Manome voninahitra an’Andriamanitra ilay Paradisa tafaorina indray
“Hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.” — ISAIA 60:13.
1, 2. a) Inona no nambaran’Andriamanitra mikasika ny tany tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny? b) Fahitana toy inona no eo anoloan’ny masontsika raha mijery arivo taona amin’ny hoavin’olombelona isika?
MIHEVITRA ny tany noforoniny ho toy ny planeta ametrahany ny tongony, ho fitoeran-tongony ara-panoharana, i Jehovah. Nambarany tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny fa ‘hasiany voninahitra ny fitoeran-tongony’. (Isaia 60:13.) Noho ny Baiboly, boky ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, isika dia afaka mahita, toy ny amin’ny masolavitra mahery, arivo taona amin’ny hoavin’olombelona. Sary kanto no mivelatra eo anoloan’ny masontsika: mamirapiratry ny hatsaran-tarehy ny tany noho ny fikarakaran’ilay Mpanao zaridaina lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Tafaorina hatrany amin’ny faran’ny bolantany ny Paradisa ho fahasambaran’ny olombelona.
2 Eny tokoa, mikendry fahasambarana faran’izay betsaka ho an’ny olombelona ilay Andriamanitra avo indrindra izay nametraka ny olona tao amin’ny saha paradisa tany am-boalohany. Mpamorona be fitiavana re izany! Tsy tafahoatra ny filazana ny aminy hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8, 16). Ao amin’ilay Paradisa tafaorina dia miara-monina toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy mifankatia ireo lehilahy sy vehivavy matotra sady tanteraka (Isaia 9:5). Atosiky ny fitiavana, izy ireo ka manolotra fanekena tanteraka an’ilay Mpamorona be voninahitra ny lanitra sy ny tany, dia i Jehovah Andriamanitra.
3, 4. a) Hanan-javatra iombonana inona ny lanitra sy ny tany? b) Inona no hataon’ireo anjely rehefa ho tafaorina indray eto an-tany ny Paradisa?
3 An’arivony taona maro lasa izay, tao amin’ny filazalazana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra mikasika ny faritra anapahany, dia nanao izao fanambarana manakoako izao tamin’ny vahoaka voafidiny Andriamanitra: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro.” (Isaia 66:1). Ny voninahitra mamirapiratry ny ‘fitoeran-tongony’, ny Paradisa an-tany, dia tokony hifanentana ara-drariny amin’ny an’ny seza fiandrianany any amin’ny faritra tsy hita maso.
4 Tamin’ny fotoana namoronana ny tany, dia nandinika an’io planeta io ireo zavaboary nanompo teo anilan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra tany an-danitra. Tsy maintsy ravoravo izy ireo teo am-pibanjinana ny famirapiratany be voninahitra! Ataony ahoana no tsy hihira amim-pifaliana? (Jereo Zefania 3:17, Darby; Salamo 100:2.) Nanome tsindrimandry ny iray tamin’ireo mpanompony ilay Mpamorona afa-po sady sambatra mba hanoratany izao filazalazana marina ny amin’izay nitranga tany an-danitra izao: “Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra.” (Joba 38:7). Mbola hahery lavitra ihany ny fihobiana hataon’ireo zanaka anjely ireo ho voninahitr’Andriamanitra, rehefa ho tafaorina indray ny Paradisa.
5. Tokony hahatonga fihetseham-po inona ao amintsika ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany?
5 Mampahery tokoa ny mamaky ao amin’ny Soratra Masina ara-tsindrimandrin’Andriamanitra fa hatrany am-boalohany indrindra Jehovah Andriamanitra dia nikendry ny hahatonga ny tany ho paradisa. Ara-dalàna ny anantenana fa hitondra ny fikasany ny amin’ny tany ho amin’io fahombiazana malaza hahafaly sy hanosika hidera azy io ilay Andriamanitra mitombo voninahitra sady manana fiandrianana tsy mahatanty kilema. Ho azy anie ny fiderana rehetra! — Salamo 150:1, 2; Isaia 45:18; Apokalypsy 21:3-5.
