Fantaro i Jehovah Amin’ny Alalan’ny Teniny
“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — JAONA 17:3.
1, 2. a) Inona no dikan’ny hoe “mahafantatra” sy ny hoe “fahalalana” araka ny ampiasana azy ao amin’ny Soratra Masina? b) Ohatra inona avy no manazava io hevi-teny io?
NY FAHAFANTARANA olona iray toy ny olom-pantatra fotsiny na ny fananana fahalalana ivelany fotsiny ny amin’ny zavatra iray dia manaisotra zavatra tena lehibe amin’ny dikan’ny teny hoe “mahafantatra” sy “fahalalana” araka ny ampiasana azy ao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny Baiboly, izany dia mahatafiditra “fahafantarana amin’ny alalan’ny fanandraman-javatra”, dia fahalalana izay milaza “fifandraisam-pitokiana eo amin’ny samy olona”. (The New International Dictionary of New Testament Theology). Izany dia mahafaoka fahafantarana an’i Jehovah amin’ny fanisiana fiheverana ireo asany manokana, toy ireny ao amin’ny bokin’i Ezekiela ireny izay nanatanterahan’Andriamanitra didim-pitsarana tamin’ireo mpanao ratsy, tamin’ny fanambarana hoe: ‘Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah’. — Ezekiela 38:23.
2 Azo hazavaina amin’ny ohatra vitsivitsy ny fomba maro karazana mety hampiasana ny hoe “mahafantatra” sy ny hoe “fahalalana”. Tamin’ny maro izay nihambo ho nanao zavatra tamin’ny anarany, dia nilaza i Jesosy hoe: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay”; te hilaza izy fa tsy nifandray tamin’izy ireo mihitsy. (Matio 7:23). Milaza ny 2 Korintiana 5:21 fa “tsy nahalala ota” i Kristy. Izany akory tsy midika hoe tsy nahafantatra ny atao hoe ota izy fa tsy tafiditra manokana tamin’izany kosa ny tenany. Toy izany koa, rehefa nilaza i Jesosy hoe: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao”, dia bebe kokoa noho ny fahafantaran-javatra momba an’Andriamanitra sy i Kristy fotsiny no tafiditra. — Ampitahao amin’ny Matio 7:21.
3. Inona no manaporofo fa i Jehovah dia mampiseho marika famantarana ilay Andriamanitra marina?
3 Toetran’i Jehovah maro no azo fantarina amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly. Iray amin’ireny ny fahaizana maminany amim-pahamarinana. Izy io dia marika famantarana ilay Andriamanitra marina: “Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay. Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra hianareo”. (Isaia 41:22, 23). Ao amin’ny Teniny i Jehovah dia miresaka ny amin’ireo zavatra voalohany mikasika ny famoronana ny tany sy ny fiainana eo aminy. Nilaza ela be mialoha ny amin’ireo zavatra tsy maintsy hitranga atỳ aoriana sy izay tena nitranga izy. Ary na dia amin’izao fotoana izao aza izy dia ‘manambara amintsika izay zavatra ho avy rahatrizay’, indrindra fa ireo zavatra hitranga amin’izao “andro farany” izao. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Genesisy 1:1-30; Isaia 53:1-12; Daniela 8:3-12, 20-25; Matio 24:3-21; Apokalypsy 6:1-8; 11:18.
4. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny, ary ahoana no mbola hampiasany izany?
4 Toetran’i Jehovah hafa iray ny hery. Miharihary izy io eny amin’ny lanitra misy ireo kintana izay miasa toy ny fatana fanakambanana ataoma ka mamoaka hazavana sy hafanana. Rehefa nisy olombelona na anjely nihaika ny fiandrianan’i Jehovah, dia nampiasa ny heriny tamin’ny naha-“mpiady mahery” azy izy, niaro ny laza tsarany sy ny fari-pitsipiny marina. Tamin’ny tarehin-javatra toy izany, dia tsy nisalasala nandefa hery nandrava izy, toy ny tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa, tamin’ny fandravana an’i Sodoma sy i Gomora, ary tamin’ny fanafahana ny Isiraely namakivaky ny Ranomasina Mena. (Eksodosy 15:3-7; Genesisy 7:11, 12, 24; 19:24, 25). Tsy ho ela dia hampiasa ny heriny Andriamanitra mba ‘hanorotoroana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo’. — Romana 16:20.
