Fikarakarana ny Fananan’ny Tompo
1 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nitana toeram-pitokiana be ny mpitandrin-draharaha. Nanankinan’i Abrahama ilay asa hitady vady ho an’ny zanany lahy ny mpitandrin-draharahany. (Gen. 24:1-4). Raha ny marina, dia niankina tamin’ilay mpitandrin-draharaha ny fahazoana antoka ny amin’ny fitohizan’ny firazanan’i Abrahama. Andraikitra re izany! Tsy mahagaga raha nilaza toy izao ny apostoly Paoly: “Fantatrareo fa ny [mpitandrin-draharaha, NW ] dia tokony ho olona mahatoky”! — 1 Kor. 4:2.
Fitandreman-draharaha kristianina
2 Lazalazaina ao amin’ny Baiboly ho fitandreman-draharaha ny lafin-javatra sasany amin’ny fanompoana kristianina. Ohatra, ny apostoly Paoly dia niresaka tamin’ireo Efesianina ny amin’ny ‘[fitandreman-draharaha, NW ] amin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo’. (Efes. 3:2; Kol. 1:25). Nihevitra ny asa nanirahana azy hitory ny vaovao tsara tamin’ny firenena, ho toy ny fitandreman-draharaha izay tsy maintsy niantsorohany tamim-pahatokiana, izy. (Asa. 9:15; 22:21). Nanoratra toy izao ho an’ireo rahalahiny voahosotra ny apostoly Petera: “Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny [mpitandrin-draharaha tsaran’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory miseho amin’ny fomba maro samihafa, NW ].” (1 Pet. 4:9, 10; Heb. 13:16). Na inona na inona fananana ara-nofon’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia vokatry ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory izany. Noho izany, dia mpitandrin-draharaha tamin’izany zavatra izany izy ireo, ary nila nampiasa izany tamin’ny fomba kristianina.
3 Amin’izao andro izao, dia mitovy hevitra amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo ary mihevitra ny zavatra rehetra ananany — ny fiainany, ny tanjany ara-batana, ny fananany ara-nofo — ho vokatry ny “hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory miseho amin’ny fomba maro samihafa”. Amin’ny maha mpitandrin-draharaha tsara azy ireo, dia mahatsapa tena ho ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, raha ny amin’ny fomba ampiasany ireo zavatra ireo. Fanampin’izany, dia nomena fahalalana ny vaovao tsara izy ireo. Izany koa dia fanankinam-pananana izay irin’izy ireo ny hampiasa azy amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao: Mba hankalazana ny anaran’i Jehovah sy hanampiana ny hafa hahalala ny fahamarinana. — Matio 28:19, 20; 1 Tim. 2:3, 4; 2 Tim. 1:13, 14.
4 Ahoana no iantsorohan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny andraikiny amin’ny maha mpitandrin-draharaha azy ireo? Asehon’ny tatitra fanao isan-taona fa tamin’ny taon-dasa fotsiny, naneran-tany dia nandany ora maherin’ny arivo tapitrisa izy ireo, teo amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ary nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 4 500 000 tamin’ny olona liana. (Matio 24:14, NW ). Niseho tamin’ny fomba hafa koa ny fahatokiany amin’ny maha mpitandrin-draharahan’i Jehovah azy tamin’ny alalan’ny fanomezany tamim-pahalalahan-tanana ho an’ny asa maneran-tany sy ho fanohanana ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, sy tamin’ny alalan’ny fahaizany mandray ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny hafa, ary tamin’ny alalan’ny hatsaram-panahiny niavaka tamin’ireo sahirana be — toy ireo niharam-pahavoazana noho ny fifandonana nitanam-piadiana. Amin’ny maha antokon’olona azy, ny Kristianina marina dia mikarakara tsara ny fananan’ilay Tompo.
