-
“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Aogositra
-
-
Nanapa-kevitra izy fa harodany ireo trano ireo, ary hanorina trano lehibe kokoa izy mba hametrahana ny vokatra azony sy ny zava-tsoany rehetra. Nihevitra izy fa hilamina amin’izay ny fiainany ary afa-po izy, ka nanao anakampo hoe: “Hilaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.’ ”—Lioka 12:19.
Fa nahoana no hoe “tsy misaina”?
8. Inona no zava-dehibe tsy noraharahain’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?
8 Nasehon’i Jesosy anefa fa tsy tena nampilamina ny fiainan’ilay lehilahy ny vahaolana hitany. Marina fa hoatran’ny hahomby ilay izy, kanefa nisy zava-dehibe tsy noraharahainy, dia ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany izy, ka ny hiala sasatra, hihinana, hisotro ary hifaly ihany no tao an-tsainy. Nihevitra izy fa hiaina mandritra ny “taona maro”, satria nanana “zava-tsoa maro.” Nampalahelo anefa fa tsy araka ny nantenainy ny zava-nitranga. Nilaza tokoa i Jesosy fa “na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15)
-
-
“Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Aogositra
-
-
10. Nahoana no tsy voatery hiaina mandritra ny “taona maro” isika, na dia manana “zava-tsoa maro” aza?
10 Mila saintsainintsika tsara izany lesona izany. Mety hitovy amin’ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana ve isika? Miasa mafy ve isika mba hahazoana “zava-tsoa maro”, nefa tsy manao izay tokony hatao mba hiainana mandritra ny “taona maro”? (Jaona 3:16; 17:3) Hoy ny Baiboly: “Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andro fahatezerana”, ary “izay matoky ny hareny dia ho lavo.” (Ohabolana 11:4, 28)
-