Mandray anjara amin’ny famerenana ny Paradisa ireo tafatsangana amin’ny maty
6. Amin’ny fomba ahoana no hamenoana ny tany aorian’ny Haramagedona?
6 Ho vitsy ihany ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona, nefa tsy ny taranany ihany akory no hameno ny tany. ‘Hanisy voninahitra ny fitoeran-tongony’ koa i Jehovah amin’ny famerenana ho amin’ny fiainana indray ireo izay ao amin’ny fasam-pahatsiarovana ka handray ireo soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy. Raha ny amin’ireo hatsangana amin’ny maty kosa, izy ireo dia hanana tombontsoa handray anjara amin’ilay asa mahavariana izay hatao mba hanovana ny bolantany ho paradisa kanto tsy hanam-paharoa. — Asa. 24:15.
7. Teny inona nambaran’i Jesosy no ho ao an-tsain’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona?
7 Ho ao an-tsain’ireo ho tafita velona mandrakariva ireto teny mampihetsi-po notononin’i Jesosy Tompo indray andro ireto: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [fasam-pahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy.” (Jaona 5:28, 29). Ho fotoana hahatalanjona tokoa rehefa hanomboka handre ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ireo maty avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovana misy azy! Handefa ho azy ireo fanasana toy ny tamin’i Lazarosy izay nilevina tao amin’ny fasana iray tany Betania izy: “Ry Lazarosy, mivoaha!” — Jaona 11:43.
8, 9. Iza no azo inoana fa hatsangana voalohany ho amin’ny fiainam-baovao eto an-tany? Fifaliana toy inona no ho tsapan’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona amin’izay?
8 Mandritra ny Fanjakana arivo taona an’i Jesosy Kristy, sady avy amin’ny Baikony, iza moa no azo inoana fa ho voalohany amin’ireo hatsangana ho amin’ny fiainam-baovao eto an-tany? Ara-drariny raha ho ireo “ondry hafa” maty nandritra ny andro farany ho an’izao fandehan-javatra izao izany. Hatsangana aloha kokoa izy ireo (Jaona 10:16). Azo inoana fa ho mora kokoa amin’izy ireo ny hizatra amin’ny fianana ao amin’izao tontolo izao vaovao. — Jereo Matio 25:34; Jaona 6:53, 54.
9 Ho lehibe ny fifalian’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona rehefa hahita ny fitsanganan’ireo “ondry hafa’ maty nandritra ny taranaka nialoha ny “fahoriana lehibe” izy. (Matio 24:21.) Hamantatra azy ireny mora foana izy ireo, handray azy ary hanompo hatrany an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra amim-piraisan-kina miaraka aminy.
10. Raha ho tafita velona amin’ny Haramagedona ianao dia mety ho vavolombelona ny amin’inona?
10 Raha tafita velona amin’ny Haramagedona ianao, dia angamba ho vavolombelona amin’ny fananganana ny voalohany amin’ireo anisan’ny fianakavianao. Moa ve ny fihetsikao ho hafa kokoa noho ny an’ireo ray aman-dreny nihetsi-po fatratra rehefa natolotr’i Jesosy azy ny zanany 12 taona izay vao novelominy? “Ary niaraka tamin’izay dia talanjona indrindra ny olona.” (Marka 5:42). Azo antoka fa hahatsapa fifaliana tsy hay lazaina ianao rehefa hatsangana ireo maty voatana tao amin’ny Hadesy sy tao anaty ranomasina (Apokalypsy 20:13). Eny ho andro halaza izany ary tena akaiky!
“Mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”
11, 12. a) Inona no soritan’ny Salamo 45:16? b) Eo amin’ny lehilahy toy inona no hifidianan’i Jesosy Kristy Mpanjaka ireo izay hotendreny ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”?
