-
Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
-
-
4 Hoy i Jesosy: “Iza aminareo moa no mana-namana, ary hankany aminy amin’ny misasakalina, ka hanao hoe: ‘Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza, fa misy namako tonga ao amiko avy tany amin’ny nalehany, nefa tsy manana haroso azy aho’?
-
-
Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2006 | 15 Desambra
-
-
Nohazavainy koa anefa hoe nahoana isika no tokony hanao izany. Mba hahazoantsika tsara an’ilay lesona, dia hojerentsika aloha hoe ahoana no niheveran’ireo olona nihaino an’i Jesosy ny fahaiza-mandray vahiny. Asehon’ny fitantarana maro ao amin’ny Soratra Masina fa fomban’ny olona fahiny ny mikarakara vahiny, ary tena noheverina ho zava-dehibe izany, indrindra teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Genesisy 18:2-5; Hebreo 13:2) Nanala baraka ny tsy fahaiza-mandray vahiny. (Lioka 7:36-38, 44-46) Eo am-pieritreretana izany, dia andeha hojerentsika indray ilay fanoharan’i Jesosy.
7. Nahoana no tsy menatra ny hanaitra ny namany ilay lehilahy nanam-bahiny, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?
7 Tonga vahiny tamin’ny misasakalina ilay lehilahy resahin’ilay fanoharana. Fantany fa mila mandroso sakafo ho an’ny vahininy izy, nefa ‘tsy nanana haroso azy.’ Tsapany àry fa tsy maintsy nanao zavatra avy hatrany izy! Tsy maintsy nanao izay hahitana mofo izy, na ahoana na ahoana. Nankany amin’ny namany àry izy, ary tsy menatra fa nanaitra azy. Niantso toy izao izy: “Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza.” Nikiry nangataka izy mandra-pahazony izay nilainy. Tsy azo lazaina ho mahay mandray vahiny mantsy izy, raha tsy azony ireo mofo ireo.
Tsy hitsahatra ny hangataka ny fanahy masina isika, raha tena mila azy io
8. Inona no handrisika antsika haneho fikirizana, rehefa mangataka ny fanahy masina amin’ny alalan’ny vavaka?
8 Raha io fanoharana io no jerena, nahoana isika no tokony ho be fikirizana rehefa mangataka izay ilaintsika amin’Andriamanitra? Tsy nitsahatra nangataka an’ilay mofo ilay lehilahy, satria fantany fa tena nilainy izany mba hanefany ny adidiny. (Isaia 58:5-7) Tsy ho azo lazaina ho mahay mandray vahiny izy, raha tsy izany. Azo oharina amin’io lehilahy io isika Kristianina. Fantatsika fa tena mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba hanatanterahana ny fanompoantsika. Mangataka an’io fanahy io foana àry isika, rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Zakaria 4:6) Tsy hahomby isika raha tsy manana azy io. (Matio 26:41) Mazava aminao ve ny hevi-dehibe azontsika raisina avy amin’ilay fanoharana? Haneho fikirizana kokoa isika hangataka ny fanahin’Andriamanitra, raha heverintsika ho zavatra tena ilaintsika maika izy io.
9, 10. a) Hazavao amin’ny ohatra ny antony ilantsika fikirizana rehefa mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, ary nahoana?
9 Andeha isika haka ohatra amin’ny androntsika. Eritrereto hoe marary amin’ny misasakalina ny olona iray ao amin’ny ankohonanao. Hanaitra dokotera ve ianao mba hangataka fanampiana? Tsy hanao izany ianao raha tsy dia atahorana ilay aretina. Raha aretim-po mafy anefa ilay izy, dia azo inoana fa tsy ho menatra hiantso dokotera ianao. Nahoana? Satria ilaina maika izany. Fantatrao fa tsy maintsy mila fanampian’ny olona iray mahay ianao. Mety ho faty ilay marary, raha tsy izany. Azo lazaina ho mila fanampiana maika koa ny Kristianina, isan’andro. “Mandehandeha tahaka ny liona mierona” mantsy i Satana, ary mitady handrapaka antsika. (1 Petera 5:8) Tena mila ny fanampian’Andriamanitra isika mba ho velona hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, izany hoe mba hifandray aminy foana. Mety ho faty ara-panahy isika raha tsy izany. Mila tsy mitsahatra mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra àry isika, sady haneho fahasahiana rehefa manao izany. (Efesianina 3:14-16) Izany ihany no hananantsika hery ‘hiaretana hatramin’ny farany.’—Matio 10:22; 24:13.
-