Hatsaran-tarehy Izay Tsy Mety Malazo
“MANJAVONA ny hatsaran-tarehy; mandalo ny hatsaran-tarehy”, hoy ny fanamarihan’ilay poety atao hoe Walter De la Mare. Izany tokoa no izy raha ny amin’ilay vonin-draiketa kanto aoka izany eto amin’ny sary. Malazo vetivety ny voninahiny.
Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra kristiana: “Ho levona tahaka ny vonin’ny ahitra izy [ny manan-karena]. Fa miposaka ny masoandro mbamin’ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no ho fahalazon’ny manan-karena amin’ny alehany.” — Jakoba 1:10, 11.
Eto amin’ity tontolo tsy azo antoka ity, dia mety hanjavona tampoka ny harena. Ankoatra izany, ny mpanankarena — toy ny olon-kafa rehetra — dia ‘vitsy andro, tahaka ny voninkazo’. (Joba 14:1, 2). Nilaza ilay fanoharana momba ny lehilahy iray izay sahirana nanangona harena mba hahafahany hihaminkamina sy hankafy ny fiainana, i Jesosy. Rehefa nihevitra anefa izy io fa nanana ny zava-drehetra nilaina ho amin’ny fiainana tsy nampirotoroto, dia maty izy. Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” — Lioka 12:16-21.
“Manan-karena ny amin’Andriamanitra”. Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’izany? Ny olona manankarena amin’izany lafiny izany dia manana “harena any an-danitra” — laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy malazo na oviana na oviana ny harena toy izany. (Matio 6:20; Hebreo 6:10). Tsy toy ny voninkazo izay mihamalazo ny olona toy izany, fa ampitahain’ny Baiboly amin’ny hazo iray, izay manan-dravina tsy mety malazo. Ary mahazo antoka isika fa “ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa”. — Salamo 1:1-3, 6.