11 Amin’ny fampiasany ny fahefany hanangana ny maty izay nanolorany ny ain’olombelona tanteraka nananany ho sorom-panavotana, dia ho azon’i Jesosy atao izay hahatanteraka ny Salamo 45:16. Milaza ara-paminaniana amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka nahazo fiandrianana io Salamo io manao hoe: “Ho solon-drainao [eto an-tany] ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ny tany rehetra izy.” Soritan’io Salamo io fa ho ray any an-danitra ho an’ny zanaka eto an-tany i Jesosy Kristy ary hanendry ny sasany aminy ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”. Amin’ny maha-“zanak’i Davida” sy lahimatoan’i Maria virijiny jodiana azy, Jesosy dia nanana firazanana olombelona izay tonga hatrany amin’i Adama, ilay ray voalohany. — Lioka 3:23-38.
12 Te-hilaza ve io Salamo 45:16 io fa ireo razamben’i Jesosy ara-nofo dia ho tonga zanany rehefa hanangana azy izy? Eny. Midika koa ve io andininy io fa satria taranany izy dia haneho fiangarana manokana amin’izy ireo i Jesosy Mpanjaka ka tsy hanendry afa-tsy ireo ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra” lasa Paradisa? Tsia; raha toy izany no tokony hahatanterahan’io faminaniana io dia ho voafetra ihany ny isan’ireo ho “mpanapaka” amin’ny tany rehetra. Ankoatra izany dia tsy niavaka avokoa akory ny razamben’i Jesosy rehetra ka ho mendrika hanana toerana ambony eto an-tany mandritra ny Fanjakany arivo taona. Ankoatra ireo razambeny teto an-tany, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka dia hanendry ho “mpanapaka” lehilahy tsy tambo isaina — lehilahy mahay eo amin’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona sy ireo “ondry hafa” natsangana, anisan’izany ireo lehilahy nanam-pinoana talohan’ny fotoan’ny kristianisma. Amin’ireo lehilahy rehetra ireo no hifidianany ireo ho mendrika hitana ny toeran’ny mpanapaka amin’ny maha-solontenany eto an-tany.
13, 14. Hanana tombontsoa hahita maso an’iza amin’ireo hitsangana amin’ny maty moa ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona?
13 Aoka isika hieritreritra ny amin’ireny lehilahy izay miandry ny fitsanganana eo ambanin’ny Fanjakana mesianika ireny. Mety hisy ve izany? Indro i Abela, ilay maritiora voalohany, sy i Enoka izay niara-nandeha hatrany tamin’ilay Andriamanitra marina. Indro koa i Noa ilay nanamboatra ny sambo fiara sy Abrahama ary Isaka sy Jakoba razamben’ny firenen’Isiraely. Inty i Mosesy (avy amin’ny fokom-pisoronan’i Levy) sy i Davida izay nifanaovana fanekena mandrakizay momba ny Fanjakana. Ary iretsy ry Isaia sy Jeremia sy Ezekiela ary Daniela mbamin’ireo mpaminany hebreo hafa rehetra izay nanoratra boky ao amin’ny Baiboly ka ny farany dia i Malakia. Farany, dia indreo i Jaona mpanao batisa sy Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy.
14 Indray andro i Jesosy dia nilaza tamin’ny Jiosy hoe: “Raha mahita an’i Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra hianareo, fa ny tenanareo kosa dia voaroaka any ivelany.” (Lioka 13:28). Ny “olona betsaka” ho tafita velona eto an-tany amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” dia hanana tombontsoa hahita maso an’i “Abrahama sy Isaka sy Jakoba ary ny mpaminany rehetra” hovelomina indray ao amin’ny Paradisa eto an-tany ary hanatanteraka asam-panjakana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy ilay “Ray mandrakizay”. — Apokalypsy 7:9, 14; 16:14; Isaia 9:6, MN.
