry izy ireo, rehefa tsy niraharaha an’ilay lehilahy naratra. Tsy nisy afaka nilaza mantsy hoe tsy sahy nikasika an’ilay olona izay toy ny efa maty izy ireo, sao tsy ho afaka hanompo any amin’ny tempoly aorian’izay.—Levitikosy 21:1; Nomery 19:16.
c Misy fanoharana maro hafa ao amin’ny Baiboly mampiasa ny toetran’ny biby. Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1, pejy 316, 318-319, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.