5. Miaraka amin’ny heriny, dia toetra hafa inona koa no ananan’i Jehovah?
5 Kanefa, na dia eo aza izany hery tsy misy fetra rehetra izany, dia eo ny fanetren-tena. Hoy ny Salamo 18:35, 36 (NW ): “Ny fanetren-tenanao manokana dia hahatonga ahy ho lehibe. Hohalalahinao tsara ny toerana diaviko.” Ny fanetren-tenan’Andriamanitra dia mahatonga azy ho afaka ‘hiondrika hijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany; manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka Izy ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika’. — Salamo 113:6, 7.
6. Toetran’i Jehovah inona no mamonjy aina?
6 Mamonjy aina ny famindram-pon’i Jehovah teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona. Famindram-po toy inona moa no naseho tamin’i Manase rehefa navela heloka izy, na dia nahavita habibiana nahatsiravina aza! Hoy i Jehovah: “Raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.” (Ezekiela 33:14, 16; 2 Tantara 33:1-6, 10-13). Nampiseho taratra an’i Jehovah i Jesosy rehefa nampirisika ny hamelana heloka in-77, in-7 mihitsy aza ao anatin’ny indray andro! — Salamo 103:8-14; Matio 18:21, 22; Lioka 17:4.
Andriamanitra iray manana fihetseham-po
7. Amin’ny ahoana i Jehovah no tsy mitovy amin’ireo andriamanitra grika, ary tombontsoa sarobidy inona no mivelatra eo anoloantsika?
7 Ireo filozofa grika, toa an’ireo Epikoriana dia nino andriamanitra maro, saingy nihevitra azy ireny ho lavitra loatra ny tany ka tsy mihevitra ny olombelona na mihontsina amin’izay fihetseham-pony. Endre ny fahasamihafan’izany amin’ny fifandraisana misy eo amin’i Jehovah sy ireo Vavolombelony mahatoky! “Fa sitrak’i Jehovah ny olony”. (Salamo 149:4). Ireo olona ratsy fanahy talohan’ny Safodrano dia nahatonga azy hahatsapa nenina ary “nalahelo ny fony”. Tamin’ny fivadihany, ny Isiraely dia nitondra fanaintainana sy alahelo ho an’i Jehovah. Afaka mampalahelo ny fanahin’i Jehovah ny Kristiana amin’ny tsy fankatoavany; amin’ny fahatokiany anefa, dia afaka mitondra fifaliana ho azy izy ireo. Mampitolagaga toy inona moa ny mieritreritra fa afaka manao izay hahatsapan’ilay Mpamorona izao rehetra izao alahelo na fifaliana ny olombelona osa! Rehefa eritreretina izay rehetra ataony ho antsika, dia mahafinaritra toy inona moa ny fananantsika tombontsoa sarobidy hampifaly azy! — Genesisy 6:6; Salamo 78:40, 41; Ohabolana 27:11; Isaia 63:10; Efesiana 4:30.
8. Ahoana no nampiasan’i Abrahama ny fahalalahany hiteny amim-pahatsorana tamin’i Jehovah?
8 Asehon’ny Tenin’Andriamanitra fa ny fitiavan’i Jehovah dia mamela antsika hanana “fahalalahana hiteny amim-pahatsorana”. (1 Jaona 4:17, NW ). Mariho izay nitranga tamin’i Abrahama rehefa tonga mba handrava an’i Sodoma i Jehovah. Hoy i Abrahama tamin’i Jehovah: “Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina? Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao? (...) sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” Andray izany teny atao amin’Andriamanitra! Na dia izany aza, dia nanaiky ny hamonjy an’i Sodoma i Jehovah raha nisy olo-marina 50 tao. Nanohy ny teniny i Abrahama ary nampidina ny isa avy teo amin’ny 50 nankeo amin’ny 20. Nanjary takany fa nety ho nanery be loatra izy. Hoy izy: “Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao.” Nanaiky indray i Jehovah: “Tsy mba handringana Aho noho ny folo.” — Genesisy 18:23-33.