“Mpitandrin-draharaha mahatoky sy malina”
5 Ny fitandreman-draharaha dia misy, tsy eo amin’ny olona tsirairay ihany, fa eo anivon’ny fandaminana koa. Niantso ny kongregasiona kristianina voahosotra eto an-tany hoe “mpitandrin-draharaha mahatoky sy [malina, NW ]” i Jesosy. (Lioka 12:42). Ny andraikitr’io “mpitandrin-draharaha mahatoky” io dia ny hanome “anjara hanina” sy hitari-dalana eo amin’ny asa fitoriana maneran-tany ny vaovao tsara. (Apok. 12:17). Mifandray amin’izany, ny kilasin’ny mpitandrin-draharaha mahatoky, izay asehon’ny Fitambara-mpitantana, dia manana andraikitra nomen’Andriamanitra hitantana araka ny tokony ho izy ny ‘talentany’ ara-nofo sy ara-panahy. (Matio 25:15). Mifanaraka amin’ny ohatry ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”, ny sampana tsirairay dia manao ny ezaka rehetra hampiasa ny fanomezana ara-bola rehetra amim-pahaiza-mandray andraikitra mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Atao fananana ankinina izany fanomezana rehetra izany, ary ny “mpitantan-draharaha mahatoky sy malina” no tompon’andraikitra ny amin’ny fahazoana antoka fa ampiasaina araka ny nikasana azy, sy tantanana amim-pahendrena sy amim-pahaiza-mitsitsy ary hisy vokany tsara, izy ireo.
6 Ny ohatra iray ahitana fa ampiasaina amim-pahendrena ny tahirim-bola voangona, dia ny fitomboan’ny asa fanaovam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao taonjato faha-20 izao. Ny fizarana Baiboly, ary koa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly — gazety, boky, bokikely, taratasy mivalona, ary Vaovao Momba Ilay Fanjakana — dia nandray anjara lehibe teo amin’ny fampielezana ny “vaovao tsara” nandritra izao “andro farany” izao. (Marka 13:10, NW; 2 Tim. 3:1). Ary ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana dia fitaovana lehibe mba hanomezana “sakafo amin’ny fotoana mety” ho an’ny “ankohonan’Andriamanitra” sy ny namany, dia ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”. — Matio 24:45, NW; Efes. 2:19; Apok. 7:9; Jaona 10:16.
7 Tamin’ny voalohany, ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra dia natonta tany amin’ny trano fanontam-pirinty tany ivelany. Nandritra ireo taona 1920 anefa, dia notapahina ny hevitra fa handaitra kokoa sy handraisan-tsoa ara-panahy kokoa, raha ny mpanompon’i Jehovah ihany no manao pirinty ny bokiny. Nanomboka tamin’ny fomba kely dia kely tamin’ny 1920, ary nitombo isa tsikelikely tao Brooklyn, any New York, ny fanontam-pirinty mandra-pahatongany ho tena lehibe. Tamin’ny 1967, dia nahafeno fitambaran-trano efatra ny toerana fanaovam-pirinty. Nisy fanaovam-pirinty koa tany amin’ny tany hafa, nefa naato ny ankamaroany noho ny Ady Lehibe Faharoa.
8 Kanefa, na dia nitombo aza ny fanaovana pirinty tany Etazonia, dia mbola tsy ampy foana hamatsiana ny tany manontolo. Noho izany, tamin’ireo taona nanaraka ny ady, dia natomboka, na efa niasa, ny fanaovana pirinty tany amin’ny tany maro hafa, anisan’izany i Afrika Atsimo, i Alemaina Andrefana, i Angletera, i Danemark, i Gresy, i Kanada, ary i Soisa. Teo am-piandohan’ireo taona 1970 koa, dia efa nanampy azy ireo i Aostralia, i Brezila, i Failandy, i Ghana, i Japon, i Nizeria, ary i Philippines. Namoaka boky mifono baoritra koa ny sasany tamin’ireo tany ireo. Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia nampiofanina mba hanana fahaizana manao pirinty ireo misioneran’i Gileada, ary nalefa tany amin’ny sasany tamin’ireny tany ireny mba hanampy ny rahalahy teo an-toerana tamin’ny fanontam-pirinty.
