-
Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisanaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Sambatra izany mpanompo izany, raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany!
-
-
Tokony ho Vonona Foana ny Mpanompo Mendri-pitokisanaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
I Jesosy, ilay Zanak’olona, no ‘tompo’ ao amin’ilay fanoharana voalohany. Mitombina àry raha lehilahy anisan’ny “ondry vitsy” izay homena ny Fanjakana no tondroin’ilay hoe “mpanompo mendri-pitokisana.” (Lioka 12:32) Nilaza i Jesosy fa ny sasany amin’ny ondry vitsy no hanome ‘sakafo ampy amin’ny fotoana mety’ ho an’ny “mpanompony hafa rehetra.” Takatr’i Petera sy ny olon-kafa nampianarin’i Jesosy sy nomeny sakafo ara-panahy àry fa ho tonga ny Zanak’olona amin’ny fotoana iray amin’ny hoavy. Hisy fandaharana amin’izay mba hanomezana sakafo ara-panahy an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, izany hoe “ny mpanompony hafa rehetra.”
-