9. Nahoana i Jehovah no namela an’i Abrahama hiteny toy ny nataony, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
9 Nahoana i Jehovah no namela an’i Abrahama hanana fahalalahana hiteny amim-pahatsorana toy izany mba hiresahana tamin’izany fomba izany? Voalohany, dia takatr’i Jehovah ny fihetseham-po ory dia ory nananan’i Abrahama. Fantany fa i Lota zana-drahalahin’i Abrahama dia nipetraka tao Sodoma, ary nanahy ny amin’ny fiarovana azy i Abrahama. Sakaizan’Andriamanitra koa i Abrahama. (Jakoba 2:23). Rehefa misy olona miteny amintsika amin’ny fomba henjana, moa ve isika manandrana mamantatra ny fihetseham-po fonosin’ny teniny ary manisy fiheverana ireo anton-javatra mahatonga hilefitra, indrindra fa raha sakaiza iray izay ao anatin’ny fanerena ara-pihetseham-po sasany izy io? Moa ve tsy mampionona ny fahafantarana fa hahatakatra ny fampiasantsika ny fahalalahana hiteny amim-pahatsorana i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Abrahama?
10. Amin’ny ahoana ny fahalalahana hiteny amim-pahatsorana no manampy antsika amin’ny vavaka?
10 Rehefa mitady azy amin’ny maha-“Mpihaino vavaka” indrindra isika no mila fatratra io fahalalahana hiteny amim-pahatsorana io mba hamborahana ny fanahintsika aminy, rehefa ilay ory mafy sy mikorontana ara-pihetseham-po iny isika. (Salamo 51:17; 65:2, 3). Na dia amin’ireny fotoana tsy ahitantsika teny hatao ireny aza, dia “ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina”, ary dia mihaino i Jehovah. Afaka mahafantatra ny eritreritsika izy: “Ianao no (...) mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô.” Na dia izany aza, dia tokony tsy hitsahatra hangataka sy hitady ary handondòna isika. — Romana 8:26; Salamo 139:2, 4; Matio 7:7, 8, NW.
11. Ahoana no ampisehoana fa tena miahy antsika tokoa i Jehovah?
11 Miahy i Jehovah. Manome izay ilain’ny aina noforoniny izy. “Ny mason’izao rehetra izao miandrandra Anao, ary Hianao manome azy ny haniny amin’ny fotoany. Manokatra ny tànanao Hianao ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.” (Salamo 145:15, 16). Asaina isika hijery ny fomba fanomezany hanina ny vorona any anaty kirihitra. Jereo ny lilia any an-tsaha, ny hakanton’ny nampitafiany azy. Nanampy teny i Jesosy fa hanao toy izany ary mihoatra noho izany amintsika i Jehovah. Koa nahoana àry isika no hahatsiaro fanahiana? (Deoteronomia 32:10; Matio 6:26-32; 10:29-31). Manasa anao ny 1 Petera 5:7 mba ‘hametraka aminy ny fanahianao rehetra, fa Izy no miahy anao’.
“Endriky ny tenany indrindra”
12, 13. Fanampin’ny fahitana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny zavatra noforoniny sy ny asa nataony voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia amin’ny fomba hafa ahoana koa no ahafahantsika mahita sy mandre azy?
12 Afaka mahita an’i Jehovah Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny zavatra noforoniny; afaka mahita azy isika amin’ny famakiana ao amin’ny Baiboly ireo asa nataony; afaka mahita azy koa isika amin’ireo teny sy asa voarakitra an-tsoratra momba an’i Jesosy Kristy. Niteny izany mihitsy i Jesosy ao amin’ny Jaona 12:45 manao hoe: “Izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.” Hoy izy indray ao amin’ny Jaona 14:9: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. Milaza ny Kolosiana 1:15 hoe: “[I Jesosy] no endrik’Andriamanitra tsy hita”. Manambara toy izao ny Hebreo 1:3: “[I Jesosy] koa no famirapiratan’ny voninahiny [ny an’Andriamanitra] sy ny endriky ny tenany indrindra”.
13 Naniraka ny Zanany i Jehovah, tsy hoe mba hanome ny avotra fotsiny, fa hamela mba ohatra halain-tahaka koa, amin’ny teny ary amin’ny atao koa. Nilaza ny tenin’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy ao amin’ny Jaona 12:50: “Izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko.” Tsy nanao zavatra izay azy manokana izy fa izay zavatra nasain’Andriamanitra nataony. Niteny toy izao izy ao amin’ny Jaona 5:30: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona”. — Jaona 6:38.
14. a) Fahitan-javatra inona avy no nahatonga an’i Jesosy ho voatosiky ny fangorahana? b) Nahoana ny fomba firesak’i Jesosy no nahatonga ny olona hirohotra mba handre azy?