15. Tombontsoa tsy manam-paharoa inona no miandry ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona?
15 Ho toy inona re ny fihetseham-ponao izay ho tafita velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity rehefa hifampiresaka amin’i Noa sy ny ankohonany, dia “izy valo mianaka” tafita velona tamin’ny fandringanana ny tontolo voalohany tamin’ny safo-drano naneran-tany tamin’ny taona 2370 alohan’ny fanisan-taona iraisana! Mandritra ny mandrakizay dia tsy hisy olon-kafa hiaina ireo zava-mitranga hitanao ka avy amin’izany dia ho Vavolombelon’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fomba miavaka sady manokana toy izany. — 1 Petera 3:20; Marka 13:19; 2 Petera 3:5-7.
Tsy hohadinoina ilay jiolahy nangoraka
16, 17. a) Hanana tombontsoa hanao inona ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona sy ireo olon-kafa izay ho velona amin’izany rehefa hotsaroan’i Jesosy ilay jiolahy nangoraka? b) Inona no antenaina raha ny amin’io jiolahy ho tafatsangana io?
16 Azo antoka fa efa hizotra tsara ny fanarenana ny Paradisa eto an-tany rehefa hatsangana ao ilay jiolahy nifatotra tamin’ny hazo teo anilan’i Jesosy tao Kalvary, ka nanaiky ny fahamarinan’ilay soratra teo ambonin’ny Lohany ary niteny taminy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao.” (Lioka 23:42). Ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona mbamin’ireo olon-kafa velona amin’izany dia hanana tombontsoa handray io lehilahy io rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Hampianariny azy izay rehetra mikasika an’ilay Mpanjaka izay hampihatra ny fanapahany amin’izany, dia i Jesosy Kristy izay nanehoany fangorahana lalina tamin’ny 14 Nisana taona 33.
17 Tsy hanadino an’io jiolahy nangora-po io i Jesosy Kristy Tompo mandritra ny Fanjakany arivo taona. Tsy isalasalana fa haneho ny fankasitrahany an’ilay Mpanjaka manapaka, dia Jesosy Kristy izay nanangana azy, io lehilahy io amin’ny tsy fivadihany amin’ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, dia Jehovah Andriamanitra. Amin’izay angamba izy dia hekena fa mendrika ny hiaina mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao, ao amin’ny Paradisa, miaraka amin’ny sisa amin’ny olombelona mpankatò tafarina.
Ny fiainana tao amin’ny saha Edena tafaorina indray maneran-tany
18. Toe-javatra hanao ahoana no hiainan’ny olombelona ao amin’ny Paradisa tafaorina indray?
18 Mpisakaiza avokoa ny olon-drehetra ao amin’ny Paradisa tafaorina indray. Tsapan’ny tsirairay ao amin’ny lalina indrindra amin’ny tenany fa anisan’ilay fianakaviana maneran-tany izy. Mifankahazo avokoa ny rehetra. Mampiasa fiteny iombonana manerana izao rehetra izao izy ireo, azo inoana fa ny fiteny voalohany nampiasain’ny olombelona nandritra ireo 1 800 taona voalohany nisiany — nanomboka tamin’ny famoronana an’i Adama, taona 4026 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ka hatramin’ny andron’i Pelega (2269 ka hatramin’ny 2030 al. fan. i.), satria “tamin’ny androny no nizarana ny tany”. (Genesisy 10:25; 11:1.) Faly miaina ireo olona rehetra ireo ary mandray amim-pankasitrahana ny andro vaovao tsirairay ho toy ny andro fanampiny iainana. Tsy manangona takaitra akory izy ireo rehefa mandeha ny fotoana. Mifanohitra amin’izany fa mihavao ny herim-batany ary tsy mihasimba ny tenany. — Jereo Joba 33:25.