9 Nandritra ireo taona 1980, dia nahatratra 51 ny tampon’isan’ireo tany nanaovana pirinty gazety.a Izany ka porofon’ny fampiasana tsara ny fananan’ny Tompo! Izany ka porofo mahery ny amin’ny fitomboan’ny asan’ilay Fanjakana! Ary izany ka vavolombelona mahery ny amin’ny fanohanana tamim-pahalalahan-tanana nataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro izay ‘mankalaza an’i Jehovah amin’ny fananany’! (Ohab. 3:9). Araka izany, dia nanaporofo ny tenany ho mpitandrin-draharaha tsara dia tsara ny amin’izay nankinin’i Jehovah taminy, ho fitahiana azy tamin’ny fomba samihafa, izy ireo.
Miova ny zavatra ifantohana
10 Nandritra ireo taona 1970 sy teo am-piandohan’ireo taona 1980, dia nisy fandrosoana lehibe teo amin’ny teknôlôjian’ny fanaovana pirinty, ary nampiasa teknika vaovao kokoa teo amin’ny fanaovana pirinty ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo aloha izy ireo dia nampiasa ny fomba fanaovana pirinty tranainy ampiasana lohavỳ. Novana tsikelikely izany rehefa nanomboka nampiasa ny milina offset maoderina kokoa izy ireo. Ho vokatr’izany, dia zavatra vita an-tsoratra tsara tarehy misy sary miloko tanteraka no azo, fa tsy sary miloko roa (mainty miaraka amin’ny loko iray hafa) intsony izay vitan’ilay fanontam-pirinty tranainy nampiasana lohavỳ. Ankoatra izany, ny teknôlôjia momba ny ordinatera dia nanova ny asa rehetra mialoha ny fanaovam-pirinty (fanomanana ny fanaovam-pirinty). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia namorona Fandaharana Elektrônika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro (MEPS). Izy io dia fandaharan’ny ordinatera, izay manampy ny fanaovana pirinty amin’ny fiteny maherin’ny 370. Tsy misy fandaharana any ivelany afaka mifampitaha amin’ny MEPS, raha ny amin’ny fahafahany miasa amin’ny fiteny maro be.
11 Noho ny MEPS sy ny fampiasana zava-baovao hafa toy ny hafatra elektrônika, dia nisy fandrosoana lehibe hafa iray natao mba hamokarana sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. Teo aloha, tamin’ny fampiasana ilay teknôlôjia tranainy, dia volana maromaro, na herintaona mihitsy aza, taorian’ny amin’ny teny anglisy, vao nivoaka ny fanazavana tao amin’ireo gazety tamin’ny fiteny hafa. Ankehitriny, Ny Tilikambo Fiambenana dia miara-miseho amin’ny fiteny 115, ary ny Mifohaza!, amin’ny fiteny 62. Midika izany fa maneran-tany dia maherin’ny 95 isan-jaton’ireo izay manatrika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro no mianatra zavatra mitovy, amin’ny fotoana mitovy. Tena fitahiana re izany! Tena fampiasana tsara dia tsara ny fananan’ny Tompo ny fampiasana ny vola tao amin’izany teknôlôjia vaovao rehetra izany!
Niova ny zavatra ilain’ny fandaminana
12 Nanova ny zavatra ilain’ny fandaminana eo amin’ny fanaovana pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ireny fandaharana vaovao ireny. Ny milina offset dia haingana kokoa noho ilay milina typographique tranainy, nefa lafo kokoa. Na dia manolotra fahafahana hanao zavatra betsaka lavitra kokoa noho ny fandaharana tranainy aza ny fandaharan’ny ordinatera anaovana ny fanoratana, sy ny fandikan-teny, ary ny sary, dia mitaky vola be kokoa. Tsy ela dia nanjary niharihary fa tsy nampitsitsy vola intsony ny fanaovana pirinty gazety any amin’ny tany 51 samy hafa. Noho izany, tamin’ireo taona 1990, dia nandinika indray ny toe-javatra ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”. Inona no fanatsoahan-keviny?