14 Nahita olona boka, kilemaina, marenina, jamba, sy azon’ny demonia, ary nisaona ny havany maty, i Jesosy. Natosiky ny fangorahana izy ka nanasitrana ny marary ary nanangana ny maty. Nahita ny vahoaka nampahantraina sy nafoy ara-panahy izy, ary nanomboka nampianatra azy ireo zavatra maro. Tsy nampianatra azy ireo tamin’ny teny marina fotsiny izy, fa tamin’ny teny feno fahatsorana nahafinaritra avy tao am-pony koa, izay nivantana tany am-pon’ny hafa, ka nisarika azy ireo ho aminy, nitondra azy ireo vao maraina tao amin’ny tempoly mba handre azy, nahatonga azy ireo haharitra hanaraka azy sy hihaino azy tamim-pahafinaretana. Nirohotra izy ireo mba handre azy, tamin’ny filazana fa ‘tsy mbola nisy olona niteny tahaka azy’. Talanjona tamin’ny fomba fampianarany izy ireo. (Jaona 7:46; Matio 7:28, 29; Marka 11:18; 12:37; Lioka 4:22; 19:48; 21:38). Ary rehefa nitady hamandrika azy tamin’ny fanontaniana ireo fahavalony, dia nataony nifotitra tany amin’izy ireo izany, ka nampangina azy ireo. — Matio 22:41-46; Marka 12:34; Lioka 20:40.
15. Inona no loha hevitra fototra tamin’ny fitorian’i Jesosy, ary tonga hatraiza ny fampidirany ny hafa mba hanaparitaka izany?
15 Nambarany fa “efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” ary nampirisihiny ny mpihaino mba tsy hitsahatra ‘hikatsaka ny fanjakana aloha’. Naniraka ny hafa izy mba hitory fa “efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra”, mba ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’, mba ho vavolombelon’i Kristy “hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”. Amin’izao andro izao dia Vavolombelon’i Jehovah efa ho efatra tapitrisa sy sasany no manara-dia azy, ka manao ireo zavatra ireo. — Matio 4:17; 6:33; 10:7; 28:19; Asan’ny Apostoly 1:8, NW.
16. Ahoana no nisedrana mafy ilay fitiavana, toetran’i Jehovah, kanefa inona no notanterahin’izany ho an’ny olombelona?
16 Lazaina amintsika ao amin’ny 1 Jaona 4:8 fa “Andriamanitra dia fitiavana”. Nosedraina tamin’ny fomba faran’izay nampanaintaina indrindra io toetrany miavaka io, rehefa naniraka ny Zanany lahy tokana tetỳ an-tany mba ho faty izy. Ny fangirifiriana mafy niaretan’io Zanaka malala io sy ny fiangaviana nambarany tamin-dRainy any an-danitra, dia tsy maintsy nitondra fanaintainana sy alahelo lehibe ho an’i Jehovah. Eny, fa na dia nanaporofo aza i Jesosy fa diso ilay fihaikan’i Satana hoe: i Jehovah dia tsy afaka manana olona eto an-tany izay hihazona mafy ny tsy fivadihany Aminy ao anatin’ny fisedrana mafy. Tokony hankasitraka ny halehiben’ny sorona nataon’i Jesosy koa isika, satria Andriamanitra dia naniraka azy tetỳ mba ho faty ho antsika. (Jaona 3:16). Izany akory tsy fahafatesana mora sy vetivety. Mba hanombanana izay vidin’izany ho an’Andriamanitra sy ho an’i Jesosy koa, ka hahatakarana amin’izany ny halehiben’ny sorona nataon’izy ireo ho antsika, dia aoka isika handinika ny fitantaran’ny Baiboly ny fisehoan-javatra.
17-19. Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ilay fitsapana nahamay hitranga taminy?
17 Inefatra fara fahakeliny i Jesosy no nilazalaza tamin’ireo apostoliny ny amin’izay nadiva hitranga. Andro vitsivitsy monja talohan’ny nitrangan’izany, dia hoy izy: “Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa; ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy”. — Marka 10:33, 34.
18 Nahatsapa fanerena avy amin’izay hitranga aminy i Jesosy, noho izy nahatakatra ireo zava-nahatsiravina tamin’ny fikapohan’ny Romana. Ireo anjan-koditra tamin’ilay karavasy nampiasaina mba hikapohana dia nisy tapatapaka metaly sy taolan’ondry niraikitra taminy; koa arakaraka ny nitohizan’ny fikapohana, ny lamosina sy ny ranjo dia nanjary rovitra nofo nivoa-dra. Volana maromaro talohan’izay, dia nilaza ny fihenjanana ara-pihetseham-po naterak’ilay fitsapana nahamay tao aminy i Jesosy, tamin’ny filazana ilay vakintsika ao amin’ny Lioka 12:50 hoe: “Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!”
