-
Matahora an’i Jehovah, ilay mpihaino vavakaNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aogositra
-
-
Izany no nanohizan’i Jesosy toy izao: “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahin’ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahiny hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? Ary raha angatahiny atody, no hanome azy maingoka? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:11-13)
-
-
Matahora an’i Jehovah, ilay mpihaino vavakaNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Aogositra
-
-
Mitovy amin’ny hazandrano ny karazana menarana sasany, ary misy maingoka fotsy madinika izay mitovitovy amin’ny atody. Karazan-dray manao ahoana anefa no hanome ny zanany vato, menarana na maingoka raha angatahiny mofo, hazandrano na atody?
18 Nanaraka izany, i Jesosy dia nampitaha ireo zavatra ataon’ny ray eto an-tany iray amin’izay ataon’Andriamanitra amin’ireo mpanompony mahaforona ny Fianakaviany. Raha toa isika, na dia manana ambaratongam-paharatsiana noho ny fahotana nolovana aza, ka manome fanomezana tsara ny zanatsika, dia tokony hanao ahoana moa ny fanantenantsika ny hanomezan’ny Raintsika any an-danitra ny fanomezana tsara dia tsaran’ny fanahiny masina an’ireo mpanompony mahatoky izay mangataka izany amim-panetren-tena!
19. (a) Inona no asehon’ireo tenin’i Jesosy mazava voarakitra ao amin’ny Lioka 11:11-13 sy ao amin’ny Matio 7:9-11? (b) Raha tarihin’ny fanahy masina isika, hanao ahoana ny fiheverantsika ny fitsapana mahazo antsika?
19 Ireto tenin’i Jesosy dia mampiseho mazava fa tokony hangataka amin’Andriamanitra mihoatra noho ny Fanahiny masina isika. Raha tarihin’io fanahy io isika, dia tsy ‘himenomenona ny amin’izay manjo antsika eo amin’ny fiainana’, ka hihevitra fa tena mampahory ireo fitsapana sy fahadisoam-panantenana mahazo antsika. (Joda 16, MN ) Marina fa “ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana”, ka maro be no maty tsy nahita ny faran’ireo zava-nanahirana na alahelo lalina nanjo azy. (Joba 14:1) Aoka anefa isika tsy hihevitra na oviana na oviana ireo fitsapana mahazo antsika ho toy ny vato, sy menarana ary maingoka avy any amin’ilay Mpihaino vavaka. Izy no fampisehoana mivantana ny fitiavana ary tsy maka fanahy na iza na iza amin’ny ratsy izy. Manome antsika ‘ny fanomezan-tsoa sy ny fanomezana tanteraka rehetra’ kosa izy. Ary amin’ny farany, dia hataony tsara avokoa ny fiainan’izay rehetra tia sy matahotra azy. (Jakoba 1:12-17; 1 Jaona 4:8) Ireo izay tao anatin’ny fahamarinana nandritra ny taona maro dia mahafantatra tsara fa, noho ny fiasan’ny vavaka nataony sy ny finoany, ny sasany tamin’ireo fitsapana mafy indrindra dia niova ho fahasoavana ho azy ary nampitombo ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. (3 Jaona 4) Raha ny marina, misy fomba tsara kokoa noho izany ve mba hahafahantsika mianatra ny miankina amin’ilay Raintsika any an-danitra sy mba hahazoana fanampiana amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena? — Galatiana 5:22, 23, MN.
-