13 Nasehon’ireo fandinihana fa ny “fananana” nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny namany fanomezana dia hampiasaina amin’ny fomba tsara kokoa, raha atambatra ny fanontam-pirinty. Koa nahena tsikelikely àry ny isan’ireo sampana manana fanontam-pirinty. I Alemaina dia nandray an-tanana ny fanaovana pirinty ny gazety sy ny zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tany maro ao Eoropa Atsinanana sy Andrefana, anisan’izany ny tany sasany izay nanao ny pirintiny manokana teo aloha. I Italia dia mamatsy gazety sy zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tany sasany atsy Afrika, sy ny atsimoatsinanan’i Eoropa, anisan’izany i Gresy sy i Albania. Atsy Afrika, dia noferana ho ao Nizeria sy Afrika Atsimo ny fanaovana pirinty ny gazety. Nisy fanakambanana nitovy tamin’izany naneran-tany.
Ireo anton-javatra tokony hodinihina amim-pitandremana
14 Amin’ny Jolay 1998, dia hitsahatra ny fanaovana pirinty ny gazety any amin’ireo tany eoropeanina maromaro, anisan’izany i Aotrisy, i Danemark, i Frantsa, i Gresy, i Holandy sy i Soisa. I Alemaina, i Espaina, i Failandy, i Grande-Bretagne, i Italia, ary i Soeda, no hiandraikitra ny fanaovana pirinty any Eoropa. Amin’izany fomba izany, dia ho voasoroka ny fandaniana tsy ilaina, ary hampiasaina amin’ny fomba tsara kokoa ho amin’ny asa maneran-tany ny fanomezana. Ahoana no nanapahana hevitra ny amin’izay tany hanohy hanao pirinty sy izay hatsahatra? Mifanaraka amin’ny fitsipiny mba hikarakara amim-pahendrena ny fananan’ny Tompo, ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” dia nanombana tamim-pitandremana ny maha azo ampiharina ny fanaovana pirinty any amin’ny toerana tsirairay.
15 Ny maha azo ampiharina azy no antony lehibe nampitsaharana ny fanaovana pirinty any amin’ny tany sasany sy nanakambanana azy ho any amin’ny tany hafa. Mety kokoa raha tany iray ihany no manao pirinty ho an’ny tany maromaro, sady fampiasana tsara kokoa ny fitaovana lafo vidy izany. Any amin’ny toerana mora vidin-javatra, sy ahitana fitaovana, ary tsara fandefasana entana no anaovana pirinty ankehitriny. Araka izany, dia ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fananan’ny Tompo. Mazava ho azy fa, raha atsahatra ny fanaovana pirinty any amin’ny tany iray, izany akory tsy midika fa mitsahatra ny asa fitoriana any. Mbola hisy zavatra vita pirinty tondraka ho azo raisina ihany any, ary ireo Vavolombelon’i Jehovah ana hetsiny maro any amin’ireo tany ireo dia hanohy hilaza amin-jotom-po amin’ny mpiara-monina aminy ny “vaovao tsaran’ny fiadanana”. (Efes. 2:17, NW ). Ambonin’izany, dia niteraka soa hafa io fandaminan-javatra indray io.
16 Intỳ misy soa iray: Nalefa tany Nizeria sy Philippines, ny ankamaroan’ireo milina maoderina avy any Danemark, Gresy, Holandy, ary Soisa. Ireo mpampandeha milina kinga avy tany amin’ireo tany eoropeanina dia nanaiky ny fanasana handeha ho any, hitondra ireo milina sy hampiofana ireo mpampandeha milina teo an-toerana ny amin’ny fampiasana azy ireo. Noho izany, dia manana gazety tsara endrika toy ny nananan’ny tany hafa izao ireo tany ireo.
17 Diniho ny soa iray hafa: Izao dia ireo tany vitsivitsy izay itohizan’ny fanontam-pirinty ihany no mizaka ny fandaniana amin’ny fanaovana pirinty gazety. Ho vokatr’izany, dia azo ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena hafa, toy ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny fikarakarana ny zavatra ilain’ireo rahalahintsika any amin’ny tany mahantra kokoa, izao ny vola any amin’ireo tany tsy anaovana pirinty intsony. Araka izany, ny fampiasana amim-pitandremana ny fananan’ny Tompo dia midika fa azo ampiharina amin’ny fomba mandaitra kokoa amin’ny ambaratonga maneran-tany ny tenin’i Paoly tamin’ireo Korintianina manao hoe: “Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany, fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’izao ankehitriny izao ny haben’ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ireo, (...) mba hisy fitoviana”. — 2 Kor. 8:13, 14.