19. Inona no hitranga amin’ireo izay nanan-kilema?
19 Ary jereo! Mandeha, eny mitsambikina amim-pifaliana ireo izay nandringa taloha. Ireo izay tapa-tanana na tapa-tongotra dia mahazo indray ireny rantsambatana ireny amin’ny fomba mahagaga. Mahita ny jamba, mandre ny marenina, miteny sy mihira amim-pifaliana ny moana (jereo Isaia 35:5, 6). Tsy misy intsony ny bika ratsy na ny tarehy ratsy. Mifandanja tsara amin’ny maha-lehilahy ny lehilahy ny maha-vehivavy ny vehivavy (Genesisy 2:18). Ny fahatanterahan’olombelona dia manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny vatan’olombelona tanteraka.
20. Inona no ho hita eo amin’ny herin’ny zavaboary, eo amin’ny zava-pihinana, eo amin’ny biby, ary amin’ny fomba ahoana no hampiasana ny tany?
20 Lasa toerana kanto ny tany manontolo. Tsy misy faritra eo amin’ny bolantany andrenesana vaovao momba ny hain-tany, na tondra-drano, na oram-be mikija mitondra loza na rivo-doza, na tafio-drivotra, na rambondanitra na rivo-mahery mpandrava zavatra (jereo Marka 4:37-41). Voafehy amin’ny fifandanjalanjana tanteraka ireny herin’ny zavaboary ireny mba hahatonga ny tany manontolo ho fonenana hahafinaritra. Tsy hisy faritra tsy ampy sakafo satria ho tondraka ny vokatry ny tany (Salamo 72:16). Hanjaka hatraiza hatraiza ny fiadanana sy ny filaminana, na ho an’ny olona na ho an’ny biby, mifanaraka amin’ity fanambaran’i Jehovah ity: “Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy.” (Isaia 11:9; jereo koa ny andininy faha-6 ka hatramin’ny faha-8). Toy izany no hanovana ny tany ho toerana hahafinaritra izay hivavahan’ny olombelona sy hanompoany an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona sady Tompon’ny tany. Azy ny planeta satria izy no namorona azy. Mety ny hampiasana izany amin’ny fomba mampifaly sy manome voninahitra azy. — Jereo Isaia 35:1, 2, 6, 7.
21. Ahoana no hiheveran’ny olombelona navotana ny zava-drehetra ho hitany eto an-tany, ary mozika inona no ho re?
21 Ho vaovao hahafinaritra avokoa ny zava-drehetra eto an-tany ho an’ny olombelona navotana izay tsy mbola niaina mihitsy tao amin’ny zaridainan’i Edena, ilay Paradisa izay niandohan’ny fiainan’olombelona tao anatin’ny fahatanterahana nahatalanjona (Apokalypsy 21:5). Ho re ny mozika kanto avy amin’ny zavamaneno sy ny feo ho fiderana an’i Jehovah. — 1 Tantara 23:4, 5; Salamo 150:3-6.
22. Fihetseham-po inona no ho tsapan’ireo izay hiaina ao amin’ny Paradisa?
22 Hahatalanjona tokoa ny hiaina eo amin’ny tany feno olona mavitrika, tany tsy hahitana soritry ny fahanterana vokatry ny ota voalohany nataon’i Adama intsony! (Jereo Jaona 10:10.) Eny, izany dia ho tany hisy zavaboary olombelona izay hankasitrahan’i Jehovah avokoa, izay haneho taratry ny Endriny sy ho araka ny Tarehiny tahaka an’i Adama lehilahy voalohany tamin’ny namoronana azy (Genesisy 1:26, 27). Tsy hahatsiravina ny serafima sy ny kerobima ary ny anjely miramirana intsony ny tany. Rehefa hanopy ny masony malefaka avy eny amin’ny lanitra ambony ho etỳ an-tany mba handinihana an’io planeta manana ny hatsaran’ny paradisa io izy ireo, dia tsy ho afaka ny tsy hidera sy hisaotra an’i Jehovah ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, Ilay hitany vatana. — Matio 18:10.
