Vaovao tsara ho an’ny olona rehetra
“ARY hitako fa, indro nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara [vaovao tsara, MN ] mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” (Apokalypsy 14:6). Tamin’ireo teny ireo no nilazalazan’ny apostoly Jaona be taona ny fahitany ara-paminaniana azo tamin’ny tsindrimandry, izay tanteraka amin’izao androntsika izao. Fanamaivanana toy inona moa ny mahafantatra fa misy vaovao tsara amin’izao fotoana fitomboan’ny heloka bevava, ny fandotoana, ny fampihorohoroana, ny ady ary ny fivadibadihan’ny toe-karena izao! Kanefa vaovao inona moa no mety ho tsara toy izany ka mila anjely iray hanambara azy? Vaovao inona moa no mety ampy hahafaly ka mendrika ny hambara amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra?
Afaka mamaly izany isika raha mitodika indray any amin’ny fisehoan-javatra hafa fony nanambara manokana vaovao tsara ny anjely iray. Izany dia teo am-pifaranan’ny taonjato voalohany talohan’ny fanisan-taona iraisana, efa ho zato taona talohan’ny nahazoan’i Jaona ilay fahitany. Tany an-tsaha niaraka tamin’ireo andian’ondriny ireo mpiandry ondry, teo akaikin’i Betlehema, raha niseho ny anjely iray nilaza ny amin’ny hahaterahan’i Jesosy ka nanao hoe: “Indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” — Lioka 2:10, 11.
Tena “teny soa mahafaly” tokoa ny fahaterahan’i Jesosy. Nihalehibe izy ary tonga ilay Kristy sy Mpamonjy nampanantenaina izay nanome ny fiainan’olombelona lavorary nananany mba hahafahan’ny mpino tso-po ho velona. Mihoatra noho izany aza fa tokony ho tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, ho “Andrian’ny fiadanana” izay eo ambanin’ny fitondrany no hahitan’ny olombelona ny rariny sy ny fiadanana (Isaia 9:5; Lioka 1:33). Marina tokoa fa ny fahaterahan’i Jesosy dia vaovao tsara mendrika ny hambaran’ny anjely iray!
Mpanjaka i Jesosy
Tamin’ny taonjato voalohany, i Jesosy dia nahatanteraka maro be tamin’ireo fikasan’Andriamanitra ny aminy, saingy tsy mbola nahazo fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy. Araka ny nasehon’ity gazety ity matetika, izany dia tsy nitranga raha tsy tamin’ny taona 1914. Araka ny asehon’ny fahatanterahan’ny faminaniana mazava, ny Fanjakan’Andriamanitra dia niorina tany an-danitra tamin’io taona io (Apokalypsy 12:10, 12). Na dia nisy vaovao ratsy dia ratsy aza tamin’ny 1914, dia ny fipoahan’ny Ady Lehibe voalohany, ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ny tsara indrindra amin’ny vaovao. Izany no nahatonga an’i Jesosy haminany ny amin’izao androntsika izao hoe: “Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” — Matio 24:14, MN.
Tanteraka ve io faminanian’i Jesosy io? Izany dia izany tokoa. Tanteraka koa ny fahitana ara-paminanian’i Jaona. Marina fa tsy afaka hahita ilay anjely tsy hita maso hitan’i Jaona isika. Kanefa ny Vavolombelon’i Jehovah dia hitan’ny maso tokoa noho izy ireo nanambara ampahibemaso ny vaovao tsaran’ilay anjely “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra.” Re tany amin’ny tany sy nosy 212 ny feon’izy ireo. Ary vahoaka maro be no mandray tsara ny hafatra entin’izy ireo. Ny fanandraman-javatra hitan’ny sasantsasany aminy dia hampiseho marina tokoa ny maha-tena tsara ny vaovao ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.