-
‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
10 Efa be dia be ny olona tonga talohan’i Josefa sy Maria, ka tsy nisy efitranom-bahiny nalalaka intsony.b Tany anaty trano fatorian’ny biby fiompy sisa no mba azon’izy mivady naleha. Vao tonga kelikely tao anefa ry zareo, dia nihetsi-jaza i Maria, sady nihananaintaina foana! Azo antoka fa niady saina be i Josefa hoe ao ve ny vadiny no hiteraka!
11. a) Nahoana ny ankamaroan’ny vehivavy no mahatsapa tsara ny fijalian’i Maria? b) Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “lahimatoa”?
11 Na iza na iza vehivavy efa niteraka, dia mahatsapa tsara ny fijalian’i Maria. Efa nilaza mantsy i Jehovah, 4 000 taona teo ho eo talohan’io, fa hanaintaina ny vehivavy rehefa miteraka, satria nandova ota. (Gen. 3:16) Ary azo antoka fa izany koa no nahazo an’i Maria, na dia tsy noresahin’i Lioka aza izany. Hoy fotsiny izy: “Niteraka ny zanany lahimatoa izy.” (Lioka 2:7) “Lahimatoa” tokoa i Jesosy satria mbola nanan-jandry enina izy, fara fahakeliny. (Mar. 6:3) Hafa mihitsy anefa i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe zanak’i Maria lahimatoa izy, fa “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” koa sady zanak’i Jehovah lahitokana!—Kol. 1:15.
12. Taiza no nampatorin’i Maria ilay zazakely, ary nahoana no diso hevitra momba an’ilay izy ny olona?
12 Izao no tohin’ilay tantara: ‘Nofehezin’i Maria lamba ilay zaza, ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona.’ (Lioka 2:7) Malaza be io tantara io, ary hatsaratsarain’ny olona be rehefa lalaovina an-tsehatra, na atao hoso-doko na sarivongana. Tadidio anefa fa tao anaty trano fatorian’ny biby fiompy izy telo mianaka tamin’izay, matoa nisy fihinanam-bilona tao. Toerana maloto izany sady mamofona. Tsy toerana hoatr’izany mihitsy no tian’ny ray aman-dreny hahaterahan’ny zanany, fa izay tsara indrindra. Azo antoka fa ho nankany amin’ny trano tsara lavitra i Josefa sy Maria, raha azony natao, indrindra hoe Zanak’Andriamanitra ilay zaza!
13. a) Inona no nataon’i Josefa sy Maria na dia tsy nanan-javatra betsaka aza? b) Inona ny zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny kristianina?
13 Tsy nitsetra tena anefa izy ireo, fa izay nisy teo no nampiasainy. Mariho fa i Maria mihitsy no namehy lamba an’ilay zaza sy nampatory azy teo amin’ny fihinanam-bilona. Hafana tsara sy ho voaro izy amin’izay. Tsy niferinaina be i Maria, fa nanao izay azony natao mba hikarakarana an-janany. Fantatr’izy mivady rahateo fa tsy izany fotsiny no ilain’ilay zaza. Mila ampianarina ho tia an’i Jehovah koa izy, ary izany no zava-dehibe indrindra. (Vakio ny Deoteronomia 6:6-8.) Inona àry no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny ray aman-dreny kristianina? Ny hampianatra ny zanany ho tia an’i Jehovah, na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza ny olona manodidina azy ireo.
-
-
‘Nandinika Lalina tao Am-pony Izy’Tahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
b Nisy efitranom-bahiny isan-tanàna, mba handraisana mpanao dia lavitra.
-