19 Nitombo ilay fanerena arakaraka ny naha-akaiky an’ilay fotoana. Niresaka ny amin’izany tamin-dRainy any an-danitra izy: “Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ity ora ity”. (Jaona 12:27). Toy inona moa ny tsy maintsy ho fiantraikan’izany fiangaviana avy tamin’ny Zanany lahy tokana izany teo amin’i Jehovah! Tao Getsemane, ora vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany, dia nanjary ory mafy ara-tsaina i Jesosy ka niteny tamin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona nanao hoe: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty”. Minitra vitsivitsy taorian’izay dia nilaza ny vavaka farany nataony momba izany tamin’i Jehovah izy nanao hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.” (Matio 26:38; Lioka 22:42, 44). Izany dia mety ho ilay fantatra ara-pitsaboana hoe hématidrose. Mahalana izy io, kanefa dia mety hiseho ao anatin’ny toe-javatra mampihetsi-po mafy dia mafy.
20. Inona no nanampy an’i Jesosy ho tafavoaka tamin’ilay fitsapana nahamay nahazo azy?
20 Mikasika io fotoana tao Getsemane io, dia hoy ny Hebreo 5:7: “Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’Izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino [tsara izy, NW ] noho ny fahatahorany an’Andriamanitra”. Koa satria tsy namonjy azy tamin’ny fahafatesana ‘Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana’, tamin’ny heviny ahoana ny vavaka nataony no voahaino tsara? Mamaly toy izao ny Lioka 22:43: “Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.” Voavaly ilay vavaka tamin’ny nampaherezan’ilay anjely nalefan’Andriamanitra an’i Jesosy mba hiaritra ilay fitsapana nahamay.
21. a) Inona no mampiseho fa tafavoaka tamim-pandresena tamin’ilay fitsapana nahamay i Jesosy? b) Rehefa mihamafy ireo fitsapana mahazo antsika, maniry ny ho afaka hiteny hoe ahoana isika?
21 Niharihary izany tamin’ny vokany. Rehefa tapitra ilay ady anaty nahazo azy, dia niarina i Jesosy, niverina nankany amin’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, ary niteny hoe: “Mitsangàna, andeha isika”. (Marka 14:42). Raha ny marina dia nilaza izy hoe: ‘Aoka aho handeha mba hamadihana ahy amin’ny fanorohana iray, mba hisamboran’ny vahoaka ahy, mba hanolorana ahy hotsaraina tsy araka ny lalàna, mba hanamelohana ahy amin’ny fomba diso. Aoka aho handeha mba hesoina, hororana, hokapohina, ary hofantsihina amin’ny hazo fijaliana.’ Nihantona teo izy nandritra ny adiny enina, tao anatin’ny fanaintainana tsy hay lazaina, niaritra hatramin’ny farany. Teo am-pahafatesany, dia nihiaka tamim-pandresena toy izao izy: “Vita!” (Jaona 19:30). Nitoetra ho niorina tsara izy ary noporofoiny ny tsy fivadihany tamin’ny fanandratana ny fiandrianan’i Jehovah. Vitany izay rehetra nanirahan’i Jehovah hataony teto an-tany. Rehefa ho faty isika na rehefa hamely Haramagedona, moa ve isika ho afaka hilaza ny amin’ny asa nanirahan’i Jehovah antsika hoe: “Vita”?
22. Inona no mampiseho ny fitaran’ny fielezan’ny fahalalana an’i Jehovah?
22 Amin’ny toe-javatra rehetra, dia afaka matoky isika fa amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, izay manatona haingana, ‘ny tany dia ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.’ — Isaia 11:9.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no dikan’ny hoe mahafantatra sy ny hoe manana fahalalana?
◻ Ahoana no nanehoana ny famindram-pon’i Jehovah sy ny famelany heloka tamintsika ao amin’ny Teniny?
◻ Ahoana no nampiasan’i Abrahama fahalalahana hiteny amim-pahatsorana tamin’i Jehovah?
◻ Nahoana isika no afaka mijery an’i Jesosy ka mahita ao aminy ireo toetran’i Jehovah?