18 Ho vokatr’io fanakambanana io, dia tafaray akaiky kokoa noho ny hatramin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Tsy zava-manahirana ho an’ireo Vavolombelona any Danemark ny anaovana pirinty ny gazetiny any Alemaina, na dia ny tenany ihany aza no nanao ny azy taloha. Velom-pankasitrahana noho ny fanompoana ataon’ireo rahalahiny alemà izy ireo. Tsy faly ve ny Vavolombelon’i Jehovah any Alemaina satria ny fanomezana ataony dia ampiasaina hanaovana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ho an’i Danemark — na ho an’i Rosia, sy i Ukraine, ary tany hafa? Mazava ho azy fa tsia! Faly izy ireo izao mahafantatra fa azo ampiasaina amin’ny zava-kendrena hafa tena ilaina ny fanomezan’ireo rahalahiny any amin’ireo tany ireo.
Fikarakarana ireo fananana
19 Any amin’ny Efitrano Fanjakana rehetran’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia misy boaty ho an’ny fanomezana voamarika hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Ataon’ny Fikambanana — Matio 24:14”. Tsy ampiasaina ho an’ny kongregasiona eo an-toerana ny vola natao fanomezana ao amin’io boaty io, fa alefa atỳ amin’ny sampana isam-bolana. Azo ampiasaina na aiza na aiza ilana azy, ny fanomezana an-tsitrapo ao amin’io boaty io. Ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” sy ny sampana tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izay hampiasana ireo fanomezana. Noho izany, any amin’izay amelan’ny lalàna azy, ny vola arotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana any amin’ny tany iray dia mety hanohana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany hafa iray any amin’ny an’arivony kilaometatra maro. Nisy fanomezana nampiasaina tany amin’ny tany sasany mba hanomezana ny zavatra maika nilain’ireo mpiray finoana taminy izay niharan-java-nanahirana toy ny rivo-doza, ny tafio-drivotra, ny horohoron-tany, ary ny ady an-trano. Ary nisy fanomezana nampiasaina mba hanohanana ireo misionera any amin’ny tany maherin’ny 200.
20 Ho fitsipika ankapobeny, any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny raharaha ara-bola dia resahina indray mandeha monja ao anatin’ny volana — ary mandritra ny minitra vitsy monja. Tsy misy lovia fanantazan-drakitra ampandalovina any amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ireo fivoriambe. Tsy misy fangataham-bola atao amin’olona. Tsy misy mpamory vola karamaina. Mazàna, Ny Tilikambo Fiambenana dia tsy mamoaka afa-tsy lahatsoratra iray isan-taona, manazava ny fomba ahafahan’ireo izay maniry hanao fanomezana ho an’ny Watch Tower Bible and Tract Society manao izany mba hanohanana ny asa maneran-tany. Tsy misy firesahana tsy tapaka momba ny volan’ny Fikambanana ao amin’ny Mifohaza! Ahoana àry no nanatanterahana ny asa goavana maneran-tany ny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, ny fanorenana Efitrano Fanjakana tena ilaina, ny fikarakarana ireo ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana, ary ny fanampiana ireo Kristianina sahirana? Nitahy ny vahoakany tamin’ny fomba mahatalanjona tamin’ny fanomezana azy ireo toe-tsaina maneho fahalalahan-tanana i Jehovah. (2 Kor. 8:2). Hararaotinay izao fahafahana izao mba hisaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny ‘fankalazana an’i Jehovah tamin’ny fananany’. Afaka mahazo antoka izy ireo fa ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” dia hanohy hiandraikitra ny fananan’ny Tompo. Ary mivavaka izahay mba hanohizan’i Jehovah hitahy ny fandaharana rehetra atao ho fanitarana ny asa maneran-tany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tany amin’ny fito amin’ireo tany ireo, dia orinasa tany ivelany no nanao ny pirinty.