Hoavy sambatra sady tsy hanam-pahataperana
23. Inona no mety ho fantatry ny mponina ao amin’ny Paradisa eto an-tany mikasika ny kristiana voahosotra, ary fihetseham-po inona no ho tsapany noho izany?
23 Mety hisy, ary azo inoana mihitsy fa hisy fotoana hampahalalana ny fianakavian’olombelona ao amin’ny Paradisa an-tany ny anaran’ireo kristiana voahosotra rehetra izay ‘nampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana’ azy ho anisan’ny Fanjakan’ny lanitra ka nandray soa tamin’ny fitsanganana ho any an-danitra (2 Petera 1:10; Salamo 87:5, 6). Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra ny antony tsy maha-ao amin’ny Paradisa an-tany ireo mpianatr’i Jesosy Kristy 144 000 voahosotra sady nateraky ny fanahy. Ho afa-po amin’izany sy hifaly amin’ny fo rehetra noho ny amin’izy ireo sy miaraka amin’izy ireo ny tsirairay.
24. a) Inona no ho efa vitan’Andriamanitra ho an’ny “fitoeran-tongony”? b) Ahoana no ahafantarantsika fa tsy hifarana na oviana na oviana ilay tontolo vaovao, ary hira ara-paminaniana inona no ho tanteraka?
24 Hiaina amim-pahasambarana mandrakizay izay rehetra maneho fifikirana tsy miova amin’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana fanaperana eo amin’izao rehetra izao. Ny Paradisa an-tany izay feno tsara dia ho tonga toerana mety tanteraka mba ho “fitoeran-tongotra” izay ho azon’Andriamanitra ametrahana ny tongony, amin’ny heviny ara-panoharana. Eny, hanisy voninahitra mandrakizay ny ‘fitoeran-tongony’ i Jehovah, ary hanolotra ho azy fanekena tsy azo hozongozonina ny olona rehetra (Matio 5:34, 35; Asa. 7:49). Tsy hanjavona na oviana na oviana ilay tontolo vaovao satria “ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. (Isaia 9:6.) Ho tanteraka amin’izay ilay hira ara-paminaniana noventesin’ireo anjely tamin’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema any Jodia, tamin’ny taona 2 alohan’ny fanisan-taona iraisana nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” — Lioka 2:13, 14.
25. a) Inona no omen’ireo anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” vidiny lehibe? b) Inona no tokony ho faniriantsika amim-pahatsorana?
25 Manome vidiny lehibe ny fampanantenana mampientana mikasika Paradisa iray tafaorina indray ireo anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’ilay Mpiandry tsara. Manana tombontsoa sahady izy ireo tafaray amin’ny fandaminan’Andriamanitra. Mandray anjara amin-jotom-po amin’ny asa nambaran’i Jesosy Kristy Tompo koa izy ireo, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo mba hanaovana fanambarana farany (Matio 24:14, MN; Marka 13:10). Isika izay Vavolombelon’i Jehovah dia maniry amim-pahatsorana ny hitoetra ho mahatoky mandrakizay ka amin’izany dia hanome voninahitra sy hanamarina ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, Jehovah Andriamanitra, eo ambany fanapaham-panjakan’ny Zanany lahitokana, Jesosy Kristy. “Haleloia!” — Apokalypsy 19:1, 3, 4, 6, Jerosalema, Osty; Ohabolana 10:9.
Ahoana no havalinao?
◻ Fampanantenana inona no nataon’Andriamanitra mikasika ny tany, ny fitoeran-tongony ara-panoharana?
◻ Iza no handray anjara amin’ny famerenana ny Paradisa?
◻ Eo amin’ny lehilahy iza no hifidianan’i Jesosy Mpanjaka ireo izay hotendreny ho “mpanapaka eny amin’ny tany rehetra”?
◻ Fifankahitana mampientana inona no mety hataontsika amin’ny fitsanganan’ny maty?
◻ Hoavy manao ahoana no miandry an’ireo manohy manolotra fifikirana tsy mizarazara amin’i Jehovah?